2023
Mijoroa ho mpampihavana
Mey 2023


Hafatry ny fihaonambe avy amin’ny Mpaminany

Mijoroa ho mpampihavana

Namboarina avy tamin’ny “Ilaina ny mpampihavana,” Liahona, mey 2023.

Amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy antsika dia tokony ho ohatra tsara eo amin’ny fomba fifandraisana amin’ny hafa isika. Ny iray amin’ireo fomba mora indrindra hamantarana ny mpanara-dia marina an’i Jesoa Kristy dia ny fangorahana asehony eo amin’ny fitondrany ny olona hafa.

Nataon’ny Mpamonjy mazava tsara izany. “Sambatra ny mpampihavana,” hoy Izy (Matio 5:9; jereo koa ny 3 Nefia 12:9). Ny mpianany marina dia olona manatsara toetra, mampitraka, mankahery ary manentana ny fanahy, na sarotra toy ny inona ny toe-javatra misy. Ny mpianatra marin’i Jesoa Kristy dia mpampihavana.

Tena manan-danja ny fomba fifampitondrantsika! Tena manan-danja ny fomba firesantsika amin’ny hafa sy momba ny hafa any an-tokantrano, any am-piangonana ary ao amin’ny tambajotran-tserasera. Afaka manova izao tontolo izao isika, olona iray ary fifandraisana iray isaky ny mandeha.

Ampahan-javatra mandrafitra ny fiainana ny fahasamihafana. Aoka isika hampiseho fa misy fomba feno fanajana hamahana ireo tsy fitovian-kevitra. Mivavaha mba hanana ny herim-po sy ny fahendrena hilaza sy hanao izay ho nataon’ny Mpamonjy.

Mamporisika anareo aho mba hisafidy ny ho mpampihavana, amin’izao fotoana izao ary mandrakariva.

Sary
Alt text

“Dia niloa-bava Izy ka nampianatra azy” nataon’i Michael Malm

Afaka manova izao tontolo izao isika

Nilaza ny Filoha Nelson fa tena manan-danja ny zavatra ataontsika sy lazaintsika! Soraty eo amin’ny faritra malalaka etsy ambany ny zavatra azonao lazaina mba hanampiana amin’ny fitondrana fiadanana.

Inona no azonao lazaina an’ny olona iray izay malahelo?

Inona no azonao lazaina rehefa misy maka ny zavatrao?

Inona no azonao lazaina rehefa ratsy fanahy aminao ny olona iray?

Sary
alt text here

Hamoaka printy