Institiota
Lesona 28, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Manana fanantenana amin’ny fanorenana fianakaviana mandrakizay


“Lesona 28, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Manana fanantenana amin’ny fanorenana fianakaviana mandrakizay,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra (2022)

“Lesona 28, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Lesona 28, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Manana fanantenana amin’ny fanorenana fianakaviana mandrakizay

Isika rehetra dia afaka manana fanantenana fa afaka manorina fianakaviana mandrakizay, na manao ahoana na manao ahoana toe-javatra niainan’ny fianakaviantsika. Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hahatakatra tsara kokoa fa ny Tompo dia afaka manampy azy ireo hahomby amin’ny fanorenana fianakaviana mandrakizay. Hanana fahafahana ihany koa ireo mpianatra hizara sy hamantatra ny fomba hampiharana bebe kokoa ny zavatra nianaran’izy ireo sy niainan’izy ireo tato amin’ity taranja Ny fianakaviana mandrakizay ity.

Sosokevitra enti-mampianatra

Te hanampy antsika hahomby amin’ny fanorenana fianakaviana mandrakizay ny Tompo.

Fanamarihana: Safidio tsara ny safidy entina mampianatra ho an’ny tapany voalohany amin’ny lesona izay tena hitahy ireo mpianatrao. Kendreo tsara ny hamela 20 minitra ho an’ny tapany farany amin’ny lesona.

Atombohy ny lesona amin’ny fanasana ireo mpianatra hisaintsaina sy hirakitra ny eritreriny momba ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no fanantenana anananao momba ny fanorenana fianakaviana mandrakizay?

Rehefa avy nomena fotoana ampy dia manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny hevitr’izy ireo raha tsy mampaninona azy ireo izany.

Asehoy izao fahamarinana manaraka avy amin’ny zavatra nambaran’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana izao: “Miaraka amin’ny fanampian’ny Tompo dia afaka mamorona fianakaviana mandrakizay ianao” (“Masombỳ matanjaka” [fampaherezam-panahy maneran-tany ho anʼny tanora tokan-tena sy ny mpivady vao herotrerony, 10 sept. 2017], broadcasts.ChurchofJesusChrist.org).

Misafidiana sahanasa iray amin’ireto manaraka ireto mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra lalina kokoa io fahamarinana io sy hamela azy ireo hizara ny zavatra nianarany raha niomana ho amin’ny fotoam-pianarana:

Safidy 1

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa ao amin’ny sahanasa “Raketo ny eritreritrao” ao amin’ny fizarana 1 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana dia nasaina izy ireo hitady ohatra avy ao amin’ny soratra masina na zavatra niainan’ny fianakaviany momba ny fomba hanampian’ny Tompo ireo izay matoky Azy sy mikatsaka ny fanampiany. Omeo minitra vitsy ireo mpianatra hijerena ny ohatra nomen’izy ireo sy ny valin-teniny amin’ireo fanontaniana.

Ampiaraho tsiroaroa na zarao ho vondrona kelikely ny mpianatra. Omeo fotoana ampy ireo mpianatra hizarana ny ohatra sy ny valin-teny hitan’izy ireo.

Rehefa nahavita ny mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe ity fehezan-teny tsy feno ity: Tsarovy foana fa: . Omeo taratasy kely sy scotch iray ny mpianatra tsirairay. Asao ireo mpianatra hanoratra ny fomba hamenoany ilay fehezan-teny eny amin’ny solaitrabe mba hanome fahamarinana iray avy amin’ny zavatra nianaran’izy ireo nandritra ny fifanakalozan-kevitra niarahany tamin’ny vondrona nisy azy ka manampy azy ireo hanana fanantenana amin’ny fanorenana fianakaviana mandrakizay. Avy eo dia angataho ireo mpianatra hametraka ambony ny taratasiny ao anatin’ny efitrano. (Raha kely ny kilasinao dia azonao amboarina ity sahanasa ity amin’ny fanasana ireo mpianatra mba hanoratra ny valin-tenin’izy ireo eny amin’ny solaitrabe.)

Omeno minitra vitsy ireo mpianatra handehanana manerana ny efitrano ary hamaky ny fehezan-tenin’ny mpianatra namany. Rehefa vitan’ny mpianatra izany dia amporisiho izy ireo hanoratra fahamarinana fanampiny izay tian’izy ireo hotsaroana na fahatsapana izay mety voarain’izy ireo.

Safidy 2

Hazavao fa ho an’ny sasany amintsika dia mety ho sarotra ny fananana fanantenana amin’ny fanorenana fianakaviana mandrakizay satria tsy nanana fiainam-pianakaviana miaina ny fahamarinana tao amin’ny fianakaviantsika.

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ny zavatra niainan’ny mpaminany Abrahama izay afaka manome fanantenana antsika? (Amporisiho ny mpianatra hitadidy ny zavatra nianarany momba an’i Abrahama tao amin’ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana. Hevero ny hiaraka hamaky ny Abrahama 1:2. Avy eo dia ampio ireo mpianatra hahita fahamarinana tahaka izao manaraka izao: Afaka ny ho kihon-dalana ho an’ny fianakaviantsika isika sy misafidy ny ho marin-toetra na manao ahoana na manao ahoana toe-javatra niainan’ny fianakaviantsika.)

  • Iza no efa fitaovana tamin’ny fanombohana (na fanohizana) fiainam-pianakaviana mandala ny fahamarinana tao amin’ny fianakavianao? Inona no fiovana nentin’ny safidin’io olona ireo teo amin’ny fiainanao?

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny andiam-pehezan-teny fahatelo sy fahefatra amin’ny teny nambaran’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.

  • Ahoana no hanampian’ny Tompo anao “hanampy hery ao amin’ny rojo misy anao ary mety hanampy amin’ny famerenana amin’ny laoniny na ilay masombỳ simba mihitsy aza”? (“Masombỳ matanjaka”). (Azonao atao ny manasa ireo mpianatra mba hirakitra ny valin-tenin’izy ireo ho an’io fanontaniana io fa tsy hifanakalo hevitra momba izany miaraka amin’ny iray kilasy.)

Asao ireo mpianatra handinika ireo fanontaniana nasaina hosaintsainin’izy ireo momba ny fomba fiainan’ny fianakaviana izay hatombony na tohizany na ajanony (jereo ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana). Amporisiho ireo mpianatra hirakitra izay eritreritra na fahatsapana ananany.

Voatahy isika rehefa mandinika ny zavatra nianarantsika sy manao drafitra ny fomba hampiharana izany.

Manatsara ny fampianarantsika sy ny fianarantsika

Omeo fotoana hieritreretana ireo mpianatra. Hahita tanjona sy lanjany lalina kokoa ireo mpianatra amin’ny fianaran’izy ireo rehefa maka fotoana handinihana ny fiantraikan’ireo fahamarinan’ny filazantsara teo amin’ny sainy sy ny fony ary ny fiainany. Amporisiho ireo mpianatra hieritreritra momba ny fomba hampiharany ny zavatra nianarany sy tsapany ka hanampy azy ireo hiova fo lalina kokoa.

Hevero ny haneho tahadikan’ny “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” (ChurchofJesusChrist.org). Ampahatsiahivo ny mpianatra ny fahafahana nananan’izy ireo nandritra ity taranja ity mba handalina ireo fampianarana momba ny fianakaviana avy amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.

Asehoy ny lohatenin’ireo lesona tato amin’ity taranja ity na asao ireo mpianatra hijery izany ao amin’ny fitaovany elektônika. Omeo fotoana ireo mpianatra hijery ireo lohatenin-desona mba hanampiana azy ireo handinika ny zavatra nianarany sy tsapany ary niainany nandritra ity taranja ity. Avy eo dia asao ireo mpianatra hizara ny eritreriny. Azonao atao ny mametraka fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto mba hampahalalina kokoa ny fifanakalozan-kevitra:

  • Inona no fiantraikan’ity taranja ity teo amin’ny fahatakaranao sy ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny fampianaran’ny Tompo momba ny fanambadiana sy ny fianakaviana?

  • Inona no anisan’ireo zavatra noraisinao manan-danja indrindra tamin’ity taranja ity?

  • Inona no nianaranao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy nandritra ity taranja ity? Nihamafy tamin’ny fomba ahoana ny fifandraisanao amin’ Izy Ireo?

Ho famaranana ity lesona ity dia azonao atao ny manasa mpianatra iray hamaky mafy ny teny nambaran’ny Filoha M. Russell Ballard ao amin’ny fizarana 3 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana. Mety hanampy ny maneho ireto fanontaniana manaraka ireto ary manome minitra vitsy ireo mpianatra hiraketana ny eritreritra na fahatsapana ananan’izy ireo momba izany:

  • Inona no ho fiovana misy eo amin’ny fiainanao vokatry ny zavatra nianaranao sy niainanao tato anatin’ity taranja ity? Ahoana no ahatongavanao ho tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa?

Hevero ny hanasa izay mpianatra mazoto hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ny maha zava-dehibe ny fianakaviana ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ny fahasambarana mba hanao izany, raha mbola ampy ny fotoana. Hevero ny hizara ihany koa ny fijoroana ho vavolombelona anananao. Dia amporisiho ireo mpianatra hanohy hisoratra anarana amin’ny institiota.