Institiota
Lesona 20, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Ny andraikitra masina sahanin’ny ray


“Lesona 20, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Ny andraikitra masina sahanin’ny ray,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra (2022)

“Lesona 20, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Sary
raim-pianakaviana iray miaraka amin’ny vadiny sy ireo zanany lahy

Lesona 20, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Ny andraikitra masina sahanin’ny ray

Ny Ray any An-danitra dia nanendry ireo zanany lahy ho tompon’andraikitra “hitarika ny fianakaviany amim-pitiavana sy amim-pahamarinana ary … amin’ny fanomezana izay ilaina eo amin’ny fiainana sy ny fiarovana ny fianakaviany” (“Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” ChurchofJesusChrist.org). Rehefa mandalina ity lesona ity ianao dia eritrereto ny nitahian’ny ray na lehilahy hafa nikatsaka ny hanatanteraka ireo andraikitra masina ireo anao.

Fanamarihana: Ato amin’ity lesona ity isika dia hifantoka amin’ny andraikitra hiaro. Ny lohahevitra hoe miahy sy mamatsy dia efa voaresaka tany amin’ireo lesona teo aloha.

Fizarana 1

Ahoana no hamolavolan’ny lehilahy ny ezaka ataony amin’ny maha-ray azy amin’ny alalan’ny fanarahana ny ohatra nasehon’ny ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Tamin’ny Filoha Linda K. Burton nanompo tao amin’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany dia niresaka momba ireo olana sasantsasany atrehan’ny lehilahy izy:

Sary
Filoha Linda K. Burton

Tsy maintsy ho sarotra be tokoa ho an’ireo lehilahy nanao fanekempihavanana ny miaina ao anatin’ny tontolo izay tsy vitan’ny hoe tsy manisy lanja ny anjara asa sy andraikitra masin’izy ireo fa mandefa hafatra diso mikasika ny dikan’ny hoe “tena lehilahy” ihany koa. Hafatra diso iray ny hoe “Izaho ihany no manan-danja indrindra amiko.” Etsy ankilan’izay koa ny hafatra manimba sy maneso izay milaza fa tsy ilaina intsony ny vady sy ny raim-pianakaviana. Miangavy anareo aho tsy hihaino ireo laingan’i Satana! Nafoiny izany tombontsoa sarobidy ahafahana ho lasa vady na ray izany. Noho ny fialonany ireo izay manana ireo anjara asa masina izay tsy ho tanterany mihitsy ireo dia mikasa ny hanao izay hahatonga ny “olon-drehetra ho ory tahaka azy” izy! [2 Nefia 2:27]! (“Hiara-hivoatra isika,” Liahona, mey 2015, 30)

Afaka manohitra ireo hafatra diso momba ny maha-ray isika amin’ny fijerena ny Ray any An-danitra ho ilay ohatra tonga lafatra amin’ny maha-ray marin-toetra. Nampianatra ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Loholona D. Todd Christofferson

Ny fanehoana tonga lafatra sy masina indrindra ny amin’ny maha-ray dia ny Raintsika any An-danitra. Anisan’ireo toetra ananany ny fananana fahatsarana sesehena sy fitiavana tonga lafatra. Ny asany sy voninahiny dia ny fampivelarana ireo zanany, sy ny fanaovana izay hahazoan’ireo zanany fifaliana sy fiainana mandrakizay [jereo ny Mosesy 1:39]. Ireo ray amin’ity tontolo tsy tonga lafatra ity dia tsy afaka hampitovy ny tenany amin’ilay Mpanjaka any an-danitra, nefa rehefa manao izay tsara indrindra vitany izy ireo dia miezaka ny haka tahaka Azy, ary mandray anjara amin’ny asany mihitsy. Omem-boninahitra sady omena fahatokiana miavaka sy matotra izy ireo. (“Ny ray,” Liahona, mey 2016, 94)

Mianatra fitsipika momba ny ray marin-toetra ihany koa isika avy amin’ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy. Rehefa ateraka indray ara-panahy isika dia lasa rain’ny fiainantsika vavao Izy (jereo ny Môzià 5:7; Etera 3:14; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:1).

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Nandritra ny asa fanompoany teto an-tany, ny Mpamonjy dia nampianatra ny mpanara-dia Azy momba ny andraikiny amin’ny maha-Mpiandry Tsara Azy. Vakio ny Jaona 10:11–15 ary eritrereto ny fomba azo ampitahana ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy amin’ny maha-Mpiandry Tsara azy sy ireo ezaka ataon’ny ray marin-toetra iray ao amin’ny fianakaviana.

Sary
Ilay Mpiandry Tsara , nataon’i Del Parson
Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra

Raketo an-tsoratra ny eritreritrao

Mitadiava andinin-tsoratra masina na tantara iray izay mampianatra fitsipika momba ny ray marin-toetra avy amin’ny ohatra nasehon’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Raketo ireo fitsipika hitanao ary soraty ny fomba ahafahan’ny lehilahy mampihatra ireo fitsipika ireo amin’izao androntsika izao. Mivonòna hizara ny eritreritrao mandritra ny fotoam-pianarana.

Fizarana 2

Amin’ny fomba ahoana ny fanehoana fitiavana sy ny maha-eo lalandava ny tena no manampy ny ray hiaro ny fianakaviany?

Nampianatra ny Filoha M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambonifolo fa ny andraikitry ny ray dia ny miaro ny fianakaviany, tafiditra ao anatin’izany ny fiarovana ara-batana sy ara-panahy. Hoy izy:

Sary
Filoha M. Russell Ballard

Andrasan’ Andriamanitra sy ny mpaminany amin’ny ray ny hiaro ny fianakaviany fa tsy ny hanome izay ilainy fotsiny. Loza maro isan-karazany no manenika ity izao tontolo izao iainantsika ity. Zava-dehibe ny fiarovana ara-batana amin’ireo loza voajanahary na nataon’olombelona. Manodidina antsika ihany koa ireo loza ara-pitondrantena, izay atrehan’ny zanatsika manomboka any amin’ny fahazazany. Mitana andraikitra lehibe ny ray amin’ny fiarovana ny zanany amin’ny fandrika toy izany. (“The Sacred Responsibilities of Parenthood,” Ensign, Mar. 2006, 30)

Sary
ray iray mampianatra ny zanany zavatra avy ao amin’ny soratra masina

Mba hitondrana fomba fanampiny ahafahan’ny ray miaro ny zanany dia nampianatra ny Filoha Howard W. Hunter hoe:

Sary
Filoha Howard W. Hunter

Ny ray marin-toetra dia miaro ny zanany amin’ny fanokanany fotoana ho azy ireo, sy amin’ny fanatrehany ireo hetsika sy andraikitra ara-tsôsialy sy eo amin’ny fianarana ary ara-panahy handraisan’izy ireo anjara. Ny fanehoana fitiavana sy ny firaiketam-po amin’ny zanaka dia sady andraikitry ny ray no an’ny reny. Teneno amin’ny zanakao fa tianao izy ireo. (“Being a Righteous Husband and Father,” Ensign, Nov. 1994, 51)

Mitaky ezaka avy amin’ny nahim-po sy ezaka tsy tapaka ny maha-ray be fitiavana sy eo foana. Diniho ny zavatra azonao ianarana avy amin’izao ohatra nasehon’ny Filoha Russell M. Nelson manaraka izao.

Sary
Filoha Russell M. Nelson

Ny asako dia ny hanohana ny vadiko sy ny zanako, fa tsy ny mifanohitra amin’izany. … Rehefa ao an-trano ianao dia ao an-trano ianao izay. Avelao any ny korontan’ny tontolo andro. Omeo 100 isan-jaton’ny fifantohanao izy ireo rehefa eo ianao. Mahazatra ahy ny miteny amin’ny tenako hoe: “Aza miditra ao amin’io trano io ianao, ry Russell, raha mbola tsy afaka mitondra fitahiana eo amin’ny fiainan’ireo zanakao sy ny vadinao.” (Ao amin’ny Vivian S. Lee, “Elder Russell M. Nelson, M.D., ’47,” Good Notes (blog), University of Utah Health, Sept. 12, 2014, uofuhealth.utah.edu/notes)

Ny hery mitarika amin’ny tsara entin’ny ray iray eo amin’ny zanany dia afaka ny hisy vokany mahatalanjona eo amin’ny fivoaran’izy ireo. Ohatra, milaza ny fikarohana fa ny ray be fitiavana sy mpandray andraikitra dia afaka:

  • Mitondra fampivelarana ny fanajan-tena, ny fifehezan-tena, ny fahazakana adin-tsaina, ary ny fahatsapana hoe lahy na vavy ny tena (eto izany dia faritana ho ny maha-lahy na ny maha-vavy azy hatrany am-pahaterahana) eo amin’ireo zanany.

  • Mampitombo ny mety hahatonga ny zanany ho voaro ara-pihetsehampo sy hatoky tena ary hanana fifandraisana tsara kokoa amin’ny hafa.

  • Mampihena ny fihanaky ny fahantrana, ny heloka bevava ary ny fidorohana zava-mahadomelina. (Jereo ny James E. Faust, “Fathers, Mothers, Marriage,” Ensign, Aug. 2004, 3–7; Sarah Keenan, “Elephants, Fathers, and Families,” Ensign, Sept. 2018, 54–58; jereo koa ireo loharano voatanisa ato amin’ity lahatsoratra ity.)

Ny fiarovan’ny ray dia fameno mahery vaikan’ilay hery mitarika lehibe mifono fikolokoloana avy amin’ny reny. Amin’ny maha-mpiara-miasa mitovy lenta azy ireo ao anatin’ny fanambadiana dia mandray anjara amin’ilay andraikitra hiaro ny fianakaviany ny vehivavy. Afaka miara-miasa sy miara-midinika ny mpivady rehefa hanatanteraka io andraikitra masina io.

Sary
ray iray mandihy miaraka amin’ny zanany vavy

Ny anjara asan’ny ray sy ny andraikitra masina hiaro dia miantefa amin’ny zanakalahin’ny Ray any An-danitra rehetra noho ny toetra sy anjara masin’izy ireo mandrakizay. Na dia eo amin’ny fianakaviany mivantana aza no hanatanterahan’ny lehilahy voalohany indrindra io andraikitra io dia afaka manatanteraka izany andraikitra izany koa izy ireo amin’ny sehatra hafa. Diniho ny ohatra nasehon’i Jetro niaraka tamin’i Mosesy vinantolahiny (jereo ny Eksodosy 18) sy i Helamàna tamin’ireo zatovolahy miaramila (jereo ny Almà 56–57). Inona koa ireo ohatra hafa ao amin’ny soratra masina izay azonao eritreretina?

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Tamin’ny fomba ahoana no nahazoanao fitahiana sy fiarovana noho ny fitiavana sy ny fandraisana andraikitry ny ray marin-toetra iray na olona mitana ny toeran’ny ray teo amin’ny fiainanao?

Fizarana 3

Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny fanambarana avy amin’ Andriamanitra sy ny herin’ny fisoronana ny ray hiaro ny fianakaviany?

Afaka mianatra fitsipika iray manan-danja momba ny fomba hiarovana ny fianakaviantsika isika avy amin’ny zavatra iray niainan’i Josefa avy ao Nazareta .

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Matio 2:13–15, ary tadiavo ny zavatra nanampy an’i Josefa hiaro an’i Kristy zazakely sy i Maria tsy ho azon’ny loza.

Sary
I Josefa nitondra an’i Maria sy i Jesoa zazakely nankany Egypta

Afaka manampy ny ray amin’izao androntsika izao hiaro sy hitahy ny fianakaviany toy izany ny fanambarana. Nanoro hevitra ny Filoha Ballard hoe, “Ny ray dia tokony hikatsaka tsy tapaka ny fitarihana avy amin’ny Fanahy Masina mba hahafantaran’izy ireo ny zavatra tokony hatao, sy izay holazaina, ary koa ny zavatra tsy tokony hatao sy tsy tokony holazaina” (“The Sacred Responsibilities of Parenthood,” 30).

Ny lehilahy mpitandrina fanekempihavanana manara-dia an’i Jesoa Kristy dia manana fanomezam-pahasoavana iray hafa azon’izy ireo ampiasaina hiarovana ny fianakaviany. Raha niresaka tamin’ny lehilahy ny Filoha Boyd K. Packer tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra momba io fanomezam-pahasoavana io.

Sary
Filoha Boyd K. Packer

Manana ny herin’ny fisoronana ianareo izay avy amin’ny Tompo mivantana mba hiarovana ny tokantranonareo. Hisy fotoana izay hijoroan’izany hery izany ho hany sisa ampinga hanelanelanana ny fianakavianareo sy ny fanafihana ataon’ny fahavalo. (“The Power of the Priesthood,” Liahona, May 2010, 9)

Ny Filoha Nelson dia nampianatra ny lehilahy ny fomba ahafahan’izy ireo mampitombo ny herin’ny fisoronana ao aminy mba hiarovana ny fianakaviany:

Sary
Filoha Russell M. Nelson

Ataovy tena manan-danja eo amin’ny fiainanao ny fifantohanao amin’ny fibebahana isan’andro mba hahafahanao mampiasa ny fisoronana amin’ny hery lehibe kokoa noho ny teo aloha. Izany no hany fomba hahazoan’ny tenanao sy ny fianakavianao fiarovana ara-panahy eo anatrehan’ireo andro sarotra ho avy. (“Afaka manao tsaratsara kokoa sy ho lasa tsaratsara kokoa isika,” Liahona, mey 2019, 69).

Sary
zatovolahy iray mandray ny tsodranon’ny fisoronana
Sary
sary famantarana, manaova asa

Manaova asa

Hevero ny hanoratra sy handefa teny fankasitrahana ho an’ny rainao na lehilahy iray izay niaro na nampilamina anao teo amin’ny fiainanao.

Hamoaka printy