Institiota
Lesona 8, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Mikatsaka ny hahatakatra ny fifanintonana eo amin’ny samy lahy na eo amin’ny samy vavy sy mitia ireo rahalahy sy rahavavintsika LGBT


“Lesona 8, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Mikatsaka ny hahatakatra ny fifanintonana eo amin’ny samy lahy na eo amin’ny samy vavy sy mitia ireo rahalahy sy rahavavintsika LGBT,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra (2022)

“Lesona 8, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Sary
andiana tanora mandeha amoron-dranomasina

Lesona 8, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Mikatsaka ny hahatakatra ny fifanintonana eo amin’ny samy lahy na eo amin’ny samy vavy sy mitia ireo rahalahy sy rahavavintsika LGBT

Zanaka mamin’ny ray aman-dreny any an-danitra isika rehetra. Olona manana talenta sy fahafahana ary traikefa manokana ihany koa isika. Ny sasany amin’ireo zanak’ Andriamanitra dia miaina fifanintonana amin’ny samy lahy na ny samy vavy na milaza ny tenany ho tia lehilahy raha lehilahy izy na tia vehivavy raha vehivavy izy, na sady tia lehilahy no tia vehivavy, na transgenre (tsy mitovy amin’ny namaritana azy ny fahatsapany ny maha-lahy na maha-vavy azy na ny fanehoany izany), izay fantatry ny maro amin’ny hoe LGBT. (Ny lohahevitra momba ny transgenre dia noresahina tao amin’ny lesona 7.) Ahoana no namalianao olona manana fifanintonana eo amin’ny samy lahy na eo amin’ny samy vavy na milaza ny tenany ho LGBT? Raha manana fifanintonana eo amin’ny samy lahy na eo amin’ny samy vavy ianao, nanao ahoana ny niainanao izany tamin’ny fianakaviana sy ny namana ary ireo mpikamban’ny Fiangonana? Rehefa mandalina ity tahirin-kevitra ity ianao, dia eritrereto ny zavatra azonao atao mba ho lasa tahaka ny Mpamonjy kokoa ary handray ny zanaky ny Ray any An-danitra rehetra am-pitiavana sy tsy manilika ary am-panajana.

Fizarana 1

Ahoana no hanampian’ny Tompo ahy haneho fitiavana sy fanajana an’ireo izay manana fifanintonana eo amin’ny samy lahy na eo amin’ny samy vavy?

Ny Filoha Thomas S. Monson dia nampianatra fa “ny fitiavana no ampahany manan-danja indrindra amin’ny filazantsara ary i Jesoa Kristy no Ohatra ho antsika” (“Ny fitiavana—fitsipika fototry ny filazantsara,” Liahona, mey 2014, 91). Tany akaikin’ny fiafaran’ny asa fanompoany teto an-tany ny Mpamonjy dia nanamafy ny maha zava-dehibe ny tena fitiavana ny rehetra tamin’ny fanomezana ireo mpianatra “didy vaovao.”

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Jaona 13:34–35 dia saintsaino ny fomba ahafahan’io didy io mitarika anao amin’ny maha mpanaradia an’i Jesoa Kristy anao.

Tahaka ireo mpikambana hafa ato amin’ny Fiangonana, ireo izay manana fifanintonana eo amin’ny samy lahy na eo amin’ny samy vavy dia manana namana sy fianakaviana, fanantenana sy nofinofy, ary tanjaka sy fahalemena, ary miezaka mamakivaky tsara araka izay azony atao ireo fanambin’ny fiainana izy ireo. Mampalahelo anefa fa ny sasany izay manana fifanintonana eo amin’ny samy lahy na eo amin’ny samy vavy na milaza ho LGBT dia mahatsapa ho tsy manana ny toerany ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo. Raha tokony hahatsiaro ho tiana sy tohanana izy ireo, dia maro no mahatsiaro ho voailikilika, mitokana irery, very hevitra ary matahotra.

Sary
tanora malahelo mijery eo amin’ny varavarankely

Raha mbola mpanolotsaina tao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavy maneran-tany Rahavavy Carol F. McConkie dia nampianatra hoe:

Sary
Ny Rahavavy Carol F. McConkie

Tsy afaka hiantso ny tenantsika hoe mpianatr’i Kristy isika raha toa ka tsy manampy ny hafa eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia tsy manilikilika olona. Ny olona no manilikilika olona. …

Raha hanorina ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany isika dia mila ny rehetra mba ho tonga, ho tonga sy hanao ny anjarany. (“Lifting Others” [2:49], ChurchofJesusChrist.org)

Sary
mankahery an’i Maria sy i Marta i Jesoa

Eritrereto vetivety ny fiainan’ny Mpamonjy. Oviana Izy no naneho fitiavana ho an’ireo izay nitolona mba hahatsapa ho ekena? Eritrereto ny fomba ahafahan’ny fampiharana ireto sosokevitra manaraka ireto manampy anao hanaraka tsara ny ohatry ny Mpamonjy momba ny fitiavana rehefa mifanakalo hevitra sy rehefa miresaka amin’olona manana fifanintonana eo amin’ny samy lahy na eo amin’ny samy vavy:

  1. Miteny sy manao zavatra amim-pahamalinana, sy fiahiana ary fangorahana. Nampianatra ny Loholona Quentin L. Cook ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Amin’ny maha fiangonana antsika dia tsy tokony hisy olona ho be fitiavana sy be fangorahana kokoa noho isika. … Aoka isika mba ho lohalaharana amin’ny fanehoana fitiavana sy fangorahana ary fanoloran-tanana an-tsitrapo.” (“Let Us Be at the Forefront” [0:59], ChurchofJesusChrist.org; jereo ilay horonan-tsary raha hianatra misimisy kokoa.)

  2. Manorena fahatakarana amin’ny alalan’ny fihainoana tsy misy fitsaratsarana. Ny Filoha Jean B. Bingham ao amin’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany dia nizara izao: “Anisan’ny fomba tsara indrindra hanorenana fifandraisana tsara dia ny tsy manao petra-kevitra na hevitra namboarina mialoha, sady mihazona saina misokatra sy fo misokatra.” (Raha hianatra misimisy kokoa dia jereo ny “Focus on the One” [2:32], ChurchofJesusChrist.org.)

  3. Ekeo fa ny fifanintonana misy eo amin’ny samy lahy na eo amin’ny samy vavy dia tena misy. Nampianatra ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Zavatra iray izay manan-danja foana ny fanekena ny fahatsapan’ny olona iray, hoe tena misy izany. Hoe tena izy ilay izy. Hoe tsy lavintsika fa misy olona manana fahatsapana manokana.” (Raha hianatra misimisy kokoa dia jereo ny “Feelings Are Real and Authentic” [0:47], ChurchofJesusChrist.org.)

  4. Mifantoha amin’ny maha ianao anao mandrakizay. Nilaza ny Filoha Russell M. Nelson fa: “Tsy mitovy ny lanjan’ny famantarana rehetra. Saingy raha misy marika manolo ireo famantarana anao manan-danja indrindra, dia mety ho hanempotra ara-panahy ny vokatr’izany. … Tsy misy famantarana tokony hamindra, hanolo, na ho lasa laharam-pahamehana mihoatra noho ireto anarana telo maharitra ireto: -zanak’ Andriamanitra,- -zanaky ny fanekempihavanana,- ary -mpianatr’i Jesoa Kristy-” (“Safidy ho an’ny mandrakizay” [fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny tanora, 15 mey 2022], ChurchofJesusChrist.org).

  5. Hajao ny didy sy fanekempihavanan’ Andriamanitra. Ny fitiavana ny hafa tahaka ny itiavan’ny Mpamonjy antsika dia tsy midika hoe manaiky na manohana na mampiroborobo ny fitondran-tena mifanohitra amin’ireo didin’ Andriamanitra isika. Nampianatra i Jesoa Kristy hoe: “Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko” (Jaona 14:15). Ny Loholona D. Todd Christofferson dia nanazava fa ny didy voalohany, ny mitia an’ Andriamanitra, dia voalohany noho ny antony anankiray: “Ny hoe mametraka ny didy voalohahy ho eo amin’ny laharana voalohany dia tsy mampihena na mametra ny fahafahantsika mitandrina ny didy faharoa [ny mitia ny namantsika]. Ny mifanohitra amin’izany mihitsy, mampitombo sy manamafy ny fitandremantsika ny didy faharoa. … Ny fitiavantsika an’ Andriamanitra dia mampitombo ny fahafahantsika mitia feno sy tanteraka kokoa ny hafa satria raha ny tokony ho izy dia mpiara-miasa amin’ Andriamanitra isika amin’ny fiahiana ireo zanany” (“The First Commandment First” [Fampaherezam-panahy an’ny Oniversite Brigham Young 22 martsa 2022], 2, speeches.byu.edu).

Maneho fitiavana an’ Andriamanitra sy ny hafa isika rehefa mampita mazava tsara ny fotopampianarany sy ny didiny amin’ny fomba feno fitsinjovana ny hafa. Araka ny voalaza ao amin’ny loharanom-pitaovana momba ny fifanintonana eo amin’ny samy lahy na eo amin’ny samy vavy izay navoakan’ny Fiangonana hoe:

Tsy misy fiovana ny toeran’ny fijerin’ny Fiangonana momba ny zavatra mety ara-pitondrantena: Fa ny miova, sy mila ovaina, dia ny fanampiana ireo mpikamban’ny Fiangonana handray amin’ny fomba feno fitsinjovana sy am-pieritreretana rehefa misy olona manana fifanintonana eo amin’ny samy lahy na eo amin’ny samy vavy ao amin’ny fianakaviany, na eo anivon’ny mpikambana hafa, na any amin’ny toerana hafa. (Ao amin’ny Same-Sex Attraction: Church Leaders, “Communicate Doctrine with Love,” ChurchofJesusChrist.org; jereo ihany koa ny horonan-tsarin’ny Loholona Dallin H. Oaks hoe “What Needs to Change,” ChurchofJesusChrist.org)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Makà minitra vitsy handinihina ny fihetsikao sy ny zavatra ataonao manoloana ireo izay manana fifanintonana eo amin’ny samy lahy na eo amin’ny samy vavy na milaza ho LGBT. Hilaza ve ianao fa ny eritreritrao na ny teninao na ny zavatra ataonao dia nifanaraka tamin’ilay didin’ny Tompo hoe “mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo”? (Jaona 13:34). Raha manana fifanintonana eo amin’ny samy lahy na eo amin’ny samy vavy ianao, dia eritrereto ny fomba ahafahanao maneho fitiavana an’ireo izay tsy mahatakatra sy tsy mangoraka ny zavatra iainanao.

Fizarana 2

Inona avy ny zavatra tokony ho fantatro momba ny fifanintonana eo amin’ny samy lahy na eo amin’ny samy vavy?

Ny fiteny toy ny hoe gai (indraindray dia ampiasaina hilazana olona voasintona amin’ny olona mitovy fananahana aminy amin’ny ankapobeny na koa ilazana manokana lehilahy voasintona amin’ny lehilahy), na lesbienne (vehivavy voasintona amin’ny vehivavy), na bisexuel(le) (lehilahy na vehivavy voasintona amin’ny lehilahy sy vehivavy) dia ampiasaina hilazana fahatsapana, na toetra mamaritra, na fomba fiainana. Tsarovy fa na inona na inona teny ampiasain’ny olona iray hamaritany ny fahatsapany na ny fironany ara-nofo, ny maha isika antsika manan-danja indrindra “dia [ny hoe] fanahy izay zanakalahy sy zanakavavy malalan’ny ray aman-dreny any an-danitra” (“Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” ChurchofJesusChrist.org).

Sary
vehivavy mitsiky

Ny fivoaran’ny fironantsika ara-pananahana dia sarotra ary betsaka ny antony mamaritra azy. Mety hiovaova ny hamafin’ny fifanintonana eo amin’ny samy lahy na eo amin’ny samy vavy, mety hiovaova rehefa mandeha ny fotoana, ary tsy mitovy izany ho an’ny olona rehetra. Tsy manana hevitra ijoroana ôfisialy mikasika ny antony mahatonga ny fifanintonana eo amin’ny samy lahy na eo amin’ny samy vavy ny Fiangonana. (Jereo ny “Same-Sex Attraction: Individuals,” ChurchofJesusChrist.org.)

Noho ny fitiavana lalina ireo zanany dia nanome antsika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena ny Ray any An-danitra ary nandidy fa ny firaisana ara-nofo dia natao ho an’ny “lehilahy sy ny vehivavy nivady ara-dalàna ihany” (“Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao”). Io lalàna io dia miaro ny tanjona masin’ny fananahana ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra ary mihatra amin’ny zanak’ Andriamanitra rehetra. Notendren’ Andriamanitra ny firaisana ara-nofo mba ho eo amin’ny lehilahy sy vehivavy ao anatin’ny fanekempihavanan’ny fanambadiana “ho famoronana zanaka sy fanehoana fitiavana” (Gospel Topics, “Chastity,” topics.ChurchofJesusChrist.org).

Ho setrin’ny fanerena ara-tsôsialy hanova ny fampianarana mikasika ny fahadiovam-pitondrantena dia nilaza ny Loholona D. Todd Christofferson hoe:

Sary
Ny Loholona D. Todd Christofferson

Efa nampiharina hatrany am-boalohany indrindra ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena. … Ny fotopampianarantsika, tsy hoe zavatra inoana fotsiny fa fotopampianarana, izay manao hoe ny firaisana ara-nofo dia tsy mety sy tsy ara-dalàna eo imason’ny Tompo raha tsy eo amin’ny lehilahy sy vehivavy nivady ara-dalàna sy ara-panjakana dia tsy niova ary tsy hiova mandrakizay. (Ao amin’ny Sarah Jane Weaver, “Church’s Doctrine on Chastity Will Never Change, Says Elder Christofferson,” Church News [Vaovaom-piangonana], 5 feb. 2015 ChurchofJesusChrist.org)

Zava-dehibe ny manavaka ny fahatsapana sy ny fitondran-tena. Ny fifanintonana eo amin’ny samy lahy na eo amin’ny samy vavy na ny tia lehilahy raha lehilahy izy na tia vehivavy raha vehivavy izy, na sady tia lehilahy no tia vehivavy dia tsy mahatonga ny olona iray ho mpanota, na ratsy na simba, fa ny manao zavatra araka ireo fahatsapana ireo amin’ny fandikana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena kosa anefa dia fanitsakitsahana ny didin’ny Ray any An-danitra.

Sary
tanora miresaka mandritra ny fisakafoanana

Raha niresaka momba ny fihevitry ny Fiangonana momba ny fifanintonana eo amin’ny samy lahy na eo amin’ny samy vavy ny Filoha M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, dia nampianatra hoe:

Sary
Ny Filoha M. Russell Ballard

Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia mino fa -ny fahatsapana fifanintonana eo amin’ny samy lahy na ny eo amin’ny samy vavy dia zava-misy sarotra takarina ho an’ny olona maro. Ilay fifanintonana manokana dia tsy fahotana, fa ny fanaovana fihetsika mifanaraka amin’izany dia fahotana. Na dia tsy safidin’ny olona aza ny handairan’ny fifanintonana toy izany dia afaka misafidy ny fomba hiatrehany izany fifanintonana izany izy, “Is Feeling Same-Sex Attraction a Sin?” section, ChurchofJesusChrist.org]. (“The Lord Needs You Now!,” Ensign, Sept. 2015, 29)

Eo ny famindrampon’ny Tompo ho an’izay nandika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena. Rehefa misafidy ny hanatona Azy sy mibebaka izy ireo dia hamela azy ireo Izy.

Raha toa ireo mpikambana manana fifanintonana eo amin’ny samy lahy na eo amin’ny samy vavy na milaza ho LGBT ka mitandrina ny fanekempihavanany, dia afaka mandray anjara feno ao amin’ny Fiangonana sy mihazona antso ary mitsaoka any amin’ny tempoly izy ireo (jereo ny D. Todd Christofferson, “LGBT People Who Live God’s Laws Can Fully Participate in the Church” [0:48], ChurchofJesusChrist.org; jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:8).

Raha manana fifanintonana eo amin’ny samy lahy na eo amin’ny samy vavy ianao, dia eritrereto ny fomba ahafahan’ny loharanom-pitaovana voatanisa ao amin’ny fizarana “Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?” mitahy ny fiainanao. Ary koa, raha tsy mampaninona anao dia hevero ny hizara ny zavatra niainanao amin’ny olona ao amin’ny fianakaviana na namana na mpitarika ao amin’ny Fiangonana iray azo antoka. Tandremo ny filazana ny tenanao ampahibemaso amin’ny fomba izay mety handrava ny tanjonao mandrakizay.

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Ahoana no ahafahanao ho voatahy rehefa manana fahatakarana tsara kokoa momba ny zavatra ampianarin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana momba ny fifanintonana eo amin’ny samy lahy na eo amin’ny samy vavy?

Fizarana 3

Ahoana no ahaizako mahatakatra ny fihevitra rehetra mifanohitra momba ny fifanintonana eo amin’ny samy lahy na eo amin’ny samy vavy?

Ankehitriny dia maro ny fomba fijery momba ireo lohahevitra mahakasika ny fanambadiana, ny fianakaviana, ny fifanintonana eo amin’ny samy lahy na eo amin’ny samy vavy, ary ny LGBT. Rehefa mianatra momba ireo lohahevitra ireo isika dia zava-dehibe ny mikatsaka ny hahatakatra tsara ny fomba fijerin’ny Ray any An-danitra izay mibanjina ny mandrakizay.

Ny Filoha Bingham dia nampianatra izao manaraka izao:

Sary
Filoha Jean B. Bingham

Ny fomba fijery izay mampazava ny zava-drehetra dia ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay: ilay fomba fijery tonga lafatra sy mahafaoka ny zava-drehetra ananan’ny Raintsika any An-danitra. …

Amin’ny fomba fijeriny Andriamanitra dia mahita antsika sy ny zavatra rehetra manodidina antsika “araka ny tena toetrany, sy … araka ny ho tena toetrany” [Jakôba 4:13]. Ny fomba fijeriny dia lava fa tsy voafetra ho amin’ny eto sy izao fotoana izao, ka mamela Azy hahita ny fahafahantsika araka an’ Andriamanitra fa tsy ny toe-javatra misy antsika ankehitriny na taloha fotsiny. Ary amin’ny alalan’ny masom-pitiavana no hijereny ny zanany rehetra. (“How to Be Happy Now—and Forever” [Brigham Young University devotional, Dec. 10, 2019], 2, speeches.byu.edu)

Rehefa mamaky ireto fahamarinana manaraka ireto ianao miaraka amin’ireo tenin’ny mpaminany na apôstôly izay manohana izany dia eritrereto ny fomba ahafahan’izy ireo manampy anao hampivelatra kokoa fomba fijery mibanjina ny mandrakizay manoloana ny fifanintonana eo amin’ny samy lahy na eo amin’ny samy vavy.

  1. Ny Ray any An-danitra dia tia ny zanany rehetra (jereo ny 1 Nefia 11:17; 1 Jaona 4:9–10, 16).

    Nampianatra ny Filoha Monson hoe:

    Sary
    Filoha Thomas S. Monson

    Tia anareo ny Rainareo any An-danitra—ianareo tsirairay avy. Tsy miova mihitsy izany fitiavana izany. … Eo izany ho anareo rehefa malahelo ianareo na faly, na kivy na feno fanantenana. Eo ny fitiavan’ Andriamanitra anareo na mahatsapa mendrika ny homena fitiavana ianareo na tsia. (“Tsy irery na oviana na oviana,” Liahona, nôv. 2013, 123–24)

  2. Ny Mpamonjy dia manana fahatakarana tonga lafatra momba ny zavatra iainantsika ary mahafantatra ny fomba hanampiana antsika sy hampaherezana antsika tsirairay (jereo ny Almà 7:11–12).

    Hoy ny Filoha Oaks hoe:

    Sary
    Filoha Dallin H. Oaks

    Ny Mpamonjintsika dia niaina sy niaritra ny fahafenoan’ny fotoan-tsarotry ny fiainana rehetra. … Noho izany dia mahafantatra ny fahasahiranantsika, ny alahelontsika, ny fakam-panahintsika ary ny fijaliantsika Izy, satria niaina izany rehetra izany tamim-tsitrapo ho fanatanterahana ny ampahany lehibe iray amin’ny Sorompanavotany. Koa satria nahavita izany Izy dia manome hery Azy mba hanampiana antsika ny Sorompanavotany—mba hanomezana antsika ny hery hahafahana mizaka ny zava-drehetra. (“Ankaherezin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy,” Liahona, nôv. 2015, 61–62)

  3. Manana ny toerany avokoa isika rehetra ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo sy ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ny fahasambarana (jereo ny Salamo 84:11–12; 1 Korintiana 12:12–26; Môzià 2:41).

    Nanazava ny Filoha Ballard hoe:

    Sary
    Filoha M. Russell Ballard

    Tiako ho fantatry ny mpikamban’ny Fiangonana tsirairay izay gai na lesbienne hoe mino aho fa manana toerana ianao ao amin’ny fanjakana ary fantatro fa mety sarotra aminao indraindray ny mahita ny toerana mety aminao ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo, saingy misy toeranao ao. (“Questions and Answers” [Brigham Young University devotional, Nov. 14, 2017], 3, speeches.byu.edu)

    Ny sasany izay manana fifanintonana eo amin’ny samy lahy na eo amin’ny samy vavy koa dia mety nanontany tena ny fomba ahatafiditra azy ireo ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ny fahasambarana aorian’ity fiainana ity. Nanome toky antsika ireo mpaminany fa ny Raintsika any An-danitra be fitiavana dia hitahy ireo rehetra izay mitodika sy mijanona ho mahatoky Aminy. Hoy ny torohevitra nomen’ny Loholona Ulisses Soares:

    Sary
    Loholona Ulisses Soares

    Ireo fitsipika ireo dia mihatra ihany koa amin’ireo izay miaina ny fifanintonan’ny samy lahy na samy vavy ka mahatsapa ho kivy sy tsy misy afaka manampy. Ary noho izany angamba no mahatonga ny sasany aminareo mahatsapa fa tsy ho anareo intsony ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Raha izany no izy dia te hanome toky anareo aho fa misy mandrakariva ny fanantenana ao amin’ Andriamanitra Ray sy ao amin’ny drafitry ny fahasambarany, ao amin’i Jesoa Kristy sy ny sorona fanavotana nataony, ary ao amin’ny fiainana ireo didy feno fitiavana nomen’ Izy Ireo. Enga anie ny Tompo hamehy antsika ho Azy ao anatin’ny fahendreny, sy ny heriny, sy ny fahamarinany, ary ny fahasoavany izay lavorary, ka hoentina eo anatrehany isika ary hahazo famonjena mandrakizay, raha toa ka miorina mafy sy tsy miova amin’ny fitandremana ny didiny [jereo ny Almà 1:25] ary hahefa be mandrakariva amin’ny asa tsara [jereo ny Môzià 5:15]. (“Mitondra ny hazo fijaliantsika,” Ensign, nôv. 2019, 114)

  4. Rehefa mifantoka amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy isika sy mitandrina ireo fanekempihavanana nataontsika tamin’ Izy Ireo, dia azo tohanana amin’ny alalan’ny fanantenana (jereo ny 2 Nefia 31:20).

    Nijoro ho vavolombelona ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, fony izy tao amin’ny Fiadidiana Voalohany, nanao hoe:

    Sary
    Filoha Dieter F. Uchtdorf

    Manantena an’i Jesoa Kristy isika, sy amin’ny fahatsaran’ Andriamanitra, sy amin’ny fisehoan’ny Fanahy Masina, ary amin’ny fahalalana fa ny vavaka dia misy mihaino sy mamaly. … Io karazana fanantenana io dia mamelombelona antsika amin’ny herim-po mandritra ireo fanamby sarotra ary manome hery ireo izay mahatsapa ho voatohintohin’ny tahotra sy fisalasalana ary famoizam-po. (“The Infinite Power of Hope,” Liahona, Nov. 2008, 23)

Sary
Endrik’i Kristy, nataon’i Heinrich Hofmann
Sary
sary famantarana, ifanakalozy hevitra

Ifanakalozy hevitra mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Miaraka amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana na namana iray azo antoka dia resaho ny zavatra nianaranao sy tsaroanao rehefa namaky ity tahirin-kevitra ity ianao. Tongava mamonjy fotoam-pianarana efa vonona hizara izay hevi-baovao voarainao tamin’ny fifampiresahanareo.

Hamoaka printy