“Lesona 24, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Ny herin’ny fanafahan’ny Tompo,” Fampianarana sy Fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra (2021)
“Lesona 24, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna: Bokin’ny mpampianatra
Lesona 24, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana
Ny herin’ny fanafahan’ny Tompo
Rehefa miatrika fizahan-toetra ianao dia efa nahazo anao ve ilay manontany hoe: “Nahoana no mitranga amiko izao?” na “Nahoana no tsy esorin’ny Tompo amiko ity fizahan-toetra ity?” Avy ao amin’ny Bokin’ny Môrmôna dia afaka mianatra lesona manan-danja momba ny loharanon’ny fizahan-toetra antsika sy ny fomba ahazoantsika fitahiana rehefa mitodika any amin’ny Mpamonjy mba hanampy antsika isika. Rehefa mandalina mba hanomanana ny fotoam-pianarana ianao dia hevero ny fomba ahafahanao mampitombo ny fahatokianao ny fitiavana sy ny hery ary ny fahendrena tsy manam-petran’i Jesoa Kristy rehefa manohana anao na manafaka anao amin’ny fizahan-toetra atrehinao Izy.
Fizarana 1
Fa nahoana aho no miatrika fizahan-toetra na dia rehefa manao ny marina aza aho?
Ny Bokin’i Môrmôna dia maneho fa manana loharano ipoirana samihafa ny fizahan-toetra. Ny fizahan-toetra sasany dia vokatry ny ota. Ohatra, i Zezrôma dia narary voan’ny tazo mahamay sy aretina nateraky ny fahamelohany noho ny otany manokana (jereo ny Almà 15:3). Niaritra ady nandritra ny taona maro ny Nefita sy ny Lamanita noho ny safidy ratsy nataon’i Amalikià (jereo ny Almà 46:9–10). Na izany aza dia tsy ny fizahan-toetra rehetra no vokatry ny faharatsiana. Ny fianakavian’i Lehia sy i Isimaela dia niaritra zava-tsarotra maro izay ampahany voajanahary tamin’ny famakivakiana ny tany efitra (jereo ny 1 Nefia 16:9–17:4).
Ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanao izao fanamarihana manaraka izao momba ny fizahan-toetra:
Ao amin’ny sekolin’ny fiainana an-tany dia matetika ny fanaintainana sy fahoriana no mpampianatra, saingy ny lesona dia natao hanadiovana sy hitahiana antsika ary hanatanjahana antsika fa tsy hamotehana antsika. (“Faith through Tribulation Brings Peace and Joy,” Liahona, May 2003, 17).
Ny fanambaran’ny Loholona Hales dia miseho amin’ny zavatra niainan’i Almà sy ny olony. Nino ny fampitandreman’ny mpaminany Abinadi izy ireo. Rehefa avy niova fo ho an’ny Tompo ary nataon’i Almà batisa ny vahoaka, dia noroahin’ny tafiky ny Mpanjaka ratsy fanahy Noà nankany an’efitra. Taorian’ny dia valo andro dia tonga tany amina tany vaovao nantsoin’izy ireo hoe Helama izy ireo. Niaina ny filazantsara izy ireo teto ary “nihamaro sy nambinina izaitsizy tokoa” (Môzià 23:20). Na izany aza, ny fandriampahaleman’izy ireo dia nosembanin’ny tafika Lamanita iray izay nahita azy ireo ary nanandevo azy ireo. (Jereo ny Môzià 17–18; 23.)
Fizarana 2
Nahoana no zava-dehibe ho ahy ny matoky ny fotoan’ny Tompo mandritra ny fizahan-toetra atrehiko?
Rehefa avy nihaino ny antson’i Abinadia hibebaka i Almà sy ny olony ka nandositra nankany an-tany foana dia nandà ilay mpaminany i Noà Mpanjaka sy ny sisa tamin’ny olony ary tsy nibebaka. Noho ny fahotan’izy ireo dia resin’ny Lamanita izy ireo ary nandevozina. Nandritra ny fotoana nanjakan’i Limia Mpanjaka, zanakalahin’i Noà, dia nampandoavin’ny Lamanita hetra mavesatra sy nampahoriany fatratra ny vahoaka. Tsy nahomby intelo ny olon’i Limia rehefa niezaka nanafaka ny tenany tamin’ny fanandevozana, ary olona maro no maty tamin’ireny ezaka ireny. (Jereo ny Môzià 12:2; 19:1–21:12.) Tamin’ny farany dia nitodika tamin’ny Tompo izy ireo mba hanampy azy ireo.
Rehefa nanetry tena tokoa ny vahoakan’i Limia ary nanompo ny Tompo, dia nisy andiana mpikaroka nalefan’ny Mpanjaka Môzià hikaroka ny vahoakan’i Limia. Naka hevitra tamin’ny vahoaka momba ny fomba hitsoahana amin’ny fanandevozana ilay andiana mpikaroka sy ny Mpanjaka Limia. Tamin’ny alina voatondro dia nomeny divay fanampiny ny Lamanita izay mamo ka resin-tory. Nandositra tany an-tany foana ny vahoakan’i Limia avy eo ary tonga soa aman-tsara tany Zarahemlà. (Jereo ny Môzià 21:23–22:14.)
Araka ny asehon’ity tantara ity, ny Tompo dia nanana ny tanjony manokana sy ny fandaharam-potoany hamonjena ny olon’i Limia.
Ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nampianatra hoe:
Ny fitsipika voalohan’ny filazantsara dia ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo. Ny finoana dia midika hoe fahatokiana—fahatokiana ny sitrapon’ Andriamanitra, fahatokiana ny fomba fanaovany zavatra, ary fahatokiana ny fandaharam-potoany. Tsy tokony hiezaka hametraka ny fandaharam-potoantsika eo ambonin’ny Azy isika. Araka ny nolazain’ny Loholona Neal A. Maxwell ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:
“Ny olana amintsika dia ny tsy fahampian’ny fatokisana an’ Andriamanitra ka hatoky koa ny fotoany. Raha afaka tena mino isika fa ao am-pony izay mahasoa antsika dia tsy afaka mamela ny drafiny hizotra araka izay mety Aminy ve isika?” [Even As I Am (1982), 93.] (“Timing,” Ensign, Oct. 2003, 12)
Fizarana 3
Ahoana no ahafahako mahazo hery avy amin’ny Tompo rehefa miaritra ny fizahan-toetrako aho?
Nisy tafika Lamanita nanenjika ny vahoakan’i Limia saingy very. Tamin’ny farany dia hitan’izy ireo ireo mpisorona ratsy fanahin’i Noà, izay niaraka tamin’ny tafika Lamanita. Nandritra ny dia tany an-tany foana dia nahita ny vahoaka marin’i Almà izy ireo ary nanandevo azy ireo. I Amiolôna, izay iray tamin’ireo mpisorona ratsy fanahin’i Noà, dia notendren’ny mpanjaka Lamanita hanapaka amin’ny vahoakan’i Almà. Nametraka tompomenakely teo amin’ny vahoaka i Amiolôna ary nandrahona ny hamono izay hita mivavaka. (Jereo ny Môzià 22:15–16; 23:25–24:1; 24:8–11.)
Ny vahoakan’i Almà dia nampihatra finoana sy faharetana ary tamin’ny farany dia nanafaka azy ireo ny Tompo. “Nahatonga torimaso lalina tamin’ny Lamanita Izy” (Môzià 24:19) mba hamelàna an’i Almà sy ny vahoakany hitsoaka ho any amin’ny tanin’i Zarahemlà. (Jereo ny Môzià 24:17–25.)
Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra momba io zavatra niainana io:
Ireo olana sy fahasahiranana dia tsy nesorina avy hatrany tamin’ireo vahoaka. Fa i Almà sy ireo mpanara-dia azy dia nampatanjahana, ary ny fahaiza-manaony izay nitombo dia nanamaivana ny enta-mavesany. …
Ireo enta-mavesatra miavaka eo amin’ny fiainantsika tsirairay dia manampy antsika hiantehitra amin’ny fahamendrehana sy ny famindram-po ary ny fahasoavan’ny Mesia Masina (jereo ny 2 Nefia 2:8). Mijoro ho vavolombelona aho ary mampanantena fa ny Mpamonjy dia hanampy antsika hitondra mora foana ireo enta-mavesatsika (jereo ny Môzià 24:15). Rehefa miara-mitondra zioga Aminy isika amin’ny alalan’ireo fanekempihavanana masina ary mandray ilay hery [manampy avy Aminy] … eo amin’ny fiainantsika, dia hikatsaka hatrany isika ny hahatakatra sy hiaina araka ny sitrapony. Hivavaka ihany koa isika mba hanana hery entina maka lesona sy manova ary manaiky ireo toe-javatra misy antsika fa tsy hoe hivavaka tsy an-kiato amin’ Andriamanitra mba hanova ny toe-javatra misy antsika araka ny sitrapontsika. (“Mitondra mora foana ny enta-mavesany,” Liahona, mey 2014, 89, 90)