Institiota
Lesona 26, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Famantarana ny herisetra sy ny fahasitranana aminy


“Lesona 26, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Famantarana ny herisetra sy ny fahasitranana aminy,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra (2022)

“Lesona 26, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Lesona 26, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Famantarana ny herisetra sy ny fahasitranana aminy

Nampitandrina ireo mpaminany sy ireo apôstôly fa “ireo izay mamono ny vadiny sy ny taranany … dia hijoro ho tompon’andraikitra eo anatrehan’ Andriamanitra indray andro any” (“Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” ChurchofJesusChrist.org). Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hahatakatra ny fomba hahafantarana sy hamaliana ny toe-javatra isian’ny herisetra. Hifanakalo hevitra momba ny herin’i Jesoa Kristy hanolotra fanasitranana ho an’ireo rehetra voan’ny herisetra ihany koa ireo mpianatra.

Fanamarihana: Mety manana mpianatra efa voan’ny herisetra ianao. Noho ny maha saropady sy manahirana ny herisetra dia mety hiteraka fihetsika ara-pihetseham-po avy amin’ireo mpianatra niharan’ny fanararaotana ity lesona ity, indrindra fa ireo izay tsy mbola niresaka momba izany. Azonao ampahafantarina ny mpianatra mialoha ny fotoana fa raha misy tsy mahazo aina izy ireo hanatrika ny fotoam-pianarana amin’ity lesona ity dia afaka manao fifandaminana hafa aminao izy ireo. Mieritrereta traikefa fianarana manan-danja hafa azonao anasana azy ireo mba handraisana anjara ivelan’ny kilasy.

Raha toa ka misy mpianatra mety miresaka aminao momba ny herisetra izay nataony na nataon’ny fianakaviany dia tokony hazavainao ao anatin’ny fahaiza-mihaino sy mahatsapa fa takiana aminao ny hanao tatitra ireo karazana herisetra rehetra amin’ny fiantsoana ny laharan-tariby an’ny Fiangonana momba ny fanampiana na ny mpanoro hevitra momba ny lalàna ao amin’ny biraon’ny Vondromparitra. Manàna faharetana, mahaiza mihaino sy manome toky ary mahatakatra rehefa maniraka ilay mpianatra ho any amin’ny evekany na ny filohan’ny sampana misy azy mba hiresaka momba ny toe-javatra misy azy. Araho amim-pitandremana ireo lalàna eo an-toerana momba ny andraikitra sy ny adidy manoloana ny fanaovana tatitra ny herisetra.

Soso-kevitra enti-mampianatra

Manatsara ny fampianarantsika sy ny fianarantsika

Mahaiza mihaino ny zavatra ilain’ireo mpianatra sy tsapany. Ny fomba firesahano sy ireo mpianatra momba ny herisetra dia na mety hampitombo ny fanaintainana na mety hanolotra fanantenana. Azonao atao ny mifanakalo hevitra miaraka amin’ireo mpianatra ny antony maha manan-danja ny fahatakarana sy ny fahaizana mihaino ny fanaintanana sy ny fangirifiriana iainan’ireo izay niharan’ny herisetra. Rehefa mieritreritra ny fomba hitarihanao ity fifanakalozan-kevitra ity ianao dia mety ho hitanao fa manampy ny famakiana ny “How Can I Support Someone Who Has Been Abused?” (abuse.ChurchofJesusChrist.org).

Ho tompon’andraikitra eo imason’ Andriamanitra ireo izay manao herisetra amin’ny hafa.

Asehoy izao fehezan-teny nalaina tao amin’ny “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” izao: “Ireo izay mamono ny vadiny sy ny taranany dia hijoro ho tompon’andraikitra eo anatrehan’ Andriamanitra indray andro any (jereo koa ny Apokalypsy 20:12–13; 2 Nefia 9:15–17).

Omeo minitra vitsy ireo mpianatra hamerenana mijery ny fizarana 1 sy 2 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana, ary asao izy ireo hizara fanontaniana na fahatsapana nananany rehefa nandalina ireo fizarana ireo. Raha ilaina dia afaka mametraka fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto ianao:

  • Inona no atao hoe herisetra? Inona avy ireo fitsipiky ny filazantsara voahitsakitsaka rehefa misy herisetra mitranga?

  • Inona no fampitandremana sy torohevitra nanaitra anao tao amin’ireo fizarana ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ireo?

  • Inona no eritreritra nanananao raha nandinika ireo famantarana mateti-piseho ny amin’ny fisian’ny herisetra?

  • Ahoana no ahafahan’ny olona iray ao anatin’ny toe-javatra misy herisetra mikatsaka am-pilaminana fanampiana? Raha mahafantatra toe-javatra misy herisetra ianao dia ahoana no hitateranao izany amin’ny fomba azo antoka? (Hevero ny haka fotoana hanampiana ireo mpianatra hahita loharanom-pitaovana hanaovana tatitra herisetra. Jereo ohatra ny, “In Crisis? Talk Now” [abuse.ChurchofJesusChrist.org].)

Afaka manasitrana ireo izay nijaly noho ny herisetra i Jesoa Kristy.

Hevero ny hametraka ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Amin’ny fomba ahoana no ahatongavan’ny fahasitranana amin’ny herisetra? (Raha ilainao dia azonao jerena ny teny faharoa nambaran’ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny fizarana 3 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

  • Inona no hozarainao amin’ny namana iray izay mijaly noho ny vokatry ny herisetra? Inona ireo zavatra sasany izay mampahasarotra ny fahasitranana amin’ny herisetra?

Iaraho vakiana ny Isaia 61:1–3, dia fantaro ireo fahamarinana izay afaka ny ho manan-danja ho an’ny olona niharan’ny herisetra (jereo koa ny 2 Nefia 2:1–2). Ankoatra ireo fahamarinana hafa dia mety hamantatra fahamarinana iray mitovitovy amin’izao manaraka izao ireo mpianatra: I Jesoa Kristy dia manana ny hery hanasitrana ny torotoro fo ary hankahery ny malahelo.

  • Inona no efa nataonao mba hahazoana fampaherezana sy fanampiana ary fanasitranana avy amin’ny Mpamonjy, na manao ahoana na manao ahoana toe-javatra niseho?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nanoloan’ny Mpamonjy ny tsy fisian’ny fanantenana na ny fahakiviana tamin’ny fahatsarana teo amin’ny fiainanao.

  • Inona no afaka manampy antsika haharitra sy hanam-pinoana mandritra ny fotoana mahasitrana?

Omeo minitra vitsy ny mpianatra hieritreretana ny fomba fiantraikan’ireo fampianarana ato amin’ity lesona ity amin’ny fiainan’izy ireo amin’izao. Amporisiho izy ireo hanoratra izay fahatsapana mety ho voarain’izy ireo.

Ho famaranana ny lesona, dia asao ny mpianatra hizara ny zavatra nianarany momba ny anjara asan’ny Mpamonjy amin’ny fanampiana ny rehetra izay voan’ny herisetra.

Ho an’ny lesona manaraka

Asao ireo mpianatra hieritreritra fomba nahitan’izy ireo an’i Satana sy ny hafa nanao izay handravana fianakaviana. Amporisiho ireo mpianatra, eo am-pandalinan’izy ireo ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana manaraka, mba hikaroka ny vokatry ny faharavan’ny fianakaviana eo amin’ny fiarahamonina ary hisaintsaina ny zavatra azon’izy ireo atao mba hiarovana ny fampianaran’ny Tompo momba ny fianakaviana.

Hamoaka printy