Liahona
Loholona Patrick Kearon: Voaomana sy nantsoin’ny Tompo
Mey 2024


“Loholona Patrick Kearon: Voaomana sy nantsoin’ny Tompo,” Liahona, mey 2024.

Antso vaovao

Loholona Patrick Kearon: Voaomana sy nantsoin’ny Tompo

Nanomana ny Loholona Kearon tamin’ny fomba miavaka ny Tompo ary nanome azy fanomezana ara-panahy maro isan-karazany izay hanome fahafahana azy hitahy ny hafa amin’ny antsony masina mba ho vavolombelona manokan’“ny anaran’i Kristy eran’izao tontolo izao.”

Sary
Loholona Patrick Kearon

Indray sabotsy taona maro taorian’ny niantsoana azy ho Fitopololahy Manampahefana Ambony, dia niditra ny tsenam-barotra lehibe iray ny Loholona Patrick Kearon sy ny vadiny, raha toa kosa ka nivoaka avy tao ny Loholona W. Rolfe Kerr sy i Janeil vadiny. Nifampiresaka vetivety izy ireo, ary dia nitodi-doha nankeny amin’ny fiarany ry Kerrs avy eo.

Tamin’izay indrindra, dia nisy lehilahy iray nanatona ny Loholona Kearon ary nanontany azy tamim-pientanentanana hoe: “Manampahefana Ambony ve ilay niresaka taminao teo?” Namaly ny Loholona Kearon hoe: “Eny. Ny Loholona W. Rolfe Kerr ao amin’ny Fitopololahy iny teo iny.” Nihatokatoka nanaiky ilay lehilahy, nijery ny Loholona Kearon teo amin’ny masony kanefa tsy nahafantatra azy, dia niteny hoe: “Tonga dia fantatra foana ny Manampahefana Ambony, sa ahoana hoy ianao?” Dia lasa nandeha haingana ilay lehilahy avy eo.

“Tiako io tantara io satria maneho ny zavatra tsapako tokoa izany,” hoy ny Loholona Kearon tamim-pitsikiana. “Afaka miaina izany zavatra izany indray aho androany, fa mbola tsy hahafantatra ahy ho Manampahefana Ambony ao anatin’ny olona maro ihany angamba izany lehilahy izany.”

Mahatonga ny Loholona Kearon ho lalain’ireo izay mahafantatra azy na efa nanana tombontsoa manokana niara-nanompo taminy ny sangisangy milaza ny fahalemen’ny tena fanaony sy ny fanetrentena ananany. Rehefa nantsoina sy notendrena ho mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’ny 7 desambra 2023 ny Loholona Kearon, dia fantany fa tsy dia mahakasika azy loatra ny antsony vaovao fa mahakasika ny asan’ny Tompo eo andalam-pitohizana.

“Samy mandray anjara amin’ny asany avokoa isika rehetra,” hoy izy, “miezaka manampy ny olona hahatsapa ny fitaomany sy ny fitiavany ary ny fiahiany. Ny zavatra tiany ataontsika amin’ny maha mpikambana antsika ao amin’ny Fiangonany dia ny hitahy ny fiainan’ny hafa.”

Nanomana ny Loholona Kearon tamin’ny fomba miavaka ny Tompo ary nanome azy fanomezana ara-panahy maro isan-karazany izay hanome fahafahana azy hitahy ny hafa amin’ny antsony masina mba ho vavolombelona manokan’“ny anaran’i Kristy eran’izao tontolo izao” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:23). Ny Loholoha Kearon izay niova fo ka lasa mpikamban’ny Fiangonana teo amin’ny faha 26 taonany ary hany mpikamban’ny Fiangonana amin’ireo mpiray tam-po aminy, dia lehilahy manana fangorahana lalina izay mahay mihaino, mifandray, ary mankahery ireo zanak’ Andriamanitra. Efa toetrany mihitsy ny fananana fo antra olona ary mahita fifaliana amin’ny fanompoana izy. Satria nahakasika ny fony ireo zavatra niainana mamy sy ny famoizana olona akaikin’ny fo, dia mijoro ho vavolombelona izy fa nanolotra balsama manasitrana i Jesoa Kristy Mpamonjy amin’ny alalan’ny Sorompanavotany, ary hampilamina ny zava-drehetra indray andro any.

Mpianatra marin’i Jesoa Kristy izay matoky ny Tompo ny Loholona Kearon. Mpitarika mora arahina izy satria manolo-tena hanara-dia ny Mpamonjy sy hitarika ny olona ho any Aminy.

“Ny Tompo,” hoy ny Filoha Jeffrey R. Holland, izay Filoha mpisolo toerana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo “no nitarika an’i Patrick ho eo amin’ny toerana izay hazoniny amin’izao.”

Ray aman-dreny be fitiavana sy manolo-tena

Teraka tany Carlisle, Cumbria, ao Angletera Avaratra tamin’ny 18 jolay 1961 i Patrick Kearon, ary zanak’i Paddy sy i Patricia Kearon. Tamin’ny fotoana nihaonan’ireo ray aman-dreniny, dia nanompo tao amin’ny vondron-tafika Britanika nandritra ny Ady Lehibe faha II izy ireo–ny reniny dia mpitsabo mpanampy teo anivon’ny tafika tany Inde sy tany Birmanie ary ny rainy dia tao amin’ny Force aérienne royal (RAF), izay nalefa tany Frantsa, Afrika Avaratra, Sicile, ary Italia.

Sary
Ray aman-drenin’ny Loholona Patrick Kearon

Mahatsiaro an’i Paddy sy i Patricia ray aman-dreniny noho ny fiainan’izy ireo izay fakan-tahaka amin’ny fanoloran-tena, ny fanompoana ary ny fahafoizan-tena ny Loholona Kearon.

Na dia olona tsy dia mpandeha any am-piangonana aza izy ireo dia niaina fiainana feno fanoloran-tena ho an’ny fianakaviany, feno fanompoana ary fahafoizan-tena izay namela fahatsapana maharitra tao amin’i Patrick, izay zandriny indrindra tamin’ny zanak’izy mivady miisa dimy. Ny fitadidiany an’i Pat dia “reny miavaka” be fitiavana, izay nitarika tamin-katsaram-panahy, tamin’ny alalan’ny ohatra raha ny ankamaroany, ary tsy mpitsikera na iza na iza mihitsy. Nalala-tanana sy tsy niovaova ary tena nahay nandanjalanja tokoa izy. Ary i Paddy dia tsaroany noho ny “tanjany, ny hatsaram-panahiny, ary ny fitavany tsy mety maty; ny fitiavany ny … tany efitra karakaina ao Arabie [sy] ireo tendrombohitra kanto mitomandavana ao Angletera sy Irlande; ary ny fitiavany fatratra ny lanitra, ny tara-masoandro ary ny ranomasina. Afaka mamantatra mazava tsara ny dian-tanany aho amin’ny faniariana lehibe ananako ho any ivelany, eny ankalamanjana, eny amin’ny lanitra ary ny tara-masoandro.”

Taorian’ny fanompoany tao amin’ny RAF (tafika anabakabaka), dia nandeha niasa nanao orinasa mpanao fifanarahana misahana ny fiarovana tany Arabia Saodita ny rain’ny Loholona Kearon. I Patrick, fony izy zazalahy fito taona, dia nianatra lesona manan-danja momba ny fankatoavana tany, izay notantarainy tamin’ny fomba tsy hay hadinoina nandritra ny lahateny nataony voalohany tamin’ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny naha Manampahefana Ambony azy. Rehefa tsy niraharaha ny torolalana nomen’ny ray aman-dreniny mba hanao kiraro izy nandritra ny dia iray hanao lasy tany an-tany efitra, dia nandeha nizaha ny toerana nanao kapa skobido izy ka dia voatsindron’ny maingoka ny faladian-tongony.

Sary
I Patrick Kearon fony mbola zazalahy

I Patrick Kearon fony mbola zazalahy tany Arabia Saodita.

Telo taona taty aoriana dia tao amina sekoly kilasy mandry tany Angletera no nisy an’i Patrick ary nahatsapa ho nanirery fatratra tsy nisy ireo ray aman-dreniny izy, fahatsapana ho irery izay tsy nisy afa-tsy ireo taratasy mankahery avy tamin’izy ireo no nanamaivana azy.

“Azo antoka fa mbola mora ny zavatra niainan’i Harry Potter tao Hogwarts raha ampitahaina amin’izany. Mafy ny niaina tao,” hoy izy momba ilay sekoly kilasy mandry. “Rehefa Krismasy, Paska ary fahavaratra ihany aho vao nandeha nody. Nanao tetiandro kely maromaro tamina taratasy aho, dia nanisy tsipika isan’andro, nanisa mihemotra ireo andro mandra-pahafahako miverina any amin’ny fianakaviako.”

Taona vitsy taty aoriana, raha mbola tao amin’ny sekoly kilasy mandry faharoa nisy azy tao Angletera i Patrick, dia nisy oram-baratra mahery vaika nitsoka avy any amin’ny Ranomasina Irlandaise. Nahatondra-drano trano miisa 5000 teo amin’ny faritra manodidina ny onjan’oram-baratra naterak’izany. Nantsoina mba hanampy tamin’ny asa fanadiovana goavana i Patrick sy ny mpiara-mianatra taminy.

“Mbola tsaroako ny havesatr’ireo karipetra mando be sy ny fofona ratsy avy tamin’izany,” hoy izy. “Fa tadidiko ny fifantohako tamin’izany sy ny namitako niaraka tamin’ireo namana mpiara-mianatra tamiko ny asa. Ary tadidiko ireo olona sy ny fankasitrahan’izy ireo.”

Izany zavatra niainana izany angamba no nahitan’i Patrick voalohany ireo fitahiana iraisan’ny rehetra avy amin’ny fanaovana sy ny fahazoana asa fanompoana. Tsapany taty aoriana fa niala tao aminy ireo fahatsapana feno fanahiana nananany tamin’ny faha-zatovony “rehefa nirotsaka tamin’io ezaka fanampiana ny mpiara-belona taminay io aho.”

Taorian’ny fianarany tao amin’ny lisea, dia niverina tany Arabia Saodita i Patrick, ary tao izy no nanomboka nanao fiofanana momba ny fitantanana niaraka tamina orinasa goavana maneran-tany mpamokatra sakafo sy zava-pisotro. Izany traikefa izany no santatry ny asa nataony tao amina sehatr’asa maro, ary taty aoriana izany dia nifarana tamin’ny fanoroana hevitra momba ny serasera tao Angletera niaraka tamin-dRahavavy Kearon.

“Nivadika ambony ambany ny tontoloko”

Rehefa feno 19 taona i Patrick dia namoy ny rainy sy ny zaodahiny tao anatina lozam-piarakodiana nampivarahontsana tao Arabia Saodita. “Nivadika ambony ambany ny tontoloko noho ny famoizana azy ireo,” hoy izy. Tsy teo intsony ilay tanan-drainy mpitantana azy, ny famporisihany tam-pitiavana, ary ny fomba fijeriny tamim-pifaliana an’izao tontolo izao. Noho izy tototry ny alahelo sy ny fahabangana tao anatina fotoana iray, dia nandeha nody tany Angletera niaraka tamin’ny reniny i Patrick, kanefa niverina niasa tany Arabia Saodita izy taty aoriana.

“Nanana fahafahana sarobidy isan-karazany aho mba hianarana sy hivoarana ary hahitana ny fomba hampandehanana ny fandraharahana,” hoy izy. Feno fankasitrahana manokana izy noho “ny tale mahafinaritra iray izay nanofana sy nitarika ahy ary lasa namana tena tiana. Isan’ireo solon-dray maro izay nomena ahy hatramin’ny nahafatesan’ny raiko izy.”

Taty aoriana, rehefa niverina niasa tany Londres i Patrick dia nihaona tamina mpikamban’ny Fiangonana vitsivitsy.

“Ohatra tena tsara amin’ny finoantsika izy ireo,” hoy izy nahatsiaro. “Avy any Californie ny iray tamin’izy ireo, dia nankany aho ary niara-nipetraka tamin’izany fianakaviana izany nandritra ny fotoana niasako tany.”

Nanome fahatakarana fototra tena tsara momba ny Fiangonana ho an’i Patrick izany zavatra niainana izany. Nahakasika ny fony ny fifaliana tsapan’ilay fianakaviana tamin’ny asa fanompoana, saingy nanana fanontaniana maro momba ny fotopampianarana sy ny zavatra inoan’ny Fiangonana izy. Rehefa niverina tany Angletera anefa izy roa taona taty aoriana dia nifanena tamina “misiônera nahatalanjona” vitsivitsy teny amin’ireo lalana tao Londres. Rehefa avy niresadresaka momba ny filazantsara tamin’izy ireo nandritra ny volana maro izy ary nilazana fa tsy nandroso nankany amin’ny batisa ny fivoarany, dia nanontany azy izy ireo raha te hahazo tsodrano izy.

“Nanaiky ny hahazo tsodrano avy tamin’ny misiônera zokiolona iray fantatro aho,” hoy izy nahatsiaro. “Fotoana manan-danja tamin’ny fiovampoko ny zavatra tsapako nandritra izany tsodrano izany. Fahatsapana fahazavana sy fifaliana ary fiadanana tena tsy azo nolavina izay tsy misy teny mahalaza azy izany. Ireo teny tao anatin’ilay tsodrano dia tena hita fa notaomim-panahy sy mifono fahatakarana lavitra.”

Izany zavatra niainana izany, niaraka tamina “zavatra maro hafa teo amin’ny fandrosoan’ny fivoarako nankany amin’ny batisa,” no nitarika an’i Patrick nahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny Mpamonjy sy ny Fiangonany naverina tamin’ny laoniny. Volana vitsivitsy taty aoriana dia natao batisa ho mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izy ny andro nialoha ny Krismasy 1987.

Hoy ny Loholona Kearon ho an’ireo izay mikatsaka fijoroana ho vavolombelona: “Safidio ny finoana, dia valio ilay fanasana ao amin’ny Alma 32. Araho ny fahatsapana ara-panahy anananareo. Hitarika anareo izy ireo, dia hahafantatra ianareo.”

“Loharanon’ny tanjaka”

Roa taona taorian’ny batisany dia nanatrika ny paroasin’ny tanora tokan-tena tao Londres i Patrick ary tao no nihaonany tamin’i Jennifer Hulme, izay mpianatra tao amin’ny Brigham Young University avy any Saratoga, Californie. Nankany Londres nandritra ny enim-bolana i Jennifer mba hianatra tantaran’ny zavakanto sy literatiora Anglisy. Izy no zandriny indrindra tamin’ny zanaka valo ary nobeazina tato amin’ny Fiangonana.

Nahasarika azy avy hatrany efa saika teo no ho eo i Patrick.

“Rehefa nijery azy nifandray tamin’ny olona tao amin’ilay paroasy aho, dia hitako ny fomba nitondrany azy ireo,” hoy i Jennifer momba an’i Patrick. “Na mpikambana vaovao izany, na mpikambana niverina navitrika, na olona nanana olana, na olona namana akaiky, dia samy nanehoany fitiavana sy firaharahiana avy amin’ny fo tamin’ny fomba mitovy. Io toetra tsara io no zavatra voalohany sy tena nahasarika ahy indrindra taminy. Toetra hitako nampitomboina izany, ary nampiasain’ Andriamanitra tamin’ny zavatra tsara, tao anatin’ireo 33 taona mahery izay nivadianay.”

Sary
Loholona sy Rahavavy Kearon

Mamela ny Loholona sy Rahavavy Kearon hiara-hiasa amim-pinoana ny fifankatiavana sy ny fifanajan’izy ireo.

Taorian’ny niarahan’izy ireo tamin’ny naha mpifankatia azy ireo, dia nivady tao amin’ny tempolin’i Oakland Californie izy ireo ny janoary 1991. Tao Angletera avy eo no nitaizan’izy ireo ny fianakaviany nandritra ny 19 taona mandra-piantsoana ny Loholona Kearon ho Fitopololahy Manampahefana Ambony tamin’ny 2010 rehefa avy nanompo tamin’ny antsona mpitarika maro, isan’izany ny naha filohan’ny tsatòka sy Fitopololahin’ny Vondromparitra azy. Filoha efa ela niasana indrindra tao amin’ny Fitopololahy izy tamin’ny fotoana niantsoana azy ho ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

Milaza ny Loholona Kearon fa mpianatra mahatoky izay mahafantatra ny tena maha izy azy marina ny vadiny. “Miaina fiainana sambatra, tsara, mampiorina, mahasoa ary feno fifaliana izy, ary ny Mpamonjy no ifantohan’izany rehetra izany. Loharanon’ny tanjaka izy hatrizay ary fitahiana goavana ho ahy hatramin’ny fotoana nihaonanay.

Nilaza i Susannah, izay faharoa amin’ny zanakavavy telon’izy mivady, fa tia manolo-tena ny reniny: “Mavitribitrika sy feno fahazavana izy ary tena tia ny filazantsara.” Ary tahaka ny rainy, dia “olona tena mahay mihaino” ny reniny.

Milaza i Susannah sy ireo rahavaviny fa mamela ireo ray aman-dreniny hiara-hiasa amim-pinoana hanatratra tanjona iraisana ny fifankatiavana sy ny fifanajan’izy ireo. Mifampihaino izy ireo ary manaja sy mankamamy ny eritreritra sy ny hevitry ny tsirairay.

Milaza i Emma, izay zanaka faravavin’izy mivady, fa ny fifandraisana mirindra izay misy eo amin’ireo ray aman-dreniny sy ny fitiavan’izy ireo ny zanany izay hita mibaribary “dia nanorina tontolon’ny tokantrano tena sambatra sy azo antoka.”

Izao no nolazain’i Lizzie Kearon Staheli, izay vavimatoa, momba ny rainy: “Mahita ny olona amin’ny fomba fijery tahaka ny an’i Kristy i Dada. Maika foana izy ny hankahery sy hampatanjaka ny olona. Hitany ny zavatra tsara indrindra mety ho vitan’ny olona rehetra, na toy ny ahoana na toy ny ahoana ny toe-javatra iainan’izy ireo.”

Nampian’i Emma hoe: “Heniky ny finoana izy ary tia ny fifaliana entin’ny filazantsara ho azy. Noho izy efa lehibe no nahita ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny, dia ankasitrahany ny fiovana entin’izany eo amin’ny fiainany amin’ny maha loharanon’ny fahazavana sy ny fifaliana izany.

Sary
Fianakavian’ny Loholona sy Rahavavy Kearon

Ny Loholona Kearon dia miantso ireo zanany vavy—Lizzie (miaraka amin’i Jonathan vadiny eo amin’ny sary), Susannah ary Emma—hoe “ny fahazavana tsara indrindra eo amin’ny fiainanay, ny harenanay lehibe indrindra.”

I Jean B. Bingham, Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana Maneran-tany teo aloha dia mamariparitra ny Loholona Kearon hoe tony ao anatin’ny tsindry. Tadidiny ny fotoana iray izay nahatafahitsoka ny tenany, ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ny Loholona Kearon, ary ny hafa tany amin’ny firenena vahiny nandritra ny fihetseham-bahoaka ara-pôlitika iray. Teo ambany fitarihan’ny Loholona Bednar no nandanian’ny Loholona Kearon ora maro niantsoana tamin’ny finday mandeha amin’ny alalan’ny zanabolana niara-niasa tamin’ireo manampahefana teo an-toerana sy ireo tompon’andraikitra tao amin’ny Fiangonana mba hitady fomba hivoahan’izy ireo tao.

“Ny toetrany tony, ny ezaka feno fifantohana nataony, ary ny hevitra azony avy amin’ny fitaomam-panahy no niteraka vahaolana izay namela anay handao soaamantsara ilay toerana,” hoy Rahavavy Bingham.

Tohina ny fianakaviana tamin’ny desambra 2021 rehefa nahafantatra fa voan’ny homamiadan’ny nono Rahavavy Kearon.

“Tsy nieritreritra mihitsy aho hoe hahavoa ahy na hahavoa anay ny homamiadana,” hoy Rahavavy Kearon. Sarotra be tokoa ny fitsaboana taorian’izay raha ny filazany azy, saingy ny Mpamonjy no loharanon’ny tanjaka ho azy tao anatin’izany rehetra izany. “Mbola mihinam-panafody manaraka chimiothérapie aho, kanefa feno fankasitrahana aho milaza fa tsy misy homamiadana intsony araka ny voalazan’ny dokotera.”

Hoy ny Loholona Kearon: “Tsy niova sy nahatoky tanteraka i Jen tao anatin’izany rehetra izany. Maneho fankasitrahana isan’andro izahay noho ny fahasalamany, ary maneho fankasitrahana noho ny fikarakarana miavaka natao taminy.”

Toy ny tamin’ireo fitsapana hafa niainan’izy sy ny vadiny, dia hoy Rahavavy Kearon: “Mandroso zavatra izay tsy tiantsika hatao tsotra izao ny fiainana. Tsy tiantsika ireny fitsapana ireny. Tsy nangataka izany isika. Saingy tsy maintsy miatrika azy ireny foana isika. Ny fomba tsara indrindra hiatrehana ireo zavatra sarotra tsotra izao dia ny mitodika amin’ny Tompo ary mangataka ny tanjany, mametraka ny finoantsika ao amin’i Jesoa Kristy sy ao amin’ny fahasoavany ary ny heriny. Taloha ela be dia nianatra zavatra betsaka aho momba ny fomba hamonjen’ny Mpamonjy antsika amin’ireo fotoana sarotra sy maizina indrindra lalovantsika.”

Taorian’ny nahaterahan’i Sean izay zanak’izy ireo voalohany no nahazoan’ny Loholona sy Rahavavy Kearon izany fahalalana masina izany.

“Ny vatolampin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy”

Nandritra ny fotoana voalohany nitondran-dRahavavy Kearon vohoka, dia fantatr’izy mivady mialoha avy amin’ny fitarafana fa ilay zanany lahy dia tratran’ny “tsy fetezana sarotra tsaboina tao amin’ny fo, izay toe-javatra mahafaty,” hoy ny Loholona Kearon. “Nitady ny dokotera, ny mpitsabo fo, ary ny mpandidy fo tsara indrindra izay manana ny fitaovana hamahana ilay olany miavaka no nandanianay ny fotoana sisa nitondrana ilay vohoka. Nahita ekipa manara-penitra maneran-tany tao Londres izahay, ary natoky tena izy ireo fa hahavaha ilay olana.”

Nandidy an’i Sean ireo dokotera mpandidy rehefa feno 19 andro izy. Naharitra ela sy nampitaintaina ilay fandidiana. Taorian’izay, hoy ny Loholona Kearon, dia “tsy niverina nitempo intsony ny fo kelin’i Sean. Koa dia namoy azy izahay. Naharary mafy anay tokoa ny fahafatesany. Tsy izay no vokatra nandrasana nanaovanay fifadian-kanina, nentinay am-bavaka, sy nitalahoanay, kanefa fantatray fa niasa tao anatin’izany zavatra niainana izany ny tanan’ Andriamanitra.”

Hoy Rahavavy Kearon: “Notarihin’ Andriamanitra izahay tao anatin’ireo volana nitondrana vohoka ireo sy ilay fiainana kanto sy fohy nananan’ny zanakay lahy tamin’ny fomba izay nahatonga anay nahafantatra tamin’ny farany, fa efa nanao ny zavatra rehetra azonay natao ho azy izahay. Fampiononana goavana izany.”

Tonga avy amin’ny fahatakarana misimisy kokoa ny Sorompanavotana sy ny Fitsanganan’ny Tompo tamin’ny maty izay azon-dRahavavy Kearon avy amin’ny fandalinana tamin’ny antsipiriany ny 1 Nefia sy 2 Nefia ny fahasitranana. “Tao anatin’ny alahelo lalina noho ny famoizanay azy, dia nahatsapa ho toy ny nihodinkodina nianjera tao anaty lavaka maizina aho,” hoy izy. “Kanefa, rehefa nandeha ny fotoana, dia natsahatry ny vatolampin’ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy izany fianjerana izany, satria marina ny Sorompanavotana. Ny fahasoavany sy ny fahavelomany marina dia mahatonga, eny fa dia ny famoizana maharary indrindra aza, ho azo zakaina sy hananana fanantenana.

Tonga avy tamin’ny fahaterahan’ireo zanakavavy anankitelon’izy mivady ny fahasitranana. “Nitondra fahasitranana niaraka taminy izy ireo,” hoy ny Loholona Kearon. “Izy ireo no fahazavana tsara indrindra eo amin’ny fiainanay, harenanay lehibe indrindra.”

Tonga avy tamin’ny tenin’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana izay notaomim-panahy ny fanasitranana, isan’izany ny lahateny tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany nataon’ny Loholona Lance B. Wickman, izay nizaran’ny Loholona Wickman ny fanaintainana noho ny fivezivezena teo amin’ireo lalan-tsara foanan’ny hôpitaly rehefa nitsotra niala aina noho ny aretin-jaza ny zanany lahikely. “Mampianatra ny Loholona Wickman fa -ny mino dia mahita- ary ny finoana dia fatokiana ny Tompo,” hoy ny Loholona Kearon. “Nanan-danja goavana ho ahy ny lahateniny noho ny fahatakarany mazana ny zavatra iainana toy izany. Nitombo izany noho ny hamaroan’ny fotoana namakiako sy nihainoako ilay izy.”

Ary tonga avy tamin’ny fanompoana ny hafa noho ny famoizana havana ny fanasitranana—na mpitsoa-ponenana any Eorôpa izy ireo, ireo iharan’ny fanararaotana na ampahoriana, na mpitarika ato amin’ny Fiangonana tahaka ny Loholona Paul V. Johnson ao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy, izay namoy zanakavavy noho ny homamiadana roa volana talohan’ny niarahana niasa tamin’ny Loholona Kearon tao amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra Eorôpa tamin’ny 2015.

“Nahafinaritra izy sy Rahavavy Kearon tamin’ny fanampiana anay tao anatin’izany fotoam-panasitranana nampalahelo izany,” hoy ny Loholona Johnson. “Nahatakatra tsara ny toe-javatra niainanay izy ireo. Tiako foana izy ireo noho izany.”

Toy izany no fomba maha-mpianatra. Mifampitondra ny enta-mavesatra isika. Miara-malahelo amin’izay malahelo isika. Mampionona ireo izay mila fampiononana isika. Ary mijoro ho vavolombelon’ Andriamanitra isika, sy ny fampanantenana mandrakizay ny amin’ny fihaonana am-pifaliana indray izay azo tanterahina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy. (Jereo ny Môzià 18:8–9.)

Sary
Ny Loholona Kearon miarahaba ireo mpikambana

Miarahaba ireo mpikambana ao amin’ny Vondromparitra Eorôpa Atsinanana ny Loholona Kearon.

Ary rehefa tonga eo amintsika avy eo ireo fotoam-pitsapana dia mifamaly izany fitiavana manasitrana sy balsaman’ny fanompoana izany. Amin’ny maha-Apôstôlin’i Jesoa Kristy azy dia vonona ny Loholona Kearon hizara amin’izao tontolo rehetra izao izany hafatry ny filazantsara mifono fanantenana, fanasitranana, ary fiadanana izany.

“Nahoana ireo fitsapana sarotra no mitranga amintsika?” Hoy ny Loholona Kearon manontany. “Satria tonga eto an-tany isika mba hianatra, hivoatra, hohamasinina, ary hitia sy hatoky ny Raintsika any An-danitra sy ny Mpamonjy antsika. Tsy mbola afaka mahita Azy Ireo isika amin’izao fotoana izao, ary tsy afaka mihazona antsika Izy Ireo. Kanefa ireo fitahiana avy amin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy dia tsy misy fetra, tsy misy fetra!”

Hamoaka printy