Institiota
Lesona 9, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay


“Lesona 9, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny fianakaviana mandrakizay (2022)

“Lesona 9, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny fianakaviana mandrakizay

Lesona 9, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay

Ny fandraisana ny ôrdônansin’ny tempoly ho an’ny tenantsika sy ho an’ireo razambe efa maty dia manome hery antsika sy manampy antsika hanangana ny fianakaviantsika mandrakizay. Manampy ny Raintsika any An-danitra hampiray ny fianakaviany ihany koa ny tantaram-pianakaviana sy ny asan’ny tempoly. Noho ity lesona ity dia ho afaka hanazava ny sasany amin’ireo fitahiana izay azontsika raisina amin’ny alalan’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa momba ny tantaram-pianakaviana ireo mpianatra. Hasaina ihany koa ny mpianatra hamantatra ireo fomba ahafahan’izy ireo manomboka na manohy ireo ezaka ataony hitadiavana ireo razambeny efa maty sy hanatanterahana ireo ôrdônansy ho azy ireo any amin’ny tempoly.

Sosokevitra enti-mampianatra

Tian’ny Ray any An-danitra ny handrotsaka hery sy tanjaka eo amin’ireo zanany.

Hevero ny hanomboka ny lesona amin’ny fampisehoana ity fanontaniana manaraka ity sy ny hanasa ireo mpianatra hitanisa ireo valinteny eny amin’ny solaitrabe:

Amin’ny maha-tanora anao eto amin’izao tontolo ankehitriny izao, inona ny hery ara-panahy sy ireo fitahiana izay ilainao manokana ary nahoana?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny andalana fahatelo ao amin’ny fanambarana ho an’ny fianakaviana (jereo ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao Tontolo izao,” ChurchofJesusChrist.org). Angataho ny mpianatra hanazava ny zavatra fantany mikasika ny anjara asan’ny fanekempihavanana sy ny ôrdônansy eo amin’ny drafitr’ Andriamanitra.

Omeo fotoana ny mpianatra hijereny amim-pitandremana ny fanambarana nataon’ny Filoha Russell M. Nelson ao amin’ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana. Asao izy ireo hizara izay zavatra nianarany avy amin’ny Filoha Nelsona mikasika ny fanekempihavanana sy ny ôrdônansin’ny fisoronana. Eo am-pizaran’ny mpianatra dia ampio izy ireo hahita fahamarinana tahaka ity manaraka ity: Ny fandraisana ny ôrdônansy sy ny fanekempihavanana dia manamafy orina ny fanambadiana sy ny fianakaviantsika. Raha toa isika manaja ny fanekempihavanana sy ireo ôrdônansin’ny fisoronana dia hotahian’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny heriny (jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:22).

  • Amin’ny fomba ahoana no mahatonga ireo ôrdonansin’ny fisoronana sy ireo fanekempihavanana hanome hery na hanamafy orina anao sy ny fianakavianao? (Nasaina nandalina io fanontaniana io ny mpianatra tao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana.)

Afaka mijoro ho vavolombelona ianao momba ny iray na ny maro amin’ireo fitahiana ireo eo amin’ny fiainanao manokana sy ny fianakavianao. Amporisiho ny mpianatra hanao izay handraisana ireo ôrdônansin’ny tempoly raha toa izy ireo tsy mbola nandray azy ireo ary hanaja ireo fanekempihavana izay nataon’izy ireo.

Maniry ny handraisan’ny fianakaviany rehetra ny famonjena ny Raintsika any An-danitra.

Hevero ny hizara ny mpianatra ho vondrona kely vistivitsy ka hanao ity sahanasa manaraka ity. Omeo ny tahadikan’ity taratasy manaraka ity ny vondrona tsirairay avy. (Na afaka manomana iray tahaka izany ianao raha te hanamboatra ny rafi-tantara mba hifanaraka kokoa amin’ny trangan-javatra iainan’ny mpianatrao.) Asao ireo vondrona mba hanaraka ny torolalana ao amin’ny taratasy zaraina.

Ny fotopampianarana mikasika ny fanavotana ny maty

Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny Fianakaviana mandrakizay—Lesona 9

Vakio ity rafi-tantara manaraka ity ary ifanakalozy hevitra ao amin’ny vondrona ireo fanontaniana miaraka aminy.

Nanatrika varavarana misokatra vao tsy ela mikasika ny tempoly ny namana iray mpikambana ao amin’ny Fiangonana hafa. Tao no nahenoany olona niresaka momba ny fanatanterahana ôrdônansy ho an’ireo razambe efa maty. Andro vitsy taty aoriana dia nanontany anao izy hoe: “Nahoana ny fiangonanareo no manao fombafomba ho an’ny maty?”

  • Ahoana no hamalianao io fanontanian’ny namanao io? (Rehefa avy nifampiresahana ny amin’io fanontaniana io dia azon’ny vondrona misy anao jerena ny teny nambaran’ny Filoha Joseph F. Smith ao amin’ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana. Azonareo jerena miaraka ny 1 Korintiana 15:29.)

  • Inona no azon’io fotopampianarana mikasika ny fanavotana ny maty io ampianarina antsika mikasika ny toetra, ny faniriana ary ny fanatonan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Ny fotopampianarana mikasika ny fanavotana ny maty

Sary
taratasy zaraina ho an’ny mpampianatra

Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia manasà mpianatra iray na roa hizara ny zavatra nianaran’izy ireo tao amin’ny vondrona nisy azy.

Iaraho mijery ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:45, ary ifanakalozy hevitra ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Araka io andininy io dia nahoana no ilaina ny handraisantsika ireo ôrdônansin’ny tempoly hisoloana tena ireo razambentsika efa maty? (Amin’ny alalan’ny fampiasana ny tenin’ireo mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe ny fahamarinana toy ny hoe: Ny famonjena ireo razambentsika efa maty dia ilaina sy manan-danja amin’ny famonjena sy ny fahatanterahantsika manokana.)

  • Nahoana araka ny eritreritrao no ilaina ho an’ny famonjena ny tenantsika sy ny fanatanterahana antsika ny famonjena ireo razambentsika?

  • Ahoana no hahatongavantsika hitovy kokoa amin’ny Mpamonjy rehefa mitady ireo razambentsika efa maty isika sy rehefa mandray ireo ôrdônansy any amin’ny tempoly hisoloana tena azy ireo? (Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hijery ny teny nambaran’ny Filoha Gordon B. Hinckley ao amin’ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana.)

Asao ireo mpianatra hieritreritra ny fomba fahatsapany ny Mpamonjy noho ny ezaka ataony hanao zavatra ho azy ireo izay tsy vitan’izy ireo samirery. Avy eo dia asao izy ireo hieritreritra ny zavatra izay mety ho tsapan’ireo razambe rehefa mandray ireo ôrdônansin’ny famonjena ho azy ireo isika noho izy ireo tsy afaka mandray izany ho an’ny tenany.

Mitahy ireo izay manao asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa momba ny tantaram-pianakaviana ny Tompo.

Manatsara ny fampianarantsika sy ny fianarantsika

Manaova fanasana izay mitaona any amin’ny fampiharana. Rehefa mampihatra ireo fitsipika marina sy ireo fahamarinana ara-potopampianarana ireo mpianatra dia hihalalina ny fianarana’izy ireo ny filazantsara. Manampy azy ireo hiova fo ao amin’ny Tompo sy handray ireo fitahiana izay nampanantenainy an’ireo izay mpankatò ny fanaovana asa amim-pinoana. Rehefa miomana hanampy ireo ankizy ao amin’ny kilasy ianao dia ataovy lohalaharana ireo fanontaniana sy sahanasa izay mamporisika any amin’ny fampiharana.

Hevero ny hanasa ny mpianatra izay afaka mampiasa fitaovana elektrônika hiditra ao amin’ny FamilySearch.org na ny application Arbre familial an’ny FamilySearch. (Afaka mampiseho tranonkala na application amin’ny mpianatra ianao na manome sosokevitra an’ireo tsy manana fitaovana elektrônika hiara-hiasa amin’ireo mpiara-mianatra izay manana.) Iaraho mijery ny mombamomba ny sasany amin’ireo tranonkala na application. Eritrereto hoe inona amin’ireto fanontaniana ireto no mety manampy amin’ny fifanakalozan-kevitra:

  • Inona no zavatra efa niainanao avy amin’ny fanaovana tantaram-pianakaviana?

  • Inona no manakana anao na nanakana anao tany aloha tsy hanao tantaram-pianakaviana? Ahoana no fomba nandresenao ireo karazana sakana ireo? Ahoana no nahafahan’ny Tompo nanampy anao tamin’ireo ezaka nataonao?

  • Raha toa ianao efa nanao ôrdônansy isoloana tena ireo razambenao dia inona avy ireo fahatsapana nanananao tamin’izany fotoana izany?

Hevero ny hangataka ny mpianatra hitanisa ireo fitahiana nampanantenain’ny Tompo sy ireo mpitarika ny Fiangonana ho an’ireo izay mandray anjara amin’ny atao any amin’ny tempoly sy ny asa momba ny tantaram-pianakaviana.

Asao ny mpianatra hieritreritra ny hery ara-panahy sy ireo fitahiana izay tena ilain’izy ireo manokana amin’izao fotoana izao (asao izy ireo hijery ny lisitra eny amin’ny solaitrabe tany amin’ny fiantombohan’ny lesona. Asao ny mpianatra hizara sy hijoro ho vavolombelona momba ny fotoana izay niainany ireo karazana fitahiana ireo rehefa nandray anjara tamin’nyasa atao any amin’ny tempoly sy ny asa momba ny tantaram-pianakaviana izy ireo.

Omeo minitra vitsy ny mpianatra hanoratana ny fomba hampiharany ny zavatra nianarany tamin’ity lesona ity. Amporisiho izy ireo hametraka tanjona izay tsapany fa azony tanterahina amin’ny fandraisana anjara tsy tapaka amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa momba ny tantaram-pianakaviana. Azon’izy ireo atao ihany koa ny manoratra ireo fitahiana izay antenainy ho azo amin’ny fanaovana izany.

Fanamarihana Mitadiava fotoana rehefa mihaona amin’ ireo mpianatra amin’ny fotoam-pianarana any aoriana mba hanontaniana azy ireo izay nataony tamin’ireo tanjona napetrany ho an’ny tempoly sy ny fianakaviany.

Ho an’ny lesona manaraka

Azonao atao ny manasa ireo mpianatra any amin’ny fotoam-pianarana na mandritra ny herinandro mba hanadihady mpivady iray izay efa nofehezina tany amin’ny tempoly. Asao ireo mpianatra hanontany an’ilay mpivady ny fomba fiantraikan’ny fanekempihavanana izay nataon’izy ireo teo amin’ny fanambadiany rehefa nofehezina izy ireo sy ny fomba nikatsahan’izy ireo miaraka ny hanakaiky an’ Andriamanitra.

Hamoaka printy