2023
Asa atao mifandray amin’ny Avia, hanaraka Ahy ho an’ny ankizy kely
Mey 2023


“Asa atao mifandray amin’ny Avia, hanaraka Ahy ho an’ny ankizy kely,” Namana, mey 2023, 49.

Testamenta Vaovao

Asa atao mifandray amin’ny Avia, hanaraka Ahy ho an’ny ankizy kely

Sary
Ankizilahy sy ankizivavy miara-mipetraka eo anoloan’ny tempoly

Ho an’ny Lioka 12–17; Jaona 11

Miaraha milalao an’ity kilalao feno fankasitrahana ity amin’ireo ankizikelinao! Misafidiana zavatra izay maha-feno fankasitrahana anao, kanefa aza milaza hoe inona izany. Tanisao ny antony maha-feno fankasitrahana anao noho izany olona izany na noho izany zavatra izany ambara-pamantaran’ny zanakao araka ny tokony ho izy izany. Avy eo dia anjaran’izy ireo indray!

Ho an’ny Matio 19–20; Marka 10; Lioka 18

Mampisehoa sarina tempoly iray an’ireo ankizikelinao. Hazavao fa tian’ny Ray any An-danitra hofehezina any amin’ny tempoly isika mba hahafahan’ny fianakaviantsika ho tafaraka mandrakizay. Hirao ny “Fianakaviana mandrakizay” (Bokin-kiran’ny ankizy, 98).

Ho an’ny Matio 21–23; Marka 11; Lioka 19–20; Jaona 12

Mitsidiha tempoly akaiky indrindra miaraka amin’ireo ankizikelinao na mampisehoa sary en ligne azy ireo. Mizarà fijoroana ho vavolombelona tsotra momba ny zavatra tsapanao mikasika ny tempoly. Raha toa ka afaka mandeha manodidina ny tokotany ianareo dia ampio ny ankizy hamantatra ilay fahatsapan-javatra mahafinaritra sy mitondra fiadanana eo.

Ho an’ny Joseph Smith—Matio 1; Matio 24–25; Marka 12–13; Lioka 21

Ampio ireo ankizikelinao hilaza hoe: “Tian’i Jesoa hanompo ny hafa aho.” Miaraha mieritreritra olona iray izay azonareo ampiana. Rehefa avy nanampy izany olona izany ianareo dia anontanio hoe inona no zavatra tsapan’izy ireo rehefa nanampy izy ireo.

Hamoaka printy