Institiota
Lesona 9, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay


“Lesona 9, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny fianakaviana mandrakizay(2022)

“Lesona 9, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny fianakaviana mandrakizay

Sary
fianakaviana mijery any amin’ny tempoly

Lesona 9, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nampanantena hoe: “Ny fitsaohana ataonao any amin’ny tempoly sy ny asa fanompoana ataonao any dia hanome fanambarana ho an’ny tena manokana sy fiadanana bebe kokoa ho anao ary hanamafy orina ny fanolorantenanao hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana” (“Eo am-pandrosoantsika miaraka,” Liahona, Apr. 2018, 7). Eo am-pandalinanao ity lesona ity dia eritrereto ny zavatra azonao atao mba hanatanterahana feno kokoa ireo fitahiana ireo ho an’ny tenanao sy ny fomba hanampianao hampiraisana ny fianakaviana mandrakizain’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanaovana ôrdônansin’ny tempoly isoloana tena ireo razambenao efa maty.

Fizarana 1

Amin’ny fomba ahoana no mahatonga ny ôrdonansin’ny fisoronana sy ny fanekempihavanana hanamafy orina ahy?

Ilay fahamarinana hoe “ny fianakaviana dia fototry ny drafitry ny [Ray any An-danitra]” dia manana fiantraikany lalina maro (“Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” ChurchofJesusChrist.org). Nampianatra ny iray amin’ireo fiantraikany ireo ny Filoha Joseph F. Smith hoe:

Sary
Filoha Joseph F. Smith

Tokony hisy ny fampiraisana ny ray aman-dreny sy ny zanaka ary koa ny zanaka sy ny ray aman-dreny mandra-pitambatry ny rohin’ny fianakavian’ Andriamanitra manontolo ho rojo tokana ary ho lasa fianakavian’ Andriamanitra sy an’i Kristiny izy rehetra. Enseignements des présidents de l’Eglise: Joseph F. Smith [2011], 411

Ireo mpaminanin’ny andro farany dia nanambara ny fomba ahafahan’io “fampiraisana” ny fianakaviana tsirairay—ary amin’ny farany ny fianakavian’ Andriamanitra io—hitranga: “Ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana masina misy any amin’ny tempoly masina no ahafahan’ny tsirairay hiverina eo anatrehan’ Andriamanitra sy ahafahan’ny fianakaviana ho iray mandrakizay” (“Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao”).

Mihoatra lavitra noho ny asa tsotra ho vitaina ireo ôrdônansin’ny fisoronana sy fanekempihavanana ireo. Amin’ny alalan’ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana ireo no hanirian’ny Tompo antsika hanana hery ho lasa hitovy kokoa Aminy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:19–22) sy ho mendrika ny fiainana mandrakizay miaraka Aminy sy miaraka amin’ireo fianakaviantsika.

Sary
Tempolin’i Panama City, Panama

Tempolin’i Panama City, Panama

Nampianatra mikasika ny herin’ny ôrdônansin’ny tempoly sy ny fanekempihavanana ny Filoha Nelson hoe:

Sary
Filoha Russell M. Nelson

Ny tanjona ifoforantsika tsirairay dia ny mba handray hery ao amin’ny tranon’ny Tompo, mba hofehezina amin’ny maha-fianakaviana, ary mba ho mahatoky amin’ireo fanekempihavanana natao tany amin’ny tempoly izay ahafahantsika mahazo ilay fanomezana faran’izay lehibe avy amin’ Andriamanitra, dia ny fiainana mandrakizay. Ireo ôrdônansin’ny tempoly sy ireo fanekempihavanana ataonao any dia zava-dehibe eo amin’ny fanamafisana orina ny fiainanao, ny fanambadianao sy ny fianakavianao, ary ny fahafahanao manohitra ny fanafihan’ny fahavalo. (“Eo am-pandrosoantsika miaraka,” 7)

Nizara toy an’izao izy taty aoriana kely:

Ireo izay nandray fanafiana masina tao amin’ny tranon’ny Tompo dia mandray fanomezana ny herin’ny fisoronan’ Andriamanitra, noho ny fanekempihavanana izay nataony, niaraka tamin’ny fanomezana fahalalana ny hahafantatra ny fomba hanovozana amin’io hery io. …

… Isaky ny manompo sy mitsaoka amim-pahamendrehana ao amin’ny tempoly ianareo dia mivoaka avy ao mitondra ny herin’ Andriamanitra ho fiadiana sy miaraka amin’ireo anjeliny “mikarakara” anareo [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:22]. (“Ireo harena ara-panahy,” Liahona, nôv. 2019, 77, 78)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Amin’ny fomba ahoana no mahatonga ireo ôrdonansin’ny fisoronana sy ireo fanekempihavanana hanome hery na hanamafy orina anao sy ny fianakavianao?

Fizarana 2

Inona no fiantraikan’ny fanaovana tantaram-pianakaviana sy ny fanatanterahana ny ôrdônansy isoloana tena ireo razambeko any amin’ny tempoly eo amin’ny fiainako?

Nampanantena ny Tompo fa handefa ny mpaminany Elia amin’ny andro farany mba hamerina amin’ny laoniny ny fahefana ilaina hampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Malakia 3:23–24 ary mariho fa ny vokatry ny fahatongavan’i Elia dia hiantraika amin’izao tontolo izao.

Nanazava ny Mpaminany Joseph Smith fa ny teny hoe hampody araka ny nampiasaina azy ao amin’ny andininy 24 dia “tokony hadika hoe fatorana , na fehezina” (Enseignements des Présidents de l’Eglise: Joseph Smith: Joseph Smith [2007], 472). Tanteraka tao amin’ny Tempolin’i Kirtland tamin’ny 3 Aprily1836 ny ampahan’io famiananian’i Malakia voasoratra ao amin’ireo andininy ireo io. Tamin’io andro io ny mpaminany Elia dia niseho tamin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery ary nanome azy ireo ny fanalahidin’ny famehezana ny Fisoronana Melkizedeka (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:13–16). Noho io fahefana io dia afaka maharitra hatramin’ny fahafatesana ireo ôrdônansy tanterahina eto an-tany ary “lasa manan-kery ao amin’ny fanjakana selestialin’ Andriamanitra” (Enseignements des President de l’Eglise: Joseph Fielding Smith [2013], 219).

Sary
fianakaviana mitsangantsangana eo ivelan’ny tempoly

Eritrereto ireo fomba nitahiana anao tamin’ny alalan’ny famerenana tamin’ny laoniny ny fanalahidin’ny famehezana? Amin’ny alalan’ireo fanalahidy ireo dia afaka hitambatra mandrakizay ny fianakaviana, ny mpivady ary ny ray aman-dreny sy ny zanaka ihany koa. Ireo fanalahidy ireo ihany koa no manokatra ny varavaran’ny tempoly amim-pahagagana mba hanaovana ireo asa fanompoana ao amin’ny tempoly ho an’ireo razambentsika efa maty.

Nampianatra an’i Joseph Smith sy ireo mpikamban’ny Fiangonana hafa tany aloha ny Tompo mikasika ny lanjan’ny fanatanterahana ny ôrdônansin’ny razamben’izy ireo efa maty any amin’ny tempoly.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana128:15, ary tadiavo ny fomba mampifamatotra ny famonjena antsika amin’ny famonjena ireo razambentsika.

Lasa mitovy kokoa amin’ny Mpamonjy isika amin’ny alalan’ny fikarohana ireo razambentsika efa maty sy ny fanatanterahana ny ôrdônansy isoloana tena azy ireo any amin’ny tempoly. Ny Filoha Gordon B. Hinckley dia nampianatra antsika ny fomba ahatongavantsika ho toy ny mpamonjy an’ireo olona ao amin’ny fianakaviana:

Sary
Filoha Gordon B. Hinckley

Tahaka ny nanomezan’ny Mpanavotra antsika ny ainy mba ho sorona isoloana tena ho an’ny olona rehetra, ary lasa Mpamonjy antsika tamin’ny fanaovana izany, dia isika koa, amin’ny fomba kelikely kokoa, rehefa manao asa isoloan-tena any amin’ny tempoly, dia lasa mpamonjy ireo any ankoatra izay tsy manana fahafahana handroso raha tsy misy zavatra ataon’ireo ety an-tany ho azy ireo. (“Conclusion,” Le Liahona, Nov. 2004, 105)

Eritrereto ny fomba hanoloranao ny tenanao rehefa mandray anjara amin’ny tantaram-pianakaviana sy ny asa atao any amin’ny tempoly.

Nampanantena fitahiana manan-danja ho antsika ny Tompo rehefa misafidy ny handray anjara amin’ity asa masina ity.

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Nahoana araka ny eritreritrao no ilaina ho an’ny famonjena ny tenantsika sy ny fanatanterahana antsika ny famonjena ireo razambentsika? Inona amin’ireo fitahiana misy ifandraisany amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa momba ny tantaram-pianakaviana no tena ilainao indrindra amin’izao fotoana izao?

Fizarana 3

Ahoana no ahafahako mampitambatra ny fianakaviako sy hanampiako ny Ray any An-danitra amin’ny fampiraisana ny fianakaviany amin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny Tempoly?

Sary
tanora miresaka tantaram-pianakaviana miaraka amin’ny raibeny

Maniry mafy ny hanampy anao hampiray ny fianakavianao sy ny fianakaviany rehetra amin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny tempoly ny Raintsika any An-danitra. Nanazava mikasika ny fanomezam-pahasoavana iray izay nomen’ny Ray any An-danitra hanohanana antsika amin’ity asa masina ity ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Loholona David A. Bednar

Nampianatra ny Loholona Russell M. Nelson fa ny Fanahin’ i Elia dia “fisehoan’ny Fanahy Masina izay mijoro ho vavolombelona mikasika ny maha-masina ny fianakaviana” (“A New Harvest Time,” Ensign, May 1998, 34). Izany hery mitarika miavaky ny Fanahy Masina izany dia mamporisika ireo olona hamantatra ny razambeny sy hanangona antontan-taratasy mikasika azy ireo ary haneho fitiavana amin’izy ireo sy ireo olona ao amin’ny fianakaviany, na ireo izay niaina taloha na ireo izay miaina amin’izao fotoana izao.

Misy fiantraikany amin’ny olona ao anatiny sy any ivelan’ny Fiangonana ny Fanahin’i Elia. (“Hitodika ny fon’ny zanaka,” Liahona, nôv. 2011, 25)

Sary
sary famantarana, manaova asa

Manaova asa

Ny FamilySearch.org sy ny application Arbre familial an’ny FamilySearch dia toerana goavana hanaovana ezaka “[hamantarana sy hanaovana firaketana ary hanehoana fitiavana]” ny razambenareo efa maty (David A. Bednar, “Hitodika ny fon’ny zanaka,” 25). (Ny application Arbre familial an’ny FamilySearch dia hita ao amin’ny app store ao anatin’ny fitaovana elektrônika anao.) Manokàna fotoana hizarana mampiasa ny iray amin’ireo loharanom-pitaovana ireo. Afaka manangana ny rafi-tetiaranao ianao, sy mampiditra ireo fahatsiarovana sy sarin’ireo olona ao amin’ny fianakaviana, mitady ireo ôrdônansin’ny filazantsara izay ilain’ireo razambe efa maty, manao firaketana anarana faobe mba hahafahan’ny olon-kafa mahita ny razamben’izy ireo sy zavatra maro hafa. Raha ilaina dia mifandraisa amin’ny mpanorohevitra momba ny tantaram-pianakaviana ao amin’ny paroasy na sampana misy anao mba hanampy anao.

Hamoaka printy