Institiota
Lesona 11, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Misafidy namana mandrakizay


“Lesona 11, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Misafidy namana mandrakizay,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny fianakaviana mandrakizay (2022)

“Lesona 11, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny fianakaviana mandrakizay

Lesona 11, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Misafidy namana mandrakizay

Te hanampy antsika ny Tompo eo amin’ireo ezaka ataontsika hitady namana mandrakizay. Ao anatin’ity lesona ity ireo mpianatra dia hanazava ny fomba ahafahan’izy ireo hampihatra ny finoany an’i Jesoa Kristy rehefa manao ezaka ny hanambady sy hanangana fifandraisana amin’ny lehilahy raha vehivavy ary vehivavy raha lehilahy. Hasaina ihany koa ireo mpianatra mba hisafidy ireo toetran’i Kristy ezahan’izy ireo hananana mba hanampy azy ireo hiomana amin’ny fanambadiana mandrakizay na hifanaraka kokoa amin’izany hoe fanambadiana mandrakizay izany.

Sosokevitra enti-mampianatra

Manantena antsika hanao asa amim-pinoana ny Tompo eo am-pitadiavantsika ila namana mandrakizay.

Zarao ho vondrona kely maromaro ireo mpianatra ary manendre mpitarika isaky ny vondrona tsirairay. Omeo ny mpianatra tsirairay ny fizarana 1 amin’ity rafi-tantara manaraka ity sy ireo fanontaniana manaraka an’izany. Omeo torolalana ireo mpianatra hamaky mafy ilay rafi-tantara sy hifanakalo hevitra mikasika ireo fanontaniana. (Raha azo atao dia azonao alefa amin’ny fotoana iray mialoha ny fotoam-pianarana ny fizarana 1 amin’ilay rafi-tantara amin’izay mba efa namaky sy nieritreritra mikasika izany izy ireo rehefa tonga.)

Fanamarihana: Hevero ireo fomba azonao hanamboarana ilay rafi-tantara mba ho sahaza tsara amin’ny toe-javatra sy ireo fanontaniana ary ny kolotsain’ny mpianatra.

Manatsara ny fampianarantsika sy ny fianarantsika

Ny fifanakalozan-kevitra ao anatin’ny vondrona kely dia afaka manampy ireo mpianatra hianatra lalindalina kokoa. Ny vondrona kely dia ahafahan’ireo mpianatra mandray anjara mavitrika ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra. Ny fananana fahafahana hizara ao anatin’ny vondrona kely ihany koa dia afaka mamoha ny fahatokian-tenan’ireo mpianatra somary saron-kenatra. Hevero ny hanendrena mpitarika iray ao amin’ny vondrona, hanomezana toromarika mazava amin’izay andrasana ho ataon’ny mpianatra, ny hametrahana fetram-potoana, ny hanasana ny mpianatra tsirairay handray anjara, ary ny hamporisihana ireo mpianatra mba ho vonona hizara ny zavatra izay nianaran’izy ireo.

Rafi-tantara, Tapany 1

Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny Fianakaviana mandrakizay—Lesona 11

Efa roa taona latsaka izao no nodian’i Luis, rehefa avy nitory ny filazantsara. Koa satria miahiahy ny amin’ny famelomana ny ankohonana any aoriana izy dia nanapa-kevitra hiasa an-tselika no sady mianatra. Teritery ny fotoany saingy tiany ny kilasin’ny institiota isan-kerinandro ary ataony lohalaharana izany. Mijerijery ny tambazotra ifaneraserana eny i Luis ary milalao jeux any anaty bus na alohan’ny fotoam-pianarana. Tsy mbola nanana fihaonana tamina vehivavy izy hatrizay nodiany izay. Nolazainy tamin’ny fianakaviany fa tsapany hoe tsara kokoa ny miandry ny fianarany ho vita vao miroso amin’ny fanambadiana. Mihevitra izy fa raha mila manambady aloha dia hitranga izany.

I Emma dia miara-mianatra institiota amin’i Luis saingy tsy mbola nifampiresaka taminy mihitsy. Mazàna izy no miresaka amin’ireo namany ary tsy dia miresaka amin’olon-kafa. Mampahatahotra azy ny mihaona amin’ny lehilahy sy ny mampiaraka amin’ny ankapobeny. Matahotra izy hoe raha manomboka fifandraisana hafa dia hifarana izany toy ireo hafa rehetra tamin’ny lasany. Reraka ara-pihetsehampo izy ary mahatsapa ho tsy ampy hery hidirana amina fifandraisana hafa. Efa vita efa herintaona izay ny fianarany ary miasa amin’ny fotoana feno izy. Matahotra izy hoe tsy hahita mihitsy ilay tena olon-tiany na hoe tsy ho voafehy any amin’ny tempoly ary manontany tena izy raha toa ka tokony hampiaraka amin’ny olona tsy mpikamban’ny Fiangonana.

Rehefa avy namaky miaraka ilay rafi-tantara dia ifanakalozy hevitra ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no hevitrao mikasika ny tahotra ananan’i Luis sy i Emma?

  • Raha dinihina ny zavatra nianarantsika tao amin’ny fizarana 1, ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana, inona no torohevitra mety amin’i Luis? Inona no torohevitra mety amin’i Emma?

  • Raha tsy mbola nifampiresaka mikasika ireto andalan-tsoratra masina ireto tao amin’ny vondrona misy anao ianao dia vakio miaraka izany ary ifanakalozy hevitra ny mety ifandraisan’izany amin’i Luis sy i Emma: Ohabolana 3:5–6; 2 Nefia 22:2; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:26–28. Ahoana no fomba nampiharanao finoana na ahoana no fomba hampiharanao finoana ny Tompo eo amin’ireo ezaka ataonao hitadiavana namana mandrakizay?

Rafi-tantara, Tapany 1

Sary
taratasy zaraina ho an’ny mpampianatra

Rehefa avy nomena fotoana ampy ireo mpianatra nifampiresahana ny rafi-tantara sy ireo fanontaniana dia asao ny vitsivitsy amin’izy ireo hizara izay nianarany na tsapany nandritra ny fifampiresahan’izy ireo. Rehefa mizara ireo mpianatra dia azonao atao ny manampy azy ireo hahita ireo fahamarinana mitovitovy amin’ireto manaraka ireto: Hanampy antsika hanana risi-po sy faharetana ny finoana an’i Jesoa Kristy eo amin’ireo ezaka ataontsika hitadiavana namana mandrakizay. Manantena antsika hampiasa ny fahafahantsika misafidy Andriamanitra mba hampandehanana ny drafiny. Hevero ny hanoratana eny amin’ny solaitrabe ireo fahamarinana izay hitan’ny mpianatra.

Ny fampivelarana ireo toetran’i Kristy sy ny fikatsahana fanambarana dia hanampy antsika hiomana hanambady.

Omeo ny mpianatra tsirairay ny fizarana 2 amin’ilay rafi-tantara. Omeo torolalana izy ireo hamaky izany sy hifampiresaka ireo fanontaniana miaraka amin’izany ao anaty vondrona.

Rafi-tantara, Tapany 2

Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny Fianakaviana mandrakizay—Lesona 11

Taorian’ny lesona iray nandritra ny institiota momba ny fanambadiana mandrakizay dia samy nahatsapa i Luis sy i Emma fa mila manova zavatra ary mitoky kokoa amin’ny Tompo. Rehefa tonga tao amin’ny kilasin’ny Institiota i Luis dia nipetraka teo akaikin’i Emma ary nampahafantatra ny tenany. Lasa mpinamana be izy ireo rehefa nandeha teny ny fotoana. Nanomana karazana fiaraha-mientana maro izy ireo mba hahafahany manana fotoana hiarahana sy hifankafantarana. Rehefa nandeha teny ny fotoana dia lasa nitombo ny fifankatiavan’izy ireo.

Na izany aza dia nanana olana i Emma. Manana lisitrana toetra tiany ho hita eny amin’izay ho vadiny izy. Ananan’i Luis ny ankamaroan’ireo toetra ireo saingy tsy izy rehetra.

Nanomboka nahatsapa ho tsy nilamin-tsaina koa i Luis. Tiany i Emma saingy rehefa nahita ny faharavan’ny fanambadian’ny ray aman-dreniny manokana izy dia matahotra ny hanao fahadisoana amin’ny fisafidianana izay tokony ho vady. Nandinika amim-pitandremana ireo zavatra rehetra nianarany mikasika an’i Emma tamin’ireo fifampiresahana sy zavatra niainan’izy ireo niaraka izy. Mahatsapa izy fa mitovy ny tanjon’izy ireo ary te hangataka an’i Emma ho vady azy izy saingy mbola misy zavatra maromaro tsy fantatra. Nivavaka izy mba handraisana famantarana raha toa ka i Emma no safidy mety aminy. Mbola tsy misy zavatra nitranga hatreto.

  • Diniho ny zavatra nianaranao tao amin’ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana. Inona no mety hanampy an’i Emma amin’ny zavatra jereny eo amin’izay olona mety ho vady? Inona avy ireo olana atrehantsika rehefa ambony loatra na ambany loatra ireo zavatra andrasantsika eo amin’ireo olona mety ho vady?

  • Inona no mety hilain’i Luis mba hahatakarany ny momba ireo tahotra ananany? Inona no mety hilainy mba hahatakarany ny fomba fandraisana fanambarana? (Azonao atao ny mamerina mijery ny fizarana 3 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

  • Inona no atrikasa na traikefa afaka manampy olon-droa hampitombo finamanana sy hamantatra kokoa ireo toetra tsara ananan’izy ireo sy ny maha-izy azy ireo ary ny soatoavina ananan’izy ireo? Inona no iray na roa amin’ireo toetran’ny Mpamonjy izay antenainao mba hananana eo am-piomananao hanambady na eo am-panohizanao ny fanambadianao?

Rafi-tantara, Tapany 2

Sary
taratasy zaraina ho an’ny mpampianatra

Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra nianaran’izy ireo na tsapany nandritra ny fifanakalozan-kevitra nataon’izy ireo.

Avereno jerena ny loharanom-pitaovana rehetra ao amin’ny fizarana 2 sy 3 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana izay mety hitondra soa ho an’ireo mpianatra. Mety hahita manokana ireto fahamarinana manaraka ireto ianao: Manambady olona afaka hivoatra isika fa tsy olona tonga lafatra. Raha manantena ny hanana namana mandrakizay izay manana toetra ara-panahy sasantsasany ianao dia ataovy izay hananana ireo toetra ireo ao aminao manokana. Hiteny fiadanana ao am-pontsika ny Tompo raha toa isika mikatsaka ny fitarihana avy Aminy eo amin’ireo fanapahan-kevitra ataontsika ary hotsapatsika rehefa marina ireo safidintsika.

Raha toa misy manambady ny mpianatrao dia afaka manasa iray na roa amin’izy ireo ianao hizara ny zavatra niainan’izy ireo amin’ireo fahamarinana ireo. Raha toa ka manambady ianao dia hevero ny hizara koa ireo zavatra niainanao. Mijoroa ho vavolombelona amin’ny fanirian’ny Tompo te hanampy ireo mpianatra eo amin’ny dian’izy ireo hitady namana mandrakizay.

Azonao atao ny manontany ny mpianatra raha toa ka manana fanontaniana mifandray amin’ny lesona androany izy ireo. Raha eny dia makà fotoana kely hifanakalozan-kevitra momba ny fanontanian’izy ireo miaraka amin’ny mpianatra. Omeo minitra vitsy ireo mpianatra avy eo any amin’ny faran’ny lesona hanoratana ny fahatsapana izay ananan’izy ireo mikasika ny toe-javatra iainan’izy ireo manokana. Asao izy ireo hitady ireo fomba hahafahany manohy mampihatra ny finoan’izy ireo ny Tompo eo amin’ny ezaka ataon’izy ireo amin’ny fiarahana amin’olona na eo amin’izay mety ilain’izy ireo atao mba hampiharana finoana bebe kokoa Azy.

Ho an’ny lesona manaraka

Asao ny mpianatra hiomana amin’ny lesona manaraka amin’ny alalan’ny fandalinana ny tahirin-kevitra hoenti-manomana sy amin’ny alalan’ny fanontaniana mpivady iray miaina tokantrano sambatra mikasika ny fomba hikolokoloan’izy ireo ny fanambadiany sy hitazoman’izy ireo ny fifandraisany ho mafy orina.

Hamoaka printy