Institiota
Lesona 7, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny toetra mandrakizay sy ny tanjon’ny maha lahy na ny maha vavy


“Lesona 7, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny toetra mandrakizay sy ny tanjon’ny maha lahy na ny maha vavy,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra (2022)

“Lesona 7, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Lesona 7, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Ny toetra mandrakizay sy ny tanjon’ny maha lahy na ny maha vavy

Ny maha lahy na ny maha vavy antsika dia voafaritra tamin’ny fiainantsika talohan’ny nahaterahana ary zava-dehibe amin’ny fanatanterahana ny drafitry ny Raintsika any An-danitra ho an’ny famonjena antsika sy ny fisandratantsika miaraka amin’ny fianakaviana. Ato amin’ity lesona ity ireo mpianatra dia hanana fahafahana hanazava ny fomba hanampian’ny drafitr’ Andriamananitra antsika hahatakatra ny lanja mandrakizain’ny maha lahy na maha vavy antsika. Ity lesona ity ihany koa dia ho tari-dalana ho an’ireo mpianatra izay manana fanontaniana mifandraika amin’ny maha lahy na maha vavy.

Sosokevitra enti-mampianatra

Ny maha-lahy na maha-vavy dia toetra fototra iray mamaritra ny maha-izy azy ny olona tsirairay sy ny tanjony .

Fanamarihana: Mety hilainao ny manaiky miaraka amin’ireo mpianatra ny maha saropady an’ity lohahevitra ity sy ny lohahevitra hafa ato amin’ity taranja ity ary hampahatsiahy ireo mpianatra mba handray anjara amin’ireo fifanakalozan-kevitra mandritra ny fotoam-pianarana miaraka amin’ny fitiavana sy fahaiza-mihaino ary fahatakarana tahaka ny an’i Kristy. Mitandrema mba tsy hampiasa ny fotopampianarana amin’ny fomba izay manasa ny fanahin’ny fiampangana sy ny fanamelohana. Fa manaraha kosa ny ohatry ny Mpamonjy rehefa mampianatra amin’ny fomba izay mitondra fahatakarana sy fanantenana ary fahasitranana.

Asao ireo mpianatra haka sary an-tsaina ho mpampianatra ao amin’ny Sekoly Alahady izy ireo ho an’ny kilasin’ny 14 taona izay manana fanontaniana momba ny maha lahy na maha vavy. Misy mpianatra iray manontany hoe: “Nahoana no zava-dehibe ny maha lahy na ny maha vavy?”

Asao ireo mpianatra hamerina hijery ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana miaraka amin’ny namana iray na ao anatina vondrona ary handinika ny fomba hamaliany an’io fanontaniana io miainga avy amin’ireo fampianaran’ny Fiangonana. Rehefa avy nomena fotoana hanaovana fifanakalozan-kevitra dia manasà mpianatra vitsivitsy hizara izay havaliny.

Eo am-pizaran’ireo mpianatra ny valin-teniny dia azonao atao ny miaraka mijery ny Genesisy 1:26–27, sy ilay andiam-pehezan-teny ao amin’ny “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” (ChurchofJesusChrist.org), ary ny teny faharoa nambaran’ny Loholona David A. Bednar hita ao amin’ny fizarana 1 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana. Azonao ampiana avy eo ireo mpianatra hahita fahamarinana tahaka izao manaraka izao: Ny maha-lahy na maha-vavy dia toetra fototra iray mamaritra ny maha-izy azy ny olona tsirairay sy ny tanjony tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana, sy amin’izao fiainana an-tany izao, ary any amin’ny mandrakizay. Efa tendrin’ Andriamanitra fa ny lehilahy sy ny vehivavy dia natao hifanohana sy hifameno ary hifampitondra mankany amin’ny fahatomombanana. (Ampahatsiahivo ny mpianatra fa “ny dikan’ny hoe maha lahy na laha vavy tiana horesahina ao amin’ny fanambarana momba ny fianakaviana dia ny toetra biôlôjika maha-lahy na maha-vavy tamin’ny nahaterahana” (Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 38.6.23). Io dikan’ny maha lahy na maha vavy io no tiana horesahina ato amin’ny tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra ity raha tsy hoe lazaina fa tsy izany.)

Manatsara ny fampianarantsika sy ny fianarantsika

Ampio ireo mpianatra hahatakatra ireo fotopampianarana sy fitsipika. Rehefa mahatakatra kokoa ny fotopampianarana sy ireo fitsipika ny mpianatra dia afaka mampihatra izany amin’ny fomba manan-danja izy ireo. Rehefa avy namantatra fitsipika sy fotopampianarana dia ampio ireo mpianatra hahita azy ireo amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay. Mametraha fanontaniana izay mahatonga ireo mpianatra hahatakatra mazava kokoa ny tanjon’ny Ray any An-danitra manodidina ilay fotopampianarana. Amporisiho ny mpianatra mba handinika sy hanazava ny fomba mety hampiharana ireo fahamarinana ireo amin’ny fiainany ankehitriny.

Azonao atao ny mampiasa ny sasany amin’ireto fanontaniana na sahanasa manaraka ireto hanampiana ny mpianatra hampitombo ny fahatakarany an’ireo fahamarinana izay hitany:

  • Ahoana no ahafahan’ny drafitry ny famonjena manampy anao hahatakatra fa “ny maha-lahy na maha-vavy dia toetra fototra iray mamaritra ny maha-izy azy ny olona tsirairay sy ny tanjony tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana, sy amin’izao fiainana an-tany izao, ary any amin’ny mandrakizay”? (“Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao”).

  • Amin’ny fomba ahoana no mampifameno sy mampifampitondra ny lehilahy sy ny vehivavy mankany amin’ny fahatomombanana? (Jereo ny teny nambaran’ny Loholona David A. Bednar’s sy ny Loholona Dale G. sy ny Rahavavy Ruth L. Renlund ao amin’ny fizarana 1 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.) Inona no ohatra hitanao momba ny fahafahana mifameno ananan’ny lehilahy sy ny vehivavy amin’ny fanatanterahana ny drafitry ny Raintsika any An-danitra?

  • Asao ireo mpianatra hitanisa toetra araka ny fomban-drazana na ara-kolotsaina natao ho an’ny lehilahy na ho an’ny vehivavy fotsiny. Inona amin’ireo no mety tsy misy ifandraisany amin’ny maha izy antsika mandrakizay sy ny drafitr’ Andriamanitra? Singa inona amin’ny maha lahy na maha vavy antsika no manan-danja amin’ny maha isika antsika sy ny tanjontsika mandrakizay?

Hevero ny hizara ny fomba nitahiana ny fiainanao noho ny fananana fomba fijery mibanjina ny mandrakizay ny maha lahy na ny maha vavy sy ny fiantraikan’izany fomba fijery izany amin’ny maha ianao anao sy ny tanjonao.

Ny Tompo dia afaka mitarika sy manohana ireo izay mahatsapa ho tsy mitovy amin’ny voafaritra tamin’ny nahaterahany ny maha lahy na ny maha vavy azy na manana fanontaniana hafa mifandraika amin’ny maha lahy na maha vavy.

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ny fizarana 2 sy 3 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana dia niresaka toe-javatra izay mety ho nahatsapan’ny olona tsy fitoviana eo amin’ny toetra biôlôjika maha-lahy na maha-vavy azy sy ny famaritany ny maha lahy na maha vavy azy, na mamaritra ny tenany ho transgenre, na manana fanontaniana hafa mifandraika amin’ny maha lahy na maha vavy.

  • Fampianarana manokana inona avy ao amin’ny fizarana 2 sy 3 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana no tena nanan-danja taminao? (Raha ilaina dia omeo fotoana ireo mpianatra hamerina hijery ireo fizarana 2 sy 3 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

  • Ahoana no fomba ahaizantsika misaina sy mihaino rehefa miresaka momba ny maha-lahy na maha-vavy amin’ny hafa sy rehefa mandinika ny zava-misy saropady eo amin’ny olona hafa izay mety ho fantatsika na hifandray amintsika?

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ny Fiangonana dia nanome loharom-pitaovana hanampiana ireo olona mahatsapa ho tsy mitovy amin’ny toetra voajanahary maha-lahy na maha-vavy azy ny maha lahy na maha vavy azy ao amin’ny fizarana “Transgender” ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Ho fomba iray hanampiana ireo mpianatra hampihatra ireo fitsipika nampianarina tato amin’ity lesona ity dia azonao vakiana sy resahina amin’ny kilasy ity rafi-tantara manaraka ity (amboary araka izay mety ilay toe-java-mitranga mba hifanaraka amin’ny filan’ireo mpianatrao):

Matetika i Alexandra no tsy mahazo aina rehefa mifanakalo hevitra momba ny zavatra heverin’ny olona ho toetra nentim-paharazana ananan’ny lehilahy sy ny vehivavy. Tsy mahatsapa ho manana toetra raisina ho am-behivavy izy. Manana zavatra mahaliana maro izay mitovy amin’ny zavatra mahaliana ireo lehilahy fantany izy. Rehefa mitranga ny resaka momba ny maha lahy na ny maha vavy any am-piangonana dia manontany tena izy raha toa ka tena ho afaka miaraka amin’ireo vehivavy hafa. Mino an’i Jesoa Kristy izy ary matoky ny herin’ny Sorompanavotany, saingy tsy azony antoka ny fomba ahafahan’i Jesoa manampy azy. Amin’ny farany i Alexandra dia tena te hahafantatra raha toa ka hamela azy hahatontosa ny anjarany araka an’ Andriamanitra amin’ny maha zanak’ Andriamanitra azy ny toetrany.

Azonao atao ny mametraka fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto mba hanampiana ireo mpianatra hifanakalo hevitra momba ilay rafi-tantara:

  • Raha toa ka mangataka fanampiana aminao i Alexandra, inona ho torohevitra omenao azy mba hataony hahafahany mahazo fahatakarana mazava kokoa momba ny maha izy azy sy ny tanjony mandrakizay?

  • Inona no azonao zaraina amin’i Alexandra momba ny nanampian’ny drafitr’ Andriamanitra anao hahatakatra ny maha ianao anao sy ny tanjonao mandrakizay amin’ny maha lehilahy na vehivavy anao?

  • Ahoana no ahafahan’i Alexandra ho loharanon-kery ho an’ny Fiangonan’ny Tompo?

Mety hanampy ny mamarana ny fifanakalozan-kevitra momba an’i Alexandra amin’ny fanamafisana fa ireo izay manana fanontaniana momba ny maha lahy na ny maha vavy azy na mahatsapa ho tsy mitovy amin’ny toetra voajanahary maha-lahy na maha-vavy azy ny maha lahy na maha vavy azy dia afaka mianoka ireo fitahiana rehetra an’ny mandrakizay sy ny maha mpikambana ao amin’ny Fiangonan’ny Mpamonjy raha toa ka ka manaja ny fanekempihavanana nataony izy ireo sy tsy mamadika ny maha lahy na ny maha vavy azy. Azonao jerena miaraka amin’ireo mpianatra ny fampitandreman’ny Filoha Oaks ao amin’ny fizarana 3 momba ny filazana ampahibemaso ny tenantsika amin’ny fomba izay mametra ny fahafahantsika mahatakatra ireo tanjontsika mandrakizay.

Ho famaranana ny lesona dia asao ireo mpianatra hirakitra ny zavatra hataony mba hanehoana fitiavana sy fangorahana ary firaisana amin’ireo izay mahatsapa ho tsy mitovy amin’ny toetra biôlôjika maha-lahy na maha-vavy azy ny maha lahy na maha vavy azy, na milaza ny tenany ho transgenre, na manana fanontaniana hafa mifandraika amin’ny maha lahy na maha vavy.

Azonao atao ny mizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa na dia mety tsy ho takatsika aza ny zavatra rehetra momba ny fahatsapana ny maha lahy na ny maha vavy ho tsy mitovy amin’ny toetra voajanahary maha-lahy na maha-vavy na ireo lohahevitra mifandray amin’ny maha lahy na maha vavy, dia mahatakatra izany ny Tompo. Afaka mitarika sy manohana ireo izay mitodika Aminy Izy.

Ho an’ny lesona manaraka

Amporisiho ireo mpianatra hamaky sy handinika tsara ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana manaraka momba ny fifanintonana eo amin’ny samy lahy na eo amin’ny samy vavy. Azonao asaina ireo mpianatra hitady fomba hahatakarana kokoa ny fifanintonana eo amin’ny samy lahy na eo amin’ny samy vavy sy handinika ny fomba azon’izy ireo hiresahana momba izany amim-panajana sy fitandremana.

Hamoaka printy