Institiota
Lesona 13, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Ny firaisana ara-nofo, fanomezam-pahasoavana avy amin’ Andriamanitra sy andraikitra masina


“Lesona 13, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Ny firaisana ara-nofo, fanomezam-pahasoavana avy amin’ Andriamanitra sy andraikitra masina,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny fianakaviana mandrakizay (2022)

“Lesona 13, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny fianakaviana mandrakizay

Sary
Mpivady mifampitositosy

Lesona 13, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Ny firaisana ara-nofo, fanomezam-pahasoavana avy amin’ Andriamanitra sy andraikitra masina

Ny firaisana ara-nofo eo amin’ny olombelona dia fanomezam-pahasoavana masina izay ivon’ny drafitry ny famonjena. Kanefa ao anatin’ny tontolo henik’ireo sary ara-pananahana sy hafatra maro mifanohitra, dia mety ho mora ny mahatsapa fisalasalana sy fikorontanan-tsaina mikasika ny dikan’ny firaisana ara-nofo sy ny tanjony. Eo am-pandalinanao dia katsaho ny hahatakatra kokoa ny andraikitra manan-danja sy masin’ny firaisana ara-nofo eo amin’ny drafitry ny fahasambaran’ny Ray ary eritrereto ny fomba mety hitondran’izany fitahiana eo amin’ny fiainanao.

Fizarana 1

Ahoana ny fomba hitahiana ahy avy amin’ny alalan’ny fahatakarako fa ny firaisana ara-nofo dia afaka ny ho ampahany masina sy mahafinaritra ao anatin’ny fanambadiana?

Nomen’ny Raintsika any An-danitra faniriana ara-nofo isika sy fahefan’ny fananahana. Ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nanazava hoe, “Ny fahefana mamorona aina eto an-tany no fahefana misandratra indrindra nomen’ Andriamanitra an’ireo zanany” (“The Great Plan of Happiness,” Ensign, Nov. 1993, 74). Ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo sy Rahavavy Ruth Lybbert Renlund dia nampianatra hoe, “Ny fampiharantsika araka ny tokony ho izy ny firaisana ara-nofo dia hahafahan’ny drafitr’ Andriamanitra mitranga eto an-tany sy any amin’ny mandrakizay, ka mahatonga antsika ho lasa tahaka ny Raintsika any An-danitra” (“The Divine Purposes of Sexual Intimacy,” Ensign, Aug. 2020, 16).

Ao amin’ny drafitry ny fahasambaran’ny Ray any An-danitra, “ny firaisana ara-nofo eo amin’ny mpivady dia natao ho tsara sy masina. Tendrin’ Andriamanitra izany mba hahariana ireo zanaka sy ho fanehoam-pitiavana eo amin’ny mpivady” (General Handbook: Serving in The Church of Jesus Christ of Latter-day Saints, 38.6.5, ChurchofJesusChrist.org). Nanazava ihany koa ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Ny firaisana ara-nofo dia iray amin’ireo fanehoana faratampony ny toetra araka an’ Andriamanitra sy ny hery anaty ananantsika ary fomba hanamafisana ny fifamatorana ara-pihetsehampo sy ara-panahy eo amin’ny mpivady” (“Mino isika fa tokony ho madio fitondran-tena,” Liahona, mey 2013, 42).

Fomba manan-danja hifamatoran’ny mpivady hifanakaiky kokoa ny firaisana ara-nofo. Ny firaisana ihany koa dia entina ilazana ny fifanakaikezana ara-tsaina sy ara-pihetsehampo ary ara-panahy.

Nanomboka nianatra mikasika ny lanjan’ny firaisana ao anatin’ny fanambadiana i Adama sy i Eva tao amin’ny Sahan’i Edena.

Sary
Adama sy i Eva, nataon’i Jay Bryant Ward
Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Genesisy 2:18, 21–24, ary eritrereto hoe nahoana ny fanambadiana no natao hampiray ny mpivady ara-tsaina, ara-pihetseham-o sy ara-panahy ary ara-batana. (Fanamarihana: Eto amin’ity sahan-kevitra ity ny hoe taolan-tehezana dia midika hoe fanakaikezana sy fiaraha-miasa; ny hoe hikambana dia midika ho mitambatra sy mifanakaiky; ary ny “nofo iray” [andininy 24] dia afaka midika ho firaisana ara-panahy, ara-pihetsehampo, ara-panahy sy ara-nofo.)

Nampianatra izao manaraka izao ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo mikasika ny fahatongavana ho “nofo iray” ao anatin’ny fanambadiana:

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

Ny firaisana ara-nofo eo amin’ny olombelona dia natokana ho an’ny olon-droa mpivady ihany satria izany no tandindona ambony indrindran’ny fikambanana tanteraka, ny fitambarana sy ny firaisana izay nofaritana sy notinendrin’ Andriamanitra. Nanomboka tao amin’ny Sahan’i Edena ary mitohy hatrany, ny fanambadiana dia natao mba hidika hoe fikambanana tanteraky ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray—ny fon’izy ireo, ireo fanantenany, ny fiainany, ny fianakaviany, ny hoaviny, ny zavatra rehetra. Nilaza i Adama fa i Eva dia taolana avy amin’ny taolany sy nofo avy amin’ny nofony, ary ho “nofo iray” izy ireo miaraka eo amin’ny fiainany [jereo ny Genesisy 2:23–24]. (“Personal Purity,” Ensign, Nov. 1998, 76)

Sary
tanana mpivady manome sary fo
Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Ahoana ny fomba hitahiana ny mpivady amin’ny alalan’ny fijerena ny firaisana ara-nofo ho toy ny tandindon’ny fikambanan’ny “fon’izy ireo, ny fanantenany, ny fiainany, ny fitiavany, ny fianakaviany, ny hoaviny ary ny zavatra rehetra”?

Fizarana 2

Ahoana no ahafahan’ny fahaizana mijery ny vatana tahaka ny fijerin’ Andriamanitra azy hampitombo ny faniriako sy ny fanoloran-tenako hiaina ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena?

Noho ny hatsarana sy ny fahamasinan’ny anjara toeran’ny firaisana ara-nofo izay notinendrin’ Andriamanitra eo amin’ny fanambadiana, “[Izy] dia nandidy fa ny lehilahy sy ny vehivavy nivady ara-dalàna ihany no tokony hampiasa ny fahefana masin’ny fananahana” (“Ny Fianakaviana: Fanamarana ho an’izao tontolo izao,” ChurchofJesusChrist.org). Mandidy antsika ny Tompo mba hadio ara-pitondrantena ao an-tsaintsika sy eo amin’ny faniriantsika ary amin’ny fihetsika ataontsika. Ao anatin’izany ny tsy fanaovana firaisana ara-nofo mialoha ny fanambadiana sy ny fahatokiana tanteraka ao anatin’ny fanambadiana (jereo ny Eksodosy 20:14; Almà 39:3–5; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:6). Fantatra amin’ny hoe ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena izany didy izany.

Zava-dehibe ny mahatsiaro fa ny vatantsika dia tsy zavatra misaraka amin’ny fanahintsika. Nampianatra ny Tompo fa “ny fanahy sy ny vatana no atao hoe olona velona” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:15). Nampianatra toy izao ny Loholona Holland mahakasika ny fifandraisan’ny vatana sy ny fanahy:

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

Ampahany manan-danja ao amin’ny hoe olona ny vatana. Ny fotopampianaran’ny Olomasina amin’ny andro farany izay miavaka sy manan-danja indrindra dia mampivohitra ny antony maha-ratsy ny fahotana avy amin’ny firaisana ara-nofo. Ambaranay fa izay mampiasa ny vatan’olona iray hafa izay nomen’ Andriamanitra ka tsy misy fankatoavan’ Andriamanitra dia mamono ny fanahin’io olona io mihitsy ary mamotika ny tanjona fototry ny fiainana sy ny fizotrany. (“Personal Purity,” 76)

Nanome fanazavana fanampiny ny Apôstôly Paoly mikasika ny fifandraisana masina misy eo amin’ny vatana sy ny fanahy raha nampianatra izy “fa ny tena kosa dia tsy ho an’ny fijangajangana [endrika firaisana ara-nofo ivelan’ny fanambadiana], fa ho an’ny Tompo; ary ny Tompo ho an’ny tena” (1 korintiana 6:13).

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny 1 Korintiana 6:19–20, ary tadiavo ny fomba fijerin’ny Tompo mikasika ny vatantsika.

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Nahoana no mamitaka ny mandray ny firaisana ara-nofo ho zavatra ara-batana izay natao hahazoana fahafinaretan’ny nofo fotsiny ihany.

Fizarana 3

Inona no azoko atao mba hampitomboana ny fahaizako miaina ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena?

Tahaka ireo didin’ Andriamanitra rehetra dia natao hitondra fiadanana sy fahasambarana bebe kokoa ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena. Ohatra, ny soratra masina dia manampy antsika hahatakatra fa ny fiainana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena dia afaka mampitombo ny fahatokian-tenantsika eo anatrehan’ Andriamanitra sy miaro antsika amin’ny fijaliana ara-pihetsehampo sy ny faharavan’ny fifandraisana ary misoroka ny fisintahan’ny Fanahy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:45; Jakôba 2:31–35; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:23; 63:16). Afaka miaro antsika amin’ny fahazoana aretina mampijaly ihany koa ny fanajana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena ary miantoka fa teraka ao anatin’ny fifamatoran’ny fanambadiana ireo zanaka.

Tsy mampaninona izany manana fahatsapana filana ara-nofo izany. Manan-danja ny mianatra mifehy ireo fahatsapana ireo amin’ny fomba izay ankatoavin’ny Tompo. Na dia manana faniriana tsara aza ianao dia mety misy fotoana ho alaim-panahy hilefitra amin’ny fomba tsy araka ny tokony ho izy eo anatrehan’ireo filàna ara-nofonao. Rehefa mahatsapa ianao fa alaim-panahy dia mitodiha amin’ny Tompo ary Izy “hanisy lalana hahafahanareo [miala] koa mba hahazakanareo izany” (1 Korintiana 10:13; jereo koa ny Almà 13:28).

Sary
Endrik’i Kristy, nataon’i Heinrich Hofmann

Tsarovy, “i Jesoa Kristy dia … mahalala ny fahalemen’ny olona ary ny fomba hamonjena ireo izay alaim-panahy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 62:1). Rehefa mitodika any amin’ny Tompo ianao mba hahazoana fanampiana dia katsaho ny fitarihany mikasika ireo dingana azonao atao mba “hifehezana ny filanao rehetra, mba hahatonga anao ho feno fitiavana” (Almà 38:12).

Ny Rahavavy Wendy W. Nelson, vadin’ny Filoha Russell M. Nelson dia nampianatra hoe:

Sary
Rahavavy Wendy W. Nelson

Ny fahadiovan’ny tena manokana no fanalahidin’ny fitiavana marina. Rehefa madio kokoa ny eritreritrao sy ny fahatsapanao ary ny teninao sy ny zavatra ataonao dia ho lehibe kokoa ny fahafahanao manome sy mandray fitiavana marina. …

… Ataovy izay azo atao mba hihazonana ny eritreritrao, ny fahatsapanao, sy ny fiteninao ary ny zavatra ataonao ho madio. Asao ny Fanahy mba hitarika anao. Hanampy anao Izy! …

… Raha ny marina dia rehefa madio kokoa ianao dia ho kanto kokoa ilay firaisana ara-nofo ao anatin’ny fanambadianao. (“Fitiavana sy fanambadiana” [fampaherezam-panahy ho an’ny tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony, 8 jan. 2017], ChurchofJesusChrist.org)

Nanome ity torohevitra manaraka ity ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ho an’ireo olona izay efa manomboka manana fifandraisana matotra:

Sary
Loholona Neil L. Andersen

Fantatrareo tsara hoe manana fientanam-po lalina sy zavatra tiana ara-nofo ianareo izay tsy maintsy araha-maso sy tantanina amim-pitandremana. … Apetraho ny fetra farany tokony hisy anareo. Atsangano mafy amin’izay zavatra rehetra ataonareo miaraka ireo fetra ireo mba tsy hihoa-pefy na hitanilanila rehefa mahatsapa fientanam-po lalina ho an’ny tsirairay avy ianareo. (“Complete Honesty, Unselfish Humility” [Brigham Young University–Idaho devotional, Feb. 14, 2017], byui.edu)

Sary
Mpivady miresaka

Raha toa ianao nandika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena dia tsarovy fa amin’ny alalan’ny finoanao an’i Jesoa Kristy sy ny fibebahana amin-kitsimpo dia afaka mamela heloka anao ny Tompo sy mahatonga anao ho madio indray (jereo ny Isaia 1:16–18; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:42–43). Ilainao ihany koa ny mihaona amin’ny evekanao na ny filohan’ny sampana misy anao. Nomena lalana izy hanampy anao hamaha ny fahotana miaraka amin’ny Tompo ary afaka manome anao fanampiana sy fanohanana fanampiny.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra

Raketo an-tsoratra ny eritreritrao

Raketo anaty kahie na application fandraisana naoty ireo fetra sy fefy izay napetrakao na ilainao apetraka mba hanampiana anao sy ireo izay hampiaraka aminao hitazona ny fahadiovana ara-pitondrantena. Raha toa ka manambady ianao dia inona avy ireo fefy izay apetrakao mba hakana antoka fa manohy manaja tanteraka ny vadinao ianao?

Hamoaka printy