2023
Ilay vorondolo sy ilay trozona mainty
Mey 2023


“Ilay vorondolo sy ilay trozona mainty,” Namana, mey 2023, 8–9.

Ilay vorondolo sy ilay trozona mainty

Ahoana no ahafahan’ny sary hosodoko nataon’i Dieter manampy ny hafa?

Tany Kanadà no nitrangan’ity tantara ity.

Sary
Ankizilahy iray mandoko vorondolo iray eo amin’ny taratasy iray

Te hihaino ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany i Dieter. Niezaka ny nipetraka tsara izy. Niezaka nihaino ireo lahateny izy. Saingy noho izy misy autisme dia sarotra taminy ny nifantoka. Nipelipelika teo amin’ny sezalava izy. Nilalao ireo kilalaony izy. Nihazakazaka nanodidina izy.

Avy eo izy dia nibanjina an’i Dada. Nipetraka tamim-pahanginana nihaino ireo mpandahateny i Dada. Te ho tahaka azy i Dieter. Noho izany dia navoakany ireo fitaovana fanaovany zava-kanto. Mety hanampy azy hipetraka milamina tsara ny fandokoana sary.

Teo am-pandokoana dia nihaino ny Loholona Jeffrey R. Holland niteny i Dieter. Nitantara ny tantara iray momba an’i Jesoa ny Loholona Holland. Nangataka tovolahy mpanankarena iray mba hanome ny volany rehetra ho an’ny mahantra i Jesoa.*

Te hanampy olona tsy nanam-bola koa i Dieter. Ary nanana hevitra izy.

“Neny a! te handoko vorondolo aho,” hoy i Dieter. “Afaka manao sarin’izany ho ahy ve ianao?”

“Eny,” hoy i Neny. Nanao sarina vorondolo izy.

Natsobok’i Dieter tao anatina loko vitsivitsy ny borosindokony. Nolokoiny aloha ny elan’ilay vorondolo. Nolokoiny volon-tsôkôlà ny elatra sasany ary volom-boasary ny elatra sasany. Nihaino ireo lahateny hafa izy teo am-pandokoana. Na dia efa tapitra daholo aza ireo lahateny, dia mbola nanohy niasa ihany i Dieter. Tiany ho tonga lafatra ilay vorondolo.

Vitan’i Dieter ihany izany tamin’ny farany. Nasehony an’i Neny ilay vorondolo.

“Tsara be ilay izy!” Hoy i Neny. “Tokony hahantontsika ve ity?”

Naneho fandavana tamin’ny lohany i Dieter. “Tiako hamidy ilay izy ary homeko olona izay tsy manam-bola ny vola. Tahaka ny noresahan’izy ireo tao amin’ny fihaonambe.”

Nitsiky i Neny. “Ndeha horejerentsika izay azontsika atao.”

Nametaka sary hosodoko iray nataon’i Dieter izy mba hamidy en ligne. Nanoratra i Neny fa homen’i Dieter mba hanomezana toeram-pialofana an’ireo izay tsy manan-kialofana ny vola.

Ny ampitson’io dia nojeren’i Dieter sy i Neny ilay sary napetaka. Tsy nampino an’i Dieter ilay izy! Nisy olona maro te hividy ilay sariny. Faly izy fa nisy olona maro be te hanampy.

Nisy toeram-pisakafoanana iray tao amin’ny tanàna nipetrahan’i Dieter nangataka ny hividy ilay sary hosodoko. Nilaza izy ireo fa handoa 10 avo henin’ny vidiny nolazain’i Dieter sy i Neny! Nangataka sary hosodoko avy aminy koa ireo toeram-pivarotana hafa. Nanana asa bebe kokoa hatao i Dieter!

Nanao sarina biby maro kokoa i Neny ary dia navoakan’i Dieter ireo fitaovana fandokoany. Nandoko ambodia, liona ary trozona mainty izy. Ilay trozona mainty no tena tiany. Nantsoiny hoe “I Otis ilay trozona mainty” izany. Toeram-pivarotana enta-madinika teo akaikin’ny tranony no nividy izany. Rehefa nandeha tao amin’ilay toeram-pivarotana i Dieter taorian’izany, dia nahita ilay izy nihantona teo amin’ny rindrina!

Sary
Ankizilahy iray mandoko trozona iray miaraka amin’ny reniny mitsikitsiky

“Neny, jere ange e!” Notodroin’i Dieter ilay sary hosodoko.

“Oay!” Hoy i Neny. “Manomboka izao isaky ny miditra ato isika dia afaka mahatsiaro ny fomba nanampian’ny talentanao ny olona isika.”

Nirehareha i Dieter fa tian’ny olona ny sary hosodokony. Saingy nahafaly azy kokoa ny hoe afaka nanampy ny hafa izy. Faly izy fa nihaino nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany.

Sary
Ankizilahy mitazona sarina vorondolo nolokoina
Sary
tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Natalie Campbell

  • Avy amin’ny “Ny fananana lehibe indrindra,” Liahona, nôv. 2021, 8–10.

Hamoaka printy