Institiota
Lesona 27, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Mampiroborobo sy miaro ny fianakaviana ho vondrona fototry ny fiarahamonina


“Lesona 27, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Mampiroborobo sy miaro ny fianakaviana ho vondrona fototry ny fiarahamonina,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra (2022)

“Lesona 27, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Lesona 27, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Mampiroborobo sy miaro ny fianakaviana ho vondrona fototry ny fiarahamonina

Niantso antsika ny mpaminany sy ny apôstôly “mba hampisongadina ireo fepetra natao hiarovana sy hanamafisana orina ny fianakaviana amin’ny maha-rafitra fototra azy eo amin’ny fiarahamonina” (“Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” ChurchofJesusChrist.org). Ato amin’ity lesona ity ireo mpianatra dia hamantatra ireo fitaomana izay mahatonga ny faharavan’ny fianakaviana. Ireo mpianatra ihany koa dia hihevitra izay zavatra azon’izy ireo atao mba hampiroboroboana sy hiarovana ny fianakaviana ho vondrona fototry ny fiarahamonina.

Sosokevitra enti-mampianatra

Mikatsaka ny hamotika ny fianakaviana ny fahavalo.

Raha azo atao dia asehoy izao teny manaraka nambaran’ny Filoha Julie B. Beck, filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany teo aloha izao, ary iaraho vakiana izany:

Sary
Filoha Julie B. Beck

Hotakiana amin’ity taranaka ity amin’ny fomba izay tsy mbola fahita teo aloha ny hiaro ny fotopampianaran’ny fianakaviana. Raha tsy mahafantatra izany izy ireo dia tsy afaka ny hiaro izany. …

Ho fanampin’ny fahatakarana ny teôlôjian’ny fianakaviana, dia mila mahatakatra ny loza manambana ny fianakaviana isika rehetra. Raha tsy izany dia tsy afaka miomana amin’ilay ady isika. (“Teaching the Doctrine of the Family,” Ensign, Mar. 2011, 14, 17)

  • Nahoana no mila arovana ny fotopampianaran’ny Tompo momba ny fianakaviana?

Asehoy izao fehezan-teny avy ao amin’ny fanambarana ho an’ny fianakaviana izao: Ny faharavan’ny fianakaviana dia hitondra eo amin’ny tsirairay, eo amin’ny fiarahamonina, ary eo amin’ny firenena ireo loza izay efa nambaran’ireo mpaminany teo aloha sy ankehitriny.

Asio tsanganana roa eny amin’ny solaitrabe. Soraty eo ambonin’ilay tsanganana voalohany izao lohateny izao: Ireo fitaomana izay mahatonga ny faharavan’ny fianakaviana. Asao ireo mpianatra hitanisa ny hevitra tonga ao an-tsainy ary angataho ny mpianatra iray mba hanoratra ny valin-tenin’ireo mpiara-mianatra aminy eny amin’ny solaitrabe. (Azonao amporisihana ireo mpianatra mba hamerina hijery ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana, tafiditra amin’izany ny fandalinana ny 2 Timoty 3:1–6, 13, raha mila fanampiana izy ireo.) Eo am-pitanisan’ireo mpianatra ny heviny dia amporisiho izy ireo hanazava ny mahatonga ireo fitaomana ireo mandrava ny fianakaviana.

Soraty eo ambonin’ilay tsanganana faharoa eny amin’ny solaitrabe izao lohateny izao: Fotopampianarana nambara ao amin’ny fanambarana ho an’ny fianakaviana izay afaka manohitra ireo fitaomana ireo. Asao ireo mpianatra hijery ny fanambarana momba ny fianakaviana ka hitanisa fotopampianarana manan-danja eo amin’ny solaitrabe.

  • Tamin’ny fomba ahoana ny fandalinana ny fotopampianaran’ny Tompo momba ny fianakaviana tato amin’ity taranja ity no nanomana anao mba hiaro izany tsara kokoa?

Manana andraikitra isika ny hiaro sy hampiroborobo ny fianakaviana.

Asehoy izao fehezan-teny avy ao amin’ilay fanambarana momba ny fianakaviana izao: Manainga ireo olom-pirenena rehetra mahatsiaro ny adidiny sy ireo olona ao amin’ny fitondram-panjakana na aiza na aiza misy azy izahay mba hampandroso ireo fepetra natao hiarovana sy hanamafisana orina ny fianakaviana amin’ny maha-rafitra fototra azy eo amin’ny fiarahamonina.

Manatsara ny fampianarantsika sy ny fianarantsika

Ampio ny mpianatra hahatsapa ny fahamarinana sy ny maha-zava-dehibe ireo fotopampianarana sy fitsipika. Mampihatra kokoa ireo fotopampianarana sy fitsipika ny mpianatra rehefa mahatsapa ny fahamarinany sy ny maha-zava-dehibe azy ireo amin’ny alalan’ny Fanahy ary mahatsapa fitomboan’ny fahamehana hampiditra ilay fitsipika eo amin’ny fiainan’izy ireo manokana. Ny fomba mahomby iray entina hanampiana ireo mpianatra hahatsapa ny fahamarinana sy ny maha-zava-dehibe ny fotopampianarana sy fitsipika dia ny manampy azy ireo hisaintsaina sy hizara ny traikefan’ny tena manokana izay mifandray amin’ireo fahamarinana ireo.

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa nasaina izy ireo mba hanao drafitr’asa tsotra izay azon’izy ireo atao mba hampiroboroboana sy hiarovana ny fianakaviana (jereo ny fizarana 2 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana).

  • Inona avy ireo fomba sasany azontsika hampiroboroboana ny fianakaviana ho vondrona fototry ny fiarahamonina? (Ataovy lisitra eny amin’ny solaitrabe ny valin-tenin’ny mpianatra. Avy eo dia asao ireo mpianatra hizara zavatra niainana manokana mifandraika amin’ireo hevitra eny amin’ny solaitrabe.)

  • Inona no mety ho vokany raha toa ka tsy maneho hevitra isika mba hampiroboroboana sy hiarovana ny finoantsika momba ny fanambadiana sy ny fianakaviana?

Azonao zaraina izao teny nambaran’ny Filoha M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo izao: “Mila tsaroantsika ny zavatra nolazain’i Edmund Burke manao hoe: -Ny hany zavatra ilaina handresen’ny ratsy dia ny tsy fanaovan’ny olona na inona na inona- [natao tao amin’ny John Bartlett, comp., Familiar Quotations, 15th ed. (1980), ix]” (“Let Our Voices Be Heard,” Liahona, Nov. 2003, 18).

  • Ahoana no anampian’ny Tompo antsika handresy izay fisalasalana sy tahotra mety ananantsika rehefa mampiroborobo sy miaro ny fanambadiana sy ny fianakaviana?

Ataovy izao mba hanampiana ireo mpianatra hanatsara ny fahaizany mampiroborobo sy miaro ny fanambadiana sy ny fianakaviana:

Iaraho vakiana ny Môrônia 7:3–5 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:30, ary jereo ireo fitsipika voatanisa ao amin’ny fizarana 3 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana. Asao ireo mpianatra mba hampihatra ireo fitsipika ireo ao amin’ity sahanasa manaraka ity:

Asaivo miara-miasa amin’ny namana iray ny mpianatra. Hazavao fa hampiseho laha-tantara samihafa ianao amin’ny endrika fanontaniana (jereo etsy ambany). Hanome valin-teny maharitra iray minitra izay tsotra sy mazava ary tsy miady avy eo ny namana iray eo am-pihainoan’ilay namana iray hafa. Aorian’ny valin-teny tsirairay dia avelao ireo mpinamana mba hifanakalo hevitra fohy ny amin’izay nety sy izay azo hatsaraina. Asaivo mifamadika ireo mpinamana amin’ny fanontaniana manaraka.

Ampiasao ireto fanontaniana manaraka ireto na fanontaniana hafa anao manaokana izay mifanaraka amin’ny filan’ny mpianatra:

  1. Nahoana ny fiangonanareo no manohitra ny fanalan-jaza? Angaha tsy mino ny zon’ny vehivavy hisafidy izay mitranga amin’ny vatany ianareo?

  2. Nahoana ireo mpikambana manambady ao amin’ny fiangonanareo no amporisihina mba hanan-janaka? Tsy manahy ny amin’ny fisian’ny mponina be loatra angaha ianareo?

  3. Nahoana ny fiangonanareo no manohitra ny fanambadiana eo amin’ny lahy samy lahy na ny vavy samy vavy? Angaha tsy tianareo hanana zo mitovy sy ho sambatra ny olona tsirairay?

  4. Inona no tsy mety amin’ny fiaraha-mipetraka amin’ny olona iray mialoha ny fanambadiana? Moa ve izany tsy manome ny “fitsapana” ilaina mba hahazoana antoka fa mifanaraka ianareo?

Aorian’ny sahanasa dia manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra nianarany avy tamin’ny fifanakalozan-kevitra nataony.

Ho famaranana ny lesona dia asao ireo mpianatra mba hieritreritra zavatra iray azon’izy ireo atao mba hanatsarana ny fahafahan’izy ireo hiresaka momba ny fanambadiana sy ny fianakaviana amin’ny hafa amin’ny fomban’i Kristy. Amporisiho ireo mpianatra mba hitady fomba hampiharana ireo fitsipika ao amin’ny fizarana 3 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny firesahana ireo fanontaniana sarotra momba ny fanambadiana sy ny fianakaviana amin’ny namana iray na olona iray ao amin’ny fianakaviana.

Ho an’ny lesona manaraka

Asao ireo mpianatra mba hieritreritra ny fahamarinana izay nianarany sy noresahany nandritra ny taranja Fianakaviana Mandrakizay ka nanampy azy ireo hanana fanantenana sy fientanentanana momba ny fianakaviana amin’izao na amin’ny ho avy. Amporisiho izy ireo handalina ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana manaraka ary ho vonona hizara zavatra iray na mihoatra nianarany nandritra ity taranja ity ka tena nipaka tamin’izy ireo.

Hamoaka printy