2023
I Cameron ilay mpitendry pianô
Mey 2023


“I Cameron ilay mpitendry pianô,” Namana, mey 2023, 40–41.

I Cameron ilay mpitendry pianô

Tsy nahay nitendry i Cameron, kanefa te hanampy izy.

Tany Etazonia no nitrangan’ity tantara ity.

Sary
Ankizilahy manao fanazaran-tena mitendry pianô

Nihira ny “Zanaky ny Ray aho,” niaraka tamin’ireo ankizy hafa ao tamin’ny Kilonga i Cameron. Lalodalovana i Cameron, saingy tia mihira izy. Ary hihira mandritra ny fampisehoana ataon’ny Kilonga izy ireo atsy ho atsy. Iray volana monja sisa ilay izy!

Rehefa tapitra ny fotoam-pihirana dia nanao filazana Rahavavy Jones. “Hifindra toeram-ponenana atsy ho atsy ny mpitendry pianô an’ny Kilongantsika. Tianay mba hitendry pianô mandritra ny fampisehoana ataon’ny Kilonga ny sasany aminareo. Misy aminareo ve te hitendry hira iray na roa?”

Nanangana ny tanany i Cameron. Te hitondra ny anjara birikiny izy ao anatin’ilay fampisehoana.

Nosoratan-dRahavavy Jones ny anaran’ireo ankizy izay naniry ny hanampy. “I Emma. I Ben. Ary i Cameron! “Tsy fantatro hoe mahay mitendry ianao.” Hoy izy nitsiky.

Tsy mbola nianatra nitendry na oviana na oviana i Cameron teo aloha, saingy tiany ny mamorona hira amin’ilay pianô any an-tranon’ny renibeny.

“Tsy mbola mahay tsara aho,” hoy izy. “Saingy heveriko fa ho vitako izany rehefa manao fanazaran-tena!”

“Misaotra noho ny fahavononana hanompo,” hoy Rahavavy Jones. Nomeny hira roa ny ankizy tsirairay mba hotendrena.

Nahatsapa ho toy ireny te hihazakazaka hidina ny lalantsara ireny i Cameron. Naniry ny hianatra foana izy, ary ankehitriny dia hianatra izy!

“Toa falifaly ianao! Nisy zavatra nitranga angaha tao amin’ny Kilonga?” Hoy i Neny nanontany azy rehefa niditra ny fiara izy ireo avy niangona.

Nitsiky i Cameron. “Handeha hilalao pianô aho mandritra ny fampisehoana ataon’ny Kilonga!”

“Tiako ilay fanirianao hanampy,” hoy i Neny. “Saingy tsy ampy ny fahaizanao mitendry pianô mba hanaovana izany.”

Nipetraka nahitsy i Cameron. “Afaka mianatra aho. Hanao fanazaran-tena mafy dia mafy aho! Afaka mampiasa ny pianô an’i Bebe aho.”

“Ndao ary isika hanomboka izany!” Hoy i Neny.

Nampian’i Neny i Cameron hitady mpampianatra pianô. Nampiseho azy fomba tsotra hitendrena ny “Mahita ny tempoly no mahafinaritra ahy” sy ny “Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy” ilay mpampianatra.

Nanao fanazaran-tena matetika araka izay vitany tany an-tranon’i Bebe i Cameron. Naverimberiny notendrena ny andalana tsirairain’ireo hira. Nanao fahadisoana maro izy, saingy nanohy niezaka sy nanohy nitendry izy. Farany dia afaka nitendry ireo hira roa izy.

Vetivety dia tonga ilay fotoana ho an’ny fampisehoana ataon’ny Kilonga. “Manao ahoana ianao?” Hoy i Neny nanontany.

Nofihinin’i Cameron teny amin’ny tratrany ilay boky ampiasaina amin’ny fitendrena pianô. “Matahotra. Nefa tena faly koa.”

Sary
Ankizilahy mitendry pianô ary ankizy mihira

Rehefa anjarany ny nitendry dia nangovitra kely ny tanan’i Cameron. Ry Ray any An-danitra ô, mba ampio aho, hoy izy nivavaka tao an-tsainy. Nisento lalina izy. Avy eo dia nitendry faran’izay tsara azony natao izy. Nihira nanaraka izany ireo ankizy hafa.

Rehefa tapitra ilay hira dia nitsiky izy. Nahafinaritra ilay izy! Fantany fa nanampy azy ny Fanahy Masina.

Satria efa nitendry hira iray i Cameron tamin’izay dia nahatsapa ho nanana fahatokian-tena kokoa izy. Nanomboka nitendry ilay hira faharoa izy. Nivezivezy namakivaky ireo kitendry toy ny tamin’izy nanao fanazaran-tena mihitsy ireo rantsantanany.

Io hira io dia tena tian’i Cameron. Nieritreritra ireo teny izy teo am-pitendrena. “Io re no fiangonako ary inoako F(a)i Jesoa no Kristy.” Niasa mafy i Cameron mba hahaizana ireo hira ho an’ilay fampisehoana.

Fomba iray hizarako ny fijoroana ho vavolombelona ananako angamba ny filalaovana pianô, hoy i Cameron tao an-tsainy.

Nofihinin’i Neny mafy i Cameron taorian’ilay fampisehoana.

“Nanao ahoana izy tao?” hoy izy nanontany.

“Natahotra aho tamin’ny voalohany, saingy nahafinaritra ilay izy!” Hoy i Cameron. Naniry ny hanohy hanao fanazaran-tena izy sy hianatra hitendry hira maro kokoa mihitsy aza.

Sary
tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Adam Koford

Hamoaka printy