Institiota
Lesona 10, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny fanambadiana


“Lesona 10, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny fanambadiana,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny Fianakaviana mandrakizay (2022)

“Lesona 10, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny fianakaviana mandrakizay

Lesona 10, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Ny Fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny fanambadiana

Ny fidirana ao amin’ “ilay fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny fanambadiana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:2) sy ny fanajana izany dia ilaina ho an’ny fisandratana. Ato amin’ity lesona ity ireo mpianatra dia hanana fahafahana hanazava ny lanja mandrakizain’ny fanekempihavanan’ny fanambadiana sy ny antony hanaovan’izy ireo ezaka ho an’ny fanambadiana mandrakizay. Hihevitra izay zavatra azon’izy ireo atao hiomanana amin’ny fidirana ao amin’ny fanekempihavanan’ny fanambadian’izy ireo sy hanajana izany koa izy ireo.

Sosokevitra enti-mampianatra

Ny fanambadiana mandrakizay dia fiaraha-miasa amin’ Andriamanitra.

Hevero ny hanombohana ny fianarana amin’ny fanasana mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra nianaran’izy ireo tamin’ny fifampiresahany tamin’olona iray izay efa nofehezina tany amin’ny tempoly (jereo ny fanasana ao amin’ny fizarana 1, tahirin-kevitra hoenti-manomana). (Fanamarihana: Azonao atao ny mifandray amina mpianatra iray na roa andro vitsivitsy mialoha ny fotoam-pianarana mba hanontany azy raha toa afaka ny ho tonga any am-pianarana efa vonona hizara ny zavatra nianarany avy amin’ny fifampiresahana nataony izy ireo.)

Azonao anontaniana ireo mpianatra raha toa ka manana fanontaniana mikasika ny fanekempihavanan’ny fanambadiana na ny ôrdônansy famehezana ny fanambadiana izy ireo. (Hevero ny hanamboarana ny votoatin’ny lesona miainga avy amin’ireo fanontaniana apetraky ny mpianatra. Makà antoka fa ireo valin’ny fanontaniana apetraky ny mpianatra dia manaja ny fahamasinan’ny tempoly.)

Manatsara ny fampianarantsika sy ny fianarantsika

Valio amim-pandinihana ny fanontanian’ny mpianatra. Manehoa fankasitrahana rehefa vonona ny hametraka fanontaniana ireo mpianatra. Makà fotoana hihainona tsara sy hahatakarana tsara ny fanontanian’izy ireo ary mametraha fanontaniana fanaraha-maso araka izay ilaina. Mety ilaina indraindray ny mamaly avy hatrany ireo fanontaniana, fa amin’ny fotoana hafa dia mety ho tsara kokoa ny manampy ireo mpianatra hitady ny valin’ny fanontanian’izy ireo manokana. Azonao atao ihany koa ny manasa ireo olona sasany ao amin’ny kilasy mba hamaly ireo fanontaniana.

Vakio miaraka ity teny nambaran’ny Loholona Parley P. Pratt tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, izay namaritany ny zavatra tsapany tamin’izy vao nahafantatra hoe ny fanambadiana dia maharitra mandrakizay.

Sary
Parley P. Pratt

Avy tamin’i [Mpaminany Joseph Smith] no nianarako fa ny vady andefimandriko dia afaka ny hankinina amiko mandritra ny fiainana eto an-tany sy ny mandrakizay manontolo. … Avy aminy no nahalalako fa azonay atao ny mamboly ireny fitiavana ireny sy mampitombo azy haharitra mandrakizay. Ka ny vokatry ny fikambananay ho iray tsy misy fetra dia taranaka tsy ho tambo isaina tahaka ny isan’ireo kintan’ny lanitra, na ny fasi-dranomasina. … Efa nitia aho teo aloha, fa tsy fantatro hoe nahoana. Kanefa ankehitriny aho dia mitia, amin’ny fahadiovana, amin’ny fahatsapann-javatra lehibe sy miredareda izay mahery vaika tokoa. (Autobiography of Parley P. Pratt, ed. Parley P. Pratt Jr. [1938], 297–98)

  • Inona no mety ho fiantraikan’ny fahafantarana hoe afaka ny ho mandrakizay ny fanambadiana eo amin’ny safidintsika sy ny fahatsapantsika mahakasika ny fanambadiana eto amin’ity fiainana ity?

Avereno jerena miaraka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131: 1– 4, mba hitadiavana ireo fahamarinana fanampiny nampianarin’i Joseph Smith mikasika ny fanambadiana mandrakizay. Avy eo dia azonao atao ny manontany an’ireo mpianatra hoe inona ny zavatra manan-danja amin’izy ireo ao anatin’io andalan-tsoratra masina io. Mety hahita fahamarinana tahaka ireto izy ireo: Takina ny fanambadiana mandrakizay mba hahazoana ny ambaratonga ambony indrindra ao amin’ny fanjakana selestialy. Ireo izay miditra amin’ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny fanambadiana dia afaka mahazo fitomboana mandrakizay.

  • Raha avy amin’ny zavatra nianaranao tao amin’ny fizarana 1, tahirin-kevitra hoenti-manomana, dia inona no mampifandray ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny fanambadiana amin’i Abrahama sy i Saraha? (Hevero ny hanampiana ireo mpianatra hahita fa ny Tompo no nanome ity fampanantenana faran’izay lehibe an’i Abrahama sy i Saraha ity, anisan’izany ny hoe hanana fitomboana mandrakizay izy ireo [taranaka tsy hita isa].)

  • Ahoana no ahafahan’ny fanekempihavanan’ny fanambadiana hanome fahafahana antsika ho lasa hitovy kokoa amin’ny fianakaviantsika any an-danitra?

Asehoy ilay sary nampiarahina amin’ity izay maneho ny fifandraisana misy eo amin’ny fanekempihavanan’ny fanambadiana. Angataho ireo mpianatra hanazava ny zavatra nampianarin’ny Loholona David A. Bednar mikasika ity kisary ity (jereo ny fizarana 1, tahirin-kevitra hoenti-manomana ).

Sary
fanekempihavanan’ny fanambadiana naseho an-tsary tamina telozoro

Asehoy ity teny nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson manaraka ity: “Ny fanambadiana any amin’ny Tempoly dia tsy eo amin’ny mpivady ihany fa ahitana ny fiaraha-miasa amin’ Andriamanitra [jereo ny Matio 19:6]” (“Celestial Marriage,” Liahona, Nov. 2008, 93).

  • Amin’ny fomba ahoana no ahahafahan’ny fahatakarana an’io fahamarinana io hisy fiantraikany amin’ireo safidy izay ataon’ny mpivady?

Raha misy iray na maro ny olona ao amin’ny kilasinao no voafehy tany amin’ny tempoly dia hevero ny hanontany azy ireo raha vonona hizara amin’ny mpianatra ny fahatsapany mikasika ny maha-voafehy azy tany amin’ny tempoly izy ireo sy ny dikan’izany fanekempihavanana izany amin’izy ireo. (Azonao atao ny manontany ireo mpianatra ireo mialoha ny fotoam-pianarana mba hahafahany manana fotoana hanomanany ny valinteniny.)

Asehoy ary vakio miaraka ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Thomas S. Monson ity:

Sary
Filoha Thomas S. Monson

Mamporisika anareo aho mba hitazona ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay. Makà antoka fa ny fanambadianao amin’ny ho avy dia ho fanambadiana any amin’ny tempoly. Tsy misy sehatra mamy kokoa, tsy misy fotoana masina kokoa noho izany andro miavaka ho an’ny fanambadianao izany. Amin’io fotoana io sy amin’io toerana io no ahitanao sombiny amin’ny fifaliana selestialy. Aoka ianao ho mailo, aza mamela ny fakam-panahy handroba an’io fitahiana io tsy ho anao. (“Whom Shall I Marry?,” New Era, Oct. 2004, 6)

  • Nahoana ny fotopampianarana mikasika ny fanambadiana mandrakizay no mitondra fahatsapana fifaliana sy fitiavana lalina?

Hevero ny hangataka ireo mpianatra izay vonona mba hilaza ny antony sy ny fomba hanehoany ny ezaka ataon’izy ireo ho an’ny fanambadiana mandrakizay.

Afaka ny ho mandrakizay ny fanambadiana ho an’ireo izay mahatoky amin’ny fanekempihavanan’izy ireo.

Zarao ho vondrona kely vitsivitsy ny mpianatra. Omeo tahadikan’ny taratasy zaraina nampiarahina etoana ny vondrona tsirairay. Omeo torolalana ireo vondrona hamaky ilay rafi-tantara sy hifanakalo hevitra mikasika ireo fanontaniana.

Fanambadiana mandrakizay

Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny Fianakaviana mandrakizay —Lesona 10

Mpinamana amina mpivady izay tsy manatrika fivoriam-piangonana ao amin’ny paroasinao ianao. Nandritra ny resadresaka natao tamin’izy ireo dia nilaza ilay rangahy hoe: “Aza miasa saina amin’ny tsy fandehananay any am-piangonana amin’izao fotoana izao. Ao tsara izahay satria efa voafehy tany amin’ny tempoly. Ho tafaraka mandrakizay izahay.”

  • Eo am-pieritreretana ny zavatra nianaranao avy tao amin’ny fizarana 2, tahirin-kevitra hoenti-manomana, inona no zavatra tsy takatr’io mpivady io mikasika ny zavatra takina ho an’ny fanambadian’izy ireo mba ho lasa mandrakizay? (Azonao atao ny mamerina mijery vetivety ny fizarana 2.)

  • Inona ireo toetra tsara na safidy izay ahafahan’ny olona iray “mijanona ao amin’ny fanekempihavanana”? (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:19).

  • Ahoana no ahafahantsika hitovy kokoa amin’ny Mpamonjy rehefa mitandrina ireo fanekempihavanana sy fampanantenana masina izay nataontsika tamin’ Andriamanitra?

Fanambadiana mandrakizay

Sary
taratasy zaraina ho an’ny mpampianatra

Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra nianaran’izy ireo tao amin’ny vondrona mpifanakalo hevitra nisy azy. Eo am-pizaran’ny mpianatra ny valinteniny dia soraty eo amin’ny solaitrabe ireo fahamarinana nolazain’izy ireo. Mety ahitana hevitra mitovy amin’ireto manaraka ireto izany fahamarinana izany: Afaka ny ho mandrakizay ny fanambadiantsika raha toa ka notanterahina tamin’ny alalan’ny fahefan’ Andriamaitra izany ary raha toa isika mitoetra ao anatin’ny fanekempihavanan’ny fanambadiana. Ny Fanahy Masina (ilay Fanahy Masin’ny fampanantenana) dia hijoro ho vavolombelona amin’ny Ray ny amin’ny fahatokiantsika amin’ireo fanekempihavanan’ny fanambadiantsika. Ny Mpamonjy no ohatra tonga lafatra amin’ny fanajana ireo fampanantenana sy fanekempihavanana.

Mijoroa ho vavolombelona fa misy ny fanantenana ny hananan’ny tsirairay fanambadiana mandrakizay. Nataon’ny Mpamonjy izay hahafahantsika rehetra mibebaka sy ho voavela heloka ary hanao sy hitandrina ireo fanekempihavanana masina miaraka Aminy. Ampahatsiahivo ny mpianatra fa na ireo izay tsy manana fahafahana ny hanambady eto amin’ity fiainana ity aza dia afaka ny hofehezina amina andefimandry iray mandrakizay raha toa mahatoky izy ireo.

Azonao aseho ireto fanontaniana manaraka ireto ary asao ireo mpianatra hifidy iray ary hirakitra an-tsoratra ny fahatsapan’izy ireo momba izany:

  • Aiza ho aiza ny fanolorantenako hanambady any amin’ny tempoly? Inona avy ireo safidy azoko atao amin’izao fotoana izao mba hanohanana izany fanolorantena izany?

  • Ahoana no ahafahantsika manaraka kokoa ny ohatry ny Mpamonjy eo amin’ny fitandremako ireo fanekempihavanako? Ahoana no fomba hahazoako ny heriny mba hanampiana ahy hanao sy hitandrina ireo fanekempihavanako?

Farano izany amin’ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ireo fahamarinana voaresaka tato amin’ity lesona ity, ary entano ny mpianatra hampihatra ny zavatra tsapany sy nianarany.

Ho an’ny lesona manaraka

Entano ny mpianatra handalina ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ho an’ny lesona manaraka. Azonao omanina ho an’ny mpianatra ireto fanontaniana manaraka ireto hohalalininy rehefa mandalina izy ireo:

  • Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny Tompo ahy amin’ireo ezaka ataoko eo amin’ny fitadiavako ilay ho namako mandrakizay (na, ho an’ireo izay efa manambady, eo amin’ny fananganana fifandraisana mandrakizay)?

  • Inona avy ireo toetran’i Kristy ananan’ny vady sy ananako manokana izay manan-danja indrindra amiko?

Hamoaka printy