“Lesona 8, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Mikatsaka ny hahatakatra ny fifanintonana eo amin’ny samy lahy na eo amin’ny samy vavy sy mitia ireo rahalahy sy rahavavintsika LGBT,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra (2022)
“Lesona 8, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra
Lesona 8, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra
Mikatsaka ny hahatakatra ny fifanintonana eo amin’ny samy lahy na eo amin’ny samy vavy sy mitia ireo rahalahy sy rahavavintsika LGBT
Amin’ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy antsika dia asaina isika mba “ho lohalaharana amin’ny fanehoana fitiavana sy fangorahana ary fanoloran-tanana an-tsitrapo” an’ireo izay manana fifanintonana eo amin’ny samy lahy na eo amin’ny samy vavy na milaza ho gai na lesbienne, na bisexuel (Quentin L. Cook, “Let Us Be at the Forefront” [horonan-tsary], ChurchofJesusChrist.org). Ato amin’ity lesona ity ireo mpianatra dia hanana fahafahana hamantatra sy hifanakalo hevitra ary hampihatra ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara izay afaka manampy azy ireo hamaly am-pitiavana sy tsy manilika ary am-panajana ireo izay manana fifanintonana eo amin’ny samy lahy na eo amin’ny samy vavy na milaza ho LGBT.
Sosokevitra enti-mampianatra
Mandidy ny mpianany i Jesoa Kristy mba hifankatia tahaka ny itiavany antsika.
Asao ireo mpianatra mba haka sary an-tsaina hoe misy tanora iray antsoina hoe Rasoa manatrika ity kilasin’ny institiota ity. Rehefa fantatr’i Rasoa fa ny fifanintonana eo amin’ny samy lahy na eo amin’ny samy vavy no lohahevitra horesahina androany tonga dia nitebiteby izy ary te hiala, satria milaza ny tenany ho lesbienne izy. Ifanakalozy hevitra ny antony mahatonga an-dRasoa hitebiteby ary inona no azon’ireo mpiara-mianatra atao mba hanampiana azy sy ny hafa tsy hatahotra miresaka momba izany.
Asao ireo mpianatra hamaky ny Matio 22:37–39 sy ny Jaona 13:34–35, hitadiavana ny lanjan’ny fitiavana ny hafa eo imason’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Soraty eny amin’ny solaitrabe izao fahamarinana manaraka izao: Didiana isika mba hifankatia tahaka ny itivan’i Jesoa Kristy antsika.
-
Nahoana no zava-dehiba ho an’ny mpianatr’i Jesoa Kristy ny mitia ny hafa tahaka ny fitiavany?
-
Amin’ny fomba ahoana no nanehoan’i Jesoa Kristy fitiavana tonga lafatra nandritra ny asa fanompoany teto an-tany? (Ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra dia ampahatsiahivo ireo mpianatra fa ny fitiavana ny hafa dia tsy midika hoe tsy maintsy manaiky na manohana fitondran-tena izay mifanohitra amin’ireo didin’ Andriamanitra isika. Ny mpamonjy dia nampianatra am-pitiavana ny fotopampianaran’ny Rainy tamim-pahasahiana sy fahazavana.)
-
Amin’ny fomba ahoana ny ohatry ny fitiavan’ny Mpamonjy no mitarika antsika mandritra ny firesahantsika momba ny fifanintonana eo amin’ny samy lahy na eo amin’ny samy vavy?
Afaka mamaly an’ireo izay manana fifanintonana eo amin’ny samy lahy na eo amin’ny samy vavy amin-katsaram-panahy sy tsy manilika ary am-panajana isika.
Zarao ho vondrona kely vitsivitsy ny mpianatra. Hazavao fa afaka fotoana fohy dia hifanakalo hevitra ny vondrona tsirairay momba ny rafi-tantara iray ahitana olona manana fifanintonana eo amin’ny samy lahy na eo amin’ny samy vavy. Hazavao fa io rafi-tantara io dia mitovy amin’ny zavatra tena iainan’ny mpikambana sasany ao amin’ny Fiangonana. Mba hanampiana ny mpianatra hampifototra ny fifanakalozan-kevitra amin’ireo fitsipiky ny filazantsara dia azonao atao ny manasa ny vondrona tsirairay mba hijery aloha ny iray amin’ireo fizarana ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.
Rehefa avy nanana fotoana hijerena ny fizarana tandrify azy ireo mpianatra dia omeo tahadikan’ny taratasy zaraina hita any amin’ny faran’ity lesona ity ny mpianatra tsirairay. Omeo toromarika ny mpianatra mba hamaky am-pahanginana ilay toe-javatra ary avy eo dia hifanakalo hevitra momba ireo fanontaniana manaraka izany miaraka amin’ny vondrona.
Rehefa avy nomena fotoana betsaka ireo mpianatra nifampiresahana ny rafi-tantara sy ireo fanontaniana dia asao izy ireo hizara izay nianarany na tsapany nandritra ny fifampiresahan’izy ireo. Eo am-pizaran’ireo mpianatra ny eritreriny, dia hevero ny hametraka fanontaniana fanaraha-maso izay manampy azy ireo hanana fahatakarana lalina kokoa momba ity lohahevitra ity. Ireto misy ohatra amin’ny fandrafetana fanontaniana fanaraha-maso:
-
Tamin’ny fomba ahoana izany hevitra/fahamarinana/fitsipika izany no nisy fiantraikany teo amin’ny …
-
Inona no tsapanao/hitanao/niainanao …
-
Manomeza ohatra iray amin’ny …
-
Ahoana no hanaovanao zavatra araka ny finoanao ny …
Aorian’ny fifanakalozan-kevitra dia anontanio ireo mpianatra raha toa ka manana fanontaniana na olana momba ny fifanintonana eo amin’ny samy lahy na eo amin’ny samy vavy izay tsy noresahina izy ireo.
Mba hanampiana ny mpianatra hampihatra ny zavatra nianarany dia hevero ny hampiseho ireto fanontaniana manaraka ireto ary hanasa azy ireo hisafidy iray na mihoatra amin’izany izay manan-danja amin’izy ireo. Amporisiho ireo mpianatra hisaintsaina ny fanontaniany ary hanoratra izay fahatsapana mety hananan’izy ireo.
-
Inona no ilaiko ovaina momba ny fomba fieritreretako sy ny fanaovako zavatra mba handraisako ny olona rehetra, tafiditra amin’izany ireo izay manana fifanintonana eo amin’ny samy lahy na eo amin’ny samy vavy am-pitiavana kokoa sy tsy manilika ary am-panajana? Amin’ny fomba ahoana no ahafahako miantehitra amin’ny Mpamonjy rehefa manao ireo fiovana ireo?
-
Amin’ny maha olona voasintona amin’ny mitovy fananahana amiko ahy dia amin’ny fomba ahoana ny fifantohana amin’ny Mpamonjy sy ny filazantsarany no manampy ahy hiaina ao anatin’ny fanantenana sy fifaliana lehibe kokoa? Rehefa tsy nizara ny zavatra niainako tamin’ny hafa aho dia iza no azoko atonina mba hanampy? (Fanamarihana: Raha toa ianao ka manapa-kevitra ny hiresaka ny fanananao fahatsapana fifanintonana eo amin’ny samy lahy na ny samy vavy dia eritrereto ombam-bavaka izay olona hiresahana izany sy ny fomba hizarana io lafin-javatra anankiray eo amin’ny fiainanao eto an-tany io.)
Ho an’ny lesona manaraka
Asao ireo mpianatra rehefa mandalina ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ho an’ny lesona 9 mba hanokana fotoana kely ihany koa hianarana momba ireo razambeny ao amin’ny FamilySearch.org na ny application Arbre familial. Amporisiho izy ireo hieritreritra ireo fitahiana nampanantenaina ho an’ireo izay manampy ny razambeny hahazo ireo ôrdônansin’ny famonjena any amin’ny tempoly.