2023
Asa atao mifandray amin’ny Avia, hanaraka Ahy
Mey 2023


“Asa atao mifandray amin’ny Avia, hanaraka Ahy,” Namana, mey 2023, 10–11.

Asa atao mifandray amin’ny Avia, hanaraka Ahy

Ho an’ny takariva ao an-tokantrano, na fandalinana ny soratra masina, na atao fialam-boly fotsiny!

Maneho fankasitrahana

Sary
Rojo vita amin’ny taratasy

Sary nataon’i Katy Dockrill

Ho an’ny Lioka 12–17; Jaona 11

Tantara: Vakio ilay tantara “Lehilahy iray feno fankasitrahana” ao amin’ny pejy 46. Ahoana no fomba ahafahanao maneho fankasitrahana?

Hira: “Ndao hisaotra ny Ray” (Bokin-kiran’ny ankizy, 15)

Asa atao: Maneteza tapa-taratasy miisa 10. Soraty eo amin’ny tapa-taratasy tsirairay ny zavatra iray izay maha-feno fankasitrahana anao. Ampifandraiso ireo tapa-taratasy tsirairay ary apetaho amin’ny lakaoly na scotch mba hitambatra ny lohany mba hanaovana rojo. Ahantony any amin’ny toerana izay hahitanao azy matetika ilay rojon’ny fankasitrahana.

Maherifo eo amin’ny asa fanompoana

Sary
Ankizilahy iray manao fitafian’ny maherifo mijoro eo akaikin’ny vehivavy zokiolona iray mitondra tehina

Ho an’ny Matio 19–20; Marka 10; Lioka 18

Tantara: Nampianatra i Jesoa Kristy fa tokony hanampy ny olona sahirana isika (jereo ny Marka 10:17–22). Vakio ny “Ilay vorondolo sy ilay trozona mainty” ao amin’ny pejy 8 mba hahafantarana ny fomba nanarahan’ny ankizilahy iray nantsoina hoe Dieter an’i Jesoa.

Hira: “Hajao ireo didy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 146–47)

Asa atao: Mandehana ao amin’ny pejy 12 ary ataovy izay hahatongavana ho maherifo eo amin’ny asa fanompoana!

Hazo mihaino

Sary
Ankizy manoritra tanana eo amin’ny taratasy

Ho an’ny Matio 21–23; Marka 11; Lioka 19–20; Jaona 12

Tantara: Naniry ny hahita an’i Jesoa i Zakaiosy, saingy takon’ny olona maro be izy. Nihanika teny ambonin’ny hazo iray i Zakaiosy mba hahafahany mahita sy maheno tsara kokoa an’i Jesoa. (Jereo ny Lioka 19:2–8.)

Asa atao: Manaova sarina hazo vita amin’ny tanana! Sorito eo amin’ny taratasy iray ny sandrinao sy ny tananao. Ny sandrinao no ho vatan-kazo ary ireo rantsantananao no ho sampana. Soraty na ataovy sary eo amin’ny sampana tsirairay ny fomba ahafahanao mihaino an’i Jesoa.

Misiônera amin’izao fotoana izao

Sary
Olona efatra mipetraka ao anaty faribolana miaraka amin’ny tongotra mivelatra

Ho an’ny Joseph Smith—Matio 1; Matio 24–25; Marka 12–13; Lioka 21

Tantara: Nilaza i Jesoa Kristy fa mialoha ny hahatongavany indray, dia hotorina amin’izao tontolo izao ny filazantsara (jereo ny Joseph Smith—Matio 1:31). Afaka manampy amin’ny fiomanana amin’ny Fiaviana Fanindroany isika amin’ny alalan’ny fizarana ny filazantsara amin’ny hafa.

Hira: “Maniry hanao asa fitoriana aho” (Bokin-kiran’ny ankizy, 91)

Asa atao: Manamboara mari-pamantarana eo amin’ny tratran’ny misiônera ho anao manokana! Soraty eo amin’ny tapa-taratasy iray ny anaranao ary hetezo izany. Soraty ao ambadika ny zavatra azonao atao mba hizarana ny filazantsara amin’izao fotoana izao. Apaingory na apetaho eo amin’ny lobakao ilay mari-pamantarana eo amin’ny tratra.

Tongotra manao asa fanompoana

Ho an’ny Matio 26; Marka 14; Jaona 13

Tantara: Nanasa ny tongotr’ireo apôstôliny i Jesoa Kristy (jereo ny Jaona 13:4–16). Tiany izy ireo ary naniry ny hanompo azy ireo Izy. Nilaza tamin’izy ireo i Jesoa mba hanaraka ny ohatra nasehony sy hifanompo.

Hira: “Hoy ilay rano kely hoe -Manomeza-” (Bokin-kiran’ny ankizy, 236)

Asa atao: Ataovy ity kilalao mifono asa fanompoana ity. Mipetraka miaraka amin’ny tongotra manao faribolana ny olona rehetra. Misafidy isa iray ny mpilalao iray. Tondroin’ilay mpilalao ny tongotra tsirairay ao anatin’ilay faribolana ka atombony amin’ny tongony manokana izany, ary manisa manomboka amin’ilay isa nosafidiny izy ka manisa miverina any aoriana mandra-pahatongany any amin’ny “iray.” Miala ilay tongotra mitondra ny isa “iray.” Misafidy isa iray avy eo ilay mpilalao ary manisa manomboka amin’ilay isa nosafidiny ka manisa miverina any aoriana. Ilay olona farany miaraka amin’ny tongotra iray ao amin’ilay faribolana no misafidy izay asa fanompoana hatao.

Hamoaka printy