2023
Mpinamana niara-nanao origami
Mey 2023


“Mpinamana niara-nanao origami,” Namana, mey 2023, 30–31.

Mpinamana niara-nanao origami

Ahoana no fomba hanampian’i Ari sy ireo namany an-dramatoa Franklin?

Tany Etazonia no nitrangan’ity tantara ity.

Sary
Ankizivavy telo manofahofa tanana an’ilay mpiandraikitra ny tranomboky

“Fotoana fakan-drivotra ô!” Hoy ny mpampianatr’i Ari niantsoantso.

Nilahatra mba hivoaka ho eny an-tokotany filalaovana ireo mpiara-mianatra amin’i Ari. Saingy aleon’i Ari sy ny namany mandeha any amin’ny tranomboky foana. Tia mindrana boky sy miara-manao asa tanana izy ireo.

Efa niandry teo am-baravarana i Kristin sy i Ella. Naka ny bokiny sy antontan-taratasy i Ari. Izy no nitarika ny lalana nidina ny lalantsara avy eo.

“Manantena aho fa efa niverina ilay The Dragon Keeper’s Secret!” Hoy i Ari. “Efa tao anatin’ny herinandro maro no naniriako hindrana izany.”

Rehefa tonga tao amin’ilay tranomboky ireo ankizivavy dia nikopakopaka an-dramatoa Franklin, ilay mpiandraikitra ny tranomboky. Arahabainy amim-pitsikitsikiana fatratra foana izy ireo. Saingy toa tsy tahaka izay ilay tsikitsiky tamin’io andro io.

Nikentrona i Ari rehefa nametraka ny bokiny teo ambony latabatra. “Tsy toy ny malahelohelo izany ve ramatoa Franklin?”

Nanainga soroka fotsiny i Kristin. “Mety be atao fotsiny izy.”

“Angamba.” Nipetraka i Ari ary nisintona taratasy kely iray. Navalony tsara izany, ary nataony malama tamin’ny ankihibeny ilay faritra naforitra.

“Inona no hamboarintsika androany?” Hoy i Ella nanontany.

“Ahoana raha manamboatra fanamariham-pejy isika?” Hoy i Ari. “Mora ihany ny fanaovana azy ireny. Hasehoko anareo izany.”

Nianatra ny fomba fanaovana origami i Ari. Izany dia karazana zava-kanto iray avy any Japon, izay atao amin’ny alalan’ny famalonana taratasy mba hanana endrika samihafa. Mahay manamboatra karazana endri-javatra maro i Ari ary nampianariny ny namany ny zavatra nianarany.

Nasehon’i Ari an’i Kristin sy i Ella ny fomba hanaovana ny famalonana tsirairay. Fotoana fohy taorian’izay dia nanana fanamariham-pejy kely efamira izy telo.

Sary
Ankizivavy anankitelo manamboatra origami

“Apetraka eny amin’ny zorony toy izao ilay izy.” Nosokafan’i Ari ny bokiny ary natsofony teny amin’ny zoron’ny pejy iray ilay fanamariham-pejy.

“Tsara be!” Naka taratasy iray hafa i Kristin. “Te hanandrana hanao irery ilay izy aho.”

Teo am-panaovan’izy ireo asa dia niresaka momba ireo boky efa novakin’izy ireo izy ireo sy ireo boky tian’izy ireo hovakina manaraka. Nanopy maso indray tany amin-dramatoa Franklin i Ari. Mbola toy ny nalahelohelo kely izany izy.

Tsy ela dia nijanona teo amin’ny latabatra nisy azy ireo ramatoa Franklin.

“Manahoana ry zazavavy a!” Nametraka boky iray teo ambonin’ny latabatra izy. Ilay boky dragon keeper izany! “Inty ary ny anao ry Ari. Fantatro fa efa niandry ny hamakiana izany ianao.”

“Misaotra!” Noraisin’i Ari izany.

Nisento ramatoa Franklin. “Nangalarin’olona ny fiarako androany. Lasan’izy ireo ny bokiko sy ny hirako rehetra.”

“Tena loza izany!” Hoy i Kristin.

Nitsiky nifono alahelo ramatoa Franklin. “Zavatra fotsiny ihany ireny e! Azo soloina ny zavatra. Faly fotsiny aho fa tsy nisy olona naratra.”

Nojeren’i Ari ramatoa Franklin rehefa lasa nandeha.

“Inay anie isika afaka nanao zavatra mba hanampiana,” hoy i Ella.

Nojeren’i Ari ilay fanamariham-pejy namboarina tamin’ny origami teny an-tanany. “Mety afaka ny hanampy isika ka!”

“Amin’ny fomba ahoana?” Hoy i Kristin nanontany.

Nitsiky i Ari. “Tongava any an-tranoko rehefa avy mianatra. Manana hevitra aho.”

Ny ampitson’iny dia nandeha tany amin’ny tranomboky toy ny fanaon’izy ireo nandritra ny fotoana fakana rivotra i Ari sy i Kristin ary i Ella. Saingy tamin’ity indray mitoraka ity dia tsy nitondra boky fotsiny izy ireo. Nanana zavatra manokana ho an-dramatoa Franklin izy ireo.

“Nanamboatra ireto ho anao izahay!” Nomen’i Ari harona iray ramatoa Franklin. “Fantatray fa tsy afaka manolo ny zavatra rehetra izay nisy nangalatra izahay saingy nieritreritra izahay fa mety hampifalifaly anao ireto.”

Nojeren-dramatoa Franklin ny tao anatin’ilay harona. Feno origami tao anatin’izany: fanamariham-pejy, trondro, fo, lolo. Nitsikitsiky fatratra izy.

“Tena mahatalanjona izao! Misaotra betsaka anareo.” Naka origami iray avy tao amin’ilay kitapo izy. Navalombalona mba hanome boky kely izany. “Hampiasaiko mba hanoratra ireo eritreritra kely mifono hafaliana ity diary kely ity!”

Tsikitsiky no nasetrin’i Ari izany. Afaka manao zavatra tsara ho an’ny hafa foana izy, taratasy iray aforitra isaky ny mandeha.

Sary
tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Brian Martin

Hamoaka printy