2023
Zavatra noraisina an-tsoratra avy amin’ny fihaonambe
Mey 2023


“Zavatra noraisina an-tsoratra avy amin’ny fihaonambe,” Namana, mey 2023, 5.

Zavatra noraisina an-tsoratra avy amin’ny fihaonambe

Sary
alt text here

Sary nataon’i Josh Talbot

Mino an’i Kristy isika

Sary
alt text

Nilaza ny Filoha Oaks fa mino an’i Jesoa Kristy isika. Namaky soratra masina maro momba ny zavatra nolazain’i Jesoa nandritra ny fiainany sy tamin’ny fotoana nitsidihany ny Nefita ny Filoha Oaks. Tokony handalina ny tenin’i Jesoa isika mba hitarika antsika eo amin’ny fiainantsika.

Mampianatra ahy izany fa:

Miaraka amin’i Jesoa indray

Sary
alt text

Nitantara momba ny ankizivavy roa izay nanana nenitoa maty ny Loholona Stevenson. Nanontany azy ireo i Lesa vadin’ny Loholona Stevenson hoe nanao ahoana izy ireo. Nalahelo izy ireo, kanefa dia nizara ny fijoroana ho vavolombelona nananany taminy. Fantatr’izy ireo fa faly ny nenitoan’izy ireo ary mety hoe miaraka amin’i Jesoa. Mampionona antsika ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fiainana mandrakizay.

Mampianatra ahy izany fa:

Fijoroana ho vavolombelona tao anaty fiara fitateram-bahoaka

Sary
alt text

Ny Loholona Corbitt dia niresaka momba ny vehivavy iray izay niresahany nandritra ny fotoana nitaingenany fiara fitateram-bahoaka. Nanontany azy ny antony inoany an’i Jesoa Kristy ilay vehivavy. Tsy fantany tsara ny zavatra tokony ho nolazainy. Avy eo izy dia nanapa-kevitra ny hifantoka tamin’izay manan-danja indrindra. Nolazainy azy fa mila an’i Jesoa isika mba hanampy antsika hiverina any amin’ny Ray any An-danitra. Afaka mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika koa isika.

Mampianatra ahy izany fa:

Mitondra vato

Sary
alt text

Nozarain’ny Rahavavy Johnson ny mampitovy ireo zava-tsarotra eo amin’ny fiainana amin’ny fitondrana kitapo babena feno vato. Mitondra vato isika noho ny fahotantsika, ny haratsiam-panahin’ny hafa, ary ireo olana eo amin’ny fiainana. Manampy amin’ny fanaisorana ny enta-mavesatra ao amin’ny kitapo babentsika i Jesoa Kristy raha mitodika Aminy isika. Isika dia afaka manampy ihany koa amin’ny fanamaivanana ny kitapo baben’ny hafa amin’ny alalan’ny fikarakarana ny hafa tahaka izay ho nataon’i Jesoa.

Mampianatra ahy izany fa:

Hamoaka printy