2023
Nampianatra tao amin’ny tempoly i Jesoa
Mey 2023


“Nampianatra tao amin’ny tempoly i Jesoa,” Namana, mey 2023, 24–25.

Ireo tantaran’i Jesoa

Nampianatra tao amin’ny tempoly i Jesoa

Esory ity pejy ity ary aforeto roa. Hazony ambony ilay sary avy eo rehefa mitantara ilay tantara ianao.

Sary
tantara amin’ny endrika PDF

Rehefa feno 12 taona i Jesoa Kristy dia niaraka tamin’i Maria sy i Josefa nankany Jerosalema.

Rehefa teny an-dalana hody dia hitan’i Maria sy i Josefa fa tsy niaraka tamin’izy ireo i Jesoa. Niverina haingana tany Jerosalema mba hitady Azy izy ireo.

Nitady azy tetsy sy teroa i Maria sy i Josefa. Nony farany dia hitan’izy ireo tao amin’ny tempoly i Jesoa. Nampianatra ny olona izy ary namaly ny fanontanian’izy ireo. Talanjona ny olona rehetra noho ny halehiben’ny fahalalany mikasika ny filazantsara. Nanao ny asan’ny Ray any An-danitra i Jesoa na dia mbola kely aza Izy.

Afaka manampy eo amin’ny asan’ny Ray any An-danitra koa isika. Afaka mizara ny filazantsara isika. Afaka mianatra momba ny tempoly isika. Hanampy antsika hianatra sy hivoatra tahaka ny niainan’i Jesoa izany.

Hamoaka printy