2023
Lehilahy iray feno fankasitrahana
Mey 2023


“Lohatenin’ny lahatsoratra,” Namana, mey 2023, 46–47.

Tantara ao amin’ny soratra masina

Lehilahy iray feno fankasitrahana

Sary
I Jesoa Kristy mijoro eo anoloan’ireo lehilahy manao fehy lamba

Sary nataon’i Apryl Stott

Indray andro dia nihaona tamina lehilahy niisa 10 i Jesoa Kristy. Narary izy ireo.

Sary
I Jesoa Kristy miresaka

Nangataka an’i Jesoa mba hanasitrana azy ireo ireo lehilahy ireo. Nilaza tamin’izy ireo i Jesoa mba handeha sy haneho ny tenany amin’ireo mpisorona.

Sary
Lehilahy nitsikitsiky rehefa sitrana

Nadio teny am-pandehanana ireo lehilahy ireo! Fantatr’izy ireo fa nositranin’i Jesoa izy ireo.

Sary
Lehilahy iray mandohalika eo anoloan’i Jesoa Kristy

Niverina tany amin’i Jesoa ny iray tamin’ireo lehilahy niisa 10. Nandohalika teo an-tongotr’i Jesoa izy ary nisaotra Azy. Nilaza i Jesoa fa sitrana izy satria nanam-pinoana.

Hamoaka printy