Institiota
Lesona 12, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Mikolokolo ny fifandraisana ao anatin’ny fanambadiana


“Lesona 12, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Mikolokolo ny fifandraisana ao anatin’ny fanambadiana,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny fianakaviana mandrakizay (2022)

“Lesona 12, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny fianakaviana mandrakizay

Lesona 12, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Mikoloko ny fifandraisana ao anatin’ny fanambadiana

Te hanampy antsika ny Tompo hanorina fanambadiana feno fifaliana sy maharitra mandrakizay. Rehefa mampiasa ny torohevitra sy fampianarana feno faminaniana ary ohatra avy amin’i Jesoa Kristy dia hahita fomba hahafahan’izy ireo mikolokolo ny fanambadian’izy ireo amin’izao na ny fanambadian’izy ireo any aoriana ireo mpianatra. Hasaina ihany koa ireo mpianatra hitady ireo fomba hifikirana tanteraka amin’ny vadin’izy ireo.

Sosokevitra enti-mampianatra

Afaka mikokolo ny fanambadiantsika isika amin’ny alalan’ny fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Manatsara ny fampianarantsika sy ny fianarantsika

Andraso amin’ny mpianatra ny hanatontosany ny anjara andraikiny amin’ny maha-mpandranto fahalalana azy. “Misy ny fahatsapana te hanatratra tanjona ao am-pianarana rehefa manantena ny hahatontosan’ireo mpianatra ny andraikiny amin’ny maha-mpianatra azy ireo mpampianatra sy manampy azy ireo amin’ny fanaovana izany ary rehefa atokisana ny mpianatra fa hitondra anjara biriky manan-danja” (Fampianarana sy fianarana ny filazantsara: Torolalana ho an’ireo mpampianatra sy mpitarika ao amin’ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara [2012], 15).

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny teny nambaran’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana. Avy eo dia manasà mpianatra vitsivitsy hizara ohatra mombana mpivady izay fantatr’izy ireo fa miaina anaty fanambadiana sambatra.

Arindrao anaty vondrona vitsivitsy ny mpianatra ary manendre mpitarika isaky ny vondrona tsirairay. Omeo ny tahadikan’ity torolalana manaraka ity ny vondrona tsirairay avy, vakio miaraka ny toromarika ary omeo fotoana ampy ny mpianatra hamitana ilay asa atao. (Raha mbola misy fotoana dia azonao atao mihitsy ny manasa ireo vondrona hamorona fanehoan-kevitra amin’ny bilaogy na horonan-tsary mandritra ilay sahanasa ary hanomana izany mba hozaraina amin’ny iray kilasy.)

Ireo fitsipika fototry ny fikolokoloana fanambadiana sambatra sy maharitra mandrakizay.

Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny Fianakaviana mandrakizay—Lesona 12

Alaivo sary an-tsaina hoe handefa zavatra amin’ny bilaogy na hamorona horonan-tsary ny vondrona misy anao izay ampitondraina ny lohateny hoe “Ireo fitsipika fototry ny fikolokoloana fanambadiana sambatra sy maharitra mandrakizay.” Ireo fitsipika ho an’ilay bilaogy na horonan-tsary dia tokony hosintonina avy ao amin’ny fizarana 1 sy 2 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana na avy ao amin’ireo soratra masina. Koa satria tsy ny zavatra manan-danja rehetra no azonao hazavaina ao anatin’ilay bilaogy na horonan-tsary ataonao, dia manapaha hevitra ny amin’ireo fomba dimy manan-danja indrindra izay azo hamenoana ity fitsipika manaraka ity: Ny lehilahy sy ny vehivavy dia afaka mikolokolo fanambadiana sambatra sy maharitra mandrakizay amin’ny alalan’ny …

  • Ohatra:

  • Ny lehilahy sy ny vehivavy dia afaka mikolokolo fanambadiana sambatra sy maharitra mandrakizay amin’ny alalan’ny fanarahana ny ohatra feno fitiavana sy fahafoizan-tena feno fahamarinana nataon’ny Mpamonjy (jereo ny Efesiana 5:25, 28–31).

Afaka manampy anao hanapa-kevitra ny amin’izay fitsipika ho atsofoka ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Nahoana ity fitsipika ity no tokony hatsofoka ao anatin’ilay bilaogy na horonan-tsary izay ataontsika? Manampy amin’ny fanambadiana sambatra sy maharitra amin’ny fomba ahoana ny fiainana ity fitsipika ity?

  • Moa ve niresaka mikasika io fitisipika io ireo mpivady sambatra izay noresahantsika tamin’ny fiomanana ho an’ny fotoam-pianarana? Raha eny, dia inona no nozarain’izy ireo mikasika izany?

Ireo fitsipika fototry ny fikolokoloana fanambadiana sambatra sy maharitra mandrakizay.

Sary
taratasy zaraina ho an’ny mpampianatra

Rehefa avy nomena fotoana ampy nitadiavana sy nanoratana ireo fitsipika dimy ireo mpianatra dia asaivo soratan’izy ireo eny amin’ny solaitrabe ireo fitsipika telo tian’izy ireo indrindra (na asaivo mizara ny bilaogy na horonan-tsary nataony izy ireo). Rehefa hita avokoa ireo fitsipika rehetra dia asao ny mpianatra hizara ny zavatra nianaran’izy ireo avy amin’ity zavatra natao ity. Hevero ny hametraka fanontaniana toy izao manaraka izao rehefa mizara ireo mpianatra mba hanampiana azy ireo handray andraikitra mahomby sy araka ny tokony ho izy.

  • Ahoana no fomba nahitanao io fitsipika io nampiharina? Inona no zavatra tsikaritrao?

  • Amin’ny fomba ahoana no mahatonga ny fiainan’ny Mpamonjy sy ny ohatra nasehony hanamafy ny fahatakaranao io fitsipika io?

  • Raha tsy manambady ianao dia inona ireo fomba sasantsasany izay azonao ampiharina mba hanampy anao hiomana amin’ny fanambadiana sambatra?

  • Raha manambady ianao dia amin’ny fomba ahoana ny fampiharana io fitsipika io amin’ny fanambadianao no mitarika mankany amin’ny fahasambarana bebe kokoa?

Aorian’ny fifanakalozan-kevitra manan-danja nifanaovana dia asao ny mpianatra hanoratra asa manokana izay ho ataon’izy ireo na izany hiomanan’izy ireo ho amin’ny fanambadiana sambatra na izany hikolokoloana kokoa ny fanambadian’izy ireo.

Ny mpivady dia natao hifampifikitra.

Asehoy ity horonan-tsarin’ny Filoha Russell M. Nelson ity raha azo atao, izay mizara ny zavatra niainany rehefa nahita mpivady iray tany anaty fiaramanidina (asehoy eo amin’ny famantaram-potoana 0:24 hatramin’ny 1:50). Ity horonan-tsary ity dia avy amin’ilay lahateny hoe “Nourrir le mariage” ( Le Liahona, mai 2006, 36).

Raha tsy misy ilay horonan-tsary na horonam-peo dia iaraho mamaky ity teny nambara ity:

Sary
Filoha Russell M. Nelson

Izahay Rahalahy rehefa mandeha manerana izao tontolo izao dia indraindray mahita zava-mitranga mampatahotra. Nandritra ny sidina iray nataoko vao tsy ela akory izay dia nipetraka taorian’ny mpivady iray aho. Tia tanteraka ny vadiny ilay vehivavy. Rehefa nisafosafo ny hatok’ilay lehilahy izy dia tazako ny peratra mariaziny. Nirondrona tany amin’ilay lehilahy izy ary nanankina ny lohany teo an-tsorony mba hitady fitia tamin’ilay vadiny.

Ilay lehilahy anefa, dia tena tsy nahatsikaritra mihitsy ny maha-eo an’ilay vadiny. Nifantoka tanteraka tamin’ny jeu électronique izy. Nandritra ny dia manontolo dia tany amin’ilay fitaovam-pilalaovana ny fifantohany. Tsy nijery ilay vehivavy izy na indray mandeha monja aza, tsy niresaka taminy, na mba taitra tamin’ny angotingotiny.

Ilay tsy firaharahiany dia nahatonga ahy te hihiaka hoe: “Sokafy ny masonao! Fa jamba ve ianao e? Mba jereo! Tia anao ny vadinao! Mila anao izy!”

Tsy mahafantatra zavatra betsaka momba azy ireo aho. Tsy hitako intsony izy ireo. Mety hoe nitaintaina amin’ny tsy misy dikany ve aho? Ary azo antoka fa raha fantatr’io lehilahy io ny ahiahiko mikasika azy ireo dia onena ahy izy noho ny tsy fahaizako mampiasa kilalao mampientanentana tahaka izany. (“Nourrir le mariage,” 36)

  • Inona no mety mampahatahotra amin’ny fitondrantenan’io lehilahy io eto amin’ity toe-javatra ity?

  • Inona avy ireo zavatra mety hanembantsembana ny fifandraisan’ireo mpivady sy ny fikolokoloana ny fanambadian’izy ireo?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:22. Antitrantero fa ny lehilahy sy ny vehivavy dia natao hifankatia amin’ny fon’izy ireo manontolo sy hifampifikitra. Hevero ny hanasa ny mpianatra hamaly ny iray na ny maromaro amin’ireto fanontaniana manaraka ireto mba hanampiana azy ireo hanamafy ny fahatakarany an’io fitsipika io.

  • Inona no dikan’ny hoe mifikitra amin’ny andefimandrinao sy ny hoe “tsy amin’olona hafa”? (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:22). (Azonao atao ny mamerina mijery ny fanambarana nataon’ny Filoha Spencer W. Kimball ao amin’ny fizarana 3 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana.) Nahoana ny mifikitra no fanehoam-pitiavana mahery vaika?

  • Inona avy ireo fomba mety hanohintohina ny fifanajana eo amin’ny fanambadiana (tsy fanitsakitsahanao ny vadinao)? Ahoana ny fomba ataon’ireo mpivady hiarovan-tena amin’ny karazan’endrika fanitsakitsahana eo amin’ny fanambadiana? (Hevero ny hanasa ireo mpianatra hamerina hijery ny teny nambaran’ny Loholona L. Whitney Clayton sy ny Filoha Nelson ao amin’ny fizarana 3 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

  • Ahoana no fomba ahafahan’ny mpivady mandanjalanja sy manokana toerana ho an’ny zavatra tian’izy ireo tsirairay avy kanefa mikolokolo araka ny tokony ho izy ary mikajy ny fanolorantenany tanteraka amin’ny fanambadiany?

Omeo fotoana ireo mpianatra hanoratana ny valin’ity fanontaniana manaraka ity izay nasaina nohalalinin’izy ireo tao ao amin’ny fizarana 3 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana:

  • Inona no fanatsarana ilainao atao amin’izao fotoana izao mba ho vonona kokoa hifikitra amin’izay ho vadinao any aoriana ianao na raha efa manambady ianao dia mba hifikiranao tanteraka amin’ilay vadinao?

Farano ny lesona amin’ny fijoroana ho vavolombelona momba ny fanirian’ny Tompo sy ny fahafahany manohana antsika amin’ny fananganana fanambadiana feno fifaliana sy mandrakizay rehefa manao ny ezaka tsara indrindra vitantsika isika.

Ho an’ny lesona manaraka

Angataho ny mpianatra handalina amim-bavaka ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ho an’ny lesona manaraka, izay mikasika ilay fanomezam-pahasoavana mamy sy masin’ny firaisana ara-nofo. Entano ireo mpianatra hivonona hiresaka amin’ny fo madio sy amim-panajana mikasika ity fanomezam-pahasoavana ity sy ny fomba hanajana izany.

Hamoaka printy