Institiota
Lesona 5, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny fiainantsika an-tany sy ny fanomezana ny vatana nofo sy taolana


“Lesona 5, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny fiainantsika an-tany sy ny fanomezana ny vatana nofo sy taolana,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra (2022)

“Lesona 5, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Lesona 5, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Ny fiainantsika an-tany sy ny fanomezana ny vatana nofo sy taolana

Tany amin’ny tontolo talohan’ny fahaterahana isika dia “nanaiky ny drafitr’ [Andriamanitra] izay ahafahan’ireo zanany hahazo vatana sy hahazo traikefa etỳ ambonin’ny tany mba handrosoany mankany amin’ny fahatanterahana” (“Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao”,” ChurchofJesusChrist.org). Ato amin’ity lesona ity ny mpianatra dia hoasaina hanazava ny tanjon’ny fiainantsika eto an-tany sy ny fomba hanampian’ny vatantsika nofo sy taolana antsika hivoatra ka ho lasa tahaka an’ Andriamanitra. Ireo mpianatra ihany koa dia handinika ny zavatra azony atao mba hanatsarana ny fifandraisany amin’ny fianakaviana amin’ny alalan’ny fandresena ny toetra maha-olona araka ny nofo ka ho lasa tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa.

Manatsara ny fampianarantsika sy ny fianarantsika

Asio fanaraha-maso mba hamporisihana ny mpianatra hiezaka hampihatra ireo fahamarinan’ny filazantsara. Ny tanjona farany lehibe amin’ny fianarana ny filazantsara dia ny fiovam-pontsika amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny hahatongavantsika tahaka Azy ireo. Ny fanatratrarana ireo tanjona ireo dia mitaky ny fampiharantsika ny zavatra ianarantsika. Afaka manampy ny mpianatra amin’ny ezaka ataony mba hampiharana ny zavatra ianarany ny mpampianatra amin’ny alalan’ny fanaovana fanaraha-maso tsara ireo fanasana omena ao amin’ny lesona. Tsy tokony hangatahina mba hizara zavatra mahakasika ny tenan’izy ireo manokana loatra ireo mpianatra. Rehefa tsy manome valin-teny mihitsy ny mpianatra dia azon’ny mpampianatra asaina ireo mpianatra mba hisaintsaina ny zavatra tsapany na nosoratany tao amin’ireo lesona teo aloha ary hamporisika azy ireo hanao asa mifanaraka amin’izany. Minitra vitsy amin’ny fotoam-pianarana ihany no tokony holaniana amin’ny fanaraha-maso ireo mpianatra.

Fanamarihana: Ao anatin’ny lesona tsirairay hatreto dia nasaina ireo mpianatra mba hampihatra ny zavatra nianarany amin’ny fomba maro samihafa. Ohatra, tao amin’ny lesona 4 ny mpianatra dia nieritreritra ny fomba hanaovany ny fianakaviany ho ivon’ny fiainan’izy ireo kokoa. Azonao angatahina ireo mpianatra mba hamerina hijery ny fahatsapana noraketiny ary hisaintsaina ny ezaka nataony mba hanao zavatra araka ny zavatra tsapany. Avy eo dia manasà mpianatra iray na roa izay mazoto mba hizara ny zavatra niainany rehefa niezaka ny hiaina tsara io fampianarana io. Azonao atao fahazarana ny manao fanaraha-maso any amin’ireo lesona ho avy arakaraka ny fitaomam-panahy azonao.

Sosokevitra enti-mampianatra

Ilaintsika ny vatana nofo sy taolana ananantsika sy ny zavatra iainantsika eto an-tany mba hahazoana ny fiainana mandrakizay.

Asehoy izao rafi-tantara manaraka izao (amboary araka izay ilaina izany mba hitombina bebe kokoa amin’ireo mpianatra).

Sariaka be sy mahafinaritra ny miaraka amin’i Dmitry mpiara-miasa aminao. Mino izy fa ilaina ny “manala azy.” Fientanantanam-po sy fahafinaretana no tena androm-piainany. Mifety izy amin’ny faran’ny herinandro, izay mazàna no ahitana fisotroana toaka sy fifohana zava-mahadomelona. Tsy manambady izy fa manao firaisana ara-nofo. Matetika izy milaza zavatra toy ny hoe: “Rehefa mahafinaritra dia ataovy” na “Indray mandeha ihany isika no miaina.” Mieritreritra izy fa manana fiainana hentitra sy maha-monamonaina ianao satria mitandrina ireo fitsipi-pitondran-tenan’ny Fiangonana. Vao tsy ela izy no nanontany anao hoe: “Fa maninona ianao no tsy mba mifalifaly sy mankafy ny fiainana?”

Asao ireo mpianatra hifanakalo hevitra amin’ny mpiara-mianatra iray na ao anaty vondrona kely iray ny amin’izay hamaliany ny fanontanian’i Dmitry. Amporisiho ireo mpianatra handinika ireo fahamarinana momba ny vatana nofo sy taolana ananantsika sy tanjon’ny fiainantsika eto an-tany ao amin’ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana izay afaka manohana ny valin-teniny. Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia asao ny mpianatra vitsivitsy mba hizara ny valin-teniny. Avy eo dia soraty eny amin’ny solaitra be izao fahamarinana manaraka izao: Ny vatana nofo sy taolana ananantsika sy ny fiainantsika an-tany dia manomana antsika ho lasa tahaka an’ Andriamanitra.

  • Amin’ny fomba ahoana ny fananana vatana nofo sy taolana sy fiainana ny fiainana an-tany no manomana antsika ho lasa tahaka an’ Andriamanitra? (Hevero ny hanasa ireo mpianatra hamaky ny teny nambaran’ny Loholona D. Todd Christofferson sy David A. Bednar ao amin’ny fizarana 1 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana. Eo am-pizaran’ireo mpianatra hevi-baovao dia mametraha fanontaniana fanaraha-maso mba hanampiana azy ireo hanana fahatakarana lalina kokoa.)

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy dia afaka mandresy ny maha-olona araka ny nofo isika.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity andian-teny manaraka ity: Olona araka ny nofo. Manasà mpianatra roa hamaky amin’ny feo mafy ny Almà 41:11 sy ny 1 Korintiana 2:14. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra, ary hitady ny teny na andian-teny izay mamariparitra ny olona araka ny nofo. Ataovy lisitra eny amin’ny solaitrabe ny valin-tenin’ny mpianatra. Asao ny mpianatra mba hamerina hijery ny teny nolazain’ny Loholona Bednar ao amin’ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana mba hitady toetra fanampiny ho ampiana amin’ny lisitra eny amin’ny solaitrabe.

  • Misafidiana iray amin’ireo toetran’ny olona araka ny nofo izay voatanisa eny amin’ny solaitrabe. Inona no fiantraikan’izany toetra izany amin’ny fisakaizana na fifandraisana amin’ny fianakaviana?

Soraty eny amin’ny solaitrabe izao andian-teny izao: Ilay lehilahy na vehivavy novain’i Jesoa Kristy. Asao ireo mpianatra hamaky ny Môzià 3:19 ary hitady ny fomba handresentsika ny toetra maha-olona araka ny nofo antsika.

  • Ahoana no ahafahan’ny Fanahy Masina sy ny Mpamonjy manampy antsika handresy ny maha-olona araka ny nofo? (Mety hizara fitsipika mitovitovy amin’izao manaraka izao ireo mpianatra: Rehefa manaiky ny fitaoman’ny Fanahy Masina isika dia hanampy antsika i Jesoa Kristy hanaisotra ny maha-olona araka ny nofo ka ho lasa olomasina amin’ny alalan’ny Sorompanavotany. Azonao ampiasaina ihany koa ireo teny nambaran’ny Loholona Bednar sy ny Eveka Gérald Caussé ao amin’ny fizarana 3 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra io fitsipika io.)

Hevero ny hametraka ny iray na mihoatra izany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra lalindalina kokoa:

  • Ahoana no hanampian’io fitsipika io olona izay mety mahatsapa fa toa tsy afaka manova na tsy afaka mifehy ny filana sy ny fanirian’ny maha-olona araka ny nofo?

  • Inona avy ireo zavatra takatry ny Mpamonjy momba ireo fanambin’ny vatana nofo sy taolana?

  • Inona no nianaranao momba ny Mpamonjy avy tamin’ny fomba nanampiany anao hanaisotra na handresy ny olona araka ny nofo ka lasa tahaka Azy bebe kokoa? Tamin’ny fomba ahoana ny Fanahy Masina no nanampy anao tamin’ireo ezaka ireo?

Mba hanampiana ireo mpianatra hampihatra ireo fahamarinana nianarany tato amin’ity lesona ity dia manehoa fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto ary asao ireo mpianatra mba handray an-tsoratra ny eritreriny sy ny fahatsapany. (Ny mpianatra sasany dia mety hanampy amin’ny valin-tenin’izy ireo avy amin’ny sahanasa “Raketo an-tsoratra izay zavatra tonga ao an-tsainao”any amin’ny faran’ny fizarana 3 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

  • Iza amin’ireo toetra tahaka ny an’i Kristy voafariparitra ao amin’ny Môzià 3:19 no mila ananako bebe kokoa?

  • Inona no hataoko mba hiankinana bebe kokoa amin’ny Mpamonjy sy ny fitaoman’ny Fanahy Masina mba hanampy ahy hanaisotra ny maha-olona araka ny nofo ka hampivoatra io toetra tahaka ny an’ny Kristy io?

  • Inona no mety ho fiantraikan’io fiovana io amin’ny fifandraisako amin’ny fianakaviako?

Amporisiho ireo mpianatra amin’ny ezaka ataony handresena ny fahalemeny ary ho lasa tahaka ny Mpamonjy kokoa. Mijoroa ho vavolombelona fa hanome hery azy ireo ny Tompo mba hampivoatra ireo toetrany sy hanatsara ny fifandraisan’izy ireo amin’ny fianakaviany.

Ho an’ny lesona manaraka

Asao ireo mpianatra mba handinika ny zavatra fantany momba ny maha-zava-dehibe ny fanambadian’ny lehilahy iray sy ny vehivavy araka ny fotopampianarana ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra. Amporisiho ireo mpianatra rehefa mandalina ny lesona 6 mba hiezaka handalina ny fahatakarany an’io fotopampianarana io sy ny dikan’izany hoe mpianatr’i Jesoa Kristy izany aminy.

Hamoaka printy