Institiota
Lesona 4, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Ny fianakaviana no ivon’ny drafitry ny Ray any An-danitra


“Lesona 4, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana: Ny fianakaviana no ivon’ny drafitry ny Ray any An-danitra,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra (2022)

“Lesona 4, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Sary
Reny sy ray mamihina ireo zanany

Lesona 4, Tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana

Ny Fianakaviana no ivon’ny Drafitry ny Ray any An-danitra

Nanambara ireo mpaminany sy ireo apôstôly fa “ny fianakaviana dia fototry ny drafitry ny Mpahary ho an’ny anjara mandrakizain’ny zanany” (“Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” ChurchofJesusChrist.org). Mba efa neritreretinao ve ny ifandraisan’ny fianakaviana sy ireo andry fototra hafa amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra, toy ny Fahariana, ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva, ary ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy? Eo am-pandalinanao dia eritrereto ny lanjan’ireto fampianarana manaraka ireto amin’ny safidinao sy ny fanantenanao ho an’ny fianakavianao manokana.

Fizarana 1

Tamin’ny fomba ahoana ny Fahariana sy ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva no nanatanteraka ny tanjona mandrakizain’ny Ray any An-danitra ho an’ny fianakaviana?

Nampianatra ny Loholona Robert D. Hales tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Ny Loholona Robert D. Hales

Ny fotopampianaran’ny fianakaviana dia manomboka amin’ireo ray aman-dreny any an-danitra. Ny faniriantsika lehibe indrindra dia ny hitovy bebe kokoa amin’izy ireo. (“The Eternal Family,” Ensign, Nov. 1996, 64)

Rehefa niresaka tamin’i Mosesy teny an-tendrombohitra Andriamanitra dia nanazava Izy fa ny asany sy ny voninahiny dia “ny manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona” (Mosesy 1:39). Ny fiainana mandrakizay dia ny miaina miaraka amin’ Andriamanitra araka ny fomba fiainany, izay midika fa miaina mandrakizay ao anatin’ny fianakaviana mandrakizay. Io no fanomezana lehibe indrindra azony omena antsika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:7).

Sary
Mpivady mitsiky amin’ny zanany menavava

Ny Fahariana ny tany sy ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva dia ampahany nanan-danja teo amin’ny drafitry ny Ray mba hanatanterahana ireo tanjona mandrakizay ireo. Tao amin’ny tantaran’ny Fiangonana tany am-boalohany dia nanambara ny maha-zava-dehibe ny fanambadiana sy ny zanaka ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra ny ho an’ny tany ny Tompo. Ary ao amin’ny Bokin’i Môrmôna i Lehia dia manazava amin’ny zanany ny fahendrena ao amin’ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva.

Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:15–17 sy ny 2 Nefia 2:22–23, ka tadiavo ny fomba nentin’ny Fahariana sy ny Fahalavoana nandray anjara tamin’ny fiforonana sy ny fitomboan’ny fianakaviana mandrakizay.

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson sy ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Filoha Russell M. Nelson

Na dia lehibe toa inona aza ny planeta Tany dia mbola ampahany amina zavatra iray mbola lehibe kokoa, dia ilay drafitra lehiben’ Andriamanitra. Raha fintinina amin’ny teny tsotra dia nohariana mba hisian’ny fianakaviana ny tany. (“The Creation,” Ensign, May 2000, 85)

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

Ampahany manan-danja ao amin’ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra ny Fahalavoana. Raha tsy nisy azy io dia tsy ho nisy zanaka mety maty naterak’i Adama sy i Eva, ary tsy ho nisy fianakavian’olombelona mba hiaina ny fifanoherana sy ny fitomboana, ny safidim-pitondran-tena, ny fifaliana avy amin’ny fitsanganana amin’ny maty, sy ny fanavotana, ary ny fiainana mandrakizay. (“The Atonement of Jesus Christ,” Ensign, Mar. 2008, 35)

Sary
sary famantarana, saintsaino

Saintsaino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Amin’ny fomba ahoana ny fahatakarana ireo tanjona lehiben’ny Fahariana sy ny Fahalavoana ireo no miantraika amin’ny ezaka ataonao amin’ny fanorenana ny fianakavianao mandrakizay?

Fizarana 2

Amin’ny fomba ahoana ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy no mampisy ny fianakaviana mandrakizay?

Ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva no nampiditra ny fahotana sy ny fahafatesana teto amin’izao tontolontsika izao. Izy roaroa ireo dia manasaraka antsika amin’ Andriamanitra sy ny mety ho fahafahana hahazo ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ny fianakaviantsika.

Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna i Lehia dia manoritsoritra ny fiainan’i Jakôba tamin’ny fahakeliny izay feno fahoriana sy alahelo noho ireo rahalahiny (jereo ny 2 Nefia 2:1). Maty ihany koa i Elia raha mbola vao zatovolahy i Jakôba. Na dia teo aza izany fahasahiranan’ny fianakaviana izany dia nahita fanantenana i Jakôba tao amin’ny fahalalany momba ny sorona izay ho ataon’i Jesoa Kristy amin’ny ho avy mba hanampiana antsika rehetra sy ny fianakaviantsika hiala amin’ny fahafatesana sy ny helo.

Sary
Ny Mpamonjy nivavaka tao Getsemane
Sary
sary famantarana, halalino

Halalino mba hanomanana ny fotoam-pianarana

Vakio ny 2 Nefia 9:6–8, 10, 18, ary asio marika ny tenin’ny mpaminany sy ny fahatsapany momba ny fomba handresen’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ny fahotana sy ny fahafatesana.

Ny Filoha Julie B. Beck, izay filohan’ny Fikambanana Ifanampiana, sy ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nampianatra ny fomba anomezan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy fahafahana ny fianakaviana mba ho mandrakizay.

Sary
Filoha Julie B. Beck

Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia manome fahafahana ny fianakaviana mba ho voafatotra miaraka mandrakizay: Io no ahafahan’ny fianakaviana manana fitomboana sy fahatanterahana mandrakizay. Ny drafitry ny fahasambarana izay antsoina ihany koa hoe ny drafitry ny famonjena, dia drafitra iray noforonina ho an’ny fianakaviana. (“Teaching the Doctrine of the Family,” Ensign, Mar. 2011, 12)

Sary
Filoha Henry B. Eyring

Fantatry ny Raintsika any An-danitra be fitiavana ny ao am-pontsika. Ny tanjony dia ny hanome fifaliana antsika (jereo ny 2 Nefia 2:25). Ary nanao fanomezana ny Zanany Lahy Izy noho izany mba hahatanteraka ny fifaliana amin’ny famehezana ny fianakaviana izay mitohy mandrakizay. Koa satria notapahin’ny Mpamonjy ny famatoran’ny fahafatesana dia hitsangana amin’ny maty isika. Koa satria nanao sorona Izy hanonerana ny fahotantsika dia afaka ny ho lasa mendrika ny fanjakana selestialy izay toerana hamehezana mandrakizay ireo fianakaviana amin’ny fitiavana isika. (“The Hope of Eternal Family Love,” Ensign, Aug. 2016, 4)

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra

Raketo an-tsoratra ny eritreritrao

Raha toa ka nanana fahafahana hiresaka ny fahatsapanao amin’ny Tompo ianao momba ny anjara asany amin’ny famelana anao hahazo fiainana mandrakizay, inona no mety holazainao Aminy? Nahoana?

Fizarana 3

Toy ny ahoana ny lanjan’ny fianakaviana ao amin’ny drafitrao ?

Nampianatra toy izao ny Loholona L. Tom Perry tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo raha nanazava ny maha-ivo ny fianakaviana ao amin’ny mandrakizay:

Sary
Loholona L. Tom Perry

Ny haifinoana iray manontolon’ny filazantsarantsika naverina tamin’ny laoniny dia mifototra amin’ny fianakaviana sy ny fanekempihavanana vaovao sy mandrakizain’ny fanambadiana. …

Isika koa dia mino fa ny fianakaviana nentin-drazana matanjaka dia … singa fototry ny mandrakizay sy ny fanjakana ary ny governemantan’ Andriamanitra koa.

Isika dia mino fa ny firafitra sy ny governemantan’ny lanitra dia ho aorina manodidina ny fianakaviana sy ny havana. (“Nahoana no manan-danja ny fanambadiana sy ny fianakaviana—Na aiza na aiza eto amin’izao tontolo izao,” Liahona, mey 2015, 41)

Sary
Ankizy mpiray tampo mankafy fotoana iarahana amin’ny rainy

Noho ny maha-zava-dehibe ny fianakaviana ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra dia azontsika an-tsaina fa i Satana dia hanohitra ireo ezaka ataontsika mba hanorena sy hanamafisana orina ny fianakaviana. Ny fahatakarantsika ny drafitr’ Andriamanitra dia afaka manampy antsika tsy hohajambain’ny famitahan’i Satana. Nampianatra ny Loholona Hales hoe:

Sary
Ny Loholona Robert D. Hales

Manampy antsika eo amin’ny fanapahan-kevitra raisintsika sy ny zavatra ataontsika isan’andro ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay. Mampilamina ny saintsika sy ny fontsika izany. Miorina mafy sy tsy azo hozongozonina isika eo anatrehan’ireo hevitra izay toa mandresy lahatra manodidina antsika nefa mifono faharatsiana mandrakizay. …

Iharan’ny fanafihana ny fanambadiana sy ny fianakaviana satria fantatr’i Satana fa ilaina amin’ny fahazoana ny fiainana mandrakizay izy ireo, tena manan-danja toy ny Fahariana sy ny Fahalavoana ary ny Sorompanavotana sy ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty. Raha tsy nahomby ny fandravany ireo andrin’ilay drafitra ireo dia mikatsaka ny handrava ny fahatakarantsika sy ny fanaontsika amin’ny fanambadiana sy ny fianakaviana i Satana. (“The Plan of Salvation: A Sacred Treasure of Knowledge to Guide Us,” Ensign, Oct. 2015, 28, 29)

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra

Raketo an-tsoratra ny eritreritrao

Ahoana no hanaovanao ny fianakavianao ho ivon’ny fiainanao kokoa? Ahoana no hanasanao ny herin’ny Tompo eo amin’ny ezaka ataonao mba hamorona sy hanamafy orina ny fianakavianao mandrakizay?

Hamoaka printy