Institiota
Lesona 24, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Firesahana amim-panantenana sy amim-pangorahana momba ny fahasalamana ara-tsaina


“Lesona 24, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Firesahana amim-panantenana sy amim-pangorahana momba ny fahasalamana ara-tsaina” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra (2022)

“Lesona 24, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Lesona 24, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Firesahana amim-panantenana sy amim-pangorahana momba ny fahasalamana ara-tsaina

Mety ho ampahany manan-danja eo amin’ny fiainantsika eto an-tany ireo olana amin’ny fahasalamana ara-tsaina. Ato amin’ity lesona ity ireo mpianatra dia hanana fahafahana hamantatra ny fomba ahafahan’izy ireo manatsara ny fahasalamany ara-tsaina sy ara-pihetsehampo. Hodinihin’ireo mpianatra ihany koa ny fomba hamalian’izy ireo amin’ny fangorahana bebe kokoa ireo mpikambana ao amin’ny fianakaviany sy ny hafa izay mety misedra olana amin’ny fahasalamana ara-tsaina na toe-javatra mitaona famonoana tena.

Soso-kevitra enti-mampianatra

Mitahy ny tenantsika sy ny fianakaviantsika isika rehefa miezaka mihazona sy manatsara ny fahasalamantsika ara-tsaina.

Asehoy ireto andalan-tsoratra masina manaraka ireto: Joba 6:1–3; 1 Nefia 18:17–18; Almà 26:26–27. Asao ireo mpianatra hamaky am-pahanginana ny iray amin’ireo andalan-tsoratra masina ireo ary hitady ireo fanamby amin’ny fahasalamana ara-tsaina sy ara-pihetsehanm-po sedrain’ireo olona ireo. Asaivo mizara ny zavatra hitany ireo mpianatra. Eo am-pizaran’izy ireo izany dia azonao atao lisitra eny amin’ny solaitrabe ny valin-tenin’izy ireo.

  • Inona koa ireo karazana fanamby na toe-javatra hafa izay mety miantraika amin’ny fomba ratsy amin’ny fahasalamantsika ara-tsaina sy ara-pihetseham-po? (Ataovy lisitra eo amin’ny solaitrabe ny valin-tenin’ny mpianatra.)

  • Nahoana no mety hanampy ny mahafantatra fa mety ho ampahany tsy mahagaga amin’ny fiainantsika ny miatrika fanamby amin’ny fahasalamantsika ara-tsaina sy ara-pihetsehampo?

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa “lehilahin’ny alahelo, sy zatra fahoriana” tokoa i Jesoa Kristy (Isaia 53:3). Asao ireo mpianatra hizara traikefa izay nanehoan’ny Mpamonjy ny fahatanterahan’ny faminanian’i Isaia.

Asehoy ireto andalan-tsoratra masina manaraka ireto: Matio 14:22–23; Marka 1:35; 6:31, 46; Lioka 5:16. Asao ireo mpianatra hamaky am-pahanginana ny iray na mihoatra amin’ireo andalan-tsoratra masina ireo ary hitady ireo lesona azontsika ianarana avy amin’ny zavatra nataon’ny Tompo. Asao izy ireo hizara ny zavatra hitany, ary ampio izy ireo hamantatra izao fahamarinana manaraka izao: Manaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy isika rehefa manokana fotoana hakana aina sy hitoniana ary hivavahana.

  • Nahoana no zava-dehibe ny mikarakara amim-pahavitrihana ny fahasalamanao ara-tsaina sy ara-pihetseham-po? (Hevero ny hamaky ny teny nambaran’ny Filoha M. Russell Ballard ao amin’ny fizarana 1 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

Omeo minitra vitsy ireo mpianatra handinihana sy hanoratana ny fomba iray azon’izy ireo hampatanjahana ny fahasalamany ara-tsaina sy ara-pihetsehampo ary hamolavolana drafitra tsotra hanaovana izany. Asaivo mijery ireo fanontaniana ao amin’ny fizarana 1 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ireo mpianatra mba hijery hevitra.

Afaka mamaly amin’ny fitiavana tahaka ny an’i Kristy sy amim-pangorahana isika ho an’ireo olona izay misedra olana amin’ny fahasalamana ara-tsaina.

Asehoy ary vakio ireto tantaran’olona manaraka ireto izay niaina olana tamin’ny fahasalamana ara-tsaina, araka ny hizaran-dRahavavy Reyna I. Aburto azy. Na raha tianao dia asehoy ny ampahany voalohany amin’ilay horonan-tsary “Tahaka ny vilany ariana” (mari-potoana 0:00–3:16, ChurchofJesusChrist.org). Asao ireo mpianatra handinika ny fahatsapana ananany rehefa mahare ireo tantara ireo.

Sary
Rahavavy Reyna I. Aburto

Nanoratra indray mandeha ny zanako vavy hoe: “Nisy fotoana aho nahatsapa alahelo lalina foana. Nihevitra aho hatrizay fa zavatra mahamenatra ny hoe malahelo ary mariky ny faharefoana izany. Noho izany dia notazomiko ho ahy ny alaheloko. … Nahatsapa ho tsy nisy dikany aho” [Hermana Elena Aburto blog, hermanaelenaaburto.blogspot.com/2015/08].

Toy izao no namaritan’ny namana iray an’izany: “Efa hatrany amin’ny fahazazako aho no nitolona tsy tapaka tamin’ny fananana fahatsapana ho very fanantenana, ho latsaka anaty haizina, ho manirery sy fahatsapana tahotra ary fieritreretana ho trotraka na be fahalemena. Nataoko izay azo natao rehetra mba hanafenako ny fahoriako sy mba tsy hampisehoana velively fa izaho dia olona mifanohitra amin’ny hoe mahomby sy matanjaka” [fifandraisana manokana nifanaovana]. (“Na inona re miseho, mitoera eto!,” Liahona, nôv. 2019, 57)

  • Inona no eritreritra sy fahatsapana nanananao rehefa nihaino ireo tantara ireo?

Omeo tahadikan’ny taratasy zaraina miaraka amin’ity ny mpianatra tsirairay na asehoy ireo fanontaniana mba ho hitan’ny tsirairay Asao ireo mpianatra hamaky sy hisaintsaina samirery ireo fanontaniana. Rehefa avy nanome fotoana ampy dia alamino ho vondrona kely vitsivitsy ireo mpianatra ary angataho ireo mpianatra mba hizara ny heviny momba ny fanontaniana iray na roa izay nipaka tamin’izy ireo tokoa.

Olana amin’ny fahasalamana ara-tsaina

Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra—Lesona 24

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ireo olona manana olana amin’ny fahasalamana ara-tsaina ho voatahy rehefa manaiky sy miresaka momba izany? Nahoana no hanan-danja amin’ireo olona ireo ny mikatsaka fanampiana avy amin’ny mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana na matihanina ara-pahasalamana iray?

  • Raha misy havana na namana mizara aminao fa miaina olana amin’ny fahasalamana ara-tsaina izy, inona no mety ho zavatra manan-danja indrindra azonao lazaina na atao? (Hevero ny hijery ny teny nambaran’ny Rahavavy Reyna I. Aburto ao amin’ny fizarana 2 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.) Inona ireo zavatra izay mety tsy hanampy ny filazana na ny fanaovana azy? Oviana ianao no nahita olona namaly tamin’ny fomba tahaka an’i Kristy ny fanambin’ny olona iray amin’ny fahasalamana ara-tsaina?

  • Diniho ny zavatra takatr’i Jesoa Kristy momba ny olana amin’ny fahasalamana ara-tsaina. (Azonao atao ny mamaky ny Almà 7:11–12.) Amin’ny fomba ahoana no ikatsahanao ny fanampiany raha toa ka mijaly noho ny olana amin’ny fahasalamana ara-tsaina na raha toa ka manohana olona toy izany ianao?

Olana amin’ny fahasalamana ara-tsaina

Sary
taratasy zaraina ho an’ny mpampianatra

Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra nianaran’izy ireo tao amin’ny vondrona nisy azy.

Afaka manampy amin’ny fisorohana ny famonoana tena isika ary hanampy ireo izay namoy olona lalaina noho ny famonoana tena.

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ny olona goavana amin’ny fahasalamana ara-tsaina dia mety hitarika amin’ny famonoana tena. Asao ireo mpianatra hamaky ny Môzià 18:8–9 ary hizara ny fomba ahafahan’ireo fampianarana ao amin’ireo andalan-tsoratra masina ireo mitarika antsika amin’ny fanampiana ireo izay mitolona amin’ny eritreritra hamono tena. (Rehefa mizara ireo mpianatra dia mety hahita fahamarinana mitovy amin’izao manaraka izao izy ireo: Amin’ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy antsika dia antsoina isika mba hifampitondra ny enta-mavesatry ny tsirairay ary hiara-malahelo amin’izay malahelo.)

  • Tamin’ny fomba ahoana no nahitanao io fitsipika io nampiharina? Inona koa ny zavatra azonao atao amin’ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy anao mba hanampiana amin’ny fisorohana ny famonoana tena? (Azonao atao ny mampiseho ilay horonan-tsary “Preventing Suicide” [1:43], ahitana ny Rahavavy Carol F. McConkie, izay voarakitra ao amin’ny fizarana 3 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy manampy ireo izay mitolona amin’ny eritreritra hamono tena? Ahoana no ahafahan’ Izy Ireo manampy olona izay namoy olona lalaina noho ny famonoana tena?

Omeo minitra vitsy ireo mpianatra hiraketana ny zavatra azon’izy ireo atao mba hamaliana amin’ny fitiavana tahaka ny an’i Kristy sy amim-pangorahana ny olana na toe-javatra iainan’ny olona iray hafa ka mitarika famonoana tena.

Ho an’ny lesona manaraka

Hevero ny hametraka ireto fanontaniana manaraka ireto any amin’ny faran’ny fotoam-pianarana na ao amin’ny hafatra iray mandritra ny herinandro. Asao ireo mpianatra handalina ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianaranaho an’ny lesona manaraka miaraka amin’ireo fanontaniana ireo ao an-tsaina.

  1. Amin’ny fomba ahoana ny fibebahana ataonao no mitondra soa ho an’ny fianakavianao?

  2. Ahoana no hahazoanao fanampiana mba hamela havana iray izay nanafintohina na nandratra anao?

Hamoaka printy