2023
Manara-dia an’i Jesoa any Cap-Vert
Mey 2023


“Manara-dia an’i Jesoa any Cap-Vert,” Namana, mar. 2023, 20–21.

Manara-dia an’i Jesoa any Cap-Vert

Fantaro i Raissa!

Ny mombamomba an’i Raissa

Sary
Sarin’ny ankizivavy iray mitsiky

Taona:11

Avy any: Nosy Santiago, Cap-Vert

Fiteny: Pôrtogey

Tanjona sy nofinofy: Hanambady any amin’ny tempoly sy hanana ny fianakaviany manokana

Fianakaviana: Raissa, Neny, Dada, ary zoky vavy anankiroa

Ny fomba fanarahan’i Raissa an’i Jesoa

Sary
Ankizivavy eo anoloan’ny tempoly

Fony i Raissa dimy taona dia nitady izay fiangonana haleha izy sy ny fianakaviany. Vao nandeha vao voalohany tany amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izahay dia nahatsapa ho toy ny efa mpikambana tao izany. Tia ny Kilonga i Raissa. Natao batisa ny fianakaviany. Ary tian’i Raissa ny manao takariva ao an-tokantrano isan-kerinandro.

Rehefa feno enin-taona i Raissa dia nofehezina tany amin’ny Tempolin’i Recife Brésil izy sy ny fianakaviany.

Nandeha tany amin’ny varavarana misokatry ny Tempolin’i Praia Cap-Vert i Raissa vao haingana. “Nanao zavatra manan-danja aho mba hiomanana ho any amin’ny tempoly, toy ny mivavaka, mandeha miangona, mandalina soratra masina, ary mianatra ny filazantsara,” hoy izy.

Taorian’ny nanokanana ny tempoly dia afaka nanao batisa ho an’ireo razambeny izay maty tsy nahafantatra ny filazantsara izy. “Tsara tarehy ny tempoly,” hoy izy.

Ireo zavatra tena tian’i Raissa

Sary
Trano fiangonana iray, voaloboka, voninkazo volomparasy, fitaovana fanaovana kajy iray ary marika ampiasaina amin’ny matematika

Toerana: Ny trano Fiangonana

Soratra masina: 1 Nefia 3:7

Voankazo na legioma: Voaloboka

Loko: Volomparasy

Taranja any an-tsekoly Matematika

Sary
tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Melissa Manwill

Hamoaka printy