2023
Famalonana mahafinaritra
Mey 2023


“Famalonana mahafinaritra,” Namana, mey 2023, 32–33.

Zavatra mahafinaritra

Famalonana mahafinaritra

Sary
tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Nicole Walkenhorst

Fanamariham-pejy namboarina tamin’ny origami

  1. Aforeto roa mitsivalana eo amin’ny fisasahany ny taratasy iray efamira mba hanaovana telozoro.

  2. Aforeto eo afovoany ny lafy roan’ilay telozoro mba hanome efamira. Avelaro indray izany avy eo.

  3. Alaivo eo amin’ny tendron’ilay telozoro ny sosona ambony indrindran’ilay taratasy ary aforeto hidina eny ambany izany.

  4. Ampidiro ao anatin’ilay paosy ny tendrony havanana sy havia eo amin’ilay telozoro.

  5. Afaka mamaky miaraka amin’ny fanamariham-pejinao vaovao ianao izao!

Amboahaolo namboarina tamin’ny origami

  1. Aforeto roa mitsivalana eo amin’ny fisasahany ny taratasy iray efamira mba hanaovana telozoro.

  2. Aforeto eo afovoany ny ilany havanana sy havia eo amin’ilay telozoro mba hanome efamira.

  3. Avadiho ilay efamira. Aforeto eo amin’ny fisasahany manaraka ilay faritra afovoany mba hanome telozoro izany.

  4. Tadiavo ny sisin’ilay telozoro izay misy lelany anankitelo. Aforeto misompirana io sisiny io ary avelaro hisokatra ireo lelany.

  5. Sokafy ilay lelany eo afovoany ary aforeto hidina ambany ny tendrony mba hanaovana ilay tarehy.

  6. Alaivo ilay tendrony iray hafa an’ilay telozoro lehibe ary aforeto hidina ambany izany mba hanaovana ny rambony.

Trondro namboarina tamin’ny origami

  1. Aforeto roa mitsivalana eo amin’ny fisasahany ny taratasy iray efamira mba hanaovana telozoro, ary avelaro indray izany avy eo. Ataovy toy izany ilay ilany iray hafa.

  2. Aforeto eo amin’ny fisasahany ilay taratasy mba hanaovana mahitsizoro, ary ilay taratasy mba hanaovana mahitsizoro, avelaro indray izany avy eo.

  3. Avadiho ilay taratasy. Alaivo amin’ny sisiny ireo faritra miforitra eo amin’ny zorony misompirana tsirairay. Ampifandraiso ireo zorony havanana anankiroa mandra-pifanitsy ireo sisiny. Ataovy toy izany koa ny eo ankavia. Tokony hahazo zavatra miendrika telozoro ianao amin’ny farany.

  4. Aforeto mankeo afovoany ny lelany anankiray. Aforeto eo ambonin’ilay lelany voalohany ilay lelany iray hafa. Hanome ny vombony izany.

  5. Avadiho amin’izay ny trondronao ary manaova sarina maso.

Hamoaka printy