Institiota
Lesona 20, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny andraikitra masina sahanin’ny ray


“Lesona 20, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny andraikitra masina sahanin’ny ray,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra (2022)

“Lesona 20, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Lesona 20, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Ny andraikitra masina sahanin’ny ray

Nampiantsoroan’ny Ray any An-danitra an’ireo zanany lahy ny andraikitra masina hiaro ny fianakaviany. Ato amin’ity lesona ity ny mpianatra dia hanazava ireo fomba ahafahan’ny lehilahy manatanteraka io andraikitra io. Hifanakalo hevitra momba ny fomba hanehoan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ohatra tonga lafatra mikasika ny amin’ny anjara asan’ny ray amin’ny fiarovana ny fianakaviany izy ireo. Handinika sy hanao drafitra ny amin’ny fomba ahafahan’izy ireo miantehitra amin’ny fanampiana avy any an-danitra ihany koa izy ireo rehefa mizara io andraikitra masina io amin’ny vadiny.

Fanamarihana: Ny andraikitry ny lehilahy hiahy sy hamatsy izay ilain’ny fianakaviany dia efa noresahina tao amin’ireo lesona teo aloha.

Sosokevitra enti-mampianatra

Andriamanitra no ohatra tonga lafatra amin’ny maha-ray.

Mba ho anisan’ny fampaherezam-panahy ao amin’ity lesona ity dia hevero ny hihira ny “Ô! ry Ray” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, p. 84) na fihirana iray hafa mifandray amin’ny Ray any An-danitra.

Azonao atomboka amin’ny alalan’ny fampisehoana sarina ray iray miaraka amin’ny fianakaviany ny lesona ary apetraho amin’ny lehilahy ao amin’ny kilasy izao fanontaniana manaraka izao:

  • Inona ny eritreritra, na fahatsapana, na ahiahy anananao momba ny maha-ray?

Avy eo dia anontanio ireo mpianatra hoe:

  • Inona araka ny eritreritrareo ny sasany amin’ireo fanamby lehibe indrindra amin’ny maha ray marin-toetra amin’izao androntsika izao? (Hevero ny hanasa ireo mpianatra hamerina hamaky ny teny nambaran’ny Filoha Linda K. Burton ao amin’ny fizara 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

  • Inona no tsy mampitovy ny fahitan’ny olona sasany ny maha-ray sy ny fahitan’ Andriamanitra ny maha-ray?

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa rehefa nandalina ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana izy ireo dia nianatra fa ny Ray any An-danitra no ohatra tonga lafatra amin’ny maha-ray marin-toetra (jereo ny teny nambaran’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana).

Manatsara ny fampianarantsika sy ny fianarantsika

Hamafiso ny ohatra nasehon’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Nampianatra ny mpianany ny Mpamonjy mba ho tahaka Azy (jereo ny 3 Nefia 27:27). Mitadiava fomba hanantitranterana ny ohatra tonga lafatra nasehony sy nasehon’ny Ray any An-danitra rehefa miresaka fahamarinana ianareo ao an-dakilasy.

Hazavao fa afaka mianatra fitsipika momba ny ray marin-toetra isika rehefa mandalina ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy. Avereno vakina miaraka ny Jaona 10:11–15 ary ifanakalozy hevitra ny zavatra nianaran’ny mpianatra momba ny maha-ray marin-toetra avy amin’ny anjara asan’ny Mpamonjy amin’ny maha-Mpiandry Tsara antsika Azy.

  • Inona no mety ho ilain’ny ray atolotra (andininy 15) na afoy mba hanatanterahana ny andraikiny masina amin’ny maha-ray azy? (Hevero ny hizara izao teny nambaran’ny Loholona Christofferson izao ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra ataonareo: “Aoka avelantsika [lehilahy] any ireo foto-kevitra manome vahana be loatra ny fitiavan-tena sy ny fahafahana manao izay tiana hita eo amin’ny tontolontsika ankehitriny ary aoka isika hieritreritra voalohany indrindra momba ny fahasambaran’ny hafa sy ny mahasoa azy ireo” [“Ny ray,” Liahona, May 2016, 96].)

Mba hanampiana ny mpianatra hahita fitsipika misimisy kokoa momba ny maha-ray avy amin’ny ohatra nasehon’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia zarao ho vondrona kely vitsivitsy izy ireo ary manendre mpitarika iray isaky ny vondrona. Asao ireo mpianatra hiresaka momba ny asa nampanaovina azy ao amin’ny sahanasa “Raketo an-tsoratra ny eritreritrao” ao amin’ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.

Rehefa avy nomena fotoana ampy dia angataho ny mpianatra vitsivitsy hizara amin’ny mpianatra rehetra ny fitsipika izay noresahan’izy ireo tao amin’ny vondrona nisy azy. Azonao atao ny manasa mpianatra iray hanoratra ka hitanisa ireo fitsipika ireo eny amin’ny solaitrabe.

Ny ray dia manana andraikitra masina hiaro ny fianakaviany.

Asao ireo mpianatra hiasa ao anatin’izay vondrona kely nisy azy ireo ihany ho an’ity sahanasa manaraka ity. Omeo ny antsasaky ny mpitarika ny vondrona ny tahadikan’ny “Taratasy zaraina Vondrona A” ary ho an’ny antsasany iray hafa ny tahadikan’ny “Taratasy zaraina Vondrona B.” Asao ireo mpianatra mba hanaraka ireo toromarika ao amin’ny taratasy zaraina.

Taratasy zaraina Vondrona A—Ny hery mitarika mifono fiarovana entin’ny ray be fitiavana sy eo foana

Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra—Lesona 20

Manasa mpianatra iray avy ao amin’ny vondrona hamaky mafy ny teny nambaran’ny Filoha M. Russell Ballard ao amin’ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana. Avy eo dia anontanio ny vondrona misy anao hoe:

  • Inona avy ireo fomba sasantsasany ahafahan’ny ray manatanteraka ny andraikiny masina hiaro ny faianakaviany?

Zarao amin’ny vondrona misy anao izao teny nambaran’ny Loholona D. Todd Christofferson izao: “Olona miavaka ary tsy azo soloina ireo ray” (“Ny ray,” Liahona, mey 2016, 93). Avy eo dia anontanio ny vondrona misy anao hoe:

  • Amin’ny fomba ahoana ny ray no “Olona miavaka ary tsy azo soloina”? (Azonao toroina hevitra ny vondrona mba hijery ireo fampianarana ao amin’ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana rehefa mifanakalo hevitra momba io fanontaniana io izy ireo.)

  • Tamin’ny fomba ahoana no nahazoanao fitahiana sy fiarovana noho ny fitiavana sy ny fandraisana andraikitry ny ray marin-toetra iray na olona mitana ny toeran’ny ray teo amin’ny fiainanao?

Taratasy zaraina Vondrona A—Ny hery mitarika mifono fiarovana entin’ny ray be fitiavana sy eo foana

taratasy zaraina A ho an’ny mpampianatra

Taratasy zaraina Vondrona B—Miaro ny fianakaviana amin’ny alalan’ny fanambarana avy amin’ Andriamanitra sy ny herin’ny Fisoronana

Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra—Lesona 20

Iaraho vakina ny Matio 2:13–15, ary tadiavo ny fomba niarovan’i Josefa an’i Maria sy i Jesoa.

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’io tantara io momba ny hoe aiza ireo ray no afaka mahazo fanampiana mba hitarika sy hiaro ny fianakaviany? Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny fanambarana ny ray amin’izao androntsika izao?

Manasà olona iray ao amin’ny vondrona hamaky mafy ireo teny nambaran’ny Filoha Boyd K. Packer sy ny Filoha Russell M. Nelson ao amin’ny fizarana 3 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana. Avy eo dia anontanio ny vondrona misy anao hoe:

  • Inona no nisarika ny sainao tao amin’ireo teny nambara ireo, ary nahoana?

  • Tamin’ny fomba ahoana no naha-voaro anao noho ny fanambarana avy amin’ Andriamanitra na ny herin’ny fisoronana ananan’ny ny ray marin-toetra iray na olona mitana ny toeran’ny ray teo amin’ny fiainanao?

Taratasy zaraina Vondrona B—Miaro ny fianakaviana amin’ny alalan’ny fanambarana avy amin’ Andriamanitra sy ny herin’ny Fisoronana

taratasy zaraina A ho an’ny mpampianatra

Rehefa avy nomena fotoana ampy ireo mpianatra dia manasà mpianatra iray tao amin’ny vondrona nandalina ny “Taratasy zaraina Vondrona A” ary mpianatra iray tao amin’ny vondrona nandalina ny “Taratasy zaraina Vondrona B” mba hizara amin’ny iray kilasy ny zavatra nianarany tamin’ny fifanakalozan-kevitra nataon’izy ireo. Ho fanampin’ny zavatra ianaran’ny mpianatra dia hevero ny hizara ohatra iray momba ny fomba naha-voatahy sy naha-voaro anao noho ny fitiavana, na fandraisana andraikitra, na fanambarana avy amin’ Andriamanitra, na ny herin’ny fisoronana nananan’ny ray marin-toetra na olona mitana ny toeran’ny ray eo amin’ny fiainanao. (Na afaka mizara ohatra iray avy amin’ny fiainan’ny Loholona Gary E. Stevenson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ianao. Naharay fampitandremana avy tamin’ny Fanahy ny rain’ny Loholona Stevenson izay niaro ny Loholona Stevenson tamin’ny bibilava fony izy mbola ankizilahy [jereo ny Robert D. Hales, “Elder Gary E. Stevenson: An Understanding Heart,” Ensign, June 2016, 26].)

Azonao hazavaina fa amin’ny maha-mpiara-miasa mitovy lenta azy ireo ao anatin’ny fanambadiana dia mandray anjara amin’ilay andraikitra hiaro ny fianakaviany ny vehivavy. Tokony hiara-miasa sy hiara-midinika ny mpivady rehefa hanatanteraka io andraikitra masina io.

Omeo fotoana ireo mpianatra hisaintsaina ireto fanontaniana manaraka ireto ary hirakitra izay fahatsapana voarain’izy ireo (azonao atao ny mampiseho ireto fanontaniana ireto):

  • Inona no azonao atao izao mba hitiavana sy hiarovana tsara kokoa ny fianakavianao sy ny hafa?

  • Ahoana no ahafahanao manohana ireo lehilahy eo amin’ny fiainanao mba ho mpiaro mendrika ny fianakaviany sy ny hafa?

  • Ahoana no hanampian’ny Tompo anao amin’ireo ezaka ireo?

Ho famaranana ny lesona dia afaka mijoro ho vavolombelona ianao na ny mpianatra iray momba ny maha- zava-dehibe ny ray sy ny ilan’izy ireo manaraka ny ohatra nasehon’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amin’ny fanatanterahana ny andraikiny masiny ao amin’ny fianakaviany.

Ho an’ny lesona manaraka

Ampoirisiho ireo mpianatra hieritreritra ny zanany amin’izao fotoana izao na izay mbola ho avy rehefa mandalina ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana manaraka. Azonao angatahina ihany koa ireo mpianatra mba hitadidy fotoana tamin’ny fahazazany izay nahatsapan’izy ireo ho notiavina na nilana ny fifehezana azy ireo na nianaran’izy ireo nanompo ny hafa.