2023
Ny vavaka nataon’i Rosi
Mey 2023


“Ny vavaka nataon’i Rosi,” Namana, mey 2023, 14–15.

Ny vavaka nataon’i Rosi

Leo noho ny fahatsapana ho toy ireny tsy mpianatra toy ny rehetra ireny i Rosi.

Tany Etazonia no nitrangan’ity tantara ity.

Sary
Ankizivavy iray mipetraka eo amin’ny sezalava maneho endrika malahelo rehefa nofihinin-dreniny

Natoton’i Rosi teo amin’ny tany ny kitapo fibabiny. Vao avy nahavita ny andro faharoa tamin’ny fanatrehana ny kilasiny vaovao izy. Ary tsy andro tsara izany.

“Fa misy inona?” Hoy i Neny nanontany.

Nidaboka teo amin’ny sezalava i Rosi. “Nilaza zavatra nandratra ahy ny ankizy sasany tao amin’ny kilasiko,” hoy izy. “Mikasika ny maha-zarazara hoditra ahy izany.”

Tsy dia nisy olona maro nitovy lokon-koditra tamin’i Rosi, noho izany dia nahatsapa ho toy ireny tsy mpianatra toy ny rehetra ireny izy. Saingy vao mainka nampirongatra izany ny fananihaniana.

Sahiran-tsaina i Neny. “Mampalahelo izany,” hoy izy. Nofihininy i Rosi. “Hiresaka amin’ny mpampianatrao momba izany aho.”

Saingy mbola nisy nananihany ihany i Rosi ny andro manaraka tany an-tsekoly. Nisy ankizilahy iray tao amin’ny kilasiny izay naneho haratsiam-panahy taminy nandritra ny andro iray manontolo.

Nalahelo i Rosi. Saingy nahatsapa hatezerana koa izy. Indraindray rehefa nampiseho tsy fahalalam-pomba tamin’i Rosi izy dia novalin’i Rosi koa izany. Saingy tsy nampahazo aina azy kokoa izany.

Indray andro rehefa tonga tao an-trano avy nianatra i Rosi dia tonga dia nihazakazaka nankany amin’ny efitranony. Reraka izy noho ireo hanihany natao taminy. Reraka izy noho ny fahatsapana ho toy ireny tsy mpianatra toy ny rehetra ireny. Nasitriny tao amin’ny ondany ny tarehiny ary nitomany izy.

Inona no hataoko? hoy izy nieritreritra. Tsy te hahatsapa ho toy izany izy mandritra ny ambin’ny taom-pianarana.

Nofafan’i Rosi ny ranomasony. Avy eo dia nijery ilay sarivongana kelin’i Jesoa teo amin’ny talantalana fitoeram-bokiny izy. Nomen’i Neny an’i Rosi izany mba hanampiana azy hahatsiaro an’i Jesoa.

Angamba tokony hivavaka aho, hoy izy nieritreritra. Nandohalika izy ary nampifanindry ny tanany.

Sary
Ankizivavy iray mandohalika mivavaka

“Ry Ray any An-danitra ô, tena maratra ny ato anatiko. Maneho haratsiam-panahy amiko ny mpiara-mianatra amiko noho izaho zarazara hoditra, ary tena mampalahelo ahy izany. Mba ampio aho.”

Nampahazo aina ny nilaza tamin’ny Ray any An-danitra ny zavatra tsapany. Fantany fa nihaino Izy. Nahatsapa ho heniky ny hafanana sy fitiavana izy, toy ireny hoe nisy bodofotsy malefaka ireny namono azy. Nahatsapa izy fa tsara ny lokon’ny hodiny. Zanak’ Andriamanitra izy ary tiany izy.

Rehefa vita ny vavaka nataon’i Rosi dia nanana hevitra izy. Angamba mety misy zavatra maro azony atao mba hanampiana any an-tsekoliny.

Ny herinandro manaraka dia niresaka tamin’ny tompon’andraikitry ny sekoly i Rosi sy ny reniny mikasika ny zava-mitranga ao amin’ny kilasiny. Nikaroka an’ireo ankizy hafa tao an-tsekoly izay iharan’ny hetraketraka i Rosi ary lasa mpinamana tamin’izy ireo izy. Niezaka tsy niraharaha ilay ankizilahy nananihany azy izy. Ary tany am-piangonana ny alahady dia nizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany izy fa tia ny olona rehetra ny Ray any An-danitra.

Tsy tonga dia nilamina ny zava-drehetra tany an-tsekoly. Saingy rehefa sarotra izany dia tsaroan’i Rosi ny zavatra tsapany nandritra ny vavaka nataony. Zanak’ Andriamanitra izy, ary tiana izy. Ary noho ny fahafantarany izany dia afaka mahavita na inona na inona izy.

Sary
tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Shawna J. C. Tenney

Hamoaka printy