“Lesona 3, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny toetrantsika sy ny anjarantsika araka an’ Andriamanitra,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra (2022)
“Lesona 3, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra
Lesona 3, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra
Ny toetrantsika sy ny anjarantsika araka an’ Andriamanitra
Zanakalahy sy zanakavavy malalan’ny ray aman-dreny any an-danitra isika, ary manana fahafahana ho tonga andriamanitra. Ato amin’ity lesona ity ireo mpianatra dia hamantatra ny fiantraikan’ny fahatakarana ny toetrany araka an’ Andriamanitra eo amin’ny fifandraisan’izy ireo amin’ Andriamanitra sy ny fomba fijeriny sy fandraisany ny tenany sy ny hafa. Ny mpianatra dia hamaritra ihany koa ny fomba azony ampiasana ilay fahalalana ny toetrany sy ny anjarany araka an’ Andriamanitra mba hitondrana fiantraikany amin’ireo safidy izay ataony.
Sosokevitra enti-mampianatra
Fanahy zanakalahy sy zanakavy malalan’ny ray aman-dreny any an-danitra isika.
Ho anisan’ny fampaherezam-panahy ao amin’ny kilasy dia hevero ny hihira hira fihirana toy ny “Ô! ry Ray” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, p. 84) na ny “Zanaky ny Ray aho” (Bokin-kiran’ny ankizy, p. 2-3).
Mba hanombohana ny kilasy dia azonao asaina ireo mpianatra hizara andian-teny avy ao amin’ny hira fanokafana izay nampianatra azy ireo momba an’ Andriamanitra sy momba ny tenany ary hizara ny zavatra nianarany. Na azonao atao ny maneho ny sarin’ny ray aman-dreninao na olona hafa izay nitondra fiantraikany tsara teo amin’ny fahalehibiazanao. Mizarà toetra ara-batana na toetra mampiavaka tsapanao fa notahafinao avy tamin’izy ireo. Mangataha mpianatra vitsivitsy hizara zavatra notahafiny na nianaran’izy ireo avy tamin’ny ray aman-dreniny na olona hafa.
Asehoy eny amin’ny solaitrabe izao teny manaraka avy ao amin’ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” (ChurchofJesusChrist.org) izao: “Ny olombelona rehetra—ny lahy sy ny vavy—dia nohariana araka ny endrik’ Andriamanitra. Ny tsirairay dia fanahy izay zanakalahy sy zanakavavy malalan’ny ray aman-dreny any an-danitra, ary araka izany, ny tsirairay dia samy manana toetra […] araka an’ Andriamanitra.”
-
Inona no misongadina aminao amin’io zavatra voalaza io, ary nahoana? (Azonao atao ny misintona zavatra avy ao amin’ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana mba hampahalalina ny fahatakaran’ny mpianatra io fahamarinana io.)
-
Inona ihany koa no nanampian’ireo mpaminany antsika mba hahafantarantsika momba an’ Andriamanitra sy ny fifandraisantsika Aminy? Ary inona no ampianarin’izany fahatakarana izany antsika momba ny tenantsika? (Azonao omena minitra vitsy ireo mpianatra mba hamerenana mijery ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana mialoha ny hizaran’izy ireo ny valinteniny amin’ireo fanontaniana ireo.)
-
Miantraika amin’ny fomba fitsaohanao amin’ny fomba ahoana ny fahatakarana fa zanak’ Andriamanitra ianao?
Arakaraka ny haben’ny kilasinao dia alamino ho vondrona kely maromaro ireo mpianatra mba hifanakalo hevitra momba ny valin-tenin’izy ireo momba ireto fanontaniana manaraka ireto (nanana fahafahana ireo mpianatra rehefa nandalina ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana mba hanoratra ny sasany amin’ny eritreritr’izy ireo momba ny ray na maro amin’ireo fanontaniana ireo):
-
Inona no fiantraikan’ny fahatakarana ny toetrantsika araka an’ Andriamanitra amin’ny fomba fandraisantsika ny tenantsika sy ny hafa? Oviana ianao no efa niaina zavatra izay nahafahanao nijery ny olona mihoatra ny fitondran-tena na fihetsika manafintohina asehony ka nijery ny toetra araka an’ Andriamanitra ao aminy?
-
Milazà ohatra vitsivitsy avy amin’ny fiainan’ny Mpamonjy izay maneho ny fahatakarany ny toetra araka an’ Andriamanitra ao amin’ny hafa. Ahoana no ahafahanao maka tahaka Azy bebe kokoa amin’ny fomba itondranao ny hafa?
Iaraho mijery na manasà mpianatra iray hitantara ny zavatra niainan’i Mosesy raha niresaka tamin’ Andriamanitra sy tamin’i Satana avy eo, araka ny voarakitra ao amin’ny Mosesy 1:4–6, 12–16 (jereo ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana).
-
Inona no azontsika ianarana avy amin’ny zavatra niainan’i Mosesy? (Amin’ireo fahamarinana maro hafa misy dia mety hahita zavatra tahaka izao ireo mpianatra: Ny fahatakarana ny toetrantsika araka an’ Andriamanitra dia afaka manome hery sy miaro antsika amin’ny fahavalo.)
-
Nahoana araka ny eritreritrao ny fahatakarana ny toetrantsika araka an’ Andriamanitra no manome hery antsika hanohitra ny fahavalo?
-
Ahoana no mety hanampianao ny tenanao hahatsiaro hoe iza ianao rehefa manandrana mandresy lahatra anao ny mifanohitra amin’izany i Satana? (Azonao asaina ireo mpianatra hijery ny tantaran’ny Loholona Brian K. Taylor voaresaka ao amin’ny fizarana hoe “Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?” ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana mba hatao ho ohatra.)
Asehoy izao teny nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson manaraka izao:
Ny sosokevitro voalohany dia ny hianaranareo ho an’ny tenanareo hoe iza marina ianareo. Anontanio ny Rainareo any An-danitra, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, ny zavatra tsapany momba anareo sy ny asa nanirahana anareo eto ambonin’ny tany. Raha toa ka manontany amin’ny fo feno finiavana ianareo dia hibitsika aminareo ireo fahamarinana izay manova fiainana ny Fanahy rehefa mandeha ny fotoana. Raketo an-tsoratra ireny fahatsapana ireny dia avereno jerena matetika, ary araho amin’ny antsakany sy andavany izany. (“Mijoroa ho tena zanaky ny arivo taona,” Liahona, ôkt. 2016, 49)
Omeo minitra maromaro ireo mpianatra hisaintsainana sy handinihana mangina ny zavatra hampanaovin’ny Tompo azy ireo mba hahatakaran’izy ireo bebe kokoa ny toetran’izy ireo araka an’ Andriamanitra sy ny an’ny hafa. Azonao amporisihana izy ireo mba hivavaka mangina araka ny nangatahin’ny Filoha Nelson ary handray an-tsoratra izay fahatsapana voarainy izao sy miandalana.
Samy manana anjara araka an’ Andriamanitra isika tsirairay.
Ampio an’izao ilay teny avy tao amin’ny fanambarana ho an’ny fianakaviana eny amin’ny solaitrabe: “sy anjara.”
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Romana 8:16–17. Asaivo manaraka ny iray kilasy ka hitady ny zavatra nampianarin’i Paoly Apôstôly momba ny anjarantsika araka an’ Andriamanitra.
-
Inona no ampianarin’io soratra masina io anao momba ny zavatra irin’ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy ho anao? (Raha ilaina dia ampio ireo mpianatra hahatakatra ny dikan’ny hoe “mpiray lova amin’ i Kristy.” Jereo ny fizarana 3 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana raha hijery fanazavana.)
Azonao atao ny mangataka ny mpianatra mialoha ny fotoam-pianarana ho vonona hamintina sy hizara ny fahatsapany momba ny teny nambaran’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny fizarana 3 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.
Omeo fotoana ireo mpianatra mba handinika ireto fanontaniana manaraka ireto ary amporisiho izy ireo mba hirakitra an-tsoratra izay fahatsapana voarain’izy ireo:
-
Amin’ny fomba ahoana ny fahalalana ny toetranao araka an’ Andriamanitra no miantraika amin’ireo safidy ataonao amin’izao?
-
Inona no fiovana entin’ny zavatra nambaran’ny Filoha Uchtdorf amin’ny fomba fijerinao ny dingana miambakavaka ataonao, izay dingana toy ny an’ny zazakely? Ahoana no hanasanao ny Tompo mba hanampy anao hanohy handroso hatrany?
Manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny heviny na ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ny zavatra nianarany tato amin’ity lesona ity.
Azonao faranana amin’ny fizarana ny fiovana nentin’ny fahafantarana ny toetranao sy ny anjaranao araka an’ Andriamanitra teo amin’ny fiainanao. Amporisiho ireo mpianatra mba hitady fomba hahatsiarovany ny hoe iza izy sy ny hafa ary ny fomba tokony hitondrany ny tenany sy ny hafa.
Ho an’ny lesona manaraka
Hevero ny hangataka ireo mpianatra hieritreritra momba ny toerana misy ny fianakaviana ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra. Rehefa mandalina ny drafitra lehibe ananan’ Andriamanitra ho an’ny fianakaviany izy ireo dia amporisiho ireo mpianatra handinika ny toerana misy ny fianakavian’izy ireo ao amin’ny drafitr’izy ireo manokana ho an’ny fiainany.