Institiota
Lesona 19, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny andraikitra masina sahanin’ny reny


“Lesona 19, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny andraikitra masina sahanin’ny reny,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra (2022)

“Lesona 19, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Lesona 19, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Ny andraikitra masina sahanin’ny reny

Nilaza ny Filoha M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Tsy misy andraikitra eo amin’ny fiainana ka manan-danja kokoa sy maharitra mandrakizay kokoa noho ny maha-reny” (“Daughters of God,” Liahona, May 2008, 108). Ato amin’ity lesona ity ireo mpianatra dia hanazava ny toetra mandrakizain’ny maha-reny sy ny fikolokoloana ny hafa. Hifanakalo hevitra momba ny fomba nanehoan’ny Mpamonjy ohatra eo amin’ny fikolokoloana izy ireo. Hampihatra ny fanazavana fitsipika momba ny maha-reny amin’ny hafa koa ireo mpianatra.

Sosokevitra enti-mampianatra

Manatsara ny fampianarantsika sy ny fianarantsika

Alamino ny fotoana. Ialao ny mandany fotoana be loatra amin’ny ampahany voalohany amin’ny lesona ka lasa voatery mandeha haingana ianao amin’ny ambin’izany. Rehefa miomana ianao dia tombantombano ny fotoana holanian’ny mpianatra amin’ny fifantohana amin’ny fizarana tsirairay ao anatin’ny lesona amin’ny alalan’ny fampiasana ny fomba fampianarana nosafidinao. Amboary ny fomba fampianarana rehefa ilaina mba hifototra amin’ireo zavatra ilain’ny mpianatra sy ny zavatra mahaliana azy.

Manana andraikitra masina mba hikolokolo ny reny.

Asehoy ity teny nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson manaraka ity:

Sary
Filoha Russell M. Nelson

Nandritra ny fiainako arak’asa tamin’ny naha-dokotera mpitsabo ahy, dia nisy fotoana nanontaniana aho hoe nahoana aho no nifidy io asa sarotra io. Novaliko tamin’ilay hevitro izany hoe ny asa ambony indrindra sy mendri-kaja indrindra eo amin’ny fiainana dia ny asan’ny reny. Noho ny tsy fanomezana ahy fahafahana hanao io safidy io, dia nieritreritra aho fa ny fikarakarana ny marary no mety hanakaiky izany. …

Taona maro lasa izay dia namoaka fanambarana ny Fiadidiana Voalohany izay nisy fiantraikany lalina sy naharitra tamiko. “Ny maha reny,” hoy izy ireo, “dia manakaiky ny maha-andriamanitra. Izany no asa fanompoana ambony indrindra sy masina indrindra izay azon’ny olombelona tanterahina. Mametraka an’ilay vehivavy izay manaja ny antsony sy ny fanompoany masina ho eo akaikin’ny anjely izany” [ao amin’ny James R. Clark, comp., Messages of the First Presidency of The Church of Jesus Christ of Latter-day Saints (1975), 6:178]. (“Our Sacred Duty to Honor Women,” Ensign, May 1999, 38)

  • Inona no nisarika ny sainao tao anatin’ny zavatra nolazain’ny Filoha Nelson, ary nahoana?

  • Ahoana no hanazavanao ny toetoetra mandrakizan’ny andraikitra maha-reny?

  • Amin’ny fomba ahoana ilay andraikitra maha-reny no mifamatotra amin’ny vehivavy rehetra, tafiditra ao anatin’izany koa ireo izay tsy nanan-janaka? (Raha ilaina dia asao ireo mpianatra mba hamaky ny teny nambaran’ny Rahavavy Sheri L. Dew sy ny Filoha Nelson ao amin’ny fizarana 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana. Ampio ireo mpianatra hitady fahamarinana mitovy amin’izao manaraka izao: Ny vehivavy tsirairay dia reny noho ny anjarany mandrakizay araka an’ Andriamanitra [jereo ny Russell M. Nelson, “Ny fandraisan’ireo rahavavy anjara amin’ny fanangonana an’i Isiraely,” Liahona, nôv. 2018, 68].)

  • Inona no dikan’io fahamarinana io ho anao sy ho an’ireo vehivavy izay fantatrao?

Hevero ny hitondra ao an-dakilasy zavamaniry salama iray sy zavamaniry malazo iray, na mampisehoa sarin’izany.

Sary
raozy salama
Sary
raozy malazo

Asao ireo mpianatra mba hieritreritra ny mety ho natao tamin’ilay zavamaniry salama ka tsy natao tamin’ilay zavamanairy malazo.

  • Ahoana no ahafahana mampitaha ny fikarakarana zavamaniry sy ny fikolokoloana olona? (Raha ilaina dia iaraho vakina amin’ireo mpianatra ny famaritana ny hoe mitaiza izay nomen’ny Filoha Susan W. Tanner ao amin’ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

Asehoy ity teny nambara avy tao amin’ny fanambarana ho an’ny fianakaviana ity: Ny reny dia tompon’andraikitra voalohany eo amin’ny fitaizana ny zanany (jereo ny ChurchofJesusChrist.org).

  • Inona no fanomezam-pahasoavana nomen’ny Ray any An-danitra ny vehivavy mba hanampiana azy ireo hanatanteraka io andraikitra masina io? (Ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra ataonareo dia azonao vakina miaraka amin’ny mpianatra ireo teny nambaran’ny Rahavavy Neill F. Marriott sy ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.)

Hazavao fa i Jesoa Kristy no ohatra tonga lafatra indrindra eo amin’ny fikolokoloana. Asao ny mpianatra mba hamerina hamaky ireo andinin-tsoratra masina nohalalinin’izy ireo tao amin’ny fizarana 2 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana, ary hitady ny zavatra azon’izy ireo ianarana momba ny fikolokoloana avy amin’ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy. Manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny hevitr’izy ireo.

Ny reny dia mitana andraikitra masina sy manan-danja ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra.

Asao ireo vehivavy ao amin’ny kilasinao hamaly izao fanontaniana manaraka izao:

  • Inona ny eritreritra, na fahatsapana, na ahiahy anananao momba ny maha-reny?

Apetraho amin’ny mpianatra avy eo ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no faneriterena ao amin’ny kolontsaintsika izay mety ho tsapan’ny vehivavy mahakasika ny maha-reny?

  • Inona no fahasamihafana hitanao eo amin’ny fahitan’ny olona sasany ny maha-reny sy ny fahitan’ Andriamanitra izany? (Ao anatin’io fifanakalozan-kevitra io dia azonao asaina jeren’ny mpianatra ireo teny nambaran’ny Filoha Nelson sy ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny fizarana 3 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana. Ampio ireo mpianatra hahita fahamarinana tahaka izao manaraka izao: Tafiditra ao anatin’ny asan’ Andriamanitra sy ny voninahiny ny fitondrana ao am-bohoka sy ny fikarakarana zanaka.)

  • Nahoana ny fitondrana ao am-bohoka (raha afaka) sy ny fikarakarana zaza no manan-danja eo amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ny fahasambarana?

Mampisehoa sarin’ireo zatovolahy miaramila. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra fantany momba ny finoan’ireo zatovolahy ireo (jereo ny Almà 56:45–48; 57:21–26).

Sary
Zatovolahymiaramila roa arivo, nataon’i Arnold Friberg
  • Inona no fiantraikan’ny zavatra nataon’ny renin’ireo zatovolahy miaramila teo amin’ny fiainan’izy ireo sy teo amin’ny fiarovana ny firenena Nefita?

Ho fiomanana amin’ny fotoam-pianarana dia nasaina ireo mpianatra mba handefa taratasy ho an’ny reniny na olona mitana ny toeran’ny reny izay nitondra fitahiana teo amin’ny fiainan’izy ireo. Azonao atao ny manasa mpianatra vitsivitsy hizara ny fiantraikan’ny zavatra nataon’ireo vehivavy izay nanoratany taratasy teo amin’ny fiainany. Na raha tsy nanoratra taratasy ny ankamaroan’ny mpianatra dia azonao asaina izy ireo hanokana minitra vitsy hanoratra hafatra mba halefa mandritra ny fotoam-pianarana.

Asao ireo mpianatra hisafidy iray amin’ireto ohatra manaraka ireto izay manoritsoritra hevitra na fihetsika mety ho hitan’izy ireo amin’ny tambajotran-tserasera. Asao izy ireo hanoratra valiny ara-binavina izay heveriny fa afaka mamaly tsara izany fihetsehampo izany. (Raha manana ohatra tena miseho marina eo amin’ny fiainana izay tiany hampiasaina ireo mpianatra dia asao izy ireo hampiasa izany ohatra izany.) Amporisiho ireo mpianatra hampiasa ny zavatra nianarany tao amin’ny fandalinan’izy ireo ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana sy avy amin’ny zavatra niainana manokana, ary koa hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo, rehefa mamaly izy ireo.

  • Faritan’ny namana iray ho fanariana ilay tena anaty ananan’ny vehivavy ny maha-reny ka nilaza izy hoe mametra ny zavatra vitan’ny vehivavy ny fisafidianana ny hanana fianakaviana toy izay hiasa.

  • Mahatsapa ho tsy ankasitrahana ny namana iray. Mahatsapa izy fa tsy misy dikany ny zavatra ataony ho an’ny zanany ary tsy dia reny tsara izy.

  • Miahiahy ny namana iray hoe: “Ahoana raha tsy ilay karazan’olona mahakolokolo aho? Ahoana no ahafahako ho ilay karazana reny tian’ny Tompo hahatongavako?”

  • Mahatsapa alahelo lalina ny namana iray satria tsy afaka nanan-janaka izy mivady.

Rehefa avy nomena fotoana ampy ireo mpianatra, dia manasà vitsivitsy amin’izy ireo izay maniry ny hizara ny zavatra nosoratany mba hanao izany.

Ho famaranana ny lesona dia azonao atao ny manasa ireo mpianatra hieritreritra ny zavatra azon’izy ireo atao mba hanatanterahana ny andraikiny masina amin’ny maha-reny azy na hanampiana ireo vehivavy akaiky azy ireo amin’izany andraikitra izany. Amporisiho ireo mpianatra mba hiantehitra amin’ny fanampian’ny Tompo eo am-panaovan’izy ireo izany ezaka izany. Mijoroa ho vavolombelona na manasà mpianatra hijoro ho vavolombelona, momba ny maha-zava-dehibe ny maha-reny ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra.

Ho an’ny lesona manaraka

Asao ireo mpianatra handinika ny andraikitry ny ray eo am-pandalinan’izy ireo ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana ho an’ny lesona 20. Mety ho te hanoratra taratasy fankasitrahana ireo mpianatra ho an’ny rainy na olona mitana ny toeran’ny ray izay nitondra fitahiana teo amin’ny fiainan’izy ireo.

Hamoaka printy