Institiota
Lesona 19, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Ny andraikitra masina sahanin’ny reny


“Lesona 19, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Ny andraikitra masina sahanin’ny reny,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra (2022)

“Lesona 19, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Sary
reny iray mamihina ny zanany

Lesona 19, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Ny andraikitra masina sahanin’ny reny

Nilaza ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Tsy hay ny handrefy ny hery fitaomana ananan’ny vehivavy [mpitandrina fanekempihavanana] … , tsy eo amin’ny fianakaviana ihany fa eo amin’ny Fiangonan’ny Tompo koa, amin’ny maha-vady sy reny ary renibe, amin’ny maha-rahavavy sy nenitoa; amin’ny maha-mpampianatra sy mpitarika ary indrindra amin’ny maha-ohatra sy mpiaro ny finoana feno fanolorantena azy ireo.”(“Fiangaviana ho an’ireo anabaviko,” Liahona, nôv. 2015, 95–96). Rehefa mandalina ity tahirin-kevitra ity ianao, dia eritrereto ny fiantraikan’ny hery mitarika nananan’ireo vehivavy marin-toetra teo amin’ny fiainanao.

Fizarana 1

Nahoana no miantefa amin’ny vehivavy rehetra ny andraikitra maha-reny?

Ny maha-reny dia toetra maharitra mandrakizay. Eto ambonin’ny tany, ny maha-reny dia zavatra nampiarahana tamin’ny vehivavy hatry ny nahariana an’i Eva: “Ary i Adama dia nanao ny anaran’ny vadiny hoe, Eva satria izy no renin’ny olombelona rehetra; fa toy izany no efa niantsoako, Izaho Tompo Andriamanitra, ny voalohany amin’ny vehivavy rehetra izay maro” (Mosesy 4:26).

Eritrereto ny fiantefan’ilay andraikitra maha-reny eo amin’ny vehivavy rehetra rehefa mamaky izao teny nambaran’ny Rahavavy Sheri L. Dew, mpanolotsaina teo aloha tao amin’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany, manaraka izao ianao:

Sary
Rahavavy Sheri L. Dew

Raha toa isika ka mirona any amin’ny fampitoviana ny maha-reny amin’ny fiterahana sy fitaizana zanaka fotsiny, amin’ny fitenin’ny Tompo kosa ny hoe reny dia manana heviny maro. Tamin’ireo teny rehetra izay azon’izy ireo nosafidina hamaritana ny anjara asany sy ny lanjany, dia nantsoin’ Andriamanitra Ray sy i Adama hoe “renin’ny olombelona rehetra” [Mosesy 4:26] i Eva, ary izany dia efa talohan’ny niterahany. … Ny maha-reny dia mihoatra lavitra noho ny fitondrana vohoka, na dia ao anatiny tokoa aza izany. Tafiditra ao anatin’izany ny toetoetra fototra indrindra izay mamaritra ny maha-vehivavy antsika. Mamaritra ny tena maha-izy azy antsika izany, sy ny endritsika sy toetrantsika araka an’ Andriamanitra, ary ireo toetra tsy manan-tsahala izay nomen’ny Raintsika antsika. …

Amin’ny maha-zanakavavin’ny Raintsika any An-danitra antsika, sy amin’ny maha-zanakavavin’i Eva antsika, dia reny avokoa isika rehetra ary efa reny foana isika hatrizay. (“Are We Not All Mothers?,” Ensign, Nov. 2001, 96, 97)

Sary
vehivavy iray mitsikitsiky
Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Nampianatra ny Filoha Nelson fa “ny vehivavy tsirairay dia reny noho ny anjarany mandrakizay araka an’ Andriamanitra” (“Ny fandraisan’ireo rahavavy anjara amin’ny fanangonana an’i Isiraely,” Liahona, nôv. 2018, 68). Saintsaino ny dikan’io zavatra nambara io aminao sy ireo vehivavy eo amin’ny fiainanao.

Fizarana 2

Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny Ray any An-danitra ny vehivavy hanatanteraka ny andraikiny masina mba hitaiza.

Ny Raintsika any An-danitra dia nanendry ny reny ho “tompon’andraikitra voalohany eo amin’ny fitaizana ny zanany” (“Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izaoChurchofJesusChrist.org). Nofaritan’ny Filoha Susan W. Tanner, filoha teo aloha an’ny Zatovovavy maneran-tany ny dikan’ny hoe mitaiza:

Sary
Filoha Susan W. Tanner

Ny hoe mitaiza dia mampianatra, mampivoatra, mampitombo, mamahana, ary mamelona. Iza no tsy ho faly rehefa omena andraikitra mitondra fitahiana toy izany? (“My Soul Delighteth in the Things of the Lord,” Liahona, May 2008, 82)

Ny Ray any An-danitra dia nanome ireo zanany “fahafahana voajanahary hitia sy hikolokolo,” izay afaka manampy ny vehivavy hanatanteraka io andraikitra mifono hery mitaona sy masina io (Daughters in My Kingdom: The History and Work of Relief Society [2011], 171).

Ny Rahavavy Neill F. Marriott, mpanolotsaina teo aloha tao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavy maneran-tany, dia nampianatra fa ny Ray any An-danitra dia hanampy ireo zanany vavy amin’ny ezaka ataony hikarakara ny hafa:

Sary
Rahavavy Neill F. Marriott

Ry rahavavy, isika rehetra dia tonga tetý an-tany miaraka amin’ireo fanomezam-pahasoavan’ny fanomezana aina sy fikarakarana ary toetran’ny reny satria izay no drafitr’ Andriamanitra. …

Rehefa manontany ny tenantsika isika hoe: “Inona no hataontsika?” Ndeha hosaintsainintsika ity fanontaniana ity: “Inona no ataon’ny Mpamonjy tsy tapaka?” Mikarakara Izy. Mamorona Izy. Mamporisika ny hisian’ny fivoarana sy ny hatsarana Izy. …

… Rehefa mangataka amin’ny Ray any An-danitra isika mba hanao izay hahatonga antsika ho mpanorina ny fanjakany, dia hikoriana ao anatintsika ny heriny ary ho fantatsika ny fomba hikarakarana, ary amin’ny farany dia ho lasa tahaka ireo ray aman-drenintsika any an-danitra isika. (“Inona no hataontsika?,” Liahona, mey 2016, 11, 12)

Nampianatra momba ireo fanomezam-pahasoavana fanampiny nomen’ny Ray any An-danitra ny vehivavy mba hanampiana azy ireo hanatanteraka ny antsony masina hikolokolo ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany:

Sary
Filoha Henry B. Eyring

Amin’ny maha-zanakavavin’ Andriamanitra anareo dia manana fahafahana voajanahary sy lehibe ianareo hahatsapa ny zavatra ilain’ny hafa ary hitia. Ka dia mahatonga anareo ho mora mahatsapa ny bitsiky ny Fanahy kokoa izany. Dia afaka mitarika ny zavatra eritreretinareo, sy teneninareo, ary ataonareo mba hikolokoloana olona avy eo ny Fanahy mba handrotsahan’ny Tompo fahalalana sy fahamarinana ary herim-po amin’izy ireo. (“Ny vehivavy sy ny fianarana ny filazantsara ao an-tokantrano,” Liahona, nôv. 2018, 59)

Sary
reny iray miaraka mivavaka amin’ny zanany lahy

Ny vehivavy sasany dia mety hatahotra fa tsy dia mirona any amin’ny fananana toetra tia mikolokolo loatra izy ireo. Tahaka ny fanomezam-pahasoavana rehetra, ny fikolokoloana dia mitaky fampiharana sy fanampiana avy any an-danitra vao mivoatra sy mihatra tsara. I Jesoa Kristy no ohatra tsara indrindra eo amin’ny fikolokoloana. Araka ny nasehony, ny fikolokoloana dia tsy voatery hitovy amin’ny toe-javatra rehetra. Sady feno famindrampo Izy no hentitra rehefa manampy ny hafa mba hivoatra.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Miaraka amin’ny fanampian’ny Fanahy Masina dia afaka mianatra mikolokolo tahaka ny nataon’ny Mpamonjy ny vehivavy (sy ny lehilahy). Misafidiana andinin-tsoratra masina iray na roa amin’ireto manaraka ireto izay manome ohatra momba ny fikolokoloana avy amin’ny fiainan’ny Mpamonjy. Tadiavo izay azonao ianarana avy Aminy momba ny fikolokoloana.

Ohatra hafa inona momba ny Mpamonjy mikolokolo ny hafa no azonao eritreretina?

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Oviana ianao no efa nokolokoloina vehivavy nanana toetra tahaka ny an’i Kristy sy nentanim-panahy hikolokolo? Eritrereto ny fomba ahafahanao mikatsaka ny hampiroborobo io toetra tahaka ny an’i Kristy io eo amin’ny fiainanao.

Fizarana 3

Inona no fiovana entin’ny vehivavy eo amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra?

Ny vehivavy sasany dia mety hisalasala amin’ny fananan-janaka. Izany fisalasalany izany dia mety hamafisin’ireo feo eny anivon’ny fiarahamonina izay manambany na manaraby mihitsy ny maha-zava-dehibe ny maha-reny. Eritrereto ny fomba entin’ny fahatakarana ny lanjan’ny reny ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra manampy anao handà izany na ireo toetra sy fihetsika hafa mifandray amin’izany.

Nampianatra ny Filoha Nelson hoe: “Ianareo ry anabavy dia efa voafidy talohan’ny nanorena izao tontolo izao mba hitondra sy hikarakara ireo zanak’ Andriamanitra. Amin’ny alalan’ny fanaovana izany dia manome voninahitra an’ Andriamanitra ianareo” (“What Will You Choose?,” Ensign, Jan. 2015, 31).

Ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra momba ny fomba hampandrosoan’ny fananan-janaka ny drafitry ny Raintsika any An-danitra.

Sary
Loholona D. Todd Christofferson

Ny tena masina indrindra dia ny anjara andraikitry ny vehivavy eo amin’ny famoronana aina. Fantatsika fa avy amin’Andriamanitra ny vatantsika [jereo ny Mosesy 2:27] ary tsy maintsy mandalo fahaterahana ara-batana sy fahaterahana indray ara-panahy isika mba hahatongavana any amin’ilay ambaratonga ambony indrindra ao amin’ny fanjakana selestialin’Andriamanitra [jereo ny Mosesy 6:57–60]. Araka izany dia mitana anjara toerana feno ny vehivavy (indraindray mety hamoizany ny ainy mihitsy) ao anatin’ny asa sy ny voninahitr’Andriamanitra mba “hanatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona” [Mosesy 1:39]. (“Ny herim-panahy hanao ny tsara ananan’ny ehivavy,” Liahona, nôv. 2013, 30)

Sary
vehivavy iray manoroka ny zanany

Raha niresaka momba ireo fomba hitondran’ireo vehivavy fitahiana eo amin’ny fiainan’ny olona ao anatin’ny fanatanterahana ny andraikitra maha-reny azy ireo ny Loholona Christofferson dia nampianatra hoe:

Sary
Loholona D. Todd Christofferson

Ny reny dia afaka mampihatra hery mitarika izay tsy mitovy mihitsy amin’izay vitan’olon-kafa eo amin’izay mety ho fifandraisana hafa misy. Amin’ny alalan’ny herin’ny ohatra asehony sy ny fampianarana ataony no hianaran’ireo zanany lahy manaja ny vehivavy sy mampiditra fitsipi-pifehezana sy fitsipika ara-pitondrantena ambony eo amin’ny fiainan’izy ireo. Mianatra mikolokolo ny hatsaran-toetrany manokana ireo zanany vavy sy mijoro amin’ny marina hatrany na dia tsy tian’ny olona aza izany. Ny fitiavan’ny reny iray sy ny zavatra avo lenta andrandrainy dia mitarika ireo zanany handray andraikitra fa tsy mitsoaka izany, ho matotra eo amin’ny fianarana sy ny fampivoaran-tena manokana ary handray anjara tsy tapaka eo amin’ny fanasoavana ny manodidina azy ireo. (“Ny herim-panahy hanao ny tsara ananan’ny vehivavy,” 30)

Nampianatra koa ny momba ny hery mitaona mahery vaika ananan’ny vehivavy ny Rahavavy Marriot :

Sary
Rahavavy Neill F. Marriott

Mino aho fa ny “miteraka” dia midika hoe “manome aina.” Eritrereto ireo fomba maro hanomezanareo aina. Mety fanomezana aina ara-pihetsehampo an’ireo izay very fanantenana izany na fanomezana aina ara-panahy an’izay miahiahy. Afaka mamorona toerana manasitrana ny fihetsehampo ho an’ny ianjadian’ny fanavakavahana sy ho an’ny nolavina ary ho an’ny olon-tsy fantatra isika omban’ny fanampian’ny Fanahy Masina. Amin’ny alalan’ireo fomba feno hatsaram-panahy nefa mahery vaika ireo no hanorenantsika ny fanjakan’ Andriamanitra. (“Inona no hataontsika?,” 11)

Sary
Voan’ny finoana, nataon’i Jay Ward
Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Ny tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna momba ireo zatovolahy miaramila dia ohatra iray maneho ny fiantraikany entin’ny reny marin-toetra. Vakio ny Almà 56:45–48; 57:21–26, hitadiavana ny fiovana entin’ny ezaka ataon’ny reny eo amin’ny zanany sy ny fiarahamonina ary izao tontolo izao.

Rehefa mamaky ity fijoroana ho vavolombelona manaraka nozarain’ny Filoha Julie B. Beck, filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany teo aloha ity ianao, dia diniho ny fiantraikany entin’ireo vehivavy fantatrao izay manaja ny asa masina nanirahana azy mba ho reny:

Sary
Filoha Julie B. Beck

Tsy misy fetrany ny zavatra mety ho vitan’ny vehivavy iray manana fon-dreny. Vehivavy marin-toetra no nanova ny tantara ary mbola hanohy hanao izany, ary ny hery mitarika ananan’izy ireo dia hiparitaka sy hitombo avo dia avo mandrakizay mandrakizay. Tena feno fankasitrahana ny Tompo aho noho ny fahatokiany ny vehivavy amin’ilay asa masina nanirahana azy ireo dia ny maha-reny izany. (“A ‘Mother Heart,’Liahona, May 2004, 77)

Sary
sary famantarana, manaova asa

Manaova asa

Hevero ny hanoratra sy handefa teny fankasitrahana ho an’ny reny iray na olona mitana ny toeran’ny reny izay nitahy ny fiainanao ny fikolokoloana nataony.

Hamoaka printy