Lesona 25, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Fibebahana sy famelan-keloka ao amin’ny fiainam-pianakaviana
“Lesona 25, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Fibebahana sy famelan-keloka ao amin’ny fiainam-pianakaviana,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra (2022)
“Lesona 25, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra
Sary
Ilay zanaka adala, nataon’i Clark Kelley Price
Lesona 25, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana
Fibebahana sy famelan-keloka ao amin’ny fiainam-pianakaviana
“Ny fanambadiana sy ny fianakaviana mahomby dia aorina sy voatahiry araka ny fitsipiky” ny filazantsaran’i Jesoa Kristy (“Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao”,” ChurchofJesusChrist.org). Ny roa amin’ireo fitsipika ireo dia ny fibebahana sy ny famelan-keloka. Inona no anjara notanan’ireo fitsipika ireo teo amin’ny fiainan’ny fianakavianao? Eo am-pandalinanao ity tahirin-kevitra ity dia eritrereto ny fomba ahafahan’i Jesoa Kristy manampy anao amin’ny ezaka ataonao mba hibebaka amin’ireo tsy mety na fanafintohinana izay mety nataonao tamin’ireo olona ao amin’ny fianakavianao. Eritrereto ihany koa ny fomba ahafahan’ny Mpamonjy manampy anao hamela heloka ireo olona ao amin’ny fianakavianao izay mety nanafintohina na nandratra anao.
Fizarana 1
Ahoana no ahafahan’ny fibebahana ataoko mitahy ny fianakaviako?
Nandritra ny naha tao amin’ny Fiadidian’ny Kilonga maneran-tany azy dia nampianatra ny Rahavavy Cheryl A. Esplin hoe:
Rehefa miezaka mianatra sy miaina ny filazantsaran’ny Mpamonjy isika ao an-tokantranontsika dia hisy fotoana izay hanaovantsika fahadisoana. Na dia mitranga aza ny tsy fitovian-kevitra sy ny fanafintohinana ao amin’ny fianakaviana tsirairay dia dia tsy midika akory izany hoe afaka tsy manao tahaka an’i Kristy ireo olona ao amin’ny fianakaviana amin’ny fomba hifampitondran’izy ireo. Ny fahadisoantsika aza no manome fahafahana antsika hampihatra ireo fitsipiky ny filazantsara, dia ny fibebahana sy ny famelan-keloka ao amin’ny fianakaviantsika.
Ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia manazava ny dikan’ny hoe fibebahana:
Sary
Loholona Dieter F. Uchtdorf
Ny fibebahana dia midika hoe fiovan’ny saina sy ny fo—mitsahatra amin’ny fanaovana ireo zavatra tsy mety isika ary manomboka manao ireo zavatra mety. Mitondra toetra vaovao eo anatrehan’ Andriamanitra izany sy ho an’ny tenantsika manokana ary eo amin’ny fiainana amin’ny ankapobeny. (“Point of Safe Return,” Liahona, May 2007, 100)
Ny Mpamonjy dia nilaza fanoharana iray momba ny zanaka iray izay nila nibebaka noho ireo safidy izay nandratra azy sy ny fianakaviany. Naka ny lovany mialoha ny fotoana io zanaka io ary nandany izany tamin’ny fiainana tsy ampiheverana. Raha lasa nahantra sy noana izy dia nanomboka namahana kisoa ho asa fivelomana ary lasa kivy tanteraka ka voatery nihinana ny sakafon’ny kisoa. (Jereo ny Lioka 15:11–16.)
Sary
sary famantarana, halalino
Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana
Vakio ny Lioka 15:17–24, ary hevero ny hanisy marika ireo fitsipika ianaranao momba ny fibebahana ao amin’ny fiainam-pianakaviana.
Ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra momba ny fomba ahafahantsika sy ny fianakaviantsika ho voatahy noho ny fibebahantsika:
Sary
Loholona Neil L. Andersen
Ny fibebahana dia tsy vitan’ny hoe manova antsika fotsiny, fa mitahy ihany koa ny fianakaviantsika sy ireo olona lalaintsika. Rehefa mibebaka marina isika, amin’ny fandaharam-potoan’ny Tompo, dia tsy vitan’ny hoe hanodidina antsika fotsiny ny sandrin’ny Mpamonjy izay efa mihinjitra fa hipaka hatrany amin’ny fiainan’ireo zanatsika sy ny taranatsika ihany koa. Ny fibebahana dia midika foana hoe misy fifaliana lehibe miandry. (“Repent … That I May Heal You,” Liahona, Nov. 2009, 42)
Fony izy tao amin’ny Fitopololahy ny Loholona L. Whitney Clayton dia nampianatra momba ny fomba ahafahan’ny fandinihan-tena sy ny fibebahana avy hatrany mitahy ny fanambadiana. Eritrereto ny fomba ahafahan’ireo fomba fanao ireo manampy amin’ny fifandraisan’ny olona ao amin’ny fianakavianao:
Sary
Loholona L. Whitney Clayton
Nianatra aho fa ny fanambadiana sambatra dia miantehitra amin’ny fanomezan’ny fibebahana. Singa ilaina amin’ny fifandraisana tsara eo amin’ny mpivady izany. Ny mpivady izay manao fandinihan-tena marina matetika sy manao haingana ireo dingana ilaina amin’ny fibebahana dia manatsara ny fahatsapana ny hosotra manasitrana eo amin’ny fanambadian’izy ireo. (“Ny fanambadiana: Mijere ary mianara,” Liahona, mey 2013, 84)
Makà fotoana kely handinihan-tena. Moa ve mila mibebaka amin’ny safidy izay nandratra na mandratra fifandraisana amin’ny havana ianao? Raha izany no izy dia inona no azonao atao mba hitodihana any amin’ny Tompo ary hanombohana io dingana io? Hevero ihany koa ireo safidy izay ataonao izay mitahy ny fifandraisana amin’ny havanao sy ny fomba ahafahanao manohy manao safidy toy izany.
Fizarana 2
Ahoana no hamelako havana iray izay nanao ratsy tamiko?
Ao amin’ilay fanoharan’ny Mpamonjy momba ilay zanaka adala dia nandà ny tsy handray anjara amin’ny fankalazana ho fanomezam-boninahitra ny fiverenan’ny zandriny ilay zokiny (jereo ny Lioka 15:25–32). Tahaka io zokiny io dia mety misy fotoana isika mila mampihatra ity torohevitra manaraka avy amin’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:
Sary
Loholona Jeffrey R. Holland
Avelao ny olona hibebaka. Avelao ny olona hivoatra. Minoa fa ny olona dia afaka miova sy mihatsara. (“‘Remember Lot’s Wife’: Faith Is for the Future” [Brigham Young University devotional, Jan. 13, 2009], speeches.byu.edu)
Tahaka ny maha mety misy fotoana hilanao ny fikatsana ny famelan’ny havana iray anao, dia mety mila mamela heloka havana iray izay nanafintohina na nandratra anao koa ianao indraindray.
Indraindray ianao dia mety hiahotra na tsy afaka mamela heloka. Na mety hahatsapa ianao fa lavitra loatra ny elanelana eo aminao sy ny havana iray ka tsy hiravona ny fifandraisanareo. Eritrereto ny fomba ahafahan’izao torohevitry ny Filoha James E. Faust tao amin’ny Fiadidiana Voalohany izao manampy anao amin’ny ezaka ataonao mba hamela heloka:
Sary
Filoha James E. Faust
Mila mahafantatra sy manaiky ireo fahatezerana isika. Mitaky fanetrentena ny fanaovana izany, kanefa raha mandohalika isika sy mangataka amin’ny Ray any An-danitra ho amin’ny famelan-keloka dia hanampy antsika Izy. …
… Tsy mora ny manadino sy manafoana ao am-pontsika ny zavatra izay nahatonga lolompo. Efa nanolotra fiadanana sarobidy ho antsika rehetra tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany ny Mpamonjy, kanefa tsy tonga izany raha tsy vonona ny hanary ireo fahatsapana ratsin’ny hatezerana na lolompo na valifaty isika. (“The Healing Power of Forgiveness,” Liahona, May 2007, 69)
Ny Loholona Massimo De Feo ao amin’ny Fitopololahy ihany koa dia nanamafy ny maha zava-dehibe ny fifantohana amin’ny Mpamonjy:
Sary
Loholona Massimo De Feo
Ry rahalahy sy ranabavy malalako isany, raha sahirana amin’ny fahitana ny hery hamelana heloka ianareo dia aza eritreretina ny zavatra nataon’ny hafa taminareo, fa diniho kosa ny zavatra efa nataon’ny Tompo taminareo, dia hahita fiadanana ao amin’ireo fitahiana manavotry ny Sorompanavotany ianareo. (“Ny fitiavana madio no tena ahafantarana ny tena mpianatr’i Jesoa Kristy rehetra,” Liahona, mey 2018, 82)
Mety maka fotoana ny famelana heloka sy ny fahasitranana. Manàna faharetana amin’ny tenanao rehefa mikatsaka ny fanampian’ny Tompo sy ny fanomezan’ny fanasitranany.
Sary
sary famantarana, raketo
Raketo ny eritreritrao
Eritrereto ny zavatra nianaranao sy tsapanao eo am-pandalinana ity tahirin-kevitra ity. Raketo ny fanirianao na ny tanjonao mifandraika amin’ny fibebahana sy famelan-keloka eo amin’ny fiainam-pianakavianao. Ahoana no ahafahanao manasa ny Mpamonjy mba hanampy anao amin’ny ezaka ataonao?