“Fampahafantarana ny Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra (Taranja 200),” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra (2022)
“Fampahafantarana,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra
Fampahafantarana ny Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra (Taranja 200)
Tongasoa eto amin’ny fampianarana ny Ny fianakaviana mandrakizay! Misaotra anao nanaiky ilay fahafahana hanampy ny tanora hanatona an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fandalinana ny fotopampianaran’ny fianakaviana ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra. Ity fandaharam-pampianarana ity dia narafitra mba hanampiana anao hikolokolo traikefa ho an’ireo mpianatrao izay mifototra amin’i Kristy sy mifantoka amin’ny mpianatra ka hitarika azy ireo ho amin’ny fiovam-po lalindalina kokoa amin’ny Mpamonjy.
Inona avy ireo vokatra andrasana amin’ity taranja ity?
Ny tanjon’ny Seminera sy Institiota Fianarana ny Filazantsara dia manambara hoe:
Ny tanjontsika dia ny hanampy ny zatovo sy ny tanora manambady sy tsy manambady hahatakatra sy hiantehitra amin’ny fampianarana sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, sy ho mendrika ny hahazo ireo fitahiana avy amin’ny tempoly, ary hiomana sy hanomana ny fianakaviany, ary ny hafa ho amin’ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ny Ray any An-danitra. (Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara: Boky Torolalana ho an’ireo Mpampianatra sy Mpitarika ao amin’ny Seminera sy Institiota fianarana ny Filazantsara [2012], 1)
Ho fanatanterahana ny tanjon’ny Seminera sy Institiota Fianarana ny Filazantsara, ity taranja ity dia natao hanampiana ireo mpianatra
-
hanazava ny andraikitra fototry ny fianakaviana ao amin’ny drafitry ny Ray ho an’ny famonjena,
-
hamakafaka ireo fanontaniana sy olana mifandraika amin’ny fianakaviana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay,
-
hanao asa am-pinoana an’i Jesoa Kristy rehefa miresaka momba ireo fanambin’ny tenany manokana sy an’ny fianakaviany ary ireo fanerena avy amin’ny fiarahamonina,
-
hampihatra ireo fampianaran’i Jesoa Kristy amin’ny ezaka ataony hanao sy hitandrina ireo fanekempihavanana masina nataony sy hanamafy ireo fifandraisana ao amin’ny fianakaviana, ary
-
hampitombo ny fahafahany manatanteraka andraikitra masina eo amin’ny fiainam-pianakaviana ary ho lasa tahaka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy kokoa.
Toy ny ahoana ny firafitr’ity boky ity?
Ny votoatin’ity boky ity dia natao mba hanampiana ny mpianatra hahazo traikefa manan-danja sy mampahery azy ireo na any ivelan’ny efitrano fianarana na ao anatiny. Ny lesona tsirairay dia ahitana tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana sy tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra. Ireo fitaovana ireo dia natao hanampiana ireo mpianatra hiomana tsara sy hirotsaka amin’ny fianarana lalina kokoa, ary hanao zavatra amin’ny fomba izay manampy azy ireo ho lasa tahaka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy kokoa.
Ny Loholona Kim B. Clark tao amin’ny Fitopololahy dia nampianatra ny zavatra tsy maintsy ataon’ny mpianatra (sy ny mpampianatra) mba hianarana lalina kokoa:
Raha tena maniry ny hianatra lalina kokoa ianao, raha misokatra amin’ny fianarana ny fonao sy ny sainao, ary raha arahinao asa izany faniriana izany, dia hitahy anao ny Tompo. Rehefa manao ny anjaranao ianao, izany hoe mivavaka amim-pinoana, miomana, mandalina, mandray anjara mavitrika, ary manao izay tsara indrindra vitanao, dia hampianatra anao ny Fanahy Masina, sy hampitombo ny fahaizanao mampihatra ny zavatra nianaranao, ary hanampy anao ho lasa tahaka izay tian’ny Tompo hahatongavanao. (“Learning for the Whole Soul,” Ensign, Aug. 2017, 27)
Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana
Ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana dia natao mba hohalalininao sy ny mpianatrao mba hanomanana ny fotoam-pianarana. Tafiditra ao anatin’izany ireo fampianarana avy amin’ny soratra masina sy ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana ary koa fizarana iray antsoina hoe “Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?” izay manolotra loharanom-pitaovana fanampiny mifandraika amin’ny lohahevitry ny lesona.
Ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana dia ahitana koa fanontaniana sy sahanasa izay hanampy ny mpianatra hianatra lalina kokoa sy ho vonona tsara kokoa handray anjara ao an-dakilasy. Ohatra, ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ho an’ny lesona 10, “Ilay fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny fanambadiana,” ireo mpianatra dia nomena fahafahana handalina ireo fampianarana avy amin’ny soratra masina sy mpitarika ato amin’ny Fiangonana momba ny fanekempihavanan’ny fanambadiana mandrakizay sy ny ôrdônasin’ny famehezana. Avy eo ireo mpianatra dia nasaina hanao ity sahanasa manaraka ity:
Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra
Ny lesona tsirairay dia namboarina mba hampianarina ao anatina fotoam-pianarana maharitra 50 minitra. Ho an’ny kilasy izay mihaona indray mandeha isan-kerinandro mandritra ny 90 minitra na mihoatra dia amporisihana ianao hanambatra lesona roa.
Ho hitanao ao amin’ny fampidirana ny tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra ho an’ny lesona tsirairay ny famariparitana ny vokatra andrandraina ho azo avy amin’ny lesona. Io fampidirana io dia arahan’ny hevitra enti-mampianatra haroso izay manolotra ny firafitry ny lesona, ny votoatiny, ireo fanampiana hoentina manao fifanakalozan-kevitra, ary ireo hevitra hoentina mampihatra.
Eo am-pandalinanao ny tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra dia mifantoha tsara amin’ny fomba hisintonan’izany zavatra avy amin’ny fiomanana nataon’ny mpianatra. Ity toromarika manaraka avy amin’ny lesona 10 ity dia ohatra anankiray:
Rehefa amafisina tsy tapaka ny fiomanana ataon’ny mpianatra dia hanampy azy ireo hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny fiomanana ho an’ny fotoam-pianarana tsirairay sy hanampy azy ireo hianatra lalina kokoa ianao.
Fanamarihana: Rehefa niomana hiatrika ireo fifanakalozan-kevitra tanterahina any an-dakilasy ny mpianatra, dia ho hitanao fa afaka mandeha haingana kokoa mankany amin’ny fifanakalozan-kevitra lalina sy mafonja mikasika ny fotopampianarana sy ireo fitsipika mifandraika amin’ny fianakaviana mandrakizay ianao mandritra ny fotoam-pianarana. Izany dia tokony hahafahana mahazo fotoana bebe kokoa mandritra ny fotoam-pianarana handinihana ny fomba ahafahanao sy ny mpianatrao mampihatra ireo fahamarinana hitan’izy ireo tao amin’ny lesona.
Ahoana no ahafahako miomana amin’ny fomba mahomby mba hampianatra?
Hanampy anao ny Ray any An-danitra rehefa miomana ny mampianatra ireo zanany ianao. Ny ezaka ataonao mba handalina ny soratra masina sy hiaina amim-pahazotoana ny filazantsara dia hanampy anao ho mendrika ny hanana ny Fanahy amin’ny fiomananao hampianatra.
Rehefa mandalina ireo tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana sy ho an’ny mpampianatra ianao dia mivavaha mba hahazo ny fanampian’ny Tompo hahatakarana ireo zavatra ilain’ny mpianatrao. Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:
Mahaiza mihaino, mahaiza mihaino ny Fanahy indrindra indrindra. Asio fotoana malalaka ny ao anatin’ny drafitry ny lesonareo. Raha mila somary manafohy lesona iray ianareo mba hahafahana mizara ny fijoroana ho vavolombelona anananareo sy mitarika fifanakalozan-kevitra momba ny olana iray mitranga amin’izao fotoana izao dia ataovy izany rehefa tarihin’ny Fanahy sy ambarany fa izany no tokony hatao.
… Tsarovy fa ny mpianatra iray dia tsy fitoeran-javatra hofenoina. Ny mpianatra dia afo ilaina arehitra. (“Angels and Astonishment” [lahateny nomena nandritra ny fampitana ny fiofanana tao amin’ny Rafi-pampianaran’ny Fiangonana 12 jona 2019], broadcasts.ChurchofJesusChrist.org)
Indrindra rehefa manambatra lesona roa ianao ho an’ny fotoam-pianarana iray dia diniho ny zavatra ilain’ireo mpianatra ary katsaho ny fitarihan’ny Fanahy. Ny fanaovana ireo zavatra ireo dia afaka manampy anao hamaritra izay ampahany amin’ny tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra hoampiasaina araka izay voasoratra sy ny ampahany izay hamboarina mba hanome traikefam-pianarana manan-danja kokoa ho an’ireo mpianatrao. Mety ho tafiditra amin’izany ny famaritana ireo ampahany amin’ny tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra izay hamafisina sy izay hofintinina.
Mety ho hitanao hoe manampy ny mametraka amin’ny tenanao ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto mandritra ny fiomananao hampianatra:
-
Efa nivavaka ve aho mba hahazo ny fitarihan’ny Fanahy Masina sy hahatakatra ireo zavatra ilain’ireo mpianatro? Ahoana no ahafahako mamaritra ny votoatin-desona manan-danja indrindra ho azy ireo? Ahoana no hampitako ny fitiavako azy ireo?
-
Mahatsapa ve aho fa ampy ny fifehezako ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana, ka tafiditra amin’izany ny soratra masina, sy ny tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra? Misy zavatra ilaiko amboarina ve mba hanomezana izay zavatra ilain’ny mpianatro?
-
Ahoana no ahafahako manampy ireo mpianatro hifantoka amin’ny Mpamonjy sy hianatra avy amin’ny Fanahy Masina mandritra ity lesona ity?
-
Ahoana no ahafahako mamporisika fianarana amim-pahavitrihana sy manampy ny mpianatra tsirairay handray anjara feno amin’ny lesona? Ahoana no ahafahako manana antoka fa manana ilay toerana ilainy izy ireo mba hanaovana drafitra ho an’ny tena manokana hampiharana ny zavatra ianaran’izy ireo?
-
Ahoana no ahafahako manorina tontolo ahafahana mianatra izay ahatsapan’ny mpianatra ho voaray tsara? Ahoana no ahafahako manampy azy ireo hahatsapa fa omena lanja sy ekena ary voaro izy ireo rehefa mifampizara sy mianatra avy amin’izy samy izy? (Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:78, 122.)
Ahoana no ahafahako mampifanaraka ny lesona amin’izay ilain’ireo manana fahasembanana?
Rehefa miomana ny hampianatra ianao dia aoka hahatsiaro ireo mpianatra izay mila fanampiana manokana. Ampifanaraho ireo sahanasa sy ny zavatra takiana mba hampandraisana anjara azy ireo sy hanampiana azy ireo hahomby. Mba hahitana fampahalalana bebe kokoa dia vakio ny loharanom-pitaovana ao amin’ny pejy mikasika ny fahasembanana ao amin’ny disabilities.ChurchofJesusChrist.org.
Ahoana no ahazoan’ny mpianatra isa amin’ity taranja ity?
Mba hahazoana ny isa tratrarina izay mitondra mankany amin’ny fahavitan’ny fianarana dia takina ny mpianatra mba
-
handalina farafahakeliny ny 75 isan-jaton’ireo lesona ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,
-
hanatrika ny 75 isan-jaton’ny fotoam-pianarana, ary
-
hamita ny iray amin’ireo traikefa amin’ny fianarana miisa efatra:
-
Mampiasà diary fandalinana.
-
Raketo ny valin’ireo fanontaniana sy sahanasa rehetra ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana (mariho fa tsy mila mandefa aminao ny diary fandalinany na valin-teniny ireo mpianatra, mila mampiseho anao ny zavatra vitany fotsiny izy ireo amin’ny fiafaran’ny taom-pianarana).
-
Soraty ny valin’ny fanontaniana famelabelaran-kevitra anankitelo.
-
Mamorona samirery dia mamita tetikasa iray momba ny fianarana (nahazoana lalana avy amin’ny mpampianatra) izay mifandray amin’ny votoatin’ilay taranja. (Jereo ny antsipiriany bebe kokoa ao amin’ny pejin’ny “Institute Elevate Learning Experiences (Asondroty ny traikefa amin’ny fianarana ao amin’ny Institiota) ao amin’ny institute.ChurchofJesusChrist.org.)
-