Institiota
Lesona 13, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny firaisana ara-nofo, fanomezam-pahasoavana avy amin’ Andriamanitra sy andraikitra masina


“Lesona 13, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny firaisana ara-nofo, fanomezam-pahasoavana avy amin’ Andriamanitra sy andraikitra masina,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny fianakaviana mandrakizay (2022)

“Lesona 13, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny fianakaviana mandrakizay

Lesona 13, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Ny firaisana ara-nofo, fanomezam-pahasoavana avy amin’ Andriamanitra sy andraikitra masina

Ny firaisana ara-nofo eo amin’ny mpivady dia fanomezam-pahasoavana avy amin’ Andriamanitra, natao ho anisan’ny zavatra tsara sy masina ao anatin’ny fanambadiana. Ato amin’ity lesona ity, ny mpianatra dia hampitombo ny fahatakarany mikasika ny fahamarinana mandrakizay mifandray amin’io fanomezam-pahasoavana masina io. Hanombantombana ilay fetra sy fefy izay napetrak’izy ireo ihany koa ny mpianatra na izay ilain’izy ireo apetraka mba hanampiana azy hiaina ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena.

Fanamarihana Noho ny maha-saro-pady ity lohahevitra ity dia iangaviana ianao hampianatra ity fotopampianarana ity amin’ny fomba mazava saingy amim-pandanjalanjana sy amim-pitandremana. Azonao atao ny manamboatra ny fomba fampianarana na ireo rafi-tantara nampiasaina ao amin’ny lesona mba hifanaraka amin’ny kolontsainao.

Sosokevitra enti-mampianatra

Manatsara ny fampianarantsika sy ny fianarantsika

Mivoiza fahaizana mahatsapa ny zavatra masina. Ny fomba hampidiran’ny mpampianatra ny lohahevitra iray, na ny fomba hanolorany izany dia afaka manampy ireo mpianatra hahatsapa ny maha-masina izany. Ny Loholona Paul B. Pieper ao amin’ny Fitopololahy dia nampianatra hoe: “Rehefa raisina ho masina ny zavatra iray dia mampahafantatra ny Tompo fa zavatra manana ny lanjany ambony kokoa izany ary laharam-pahamehana eo anatrehan’ny zavatra hafa (“Mihazona izany ho masina,” Liahona, mey 2012, 109). Rehefa miresaka momba ny firaisana ara-nofo ianao dia diniho ny hivoizana fifanakalozan-kevitra amin’ny fo madio sy mahitsy no sady manampy ireo mpianatra hahatsapa sy hahatakatra ny maha-masina ity lohahevitra ity.

Ny firaisana ara-nofo eo amin’ny mpivady dia natao ho kanto sy masina.

Asehoy ity toe-javatra manaraka ity:

Tsy takatr’ireo namanao hoe nahoana ianao no mihevitra fa ratsy ny firaisana ara-nofo mialoha ny fanambadiana. Indray andro dia milaza aminao ny namanao iray hoe: “Inona no maha-ratsy ny fanaovana firaisana ara-nofo amin’ny olona iray izay tianao? Raha samy mifanaiky ianareo roa dia inona koa no maha-olana an’izany? Tsy mieritreritra ve ianao fa mamoy fahafahana hankafy ampahany manan-danja sy mahafinaritra amin’ny fiainana ianao raha toa ka miandry hoe manambady vao manao firaisana ara-nofo?”

Asao ireo mpianatra hamerina hijery ny fizarana 1 sy 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana, ka hitady ireo fahamarinana izay afaka hanampy azy ireo hamaly ilay toe-javatra amin’ny fomba fijery araka ny filazantsara. Asao ny mpianatra vitsivitsy hanoratra eny amin’ny solaitrabe izay fahamarinana hitan’izy ireo. Ireo fahamarinana mety ho hita amin’izany dia hoe: Nandidy Andriamanitra fa ny firaisana ara-nofo dia tsy natao hiseho raha tsy eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray nivady ara-dalàna ihany. Ny firaisana ara-nofo ao anatin’ny fanambadiana dia natao hanehoana fitiavana sy hamoronana aina ary hanamafisana ny fifandraisana sy ny firaisan-kina. Ny firaisana ara-nofo dia tandindon’ny fanolorantena feno sy firaisana tanteraka ao anatin’ny fanambadiana. Ampahany manan-danja amin’ny maha-olona antsika ny vatantsika ary ny fomba ampiasantsika izany dia misy fiantraikany amin’ny fanahintsika sy ny fivoarantsika mandrakizay.

Tsy hanam-potoana hijerena lalina ireo fahamarinana ireo ianao, noho izany dia mifantoha amin’ireo fahamarinana izay mahaliana indrindra ny mpianatra ny hifanakalo hevitra momba azy. Mety hanampy hampahalalina ny fianaran’ny mpianatra ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Araka ny ao amin’ny Genesisy 2:18, 21–24, inona ny zavatra nianaran’i Adama sy i Eva momba ny toetoetry ny fitiavan’ny mpivady? Ahoana ny fomba hitahiana ny mpivady amin’ny alalan’ny fijerena ny firaisana ara-nofo ho toy ny tandindon’ny fikambanan’ny “fon’izy ireo, ny fanantenany, ny fiainany, ny fitiavany, ny fianakaviany, ny hoaviny ary ny zavatra rehetra”? (Jeffrey R. Holland, “Personal Purity,” Ensign, Nov. 1998, 76). (Hevero ny hanasa ireo mpianatra hamerina hijery ny teny nambaran’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana. Ataovy ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra ny hanampiana ny mpianatra hahatakatra fa rehefa mikolokolo ny firaisan’izy ireo saina sy fo sy fanahy ireo mpivady dia hanan-danja kokoa ny firaisan’izy ireo ara-nofo.)

  • Nahoana no mamitaka ny mandray ny firaisana ara-nofo ho zavatra ara-batana izay natao hahazoana fahafinaretan’ny nofo fotsiny ihany. Ahoana no ahafahan’ny firaisana ara-nofo ivelan’ny fanambadiana manimba ara-pihetsehampo sy ara-panahy ireo izay voakasik’izany? (Mety hanampy ny manasa ny mpianatra hamerina hijery ny teny nambaran’ny Loholona Holland ao amin’ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana.)

  • Ahoana no hahatonga ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany sy momba ny tanjona masina ho an’ny vatantsika hisy fiantraikany amin’ny fomba fiheverantsika ny firaisana ara-nofo? (Hevero ny hanasa mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Korintiana 6:19–20 mialoha ny hametrahana io fanontaniana io.)

  • Ahoana no ahafahan’ny fahatakarana ireo fahamarinana voatanisa eo amin’ny solaitrabe hamafa ireo toe-tsaina mirona amin’ny ratsy na fomba fisainana mifototra amin’ny tahotra mikasika ny firaisana ara-nofo?

Afaka mampitombo ny fahadiovantsika manokana isika sy miaina amim-pifaliana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena rehefa miaraka amin’ny fanampian’ny Tompo.

Asao ireo mpianatra haka sary an-tsaina hoe ray aman-drenina zanaka vavy na zanakalahy 13 taona izy ireo. Mahatsapa izy ireo fa fotoana tsara izao hiresahana indray amin’ireo zanany mikasika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena. Omeo minitra vitsy ny mpianatra mba hizaran’izy ireo ao anaty vondrona kely ny fomba hampianaran’izy ireo na hanamafisany ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena amin’ny zanak’izy ireo 13 taona. Ampitandremo ny mpianatra amin’ny fampiasana teny na fanoharana izay mety hiteraka fahamenarana na tahotra na fikorontanan-tsaina. Rehefa ampy ny fotoana nomena, dia anontanio ny iray kilasy hoe:

  • Ahoana ny fomba hampianaranao amin’ny fomba izay hanampy zatovo iray hanana fahatsapana mirona amin’ny tsara ny mikasika ny fanomezam-pahasoavana masin’ny firaisana ara-nofo sy ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena?

  • Inona avy ireo fampianarana sasany izay nianaranao nandritra ny fahalehibiazanao ka nanampy anao hahita ny firaisana ara-nofo ho toy ny ampahana zavatra tsara sy madio ao anatin’ny fanambadiana?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 38:12. Asao ny mpianatra hieritreritra ny hanisy marika ny fampianaran’i Almà izay maneho ity fisipika ity: Rehefa mifehy ny filantsika isika dia afaka ho feno fitiavana.

Asehoy ity lohateny ity sy ireto fanontaniana manaraka ireto. (Raha tianao dia afaka manao tahadika ianao ary mizara izany.) Asao ny mpianatra hiasa hiaraka amin’ilay vondrona kely teo ihany ary hisafidy fanontaniana roa na telo izay tsapan’izy ireo fa manan-danja aminy ary hifampiresaka momba izany.

Mametraka fetra ary mikatsaka fanampiana avy amin’ Andriamanitra mba hiaina ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena

Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny Fianakaviana mandrakizay—Lesona 13

  • Inona avy ny sasany amin’ireo olana tena lehibe eo amin’ny fiainana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena? Ahoana no ahafahantsika mandresy ireo olana ireo?

  • Ahoana no hanampian’ny fampiharana finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fikatsahana ny famindrampony anao hitandrina ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena? (Hevero ny hamerina hijery ny 1 Korintiana 10:13; Almà 13:28; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 62:1.)

  • Nahoana no manan-danja ny mametraka fetra mialoha ny fanambadiana sy ao anatin’ny fanambadiana rehefa hitandrina ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena? Ahoana ny fomba hitahiana ny olon-droa izay miaraka amin’ny firesahana mikasika ny fefy eo amin’ny fitiavana ara-batana? (Azonao iverenana jerena ny teny nambaran’ny loholona Neil L. Andersen ao amin’ny fizarana 3 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana.)

  • Na manambady ianao na tsia dia inona no paikady, fampiharana ary fefy izay hitanao manampy indrindra amin’ny fitandremana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena?

  • Ahoana no hanajantsika ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy amin’ny fitandremana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena?

Mametraka fetra ary mikatsaka fanampiana avy amin’ Andriamanitra mba hiaina ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena

Sary
taratasy zaraina ho an’ny mpampianatra

Hamaranana ny fotoam-pianarana dia asao ny mpianatra hizara ny fomba hanamafisan’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana sy ny fifampiresahana tao amin’ny kilasy azy ireo ny fahatakarany mikasika ny firaisana ara-nofo sy ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena.

Asao ireo mpianatra hijery ny zavatra nosoratan’izy ireo ho valin’ny ilay fitaomana “Raketo an-tsoratra ny eritreritrao” ao amin’ny fizarana 3 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ary hanampy hevitra fanampiny izay ananan’izy ireo na ny fahatsapana izay noraisiny. Azonao atao koa ny manasa azy ireo hieritreritra mikasika ny fomba nahatonga ny Mpamonjy hanampy antsika hahatohitra ny fakam-panahin’ny firaisana ara-nofo sy ny fahotana ka hanana fifandraisana tsara.

Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao mikasika ireo fahamarinana nampianarina androany, ary entano ny mpianatra mba hikatsaka ny fanampian’ Andriamanitra rehefa miezaka ny hiaina ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena izy ireo.

Ho an’ny lesona manaraka

Lazao amin’ny mpianatra fa iray amin’ireo loza manambana indrindran’ny fahadiovan’ny tenantsika ny pôrnôgrafia. Angataho ny mpianatra handalina ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny lesona manaraka, ary hijery ny fomba ahafahan’izy ireo misoroka sy manampy ny hafa hisoroka io loza manambana io.

Hamoaka printy