Institiota
Lesona 18, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Famatsiana ireo zavatra ilaina ara-nofo


“Lesona 18, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Famatsiana ireo zavatra ilaina ara-nofo,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra (2022)

“Lesona 18, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Lesona 18, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Famatsiana ireo zavatra ilaina ara-nofo

Nankinin’ny Tompo amin’ireo ray aman-dreny ny andraikitra hanome ireo zavatra ara-nofo ilain’ireo zanany. Ato amin’ity lesona ity ireo mpianatra dia hitrandraka ny fomba ahafahan’ny fizakan-tena manatsara ny fahafahany hanatanteraka io andraikitra io. Hasaina ihany koa ireo mpianatra mba hamaritra ny fomba ahafahany manatsara ny ezaka ataony mba hiaina fitsipika ara-bola amim-pahendrena.

Sosokevitra enti-mampianatra

Tompon’andraikitra amin’ny fanomezana ny zavatra ara-nofo ilain’ny fianakaviany ny ray aman-dreny.

Asehoy eny amin’ny solaitrabe izao fahamarinana manaraka izao: Manana andraikitra masina ny ray aman-dreny mba hanome ny zavatra ara-nofo ilain’ireo zanany (jereo ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’Izao Tontolo Izao,”,” ChurchofJesusChrist.org).

  • Inona no fahatsapana na fanontaniana anananao mikasika io andraikitra masina io?

  • Inona no zavatra ataonao amin’izao fotoana izao mba hiomanana na hanatanterahana io andraikitra io?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny teny hoe fizakan-tena. Asao ireo mpianatra mba hitanisa teny eny amin’ny solaitrabe izay mamariparitra olona iray mizaka tena. Manasà mpianatra vitsy hizara ny antony nisafidianany ireo teny ireo.

  • Nahoana no zava-dehibe ho antsika ny mampivelatra ny fizakan-tena? (Ao anatin’io fifanakalozan-kevitra io dia azonao ampiasaina ireo fampianarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 75:28–29 sy ireo fampianarana hafa ao amin’ny fizaran 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana. Azonao ampiana avy eo ireo mpianatra mba hamantatra fahamarinana tahaka ity manaraka ity: Ny fiasana amim-pahazotoana dia manampy ireo ray aman-dreny ho lasa mizaka tena ary hamatsy ireo zavatra ilain’ny fianakaviany ara-panahy sy ara-nofo. Ny fampivelarana ny fizakan-tena dia manampy antsika ho lasa tahaka ny Mpamonjy bebe kokoa? Mampitombo ny fahafahantsika manompo ny hafa ny fahatongavana ho mizaka tena.)

Manatsara ny fampianarantsika sy ny fianarantsika

Henoy tsara ny fanamarihana sy ny valinteny omen’ireo mpianatra. Indraindray ireo mpampianatra dia miahiahy loatra ny amin’ny zavatra izay hotenenina na hatao manaraka ka tsy dia henoin’izy ireo tsara akory ny zavatra lazain’ireo mpianatra. Amin’ny alalan’ny fandinihana sy fihainoana tsara ireo mpianatra dia afaka mamantatra ny zavatra ilainy ireo mpampianatra ary mitarika ilay fifanakalozan-kevitra eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina. Aoka ianao ho vonona hanitsy ny drafi-pampianaranao mba hiresahana ireo fanontanian’ireo mpianatrao sy ireo zavatra ilainy ary ireo olany.

Safidio amin’ireto fanontaniana manaraka ireto izay tena manan-danja ho an’ny mpianatrao, ary ifanakalozy hevitra miaraka izany na ao anaty vondrona kely vitsivitsy.

  • Inona no toerana misy ny fizakan-tena ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra araka ny eritreritrao?

  • Inona no zavatra niainana izay nanampy anao hankasitraka ny lanjan’ny asa mafy? Inona avy ireo fitahiana efa azonao noho ny fiasana mafy? (Eritrereto ny hiaraka hamaky ny teny nambaran’ny Loholona D. Todd Christofferson momba ny asa ao amin’ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

  • Inona no tombontsoa entin’ny fianarana eo amintsika sy ny fianakaviantsika? Ahoana no ahafahan’izany manampy antsika ho lasa tahaka an’ Andriamanitra kokoa? (Raha ilaina dia azonao resahina ireo fampianarana momba ny fianarana ao amin’ny fizarana 2 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

  • Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ny Tompo anao na ahoana no ahafahany manampy anao hampivelatra toetra tia miasa na hanovo fianarana bebe kokoa?

Hazavao fa mba hitarihana sy hitahiana ireo zanany dia nanome andraikitra vitsivitsy ho an’ny ray sy ho an’ny reny ny Ray any An-danitra. Soraty eny amin’ny solaitrabe izao fanambarana manaraka izao: Araka ny drafitr’ Andriamanitra, ny ray no tompon’andraikitra amin’ny fanomezana izay ilaina eo amin’ny fiainana (jereo ny Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’Izao Tontolo Izao”).

Ampio ireo mpianatra hahatakatra hoe noho ny fahasamihafana misy eo amin’ireo zavatra iainan’ireo mpivady sy ireo fianakaviana, ao anatin’ireo toe-javatra sasany, dia mila miasa ny ray sy ny reny mba hanomezana ireo zavatra fototra ilain’ny fianakaviany.

  • Inona no nianaranao avy tamin’ny torohevitry ny Filoha M. Russell Ballard momba ny fomba ahafahan’ny mpivady mandray izany karazana fanapahan-kevitra izany? (Hevero ny hanasa ireo mpianatra hamerina hamaky ny teny nambaran’ny Filoha Ballard ao amin’ny Fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

  • Inona no eritreritrao mikasika io torohevitra io?

Mijoroa ho vavolombelona fa hitarika ny mpianatra ny Ray any An-danitra ao anatin’ny toe-javatra manokana misy azy ireo rehefa mandalina ireo fampianaran’ny mpaminany sy ny miara-mikaon-doha amin’ny vadiny sy miaraka Aminy izy ireo.

Afaka mitarika antsika hamatsy ny zavatra ilain’ny fianakaviantsika ireo fitsipiky ny fitantanam-bola amim-pahendrena.

Asao ireo mpianatra hamerina hamaky vetivety ny andinin-tsoratra masina nosafidin’izy ireo ho an’ny sahanasa fandalinana ao amin’ny fizarana 3 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana. (Mety mila manome fotoana ireo mpianatra ianao mba hamerenana mamaky ny sasany amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo.)

Zarao hiara-hiasa tsiroaroa na ho vondrona kely vitsivitsy ireo mpianatra. Asao izy ireo hifampizara ireo fitsipika ara-bola nianaran’izy ireo avy tamin’ireo soratra masina ireo ary hifanakalo hevitra momba ity fanontaniana manaraka ity (azonao atao ny mampiseho io fanontaniana io eny amin’ny solaitrabe):

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fampiharana ireo fitsipika ara-bola feno fahendrena ireo mitahy anao manokana sy mitahy ny fianakavianao?

Ireto manaraka ireto dia lisitr’ireo fitsipika mety ho hitan’ireo mpianatra avy amin’ireo andinin-tsoratra masina nomena ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana:

Rehefa avy nomena fotoana ampy dia manasà mpianatra vitsivitsy hizara amin’ny iray kilasy ireo fitsipika izay hitany. Avy eo dia soraty na asehoy eny amin’ny solaitrabe izao fitsipika manaraka izao: Amin’ny alalan’ny fampiharana fitsipika ara-bola feno fahendrena, ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia afaka mampivoatra ny fizakan-tenany ara-bola sy manampy ireo izay mila fanampiana

  • Oviana ianao na ny fianakavianao no efa niaina fitahiana avy tamin’ny fampiharana fitsipika ara-bola feno fahendrena?

  • Inona no azontsika ianarana momba ny Tompo sy ny toetrany avy amin’ny nanomezany antsika ireo fitsipika ara-bola ireo?

Hevero ny hanome fotoana ireo mpianatra hsaintsaina ny zavatra nianarany momba ny fahatongavana ho lasa mizaka tena, ny fampivelarana toetra mazoto miasa, ny fanovozana fianarana na ny fiofanana arak’asa, ary ny fampiharana ireo fitsipika ara-bola feno fahendrena. Asao ireo mpianatra hanoratra zavatra iray izay azony atomboka atao na tohizany atao hatrany mba hankaherezana ny ezaka ataony hiaina mifanaraka amin’ireo fitsipika ireo. (Ao anatin’ity sahanasa ity dia azonao asaina ireo mpianatra mba hamaky ny zavatra nosoratany ho valin’ilay fitaomana hoe “Raketo an-tsoratra ny eritreritrao” ao amin’ny fizarana 3 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

Farano amin’ny fizarana ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny fanirian’ny Tompo hanampy antsika hamatsy ny zavatra ilaintsika ara-nofo ny lesona.

Ho an’ny lesona manaraka

Asao ireo mpianatra hieritreritra ny zavatra ankasitrahany ny reniny na izay mitana ny toeran’ny reny eo amin’ny fiainany. Amporisiho izy ireo hieritreritra ny lanjan’ny reny rehefa mandalina ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ho an’ny lesona 19. Azonao asaina ireo mpianatra mba handray an-tsoratra ny zavatra ankasitrahany ny reniny na ny olona mitana ny toeran’ny reny.

Hamoaka printy