Institiota
Lesona 6, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray dia tendrin’ Andriamanitra


“Lesona 6, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray dia tendrin’ Andriamanitra,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra (2022)

“Lesona 6, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Lesona 6, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray dia tendrin’ Andriamanitra

Ireo mpaminany sy ireo apôstôly ary ireo mpitarika hafa ato amin’ny Fiangonana dia manambara amin’ny fomba manetriketrika fa “ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray dia tendrin’ Andriamanitra” (“Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’Izao tontolo izao,” ChurchofJesusChrist.org). Ato amin’ity lesona ity ireo mpianatra dia ho asaina hanazava ny antony maha-ampahany manan-danja ny fanambadiana eo amin’ny drafitr’ Andriamanitra. Ireo mpianatra ihany koa dia hamaritra ny zavatra azony atao mba hampiharana finoana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amin’ny firosoany ho amin’ny fanambadiana

Sosokevitra enti-mampianatra

Ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy dia dingana manan-danja amin’ny fahatongavana tahaka an’ Andriamanitra.

Mba hanombohana ny fotoam-pianarana dia anontanio ny mpianatra ny zavatra inoan’ny olona eo amin’ny fiarahamonina momba ny fanambadiana. Na azonao ampiasaina izao rafi-tantara manaraka izao:

Misy namanao tsara iray milaza aminao hoe: “Tsy azoko mihitsy hoe nahoana ny olona sasany no sahiran-tsaina be amin’ny resaka fanambadiana. Zavatra fanoratana anarana sy fanaovan-tsonia amin’ny taratasy arahina fombafomba ara-piaraha-monina fotsiny izany. Nahoana ny olona mifankatia no tsy afaka manao fifanarahana ho azy ireo fotsiny?”

  • Inona avy ireo fomba sasany azonao hamaliana ireo hevitra ireo?

Fintino vetivety ny sahan-kevitry ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49. Asao ny mpianatra iray hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:15–16 amin’ny feo mafy. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra sady hijery ny fomba fijerin’ny Tompo ny fanambadiana.

Soraty eny amin’ny solaitrabe izao fotopampianarana avy tao amin’ny fanambarana ho an’ny fianakaviana izao: “Ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray dia tendrin’ Andriamanitra … [ary] tena ilaina eo amin’ny drafitrany mandrakizay.” (“Ny fanambadiana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao”).

Fantaro fa ny olona sasany izay maniry ny hanambady dia mety tsy hanana fahafahana hanambadiana eto amin’ity fiainana ity. Ny sasany mety hiaina fanambadiana izay tsy maharitra.

Omeo fotoana ireo mpianatra hirakitra an-tsoratra ny fahatsapana ananan’izy ireo momba izao fanontaniana manaraka izao:

  • Inona no eritreritra sy fahatsapana anananao rehefa misaintsaina ilay fahamarinana hoe ampahany manan-danja ao amin’ny drafitra mandrakizain’ Andriamanitra ho anao manokana ny fanambadiana?

Avy amin’ny zavatra niainanao manokana, dia afaka mijoro ho vavolombelona ianao momba ny fiantraikan’ny fotopampianaran’ny Tompo momba ny fanambadiana teo aminao.

Afaka manampy antsika handresy ny tahotra ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ka hahita fahasambarana ao amin’ny fanambadiantsika.

Asehoy izao teny manaraka izao: Mino aho fa ho feno fitiavana sy haharitra ny fanambadiako. Asao ireo mpianatra handrefy ny tenany eo amin’ny mari-drefy 1 hatramin’ny 4 (1=tsy manaiky; 4=manaiky) mba hanehoana hoe hatraiza no hinoan’izy ireo manokana io teny io. Asao ireo mpianatra handinika ny antony nahatsapany ho toy izany.

  • Inona no ahiahy na tahotra anananao na ananan’ny olona hafa izay fantatrao momba ny fanambadiana, ary nahoana?

  • Inona avy ireo antony iombonana ananan’ny tanora izay mahatonga azy ireo tsy hanambady?

Manatsara ny fampianarantsika sy ny fianarantsika

Ataovy tsapan’ny mpianatra fa mitombina ny ahiahin’izy ireo. Afaka mampiroborobo tontolo anjakan’ny fanajana sy hiresahana malalaka ny mpampianatra rehefa manao izay hahatsapan’ny mpianatra fa mitombina ny ahiahin’ireo mpianatra fa tsy hoe zahana raha mitombina na tsia na manao izay hahatsapan’ireo mpianatra fa tsy manan-danja ny ahiahin’izy ireo. Mikatsaha ny hahatakatra ny antony mahatonga ny mpianatra hahatsapa ny zavatra tsapany amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana fanaraha-maso sy ny fihainoana tsara azy ireo. Isaory izy ireo noho ny fahazotoany nizara ny zavatra tsapany. Rehefa tsapan’ny mpianatra fa nohainoina sy takatra ny olany, dia mazàna izy ireo no misokatra kokoa amin’ny fahazoana ny torohevitra nomen’ny Tompo hanampiana azy ireo amin’ny olany.

Hazavao fa ireto sahanasa enti-mianatra manaraka ireto dia natao hanampiana amin’ny sasany amin’ireo tahotra sy ahiahy ary fanontaniana ireo. Alamino ho vondrona kely maromaro ireo mpianatra. Manendre mpitarika iray isaky ny vondrona, ary omeo an’ity taratasy zaraina manaraka ity izy (na mamorona iray izay mihatra manokana amin’ireo mpianatrao). Omeo fotoana ampy ireo mpianatra hanaovana fifanakalozan-kevitra manan-danja.

Fandresena ny tahotra sy fampitomboana fatokisana an’ Andriamanitra

Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra—Lesona 6

Fanamarihana ho an’ny mpitarika ny vondrona: Ampiasao azafady ireo torolalana etsy ambany mba hanamora ny fifanakalozan-kevitra miaraka amin’ireo mpikambana ao amin’ny vondrona misy anao. Amporisiho handray anjara ny mpikambana rehetra ao amin’ny vondrona misy anao. Na izany aza dia tsy tokony hisy olona hahatsapa tena ho voatery hizara.

Asao ireo mpikambana ao amin’ny vondrona mba hisafidy iray amin’ireo soratra masina na teny nambara ao amin’ny fizarana 3 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana izay manan-danja manokana amin’izy ireo. Asao ny sasany amin’izy ireo hizara ny teny na soratra masina nosafidiany. Rehefa avy mizara ny tsirairay amin’izy ireo dia azonao atao ny manontany hoe:

  • Ahoana no ahafahantsika mampihatra io fampianarana io mba handresena ny tahotra hanambady na ny tahotra mety hananan’ny olona iray mandritra ny fanambadiana?

Avy eo dia ifanakalozy hevitra ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Tamin’ny fomba ahoana no efa nandresenao tahotra taloha ka nampitomboanao fatokisana an’ Andriamanitra?

  • Inona no inonao na fantatrao momba ny Ray ny An-danitra sy i Jesoa Kristy izay mahatonga anao handresy ny tahotra sy hatoky ny fitarihana omen’Izy Ireo?

Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra—Lesona 6

Sary
taratasy zaraina ho an’ny mpampianatra

Rehefa avy nomena fotoana ampy izy ireo dia manasà mpitarika ny vondrona vitsivitsy hizara fahamarinana na hevitra iray azon’izy ireo tao anatin’ny fifanakalozan-kevitra nataon’ny vondrony. Azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ny fahamarinana hitan’izy ireo, izay mety hahitana fahamarinana toy izao manaraka izao: Rehefa mijery am-pinoana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy isika dia afaka mandresy ny tahotra, ary hitarika ny lalantsika Izy Ireo.

Ho vavolombelona fanampin’io fahamarinana io dia zarao ny zavatra niainan’ny Loholona sy Rahavavy Holland tamin’ny fisafidianana ny hanambady hita ao amin’ny fizarana hoe “Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?” ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana. Na azona zaraina izao zavatra niainana manaraka nolazain’ny Loholona Carl B. Cook ao amin’ny Fitopololahy izao:

Sary
Loholona Carl B. Cook

Nisy tovolahy mahatoky iray izay namboraka taminay fa kivy izy mikasika ny fahafahana hiaina fanambadiana sambatra. Tsy ny ray aman-dreniny ihany no nisara-panambadiana fa ny nenitoany sy ny dadatoany rehetra avy amin’ny fianakavian’ny rainy sy ny reniny. Nilaza izy fa mbola tsy nahita akaiky velively an’izany fanambadiana sambatra izany. Na izany aza, niaraka tamin’ny fanampian’ny Tompo dia nandresy ny tahony izy ary nanambady tany amin’ny tempoly. Miaina fifaliana izy sy ny vadiny ao anatin’ny fanambadian’izy ireo ary manan-janaka dimy tsara tarehy izy ireo. (Carl B. Cook, “Manohy ny fivoarana mankany amin’ny fanambadiana mandrakizay” [Fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny tanora tokan-tena sy ny mpivady vao herotrerony, 5 mey, 2019], ChurchofJesusChrist.org)

Omeo minitra vitsy ireo mpianatra hiraketana an-tsoratra izay zavatra tsapany fa tokony hataony hampiharana finoana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izay mifandray amin’ny fanambadiana.

Hazavao fa mandritra ity taranja ity ireo mpianatra dia hianatra bebe kokoa momba ny fomba hanampian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy antsika hahomby amin’ny fanorenana fanambadiana matanjaka sy mandrakizay. Omeo toky ireo mpianatra fa tia azy ireo ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary dodona sy vonona ny hanampy azy ireo.

Ho an’ny lesona manaraka

Amporisiho ireo mpianatra rehefa mandalina ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ho an’ny lesona 7 mba hisaintsaina ombam-bavaka ny hoe “ny maha-lahy na maha-vavy dia toetra fototra iray mamaritra ny maha-izy azy [antsika] sy ny tanjo[ntsika] tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana” (“Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao”). Asao izy ireo mba hieritreritra ihany koa ny fomba hamalian’izy ireo omban’ny fitiavana tahaka ny an’i Kristy an’ireo izay manana fanontaniana mifandray amin’ny maha-lahy na ny maha-vavy.

Hamoaka printy