2023
Ny varavarana misokatry ny tempoly
Mey 2023


“Varavarana misokatry ny tempoly,” Namana, mey 2023, 16–17.

Ny varavarana misokatry ny tempoly

Tena faly i Stevan fa hiditra ao amin’ny tempoly!

Tany Etazonia no nitrangan’ity tantara ity.

Sary
Fianakaviana mandeha an-tongotra mamakivaky ny tempoly

Tena faly i Svetan. Hiala ao Argentine ka hifindra any Etazonia ny fianakaviany. Dia tonga amin’izay ilay fotoana handraisana ilay fiaramanidina lehibe!

Nijery teo amin’ny varavarankely i Svetan rehefa nanainga ny fiaramanidina. Nanontany tena izy hoe ho toy ny ahoana ny ho endrik’ilay tranony vaovao. Hiova daholo ny zava-drehetra. Trano vaovao. Fandriana vaovao. Mpifanolobodirindrina vaovao. Ary fihaonana amina namana vaovao! Tena faly i Svetan.

Fantatr’i Svetan koa fa eo akaikin’ny tempoly iray izay vao naorina ilay tranony vaovao. Lavitra ny tempoly tany Argentine. Tamin’ny alalan’ny sary ihany no nahitany izany.

Nitodika tany amin’i Mami i Svetan. “Mieritreritra ve ianao fa afaka ny hahita ny tempoly avy ety amin’ny lanitra isika?”

Nitsiky i Mami. “Tsy afaka raha ny fiheverako azy.” Fa kely sisa dia hahita izany isika.”

Nitsiky koa i Svetan. Nilaza i Mami sy Papi fa tsy mbola nisokatra ny tempoly. Saingy hisy varavarana misokatra atsy ho atsy. Izany dia midika hoe afaka miditra ao anatiny ny olona mba hahita izany mialoha ny hanokanana azy. Ary handeha ho any amin’ilay varavarana misokatra ny fianakavian’i Svetan! Tsy andriny izay hahitana mivantana ilay tempoly.

Ora vitsy taty aoriana dia tonga tao amin’ilay trano vaovao i Svetan sy ny fianakaviany. Maro ny zavatra tokony hatao. Nanampy tamin’ny famahana ireo entana tao anaty baoritra i Svetan ary nanao izay hahatsara endrika ny tranony.

Ny andro nialohan’ilay varavarana misokatra dia nipetraka tao amin’ny trano fandraisam-bahiny izy ireo mba hiresaka.

“Tranon’ny Tompo ny tempoly,” hoy i Mami. “Rehefa ao anatin’izany isika dia tsy maintsy maneho fanajana. “Fantatrao ve ny dikan’izany?”

“Miresaka moramora mba hahafahana maheno tsara kokoa ny Fanahy Masina ve?” Hoy i Svetan nanontany.

“Marina izany,” hoy i Mami. “Afaka mianatra zavatra maro isika rehefa ao amin’ny tempoly.”

Naneho fanekena tamin’ny alalan’ny fanetsiketsehana ny lohany i Svetan. Te haneho fanajana izy mba hahafahany mahatsapa ny Fanahy Masina ao amin’ny tempoly.

Ny ampitso marainan’io dia nifoha vao maraina i Svetan. Nanao akanjo fitondra alahady izy. Kely sisa dia hahita izany isika.

Tonga teo amin’ny tempoly ny fianakavian’i Svetan. Nanampy azy ireo ny olona hanao aroloto kely plastika eo amin’ny kiraron’izy ireo.

Sary
Mpilatsaka an-tsitrapo mamono ny kiraron’ny ankizilahy iray amin’ny harona plastika.

“Nahoana no nofonosin’izy ireo tamin’itony harona kely itony ry Mami ny tongotro?” Hoy i Svetan nanontany.

“Satria vaovao sy madio ny zava-drehetra ao anatin’ny tempoly.” Te hikolokolo izany isika.”

Nisy vehivavy iray nandray azy ireo. Novakiny ireo teny teo amin’ny varavaran’ny tempoly manao hoe: “Fahamasinana ho an’ny Tompo—ny Tranon’ny Tompo.”

Sary
Vehivavy mijoro eo anoloan’ny tempoly

Nohazonin’i Svetan ny tanan’i Mami. Niditra tao anatiny izy ireo. Tsara tarehy daholo ny zava-drehetra! Mety ho toy izany angamba no endriky ny lanitra.

“Jereo!” Hoy i Svetan nibitsibitsika. Nanondro sary hosodoko iray izy. “Io Jesoa Kristy!”

Rehefa vita izany dia nahatsapa fifaliana i Svetan. Feno fankasitrahana izy fa afaka miditra tao amin’ny tempoly. Te hiditra ao indray izy rehefa lehibe.

Sary
tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Mark Robison

Hamoaka printy