2023
Tondraky ny fitiavana
Mey 2023


“Tondraky ny fitiavana,” Namana, mey 2023, 26–27.

Tondraky ny fitiavana

“Afaka manampy ny fianakavian’i Jose koa ve isika?” Hoy i Marius nanontany.

Tany Philippines no nitrangan’ity tantara ity.

Sary
Ankizy manofahofa tanana

Teny am-piakarana nankany an-tranony dia naheno olona niresaka tao an-tranony i Marius. Nitsikilo teo am-baravarankely izy.

Mba iza ary no ao, hoy izy nieritreritra. Nipetraka tany amina firenena hafa ny reniny noho ny asa, ka raha ny mahazatra dia izy sy i Lola (Bebe) ihany no ao an-trano.

Nosokafany ny varavarana. Tao daholo ny namany rehetra!

“Indreto izahay e!” hoy izy ireo.

“Te hankalaza anao sy ny medaly azonao tamin’ny fifaninana Taekwondo izahay,” hoy i Jose, ilay naman’i Marius akaiky indrindra.

“Tena mirehareha ny aminao aho.” Nofihinin’i Lola mafy dia mafy i Marius. “Ity amin’ny telefaonina ity ny reninao! Azoko antoka fa te handre ny zava-drehetra mikasika ny medalinao izy.”

Rehefa vita ny firesahan’i Marius tamin’i Neny dia nankafy ny fety izy sy ny namany. Nahafinaritra azy ireo ny niresaka sy nihinana ny sakafo matsiron’i Lola.

“Te-handeha hiaraka amiko hanao bowling ve rahampitso e?” Hoy i Jose nanontany nialoha ny handehanany.

“Ie!” Hoy i Marius.

Tamin’io alina io talohan’ny hatory, dia nanao vavaka i Marius. “Ry Ray any An-danitra, misaotra Anao aho noho ny fanomezanao ahy namana sy fianakaviana mahafinaritra toy izao. Mba tahio ny reniko noho izy any lavitra any. Ary mba tahio aho hahazo fahafinaretana rehefa manao bowling miaraka amin’i Jose.”

Ny ampitson’io anefa dia tsy nandeha nanao bowling i Marius. Nisy oram-baratra goavana tonga, ka tsy maintsy nijanona tany an-trano ny olona rehetra. Nipetraka tao an-trano i Marius, nihaino ny orana nidobodoboka tao an-tafontrano. Naniry ny hahita an’i Jose izy.

Avy nanditra ny telo andro ny orana. Tondraky ny rano ny arabe. Tondraky ny rano koa ireo trano sasany nanodidina an’i Marius.

Nahita an’i Lola tao an-dakozia i Marius taty aoriana. Nahandro zavatra tena manitra izy.

“Inona no sakafo andrahoinao?” hoy izy nanontany.

“Mahandro sakafo ho an’ireo fianakaviana sasantsasany ao amin’ny paroasintsika aho,” hoy izy. “Tondraka ny tranon’izy ireo, ka nangatahan’ny eveka aho mba hanampy.”

Nieritreritra an’i Jose i Marius. “Afaka mahandro sakafo ho an’ny fianakavian’i Jose ve isika? Mety mila fanampiana ihany koa izy ireo.”

“Hevitra tsara izany,” hoy i Lola.

Nahandro vary sy atody nendasina ho an’i Jose sy ny fianakaviany i Marius. Avy eo dia nampiany i Lola handamina ny sakafo.

Nijanona ny orana nony farany. Nirobo-drano teny an-dalana i Marius sy i Lola mba hanatitra sakafo. Hatreny amin’ny lohalik’i Marius ny rano!

Sary
Ankizilahy iray sy ny renibeny namakivaky ny lalana tondraky rano

Hitan’izy ireo i Jose sy ny fianakaviany nijoro teo ivelan’ny tranony. Nitomany i Jose.

Nofihin’i Marius ilay namany. “Malahelo aho noho ilay tranonareo tondraka,” hoy izy. “Tia anao i Jesoa. Ary tianay koa ianao.”

Niara-nanampy tamin’ny fanadiovana ireo zavatra feno fotaka tao an-tranon’i Jose i Marius sy i Jose. Nihira ny “Zanaky ny Ray aho” i Marius teo am-panaovan’izy ireo asa. Rehefa niala sasatra kely izy ireo dia nomen’i Marius an’i Jose ilay sakafo nandrahoiny ho azy.

“Misaotra noho ny fanampianao ny fianakaviako,” hoy i Jose. “Ary misaotra noho ny sakafo! Tena matsiro ilay izy.”

“Tsy misy fisaorana,” hoy i Marius.

“Afaka milaza bebe kokoa amiko momba an’i Jesoa ve ianao? sy ilay hira nohirainao?” hoy i Jose nanontany.

“Mazava ho azy!” Hoy i Marius. “Tianao ve ny hiaraka amiko ho any am-piangonana amin’ny alahady? Any no ianarako momba an’i Jesoa. Ary afaka miara-mihira koa isika.”

“Mety amiko izany,” hoy i Jose.

Nahatsapa hafanana tao anaty i Marius. Faly izy fa afaka nanampy an’i Jose sy ny fianakaviany. Ary faly izy fa afaka nizara ny filazantsara koa.

Sary
tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Jamie Bauza

Hamoaka printy