2023
Manolotra ny arahaba ny avy any Cap-Vert!
Mey 2023


“Manolotra ny arahaba ny avy any Cap-Vert!” Namana, mey 2023, 22–23.

Manolotra ny arahaba ny avy any Cap-Vert!

Fantaro ireo zanaky ny Ray any An-danitra manerana izao tontolo izao.

Sary
Ny sainan’i Cap-Vert

Sary fanehoana nataon’i Carolina Farias

I Cap-Vert dia firenena nosy iray any akaikin’ny morontsirak’i Afrika Andrefana. Olona miisa valo alina sy efatra hetsy eo ho eo no monina ao.

Fiteny

Sary
Ankizivavy anankiroa mifampiresaka

Ny teny pôrtogey no fiteny ôfisialy. Ny mponina koa dia miteny créole capverdien na Kriolu izay teny pôrtogey no niaviany.

Vôlkano

Sary
Vôlkano

Manana nosy miisa 10 i Cap-Vert izay niorina tamin’ny alalan’ny vôlkano. Ny vôlkano lehibe indrindra mbola velona dia antsoina hoe Pico do Fogo. 2829 metatra ny haavony.

Antokom-pinoana

Sary
Trano fiangonana

80 isan-jaton’ny mponina eo ho eo no Katôlika. Miisa 16000 eo ho eo koa ny mpikambana ao amin’ny Fiangonantsika.

Mozika

Sary
Fianakaviana iray mihira

Tia mozika ny olona avy any Cap-Vert! Mihira amin’ny teny Créole izy ireo matetika ary ny mozikan’izy ireo dia mampifangaro ny karazana mozika avy any Portugal, Brésil ary Afrique de l’ouest.

Tempolin’i Praia

Sary
Ny Tempolin’i Praia Cap-Vert

Notokanana tamin’ny taona lasa ny tempoly voalohan’i Cap-Vert!

Hamoaka printy