Liahona
Loholona Steven D. Shumway
Mey 2024


“Loholona Steven D. Shumway,” Liahona, mey 2024.

Loholona Steven D. Shumway

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Roa taona niasana tao amin’ny Exxon Chemical Co. tao Houston Texas Etazonia ny Loholona Steven D. Shumway no nahafantatra fa nantsoina hiahy misiôna iray tany Bolivie ny ray aman-dreniny ary nila fanampiana tamin’ny orinasam-pianakaviana tao Arizona.

“Tsy te hanery anao mba hiverina aho,” hoy ny rainy taminy. “Kanefa raha tsy miverina ianao, dia manahy ny amin’izay hitranga amin’ny orinasa aho.”

Fanapahan-kevitra sarotra noraisina izany, hoy ny Loholona Shumway.

Nanao dia nandritra ny adiny dimy nankany amin’ny Tempolin’i Dallas Texas izy mivady ary nijanona iray andro tany, kanefa tsy nahazo valiny. Taorian’izay dia nitsidika trano fivarotam-boky izy ireo ary nahatsikaritra ilay tantaram-piainan’ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008) izay mitondra ny lohateny hoe Mandrosoa amim-pinoana.

“Samy nahatsapa izahay fa nilaza ny Tompo hoe: -Mila mandroso amim-pinoana araka ny fombako ianareo, fa tsy araka ny fombanareo,-” hoy ny Loholona Shumway. “Ka dia nifindra tany Arizona izahay, izay nivadika ho iray amin’ireo fiovana manan-danja sy tsara indrindra teo amin’ny fiainanay.”

Isan’ireo zavatra tsara indrindra nianaran’izy ireo tao anatin’ny fanambadiany, hoy ny Loholona Shumway ny hoe “rehefa manaiky ny fanasana avy amin’ny [Tompo] ianao dia miroborobo. Mandroso ianao. Tsara kokoa noho izay ezahinao hatao amin’ny fombanao ny zavatra atao.”

Teraka tamin’ny 30 jona 1970 tao Springerville, Arizona Etazonia ny Loholona Steven D. Shumway, izay zanak’i Wilford Douglas sy i Dixie Ann Shumway, ary lehibe tao Eager, Arizona. Nanambady an’i Heidi O’Brien tao amin’ny Tempolin’i Salt Lake izy ny 29 desambra 1994. Manan-janaka efatra izy ireo ary mipetraka any Pinetop Arizona.

Ny Loholona Shumway dia nahazo mari-pahaizana momba ny génie chimique avy amin’ny Brigham Young University tamin’ny 1996, niasa tao amin’ny Exxon Chemical Co. Nanomboka tamin’ny 1996 ka hatramin’ny 1998, ary filoha tale jeneralin’ny Whiting Brothers Investment Co. Nanomboka tamin’ny 1998.

Fitopololahy manampahefana eo anivon’ny Voandromparitra izy tamin’ny fotoana niantsoana azy. Izy dia efa filohan’ny Misiôna Illinois Chicago, filohan’ny tsatòka, eveka, filohan’ny kôlejin’ny loholona, mpampianatra fiomanana ho amin’ny asa fitoriana teo anivon’ny tsatòka, ary misiônera nanompo tamin’ny fotoana feno tao amin’ny Misiônan’i Pennsylvanie Philadelphie.

Hamoaka printy