Institiota
Lesona 4, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny fianakaviana no ivon’ny drafitry ny Ray any An-danitra


“Lesona 4, Tahirin-kevitra ho an’ny mpmpianatra: Ny fianakaviana no ivon’ny drafitry ny Ray any An-danitra,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra (2022)

“Lesona 4, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Lesona 4, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Ny fianakaviana no ivon’ny Drafitry ny Ray any An-danitra

Ny fianakaviana no ivon’ny drafitry ny Raintsika any An-danitra ho an’ny anjarantsika mandrakizay. Ato amin’ity lesona ity ireo mpianatra dia hanana fahafahana hanazava ny fomba anomezan’ny Fahariana ny tany sy ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva ary ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ny fianakaviana mandrakizay fahahafahana hiforona sy hitombo. Hasaina ihany koa ireo mpianatra hanombatombana ny ezaka ataon’izy ireo manokana amin’ny famoronana sy fanamafisana orina ny fianakaviana mandrakizain’izy ireo manokana.

Sosokevitra enti-mampianatra

Ny Fahariana ny tany sy ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva dia manome fahafahana ny fianakaviana hiforona sy hitombo.

Manatsara ny fampianarantsika sy ny fianarantsika

Farito ny zavatra ilaina ary mametraha tanjona. Ny fanombohana lesona amin’ny fanontaniana na toe-javatra na olana tena misy dia afaka mitarika ireo mpianatra mba handray anjara amin’ny lesona sy hikatsaka fahalalana bebe kokoa. Afaka manampy azy ireo hahita ny fomba hitondran’ireo fampianarana ao amin’ny soratra masina sy ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana valiny sy fitarihana izay afaka ny hitarika azy ireo ao anatin’ny zava-misy marina mitranga eo amin’ny fiainany ihany koa izany. Rehefa hitan’ny mpianatra ny fiantefan’ny zavatra halalinin’izy ireo eo amin’ny toe-javatra iainany manokana dia hazoto kokoa hianatra sy hampihatra ny fampianaran’ny filazantsara izy ireo amin’ny ankapobeny.

Alamino ho vondrona kely maromaro ireo mpianatra ary anendreo mpitarika ny vondrona tsirairay. Asehoy na zarao amin’ny vondrona tsirairay ny tahadika mitovy amin’ity rafi-tantara ity sy ireto fanontanina manaraka ireto. (Diniho ny fomba ahafahanao mampifanaraka ity rafi-tantara ity araka izay ilaina mba hitombina kokoa amin’ny kolontsainareo sy ny fiainan’ireo mpianatra.)

Rehefa nanao fikarohana tamin’ny internet i Rachel ho an’ny entimody iray any am-pianarana dia nahita lahatsoratra izy izay mamporisika fa ny “fianakaviana nentim-paharazana” (mpivady vita mariazy miaraka amin’ny zanaka) dia tsy ilaina intsony eo amin’ny fiarahamonina. Nandritra ny kilasy andro vitsivitsy taty aoriana dia nahatsikaritra i Rachel fa irery izy amin’ny fiezahana miaro ny maha-zava-dehibe ny fianakaviana nentim-paharazana. Maro amin’ireo mpiara-mianatra aminy no tsy manao laharam-pahamehana ny fanambadiana na ny fananan-janaka. Ho azy ireo ny fanambadiana sy ny zanaka dia manembatsembana ny fahatratraran’ny olona iray tanjona. Nahatonga an’i Rachel hanana fanontaniana sy fahatsapana tsy nampilamin-tsaina izany zavatra niainany izany.

  • Nahoana araka ny eritreritrao ny olona sasany no mahatsapa toy izany momba ny fanambadiana sy ny fianakaviana?

  • Inona no nianaranao momba ny fianakaviana sy ny drafitry ny Ray any An-danitra izay afaka manampy an’i Rachel? (Raha ilaina dia azonao averina jerena ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana mba hanampy amin’ny fifanakalozan-kevitra.)

Rehefa nomena fotoana ampy ny mpianatra mba hifanakalozana hevitra momba ilay rafi-tantara dia asao izy ireo hitanisa eny amin’ny solaitrabe ny sasany amin’ireo fahamarinana noresahin’izy ireo. Mifotora amin’ireo fahamarinana ireo mandritra ny lesona.

Azonao atao ny manasa mpianatra iray mba hamerina tsianjery na hamaky ny Mosesy 1:39 ary hangataka ny iray kilasy avy eo mba hanazava ny zavatra ampianarin’io andininy io momba ireo tanjon’ny drafitry ny Ray any An-danitra. Raha ilaina dia anontanio ny mpianatra ny fomba hamaritan’izy ireo ny hoe “fiainana mandrakizay” ary inona no ifandraisan’io tanjona io amin’ny fianakaviana. (Jereo ny fizarana voalohany ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana raha mila fanampiana amin’ny famaritana.)

Mamorona ny tany i Jehovah, nataon’i Walter Rane
Mandao ny Saha Edena, nataon’i Joseph Brickey

Manehoa sary maneho ny Fahariana sy ny Fahalavoan’i Adama sy Eva. Asao ireo mpianatra hijery ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:15–17 sy ny 2 Nefia 2:22–23. Dia mametraha an’ireto fanontaniana manaraka ireto avy eo:

  • Tamin’ny fomba ahoana ny Fahariana ny tany no nanampy tamin’ny fanatanterahana ireo tanjona mandrakizain’ny Ray any An-danitra ho an’ireo zanany? (Mety hitovitovy amin’izao manaraka izao ny valin-tenin’ireo mpianatra: Ny tany dia nohariana mba hanome toerana ahafahan’ireo zanak’ Andriamanitra ho teraka ao anatin’ny fianakaviana ary hiaraka hivoatra.)

  • Tamin’ny fomba ahoana ny Fahalavoan’i Adama sy Eva no nanampy tamin’ny fanatanterahana ny tanjon’ny Ray sy “mba hahatratraran’ny tany ny tanjona namoronana azy”? (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:16). (Mety hanome valin-teny isan-karazany ireo mpianatra, tafiditra amin’izany ny filazana fahamarinana tahaka izao: Noho ny Fahalavoana dia afaka niteraka i Adama sy i Eva ary afaka mivoatra mankany amin’ny fiainana mandrakizay ny taranany.)

  • Amin’ny fomba ahoana ny fahatakarana ireo tanjona tamin’ny Fahariana sy ny Fahalavoana ireo no miantraika amin’ny ezaka ataontsika mba hanao laharampahamehana sy hanorina ny fianakaviana mandrakizay ho antsika manokana?

Tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany i Jesoa Kristy dia nampisy ny fianakaviana mandrakizay.

Ifanakalozy hevitra fohifohy izao fanontaniana manaraka izao:

  • Inona no anjara asan’ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany amin’ny fanatanterahana ny fianakaviana mandrakizay? (Avereno jerena ny 2 Nefia 9:6–8, 10, 18 mba hanampiana ny mpianatra hamantatra fa amin’ny alalan’ny Sorompanavotany i Jesoa Kristy dia manolotra fomba handresen’ireo zanaky ny Ray any An-danitra rehetra ny fahotana sy ny fahafatesana.)

Asehoy ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Filoha M. Russell Ballard

Ny singa manan-danja mampifandray izany rehetra izany— izay ianteheran’ny drafitr’ Andriamanitra sy ny hoavy mandrakizaintsika ary ifaharan’ny zava-rehetra— dia ny Mpamonjintsika, Jesoa Kristy. Ny Sorompanavotany no ahafahan’ny zava-drehetra hitranga, ka anisan’izany kanefa tsy voafetra amin’ireo fotsiny, dia ny fanambadiana sy ny fianakaviana feno fitiavana sy feno fiahiana ary mandrakizay. (M. Russell Ballard, “Ireo zavatra azo atao sy andraikitry ny mpampianatra ao amin’ny DFF amin’ny taonjato faha-21” [takariva hiarahana amin’ny Manampahefana ambony, 26 feb., 2016], ChurchofJesusChrist.org)

Asao ireo mpianatra mba hemerina hijery ny zavatra nosoratany ho valin’ny fanontaniana any amin’ny faran’ny fizarana 2 amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana. (Raha ilaina dia omeo fotoana ny mpianatra handraisana an-tsoratra na hanampy amin’ny valin-teniny.) Manasà mpianatra maromaro hizara izay zavatra nosoratany. Hevero ihany koa ny hizara ny fahatsapana anananao.

Mba hanampiana ny mpianatra hanao zavatra araka ny zavatra nianarany androany dia misafidiana iray na ireto hevitra roa manaraka ireto, izay hitanao fa tena manampy ny mpianatra.

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ilay teny nambaran’ny Loholona Robert D. Hales izay hita ao amin’ny fizarana 3 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.

  • Amin’ny fomba ahoana no ahitanao an’i Satana miasa mba hanafika ny fanambadiana sy ny fianakaviana amin’izao androntsika izao?

Asao ireo mpianatra mba haka minitra iray na roa handinihana fomba mety entin’i Satana manafika ny fanambadiany sy ny fianakaviany (amin’izao sy amin’ny ho avy). Amporisiho izy ireo mba hisaintsaina sy handray an-tsoratra ihany koa ireo fahatsapana ananany momba ny fomba ahafahan’ny fihazonana fomba fijery mibanjina ny mandrakizay manampy azy ireo hanao laharampahamehana sy hiaro ny fianakaviany.

Omeo fotoana ny mpianatra hisaintsainana lalina kokoa ireto fanontaniana avy ao amin’ny fizarana 3 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana manaraka ireto ary hirakitra ireo fahatsapana mety ho azony:

  • Ahoana no hanaovanao ny fianakavianao ho ivon’ny fiainanao kokoa?

  • Ahoana no hanasanao ny herin’ny Tompo eo amin’ny ezaka ataonao mba hamorona sy hanamafy orina ny fianakavianao mandrakizay?

Rehefa avy nomena fotoana ampy ireo mpianatra, dia asao ny mpianatra vitsivitsy izay maniry ny hanao izany mba hizara. Amporisiho ny mpianatra hanao zavatra araka ny fahatsapany.

Ho an’ny lesona manaraka

Hevero ny hamerina hijery vetivety miaraka amin’ny mpianatra ny zavatra nianarany tao amin’ireo lesona efatra voalohany tamin’ity taranja ity. Azonao omena soso-kevitra izy ireo hoe amin’ny fihaonanareo manaraka dia hanome fahafahana azy ireo ianao mba hizara ny zavatra nampiharin’izy ireo hatreto tamin’ny fianakaviany sy ny hafa. Asao ireo mpianatra eo am-piomanany amin’ny lesona manaraka mba hieritreritra tsara momba mety ho fiantraikan’ny safidy izay ataony amin’ny vatany amin’ny fianakaviany sy ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny fianakaviany.