Institiota
Lesona 23, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Rehefa tsy tonga ara-potoana ireo fitahian’ny fanambadiana mandrakizay sy ny fananan-janaka


“Lesona 23, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Rehefa tsy tonga ara-potoana ireo fitahian’ny fanambadiana mandrakizay sy ny fananan-janaka,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra (2022)

“Lesona 23, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Lesona 23, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Rehefa tsy tonga ara-potoana ireo fitahian’ny fanambadiana mandrakizay sy ny fananan-janaka

Maro ireo mpikamban’ny Fiangonana manana faniriana marina hahazo ireo fitahian’ny fanambadiana mandrakizay na fananan-janaka izay tsy tonga ara-potoana na voasakantsakana. Ato amin’ity lesona ity ireo mpianatra dia hifanakalo hevitra ny fomba ahafahan’izy ireo manao asa am-pinoana an’i Jesoa Kristy rehefa misedra ireo karazana fanamby ireo. Hamaritra ny zavatra azony atao ihany koa ireo mpianatra mba handray tsara ny olona hafa ao amin’ny paroasy na sampana misy azy ireo na manao ahoana na manao ahoana toe-javatra iainan’ny fianakavian’izy ireo.

Sosokevitra enti-mampianatra

Afaka misafidy ny hampihatra finoana an’i Jesoa Kristy isika rehefa misy fahatarana ireo fitahiana niriana.

Asehoy ary iaraho mamaky ilay teny nambaran’ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny fizarana 3 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana. Azonao aseho amin’ny loko miavaka na tanisaina eny amin’ny solaitrabe ireo toe-javatra iainana voalazany fa tsy voatery hitovy tanteraka amin’ireo idealy ampianarina ao amin’ny fanambarana ho an’ny fianakaviana.

  • Nahoana araka ny eritreritrao ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana no mampianatra hatrany ireo idealin’ny fiainam-pianakaviana raha toa ka tsy miaina ireo idealy ireo ny ankamaroan’ny mpikamban’ny Fiangonana? (Hevero ny hijery ny teny nambaran’ny Rahavavy Sharon Eubank ao amin’ny Fizarana 1 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

Asehoy ny sarin’i Abrahama sy Saraha ao amin’ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana, dia angataho ireo mpianatra mba hamintina ireo fitahiana izay tsy tonga ara-potoana na tsy tanteraka teo amin’ny fiainan’i Abrahama sy Saraha.

Asao ny mpianatra tsirairay hijery ny Hebreo 11:8, 11–13 ka hitady ireo andian-teny izay manamafy ny finoan’i Abrahama sy Saraha. Angataho ny mpianatra vitsivitsy mba hizara ny zavatra hitany.

  • Amin’ny fomba ahoana ny ohatr’i Abrahama sy Saraha no manampy ireo mpikamban’ny Fiangonana amin’izao andro izao izay voasedra finoana rehefa tsy tonga ara-potoana na tsy tanteraka ireo fitahiana nampanantenaina? (Rehefa avy mizara ny eritreriny ireo mpianatra dia soraty eo amin’ny solaitrabe izao fitsipika manaraka izao: Rehefa mahatoky amin’ny Tompo isika ary matoky ny fotoany dia ho azontsika ireo fitahiana nampanantenainy eto amin’ity fiainana ity na any amin’ny mandrakizay.)

Azonao ampahatsiahivina ny mpianatra fa ny fahazoana ireo fitahiana nampanantenaina dia matetika tsy resaka fahamarinan-toetra fa resaka fotoan’ny Tompo Asehoy izao fanambarana nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manaraka izao:

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

“Ny fitahiana sasany dia tsy maharitra ela dia mirotsaka, ny sasany somary taraiky, ary ny sasany kosa dia tsy mirotsaka mihitsy raha tsy any an-danitra; fa ho an’ireo izay manaiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, dia mirotsaka ihany izy ireo. Manamarina izany manokana ny tenako. (“An High Priest of Good Things to Come,” Ensign, Nov. 1999, 38)

Hevero ny hifanakalo hevitra momba ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra lalindalina kokoa momba ilay fitsipika eny amin’ny solaitrabe:

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny mpikamban’ny Fiangonana ao anatin’ny iray amin’ireo toe-javatra voalazan’ny Loholona Andersen (ao amin’ny teny nambarany ao amin’ny fizarana 1 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana, izay voaresaka tany aloha amin’ity fizarana ity) mampihatra hatrany ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fampianarany momba ny fianakaviana?

  • Inona avy ireo zavatra niainana na fampianarana nanatevina ny fatokianao fa ny Tompo dia hanatanteraka ireo fampanantenany na dia tsy tonga ara-potoana aza ireo fitahiana nirina? (Asao ireo mpianatra hijery ny zavatra nosoratany ho valin’ny sahanasa “Raketo ny eritreritrao” ao amin’ny fizarana 2 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

  • Oviana ianao na ny olona iray fantatrao no nandroso hatrany tamim-pinoana ny Tompo rehefa tsy tonga ara-potoana ny fitahiana iray mifandraika amin’ny fananana vady na zanaka? Inona no zavatra nianaranao mikasika ny Tompo avy tamin’izany zavatra niainanao izany?

Ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra ataonareo dia hevero ny hizara ity tantara manaraka momba ny tanora tokan-tena iray ity izay nozarain’ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany:

Sary
Filoha Dallin H. Oaks

Naharay taratasy avy tamin’ny vehivavy iray mianatra ao amin’ny Oniversiten’i Harvard aho. Nahatalanjona ahy ny votoatin’izany.

Hoy izy: “26 taona monja aho ary nahatsapa ny fitsapan’ny fanirery nanenika ahy aho.”

Rehefa avy nizara misimisy kokoa izy tao amin’ilay taratasiny dia nofaranany hoe: “Teny an-dalana aho nandeha nody avy tany am-piasana indray tolakandro iray taona lasa izay, namboraka ny foko tamin’ Andriamanitra, nilaza Taminy fa ny faniriako lalina indrindra dia ny ho lasa vady sy reny. Tampoka teo dia nitsahatra nanao izany aho raha nisy eritreritra sy fahatsapana mahery vaika tonga tao am-poko sy tao an-tsaiko. Izany eritreritra izany dia hoe diso aho. Ny fanirian’ny foko lalina indrindra dia tokony ho fanarahan-dia an’i Jesoa Kristy avy eo ny faharoa vao afaka ny ho vady sy reny. Nanomboka tamin’izay dia niova ny fijeriko ny fiainana. Nafamadiko izy ireo! Fantatro fa ho avy avokoa ireo fitahiana nampanantenaina rehetra, saingy amin’ny fotoan’ny Tompo no hitrangan’izany fa tsy amin’ny ahy.” Tena mahery vaika izany eritreritra izany! (Facebook, 11 jolay 2016, facebook.com/dallin.h.oaks)

Asao ireo mpianatra hirakitra ny zavatra azony atao mba hanehoana finoana an’i Jesoa Kristy hatrany eo am-piandrasan’izy ireo ny handray ireo fitahiana nirin’izy ireo.

Azonao amporisihana ireo mpianatra hikatsaka ny fitarihana sy ny fanohanan’ny Tompo amin’ny fianarana ny fomba hahazoana fifaliana, fahatanterahana ary fitomboana amin’izao, na manao ahoana na manao ahoana toe-javatra iainan’ny fianakaviany.

Ny mpikamban’ny Fiangonana tsirairay dia ampahany iray manan-danja amin’ny vatan’i Kristy.

Asao ireo mpianatra hijery ny 1 Korintiana 12:12–27, ka hitady ny zavatra ampianarin’ny fanoharan’i Paoly Apôstôly antsika momba ny Fiangonana sy ny mpikambana ao aminy.

  • Inona no fahamarinana azontsika ianarana avy amin’io fanoharana io? (Ao anatin’ireo fahamarinana hitan’ireo mpianatra dia alaivo antoka ny hanamafy izao manaraka izao: Ny mpikambana tsirairay ao amin’ny Fiangonana dia ilaina ary afaka mitondra ny anjara birikiny ato amin’ny Fiangonana.)

Mba hanampiana ireo mpianatra hieritreritra ny fomba handraisany ny hafa sy hisafidy ny ho voaray ato amin’ny Fiangonana dia azonao zaraina ity rafi-tantara manaraka ity (na ampifanaraho araka izay mety ilay rafi-tantara mba hitombina tsara kokoa amin’ireo mpianatrao):

Nisara-panambadiana i Victoria vao tsy ela. Naborany taminao fa tsy mahatsapa ho amin’ny toerany intsony izy ato amin’ny Fiangonana. Mipetraka irery izy ao am-piangonana ary mahatsapa ho tsy manana ny toerany mandritra ireo fifanakalozan-kevitra mifandraika amin’ny fanambadiana sy ny fianakaviana ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana. Mametra-panontaniana izy raha toa ka manana anjara biriky hoentina ho an’ny paroasiny amin’izao toe-javatra iainany izao.

Hevero ny handamina ireo mpianatra ho tsiroadroa ary asehoy ireto fanontaniana manaraka ireto. Manasà mpianatra iray avy amin’ny ekipa tsirairay hisaintsaina ny fomba hamaliany ireo fanontanian’i Victoria avy amin’ny fomba fijerin’i Victoria. Asao ilay mpianatra iray hafa hisaintsaina momba ny andiana fanontaniana iray hafa avy amin’ny fomba fijerin’ny olona ao amin’ny paroasy misy an’i Victoria. Afaka minitra vitsy dia asao ireo mpianatra hifanakalo hevitra momba ny valin-teniny.

Victoria

Mpikambana ao amin’ny paroasy

Tsy mahatsapa ho voaray ato aho. Inona no azoko atao mba hahatsapako ho manana ny toerako kokoa?

Ahoana no ahafahako manampy an’i Victoria amin’ny toe-javatra iainany amin’izao?

Inona avy ireo fomba fijery na anjara biriky azoko omeko ny paroasiko?

Inona no azoko atao mba hahatakarako bebe kokoa ny mahazo an’i Victoria sy hanampiako azy hahatsapa ho manan-danja sy ho voaray tsara ao amin’ny paroasinay?

Inona no azoko atao mba hamelana ny Mpamonjy hanampy ahy hahatakatra sy hahatsapa ny lanjako sy ny toerako ato amin’ny Fiangonany?

Ahoana no ahafahako mampiditra bebe kokoa ireo mpikambana ato amin’ny paroasy izay miaina toe-javatra toy ny hoe tokan-tena, na ray aman-dreny tokan-tena, na manambady fa tsy manan-janaka?

Rehefa avy nomena fotoana ampy dia manasà mpianatra vitsivitsy hizara amin’ny iray kilasy ny zavatra nianarany avy amin’io sahanasa io.

Omeo fotoana ireo mpianatra mba hirakitra sy hanao drafitra ny fomba entiny manao zavatra araka ny fahatsapana ananany mba hanohanana ireo mpikamban’ny Fiangonana mitovy aminy, na manao ahoana na manao ahoana toe-javatra misy azy. Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hieritreritra mpikambana manokana ao amin’ny paroasy na sampana misy azy ireo izay azon’izy ireo ampiana.

Hevero ny hamarana ny lesona amin’ny fijoroana ho vavolombelona momba ny fitiavana tsy mety levona ananan’ny Ray any An-danitra sy ny fanohanany ireo izay manana fiainam-pianakaviana misedra fanamby. Mijoroa ho vavolombelona ihany koa fa ny mpikambana tsirairay ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo dia ilaina avokoa ary afaka mitondra anjara biriky manan-danja.

Ho an’ny lesona manaraka

Asao ireo mpianatra hieritreritra olona izay fantany ka misedra olana amin’ny fahasalamana ara-tsaina sy ara-pihetsehampo. Amporisiho ireo mpianatra mba hamaky ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana manaraka miaraka amin’ireo olona ireo ao an-tsaina. Azonao atao ihany koa ny mamporisika ny mpianatra hitady fotoana maha irery hijerena ny fahasalamany ara-tsaina.

Hamoaka printy