2023
Valiny momba ny tempoly
Mey 2023


“Valiny momba ny tempoly,” Namana, mey 2023, 38–39.

Valiny momba ny tempoly

Toy ny ahoana ny ao anatin’ny tempoly?

Sary
Sarin’ny ao anatin’ny tempoly

Ny tempoly dia tranon’ny Tompo. Madio sy tsara tarehy ny ao anatin’izany. Ny olona rehetra dia manao akanjo fotsy ary miezaka ny maneho fanajana. Toerana feno fiadanana mba hitsaohana sy hianarana ary hahatsapana ny fitiavan’ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny Fanahy Masina izany.

Inona no ataon’ny olona ao anatin’ny tempoly?

Sary
Sarin’ny ankizivavy iray sy ankizilahy iray eo akaikin’ny sarin’ny razambeny

Mianatra mikasika ny drafitr’ Andriamanitra ary manao fanekempihavanana Aminy isika ao amin’ny tempoly. Ataontsika izany amin’ny alalan’ny fandraisana anjara amin’ireo ôrdônansy toy ny batisa, ny fandraisana ho mpikambana, ary ny famehezana antsika amin’ny fianakaviantsika.

Inona no akanjo hanaovako rehefa mandeha any amin’ny tempoly aho?

Sary
Ankizilahy iray manao pataloha sy palitao sy karavato eo akaikin’ny ankizilahy iray manao akanjo tohitena fotsy.

Tokony hanao ny akanjonao tsara indrindra ianao rehefa mandeha any amin’ny tempoly. Rehefa tafiditra ao anatiny ianao dia hanao akanjo miavaka mba hanatanterahana ôrdônansy. Ho an’ny batisa, ireo mpiasa ao amin’ny tempoly dia hanome anao akanjo tohitena fotsy mba hanaovana.

Inona no atao hoe fahazoan-dalana hidirana ny tempoly

Sary
Ankizilahy iray mitsiky sy mandray karatra kely iray

Ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly dia taratasy kely iray izay manome fahafahana anao hiditra ao amin’ny tempoly. Afaka mahazo iray avy amin’ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà na ny fiadidian’ny sampana misahana anao ianao. Hanontany anao izy raha mitandrina ireo didy ianao ary raha manana fijoroana ho vavolombelona ianao. Raha toa ianao ka mendrika sy vonona ny hiditra ny tempoly dia hanome fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ho anao izy.

Inona no dikan’ny hoe manao batisa ho an’ny maty?

Sary
Ankizivavy iray atao batisa ao amin’ny toerana fanaovana batisa ao amin’ny tempoly

Ao amin’ny tempoly, ianao dia azo atao batisa ho an’ireo olona efa maty nefa tsy vita batisa. Hanao akanjo fotsy ianao halentika (atsoboka tanteraka) ao anaty rano.

Sary
tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Simini Blocker

Hamoaka printy