2023
Ilay fahagagana niainan’i Jimena tany amin’ny tempoly
Mey 2023


“Ilay fahagagana niainan’i Jimena tany amin’ny tempoly,” Namana, mey 2023, 36–37.

Ilay fahagagana niainan’i Jimena tany amin’ny tempoly

Natahotra i Jimena. Fantany anefa fa hanampy azy ny Tompo.

Tany Guatemala no nitrangan’ity tantara ity.

Sary
Ankizivavy iray ao anatina fiara iray miaraka amin’ny reniny sy ny rainy

Niditra tao anaty fiara i Jimena ary namatotra ny fehikibo fiarovana teo amin’ny sezany. Teny an-dalana ho any amin’ny tempoly izy sy ny ray aman-dreniny. Fotoana voalohany hanaovany batisa any amin’ny tempoly izany. I Papi no hanao batisa azy ho an’ny razamben’izy ireo sasantsasany. Efa tsindrindaona i Jimena!

Saingy avy eo i Jimena dia nieritreritra zavatra iray izay nampihotakotaka ny tao anatiny. “Papi a!” hoy izy, “ahoana ny momba ny pompe ety amiko?”

Voan’ny diabète de type 1 i Jimena. Mba hahasalama azy hatrany, dia mitondra foana fitaovana kely antsoina hoe pompe à insuline izy mba hanampiana amin’ny fifehezana ny tahan’ny siramamy ao anatin’ny rany. Raha mandeha mivoaka mandritra ny fotoana maharitra nefa tsy manao izany izy dia mahatsapa ho marary.

“Hamela ahy hanao izany ve izy ireo ao anatin’ny tempoly?” Hoy i Jimena nanontany. Nidobodoboka mafy ny fony. “Ahoana rehefa miditra ao anaty rano aho?”

“Tsy maninona izany,” hoy i Papi. “Afaka mitondra ny pompe eny aminao ianao mandra-piditrao ao anaty rano. Avy eo dia afaka manampy anao hamerina izany i Mamá raha vao mivoaka ianao.”

Naneho fanekena tamin’ny alalan’ny fanatsehana ny lohany i Mamá. “Ary raha toa ka manomboka mahatsapa ho marary ianao eo am-panaovana batisa, dia teneno fotsiny i Papi ary afaka mijanona ianao.” Nofihinin’i Mamá ny tanany. “Hiaraka aminao eo foana izahay.”

“Eny ary,” hoy i Jimena. Mbola nahatsapa ho natahotra ihany izy. Saingy nampian’i Mamá sy Papi izy hahazo aina kely.

Sary
Fianakaviana eo ivelan’ny tempoly

Rehefa tonga izy ireo dia nohazonin’i Jimena ny tanan’i Mamá sy Papi teny am-pandehanana an-tongotra hankeny amin’ny varavaran’ny tempoly. Raha vao tafiditra tao i Jimena, dia nandray fahatsapana mitondra hafanana sy fampaherezana. Fantany fa ny Fanahy Masina dia nilaza taminy fa hanampy azy ny Ray any An-Danitra, na dia natahotra aza izy. Hilamina ny zava-drehetra, tahaka ny nolazain’i Papi.

Nisolo akanjo fotsy i Jimena. Avy eo dia nampian’i Mamá i Jimena hanala ny pompe teny aminy. “Minitra vitsy monja fotsiny ny faharetan’io,” hoy i Mamá. Nofihininy i Jimena.

Sary
pompe à insuline

Niditra tao anaty rano i Jimena. Niandry azy i Papi. Natolony ny tanany ary nampiany i Jemina hidina ny tohatra.

Nanao ny vavaky ny batisa i Papi ary natsobony tao anaty rano i Jimena. Nitsiky i Jimena rehefa tafavoaka. Avy eo dia nanao batisa vitsivitsy izy ireo.

“Ao tsara ve ianao?” Hoy i Papi nibitsibitsika teo amin’ny sofiny.

“Eny!” hoy i Jimena.

Nataon’i Papi batisa ho an’olona vitsivitsy izy. “Mbola afaka manao misimisy kokoa ve ianao?” hoy izy nanontany indray.

Sary
Ankizivavy sy ny rainy ao amin’ny toerana fanaovana batisa any amin’ny tempoly

“Eny!” hoy i Jimena.

Taorian’ny batisa farany dia nampian’i Mamá i Jimena hametaka ny pompe eny aminy ary nojereny ny tahan’ny siramamy ao anatin’ny ran’i Jimena. Nitsiky i Mamá. Ara-dalàna ilay izy! Toy ireny hoe tsy nanala mihitsy ny pompe teny aminy ireny i Jimena.

Nankao amina efitrano kely iray izy ireo avy eo. Napetrak’i Papi teo amin’ny lohan’i Jimena ny tanany. Nataony ny fandraisana azy ho mpikambana ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ho an’ireo olona efa maty izay nanaovana batisa azy. Ankehitriny dia afaka misafidy ny hiditra ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ny razambeny!

Nandritra ny takariva ao an-tokantrano ny herinandro manaraka dia niresaka momba ny dian’izy ireo tany amin’ny tempoly i Jimena sy ny ray aman-dreniny. “Tranon’ny Tompo ny tempoly,” hoy i Papi. “Rehefa mandeha any isika dia afaka miaina fahagagana eo amin’ny fiainantsika.”

“Inona ilay fahagagana?” hoy i Pablo zandrilahikelin’i Jimena.

“Natahotra aho ny hanala ny pompe à insuline teny amiko rehefa hiditra ny rano,” hoy i Jimena. “Saingy tsy nahatsapa ho narary mihitsy aho rehefa nanao batisa. Fahagagana izany!” Nitsiky i Jimena. “Ary na dia natahotra aza aho, dia nanampy ahy ho tony ny Fanahy Masina. Fahagagana koa izany.”

Sary
tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Alyssa Petersen

Hamoaka printy