Institiota
Lesona 23, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Rehefa tsy tonga ara-potoana ireo fitahian’ny fanambadiana mandrakizay sy ny fananan-janaka


“Lesona 23, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Rehefa tsy tonga ara-potoana ireo fitahian’ny fanambadiana mandrakizay sy ny fananan-janaka,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra (2022)

“Lesona 23, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Sary
tanora iray mijery ny tempoly

Lesona 23, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Rehefa tsy tonga ara-potoana ireo fitahian’ny fanambadiana mandrakizay sy ny fananan-janaka

Maro ireo olona miaina fahatarana eo amin’ny fandraisana ny faniriany tsara hanambady na hanan-janaka, ary ireo fahatarana ireo dia mety hiteraka fahakiviana na tahotra na ratram-po. Rehefa mandalina ity tahirin-kevitra ity ianao dia eritrereto ny antony ahafahantsika matoky fa ny Tompo dia hanatanteraka ireo fitahiana nampanantenainy ny hahazoantsika fianakaviana mandrakizay raha toa ka mahatoky Aminy isika. Eritrereto ihany koa ny antony ilana antsika rehetra ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo sy ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra, na manao ahoana na manao ahoana toe-javatra iainan’ny fianakaviantsika.

Fizarana 1

Ahoana raha tsy mifanaraka amin’ireo izay voasoritra ao amin’ny fanambarana ho an’ny fianakaviana ny toe-javatra iainako?

Ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana dia mampianatra ny idealin’ny fiainam-pianakaviana. Fantatr’izy ireo ihany koa fa tsy ny rehetra no miaina ireo idealy ireo. Ohatra, ao amin’ilay fanambarana momba ny fianakaviana dia mampianatra ireo mpaminany fa “ny toe-javatra hafa dia mety ilàna fifandaminana” amin’ny fanatanterahana ireo andraikitra masina an’ny fianakaviana (“Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” ChurchofJesusChrist.org).

Ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanaiky fa ireo mpikambana mahatoky ato amin’ny Fiangonana dia miaina toe-javatra isan-karazany ao amin’ny fianakaviana:

Sary
Loholona Neil L. Andersen

Maro tokoa ireo olona, tanora sy antitra izay mahatoky sy marina amin’ireo fampianaran’ny mpaminany, na dia tsy tena mifanaraka tsara amin’ny fanambarana momba ny fianakaviana aza ny zavatra iainan’izy ireo ankehitriny: zanaka izay manana fiainana voahozongozon’ny fisaraham-panambadiana; … lehilahy sy vehivavy izay maratra mafy noho ny fanitsakitsahana ataon’ny vadiny; mpivady izay tsy afaka manan-janaka; … lehilahy sy vehivavy tokan-tena izay tsy afaka nanambady noho ny antony samihafa. (“Ny masom-pinoana,” Liahona, mey 2019, 36)

Nampianatra ny Filoha M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Filoha M. Russell Ballard

Mihoatra ny antsasaky ny olon-dehibe ato amin’ny Fiangonana no mananotena na nisara-panambadiana na tsy mbola manambady. Ny sasany dia manontany tena ny amin’ny fahafahana sy toerana ananany ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra sy ato amin’ny Fiangonana. Tokony ho takatsika fa ny fiainana mandrakizay dia tsy resaka fanambadiana amin’izao fotsiny ihany fa resaka maha-mpianatra sy maha “maherifo amin’ny tenivavolombelon’i Jesoa” ihany koa [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:79; jereo ihany koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:29]. …

… Ireo rehetra izay manaiky ny fibebahana, izay fanomezam-pahasoavana maimaimpoana avy amin’ny Mpamonjy, ka miaina ireo didiny dia hahazo ny fiainana mandrakizay, na dia tsy mahatratra ny toetra sy ny fahalavorariana rehetra an’izany aza teto an-tany. (“Fanantenana ao amin’i Kristy,” Liahona, mey 2021, 55)

Sary
tanora iray mandeha amin’ny arabe

Mety misy olona sasany manontany tena hoe nahoana ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana no mampianatra hatrany ny idealin’ny fiainam-pianakaviana kanefa mpikamban’ny Fiangonana maro no tsy miaina ireo idealy ireo.

Rahavavy Sharon Eubank ao amin’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany dia nizara ny sasany tamin’ny zavatra niainany sy ny heviny fony izy tanora:

Sary
Rahavavy Sharon Eubank

Tokan-tena aho ary azoko ny fahatsapana ao anatin’izany. Mandeha irery ianao, manahirana ny mipetraka ao am-piangonana, mampihorohoro ny lanonana, mahavita miteny ireo havana na tsy tokony hisy hiteny aza. …

Mety ho sarotra ihany koa ny fidirana ao anatin’ny Fiangonana mifantoka amin’ny fianakaviana. Saingy ny tena marina dia tsy miaina ao anaty fiainam-pianakaviana tonga lafatra ny ankamaroan’ny mpikamban’ny Fiangonana. Tsy mino aho hoe misy olona miaina ny idealin’izany fianakaviana tonga lafatra izany. Koa nahoana ary no hamafisina foana izany? Satria ny fianakaviana no tanjontsika, ary eto an-tany isika mba hianatra ireo fahaiza-manao hampisy fifandraisana matanjaka ao amin’ny fianakaviana, na manao ahoana na manao ahoana toe-javatra iainantsika. (“A Letter to a Single Sister,” Ensign, Oct. 2019, 40)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Amin’ny fomba ahoana no hampiharantsika finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fampianarany momba ny fianakaviana na dia tsy manaraka ny idealy aza ny toe-javatra iainan’ny fianakaviantsika.

Fizarana 2

Ahoana no ahafahako mandroso hatrany am-pinoana rehefa tsy tonga ara-potoana ireo fitahiana niriana?

Sary
I Abrahama teo amin’ny lemak’i Mamre, nataon’i Grant Romney Clawson

I Abrahama sy i Saraha dia nahafantatra an’izany hoe fitahiana niriana izay tsy tonga ara-potoana sy ny sasany izay tsy tanteraka eto amin’ity fiainana ity izany. Fony 75 taona i Abrahama dia tsy nanan-janaka izy sy i Saraha (jereo ny Genesisy 11:29–30; 12:4). Nampanantena azy anefa ny Tompo hoe: “Hataoko maro tahaka ny vovotany ny taranakao” (Genesisy 13:16). Nampanantena ihany koa ny Tompo fa homena ny tanin’i Kanana i Abrahama sy ny taranany mba ho lovany (jereo ny Genesisy 17:8). Taty aoriana rehefa feno 100 taona i Abrahama ary i Saraha 90 taona, dia nampanantenaina izy ireo fa hanan-janaka lahy i Saraha izay ho antsoina hoe Isaka (jereo ny Genesisy 17:17, 19). Na dia tanteraka aza io fampanantenana io sy ny sasany hafa dia tsy tanteraka tamin’ny fahavelon’i Abrahama sy i Saraha ireo fampanantenan’i Tompo hoe hanana taranaka tsy hita isa sy hahazo ny tany nampanantenaina izy ireo.

Ao amin’ny bokin’ny Hebreo i Paoly Apôstôly dia niresaka momba ireo fampanantenana nomena an’i Abrahama sy i Saraha ireo.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Hebreo 11:8, 11–13, ary diniho ny zavatra azonao ianarana avy amin’ny ohatr’i Abrahama sy i Saraha momba ny fampiharana finoana an’i Jesoa Kristy rehefa tsy tonga ara-potoana na tsy tanteraka eo amin’ny fiainana ireo fitahiana niriana.

Sary
reny iray miaraka mivavaka amin’ny zanany tanora

Nanazava ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe: “Ny finoana dia midika hoe fahatokiana—fahatokiana ny sitrapon’ Andriamanitra, fahatokiana ny fomba fanaovany zavatra, ary fahatokiana ny fandaharam-potoany” (“Timing,” Ensign, Oct. 2003, 12).

Ny fiandrasana ny Tompo amin’ny fitahiana izay iriantsika dia mety hizaha toetra ny faharetantsika sy ny fankatoavantsika. Fony izy tao amin’ny Fitopololahy dia nizara izao ny Loholona Spencer J. Condie:

Sary
Loholona Spencer J. Condie

Indraindray ao anatin’ny tsy faharetantsika eto an-tany dia mety hanadino ireo fampanantenana sarobidy nomen’ny Tompo isika ary tsy hampifandray ny fankatoavantsika amin’ny fahatanterahan’ireo fampanantenana ireo. (“Claim the Exceeding Great and Precious Promises,” Liahona, Nov. 2007, 17)

Toy izany koa ny Filoha Ballard dia nampianatra izao manaraka izao momba ny fiandrasana ny Tompo:

Sary
Filoha M. Russell Ballard

Ny fiandrasana ny Tompo dia midika fankatoavana tsy tapaka sy fivoarana ara-panahy mankany Aminy Ny fiandrasana ny fotoan’ny Tompo dia tsy midika hoe miandry fotsiny eo tsy manao na inona na inona. Tsy tokony hahatsapa ho toy ny ao anaty efitrano fiandrasana velively ianao. …

Ny fivoaran’ny tena manokana azon’ny olona iray tratrarina amin’izao eo am-piandrasana ny Tompo sy ireo fampanantenany dia singa iray tena sarobidy sy masina ao amin’ny drafiny ho antsika tsirairay. … Manome voninahitra ireo izay manompo sy miandry Azy amim-paharetana sy am-pinoana ny Tompo [jereo ny Isaia 64:4; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:45]. (“Fanantenana ao amin’i Kristy,” 55)

Sary
sary famantarana, raketo

Raketo ny eritreritrao

Raketo ireo zavatra niainana na fampianarana izay nahatonga ny fatokianao fa ny Tompo dia hanatanteraka ireo fampanantenany na dia tsy tonga ara-potoana aza ireo fitahiana.

Fizarana 3

Ahoana no ahafahako mandray anjara ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo na manao ahoana na manao ahoana toe-javatra iainan’ny fianakaviako?

Mety hanontany tena ny mpikambana sasany ao amin’ny Fiangonana izay manana fianakaviana tsy mifanaraka amin’ireo izay voafaritra ao amin’ny fanambarana momba ny fianakaviana hoe ahoana no hahatafiditra azy ireo ao amin’ny Fiangonana? I Paoly Apôstôly dia nampitaha ny Fiangonan’i Jesoa Kristy amin’ny vatana mba hampianarana antsika ny antony ilana ny mpikamban’ny Fiangonana tsirairay.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny 1 Korintiana 12:12, 16–17, 21, 25–27 ary eritrereto ny maha zava-dehibe ny mpikambana tsirairay ao amin’ny Fiangonana sy ny fomba handraisany anjara feno.

Sary
lehilahy mifanakalo hevitra ao amin’ny fivorian’ny kôlejin’ny loholona

Ny toe-javatra manokana iainantsika dia afaka mitondra lanjany sy traikefa ho an’ireo fianakaviana ao amin’ny paroasy na sampana misy antsika. Nanazava ny Filoha Ballard hoe:

Sary
Filoha M. Russell Ballard

Aza hadinoina velively fa ianao dia zanak’ Andriamanitra, ilay Raintsika mandrakizay, ankehitriny ary mandrakizay. Tiany ianao ary mitady sy mila anao ny Fiangonana. Eny, tena mila anao izahay! Ilainay ny feonao, ny talentanao, ny fahaiza-manao anananao, ny fahatsaranao, ary ny fahitsianao. (“Fanantenana ao amin’i Kristy,” 55)

Nampianatra ihany koa ny Loholona Robert D. Hales tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Ny Loholona Robert D. Hales

Ny tsirairay amintsika dia mety afaka hanasaraka ny tenantsika amin’ny fianakaviamben’io paroasy io noho ny tsy fitoviana eo amintsika. Fa andeha kosa isika hizara ireo fanomezana sy talentantsika amin’ny hafa, hitondra fifaliana sy fanantenana mamirapiratra ho azy ireo, ary ny fanaovana izany dia hanandratra ny fanahintsika ho ambonimbony kokoa. (“Belonging to a Ward Family,” Ensign, Mar. 1996, 16)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Inona no azoko atao mba hahatakatra kokoa ny momba ireo mpikambana hafa ao amin’ny paroasy na sampana misy ahy ary hanampy azy ireo hahatsapa ho manan-danja sy tsy voailikilika? Raha mahatsapa ho voailikilika aho ato amin’ny Fiangonana dia inona no azoko atao mba hamelana ny Mpamonjy hanampy ahy hahatsapa ny lanjako sy ny toerako ato amin’ny Fiangonany?

Hamoaka printy