Institiota
Lesona 15, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny didy hihamaro sy hameno ny tany


“Lesona 15, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny didy hihamaro sy hameno ny tany,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra (2022)

“Lesona 15, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Lesona 15, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Ny didy hihamaro sy hameno ny tany

Nanambara ny mpaminany fa ilay didin’ny Ray any An-danitra ny hihamaro sy hameno ny tany dia mbola manan-kery ankehitriny. Ato anatin’ity lesona ity ireo mpianatra dia hifanakalo hevitra momba ny maha-zava-dehibe sy ny maha-fifaliana ny fananan-janaka. Hifanakalo hevitra ihany koa izy ireo momba ireo fanapahan-kevitra miorina amin’ny finoana mikasika ny fotoana tokony hananan-janaka sy ny isan’ny zanaka tokony hananana. Hanana fahafahana ireo mpianatra ny hanombantombana ny finoany an’ Andriamanitra sy ny fanarahan’izy ireo ny sitrapony mahakasika ity didy ity.

Fanamarihana: Mialoha ny fotoam-pianarana dia hevero ny hanasa mpianatra mba handefa fanontaniana izay ananany momba ny lohahevitr’ity lesona ity amin’ny alalan’ny sms, na email, na fanadihadiana en ligne, na fomba hafa. Ampiasao ny fanontanian’ireo mpianatra sy ny fitarihan’ny Fanahy mba hamantarana ny zavatra tokony hifantohana indrindra amin’ity lesona ity. Eritrereto ireo fomba ahafahanao mitondra ny fanontanian’ireo mpianatra ao amin’ny traikefany amin’ny fianarana. Ohatra, azonao ovaina ireo fanontaniana sasany ao amin’ny fifanakalozan-kevitry ny vondrona (jereo ny taratasy zaraina etsy ambany) ka soloina amin’ny fanontaniana mitovitovy amin’izany izay nalefan’ireo mpianatra.

Sosokevitra enti-mampianatra

Mbola manan-kery ny didin’ Andriamanitra mba hihamaro sy hameno ny tany.

Hevero ny hampiseho sarina zazakely iray. Angataho ireo mpianatra mba hilaza teny iray mety hampiasain’ny olona hilazalazana ny zavatra tsapan’ny olona momba ny zaza, ary tanisao eny amin’ny solaitrabe ireo teny nolazain’ny mpianatra. (Na mba ho fanamby fanampiny dia hevero ny hanasa ireo mpianatra hanoratra teny famaritana maro araka izay tratrany ao anatin’ny 30 segondra ary avy eo dia mangataha mpianatra vitsivitsy hizara ny lisitra nataon’izy ireo amin’ny iray kilasy.) Manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny hevitra ao ambadik’ireo teny izay nolazainy.

  • Inona no laharam-pahamehana apetrak’ireo mpivady sasany ambonin’ny fananan-janaka? (Raha ilaina dia hevero ny hanasa mpianatra iray hamaky mafy ilay teny voalohany nambaran’ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

Iaraho vakina ny Genesisy 1:27–28 ary asao ireo mpianatra mba hanisy marika ilay didy voalohany nomen’ny Ray any An-danitra an’i Adama sy i Eva. Avy eo dia vakio ny andiam-pehezan-teny fahaefatra ao amin’ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” (ChurchofJesusChrist.org), ary jereo ny fiantefan’io didy voalohany io amintsika ankehitriny.

  • Ahoana no hanazavanao ireo tanjona izay tanteraka ao amin’ny drafitry ny Ray any an-danitra rehefa manan-janaka ny mpivady? (Raha ilaina dia asao ireo mpianatra mba hamerina hamaky ilay teny faharoa nambaran’ny Loholona Andersen sy ilay teny nambaran’ny Filoha M. Russell Ballard ao amin’ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana. Ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra, dia hamafiso izao fahamarinana manaraka izao: Rehefa mitondra zanaka ho eto amin’izao tontolo izao ny mpivady dia manatanteraka ampahany amin’ny drafitry ny Ray any an-danitra ho an’ny fahasambarana izy ireo.)

Azonao ampahatsiahivina ireo mpianatra ny fifanakalozan-kevitra izay nanasana azy ireo mba hataon’izy ireo miaraka amin’ny olona iray izay manan-janaka (jereo ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.) Mangataha mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra nianarany. (Azonao atao ny miresaka amin’ny mpianatra iray na roa andro vitsivitsy mialoha ny fotoam-pianarana mba hanasana azy ireo ho tonga amim-pahavononana hizara ny eritreriny mandritra ny fotoam-pianarana.)

Zarao ho vondrona kelikely ireo mpianatra ary manendre mpitarika iray isaky ny vondrona. Omeo ny tahadikan’ity taratasy zaraina manaraka ity ny vondrona tsirairay ary asao ireo mpianatra hanaraka ireo toromarika eo amin’ilay taratasy zaraina.

Mandray fanapahan-kevitra mifototra amin’ny finoana momba ny fananan-janaka

Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra—Lesona 15

Vakio ireto olana manaraka ireto izay nambarana tanora vitsivitsy:

  1. Tamin’ny nitondrako vohoka farany teo dia nandalo fahasarotana ara-pahasalamana aho izay mety mbola hitranga rehefa mitondra vohoka indray aho. Koa nanapa-kevitra izahay mivady ny tsy hanan-janaka intsony. Mahatsapa tena ho meloka aho satria roa ihany ny zanakay kanefa ny mpiray tampo amiko rehetra dia manana fianakaviana misy zanaka maro daholo.

  2. Mikasa ny hanan-janaka ihany izahay mivady saingy mbola te handehandeha hitsidika toerana sy hiaina zavatra hafa izahay mialoha izany. TSY MANINONA ve ny miandry?

  3. Te hanomboka hanan-janaka izahay mivady. Tsy fantatray fotsiny raha toa ka efa vonona izahay. Tsy mahatsapa ho milamina ara-bola izahay amin’izao. Ahoana no ahafantaranay hoe izao no fotoana mahamety izany?

Misafidiana iray amin’ireo olana ireo mba hifantohan’ny vondrona, ary ifanakalozy hevitra ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Amin’ny lafiny inona no mampitombina ity olana ity?

  • Ahoana no ahafahanao mampiasa ny zavatra nianaranao tao amin’ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana mba hanampiana olona iray manana io olana io?

  • Tantara hafa inona ao amin’ny soratra masina na fampianarana inona avy amin’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana no afaka manampy olona iray miatrika io olana io eo amin’ny ezaka ataony handroso amim-pinoana an’ Andriamanitra?

Mandray fanapahan-kevitra mifototra amin’ny finoana momba ny fananan-janaka

Sary
taratasy zaraina ho an’ny mpampianatra

Rehefa avy nomena fotoana ampy dia manasà mpianatra iray na roa hizara ny zavatra nianarany avy tamin’ny fifanakalozan-kevitra nataony tao amin’ny vondrona nisy azy. Raha toa ka tsy voalazan’ny mpianatra dia ampahatsiahivo azy ireo ny torohevitra nomena ao amin’ny Almà 37:37, ary asehoy ity fitsipika manaraka ity: Rehefa maka torohevitra amin’ny Tompo ny mpivady ka mampihatra finoana Azy, dia hitarika azy ireo Izy eo amin’ny fanapahan-kevitr’izy ireo hanan-janaka.

Hevero ny hanasa ireo mpianatra hametraka ny fanontaniana izay ananany momba ny didy hanan-janaka. (Mety efa nanangona ny sasany tamin’ireo fanontanian’ny mpianatra ianao mialoha ny fotoam-pianarana izay azonao hamafisina sy ifanakalozana hevitra eto.) Afaka misafidy fanontaniana iray amin’ireto manaraka ireto koa ianao izay tsapanao fa hanampy ny mpianatra hanana fahatakarana lalina kokoa momba ity lohahevitra ity ary hifanakalo hevitra momba izany ao amin’ny kilasy:

  • Nahoana no zava-dehibe ho an’ny mpivady ny fakana hevitra amin’ny Ray any An-danitra momba ny fotoana tokony hananan-janaka sy ny isan’ny zanaka tokony hananana?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nahitanao olona fantatrao nandroso amim-pinoana rehefa nahafantatra fa tsy afaka manan-janaka izy ireo (na tsy afaka manana zanaka maro araka ny hitiavan’izy ireo azy)?

  • Nahoana no zava-dehibe ny tsy hitsarantsika ny hafa amin’ny fanapahan-keviny mahakasika ny fotoana hananan-janaka sy ny isan’ny zanaka hananany?

Azonao aseho ireto fanontaniana manaraka ireto ary omeo fotoana ireo mpianatra hirakitra an-tsoratra ny eritreriny momba ny iray na ny roa amin’ny safidiny:

  • Inona no finoana sy fahatsapana manokana ananako momba ny fananan-janaka?

  • Inona no fiovana ilaiko atao, raha misy, mba hampifanarahana tanteraka kokoa ny sitrapoko amin’ny fomba fijerin’ny Tompo momba ny fananan-janaka?

  • Ahoana no ahafahako miaro ny maha-zava-dehibe ny fananan-janaka?

  • Ahoana no ahafahako mampitombo ny fahatokiako fa hanohana anay mivady ny Tompo amin’ny fanatanterahana ilay didy hanan-janaka araka ny sitrapony?

Hevero ny hanasa mpianatra vitsivitsy raha tsy mampaninona azy ny hizara ny zavatra noraketiny.

Nilaza ny fahamasinan’ny fiainana ny Tompo.

Manasà mpianatra iray hamaky ny teny avy ao amin’ny fanambarana ho an’ny fianakaviana any am-piandohan’ny fizarana 3 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana.

  • Inona no ampianarin’io filazana io antsika momba ny Raintsika any An-danitra sy ny zavatra iriany ho an’ny zanany? (Azonao amporisihina ireo mpianatra mba hieritreritra ny fiantraikan’ny fahafantarana ireo fahamarinana ireo eo amin’ny fanirian’izy ireo ho an’ny zanany.)

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa io fanambarana avy amin’ny fanambarana ho an’ny fianakaviana io dia manohitra fomba sasany izay eken’ny besinimaro ankehitriny, toy ny fanalan-jaza.

  • Ahoana no ahafahanao mampiasa ny zavatra fantatrao momba ny drafitr’ Andriamanitra mba hanazavana fa “ny fampitsaharana an-tsitrapo ny fitondrana vohoka noho ny fikatsahana izay maha-metimety ny tena na maha-metimety eo amin’ny fiarahamonina” dia mifanohitra amin’ny sitrapon’ Andriamanitra? (Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 38.6.1, ChurchofJesusChrist.org).

Asao ireo mpianatra hieritreritra ny zavatra azony atao mba hampiroboroboana sy hiarovana ny fahamasinan’ny fiainan’ny olombelona.

Azonao faranana amin’ny fizarana ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ireo fahamarinana hitan’ireo mpianatra tato amin’ity lesona ity ny fotoam-pianarana.

Ho an’ny lesona manaraka

Angataho ireo mpianatra mba hisaintsaina izao fanontaniana manaraka izao: Inona no fampianaran’i Jesoa Kristy izay nitondra fifaliana teo amin’ny fiainanao indrindra hatrizay?

Amporisiho ny mpianatra handalina ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ho an’ny lesona manaraka sady mitadidy io fanontaniana io.

Hamoaka printy