Institiota
Lesona 2, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny anjara asan’ny mpaminany amin’ny fanambarana ny fotopampianarana momba ny Fianakaviana mandrakizay


“Lesona 2, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra: Ny anjara asan’ny mpaminany amin’ny fanambarana ny fotopampianarana momba ny Fianakaviana mandrakizay,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra (2022)

“Lesona 2, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra,” Ny fianakaviana mandrakizay: Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Lesona 2, Tahirin-kevitra ho an’ny mpampianatra

Ny anjara asan’ny mpaminany amin’ny fanambarana ny fotopampianarana momba ny Fianakaviana mandrakizay

Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” dia manomboka amin’izao teny izao: “Izahay, Fiadidiana Voalohany sy ny Filankevitry ny Apôstôly Roambinifolo ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, dia manambara amim-boninahitra …” (ChurchofJesusChrist.org). Ity lesona ity dia hanampy ny mpianatra hahatakatra ny andraikitra masin’ireo mpaminany amin’ny maha-mpitily manambara ny sitrapon’ny Tompo sy mampitandrina amin’ireo loza manambana ny toe-panahintsika azy ireo. Hanana fahafahana hamaritra ny fomba azon’izy ireo hampiharana faharetana sy finoana bebe kokoa ny Tompo ireo mpianatra rehefa mikatsaka ny hihaino ny fampianaran’ireo mpaminaniny velona momba ny fanambadiana sy ny fianakaviana.

Sosokevitra enti-mampianatra

Miantso ireo mpaminany ny Tompo mba ho mpitily eo amin’ny tilikambo.

Asehoy izao fanontaniana manaraka izao mialoha ny fotoam-pianarana:

  • Nahoana ireo mpaminany no misafidy ny hiresaka lohahevitra sarotra sy hanohitra ireo fomba fanao eken’ny fiarahamonina, kanefa fantany fa hahatezitra olona ny teniny?

Atombohy amin’ny fanontaniana ireo mpianatra ny eritreriny momba io fanontaniana io ny fotoam-pianarana. Ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra ataonareo dia azonao vakina amin’ny mpianatra ny teny nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson ao amin’ny fizaran 1 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana.

  • Ahoana no hamintinanao ny zavatra nolazain’ny Filoha Nelson? (Ampio ireo mpianatra hahita fahamarinana toy ny hoe: Maneho ny fitiavany Andriamanitra amin’ny alalan’ny fiantsoana mpaminany mba hampitandrina sy hiaro antsika. Maneho ny firaharahiany ny olon-drehetra ny mpaminany rehefa mampianatra fahamarinana.)

  • Ahoana no nahatsapanao ny fitiavan’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ireo fampitandremana sy fanitsiana ary torohevitr’ireo mpaminany velona? (Hevero ihany koa ny hizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba izany.)

Asehoy ny iray amin’ireo sarin’ny mpitily hita ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manoman ny fotoam-pianarana, dia omeo fotoana ireo mpianatra hamerenana mijery ny Ezekiela 3:17–19.

  • Inona no hitovian’ny mpaminany amin’ny mpitily eo amin’ny tilikambo?

Azonao atao ny mihazona tahadikan’ny fanambarana ho an’ny fianakaviana ary manontany hoe:

Mandidy antsika ny Tompo mba hanaraka ireo mpaminany amim-paharetana sy finoana.

Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hanao ny lisitr’ireo antony mahatonga ny olona tamin’ny andro taloha mety hisafidy ny tsy hiraika amin’ ny fampitandreman’ny mpitily.

Hevero ny hizara izao rafi-tantara manaraka izao (na mamorona iray izay mifandray tsara amin’ireo mpianatra) ary asao ireo mpianatra mba hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto:

Nampianarina ny fotopampianarana voarakitra ao amin’ny fanambarana ho an’ny fianakaviana i Jorge hatry ny fahakeliny. Mino anefa ireo zanaky ny mpiray tam-po amin’ny ray aman-dreniny sy ireo namany fa tery saina sy tsy milefitra amin’ny safidim-piainana sasany izany. Mitombina amin’i Jorge ny sasany amin’ny zavatra lazain’izy ireo. Manontany tena izy raha toa ka efa lany andro ilay fanambarana.

  • Inona no eritreritrao momba ny toe-javatra misy an’i Jorge?

  • Inona avy ireo fitaomana mampahasarotra ny faneken’ny olona ireo fampianarana ao amin’ny fanambarana ho an’ny fianakaviana?

Asao ireo mpianatra hamaky na hamerina hijery ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:4–6. Ampahatsiahivo azy ireo fa ireo andininy ireo dia miresaka ny mpaminany Joseph Smith ary raha itarina dia afaka mihatra amin’ny Filoha ankehitrinin’ny Fiangonan’ny Tompo ihany koa.

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe mandray ny tenin’ny mpaminany “amin’ny faharetana sy ny finoana rehetra” (andininy 5)?

  • Ahoana no hamintinanao ireo fampanantenan’ny Tompo an’ireo izay mandray sy mihaino ny tenin’ireo mpaminaniny amin’ny faharetana sy finoana? (Azonao ampiana ireo mpianatra hahita fitsipika toy izao manaraka izao: Rehefa mihaino ny tenin’ny mpaminany isika dia hitahy antsika ny Tompo ary hampihahaka ny herin’ny haizina.)

Manatsara ny fampianarantsika sy ny fianarantsika

Ampio ireo mpianatra hiaina fianarana lalina kokoa. Rehefa mampianatra ianao dia mifantoha amin’ny zavatra tsy maintsy iainan’ny mpianatra sy ataony mba hanasana ny fanambarana ho an’ny tena manokana sy hampahalalim-paka ny fiovam-po. Ahoana no fomba hanampianao azy ireo hampitombo izay efa fantatr’izy ireo? Ahoana no fomba hanampianao azy ireo ho lasa mpianatra mavitrika sy mandray anjara amin’ny fianaran’ny hafa? Ahoana no hanomezanao fahafahana azy ireo hamantatra ireo fitaomana avy amin’ny Fanahy Masina?

Mba hanampiana ny mpianatra handinika ohatra amin’io fitsipika io dia omeo minitra vitsy izy ireo hamakina na hamerenana mijery ilay tantara ao amin’ny soratra masina izay nosafidiany tao amin’ny fizarana 3 ao amin’ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana. Azonao zaraina ho vondrona kely maromaro izy ireo dia asao ireo mpianatra hifanakalo hevitra momba ny valin-tenin’izy ireo amin’ny fanontaniana eo amin’ilay sahanasa hoe “Raketo an-tsoratra ny eritreritrao” ao amin’ny fizarana 3. Raha tsy izany dia asao ireo mpianatra hifanakalo hevitra momba ny valin-teniny miaraka amin’ny iray kilasy.

Azonao atao ihany koa ny manasa ireo vondrona mba hiresaka momba ireto fanontaniana rehetra manaraka ireto na ny sasany amin’izany (na azonao ifanakalozana hevitra miaraka amin’ny iray kilasy izany):

  • Teo amin’ny fiainanao, inona no efa nanampy anao hihaino ny tenin’ny mpaminanin’ny Tompo tamin’ny faharetana sy finoana? Inona no fantatrao momba ny Tompo izay afaka manampy anao hamaly amin’izany fomba izany ny tenin’ireo mpaminany?

  • Oviana ianao no nahatsapa ho voatahy na nisy haizina nihahaka noho ny fihainoana ny tenin’ny mpaminany tamin’ny faharetana sy finoana?

  • Inona no torohevitra vao tsy ela nomen’ny Tompo tamin’ny alalan’ireo mpaminaniny izay mety mitaky faharetana sy finoana ny fahazoana na ny fihainoana azy?

Asehoy ireto fanontaniana manaraka ireto, dia omeo fotoana ampy ireo mpianatra mba hisaintsaina ireo izay tena mihatra amin’izy ireo. Amporisiho ireo mpianatra mba hirakitra an-tsoratra na hanao zavatra mifanaraka amin’izay fahatsapana voarain’izy ireo.

  • Raha toa ka sarotra amiko ny hanaiky ny zavatra nampianarin’ny mpaminany iray momba ny fanambadiana na ny fianakaviana, dia ahoana no hataoko? Inona no mety ho tian’ny Tompo hataoko amin’izany toe-javatra izany?

  • Manao ahoana ny faniriako sy ny tsy fivadihako amin’ireo ezaka ataoko mba hihaino ny torohevitr’ireo mpaminanin’ny Tompo mahakasika ny fanambadiana sy ny fianakaviana? Tian’ny Tompo ho toy ny ahoana ny fivoarako?

Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fahamarinana izay nianarana tao anatin’ity lesona ity. Omeo toky ireo mpianatra fa vonona ny hanampy azy ireo ny Tompo rehefa miezaka ny mihaino ny tenin’ny mpaminany amin’ny faharetana sy finoana rehetra izy ireo.

Ho an’ny lesona manaraka

Azonao atao ny manasa ireo mpianatra mba hieritreritra raha toa ka efa nanontany tena izy ireo hoe iza no hahatongavan’izy ireo indray andro any na inona no tokony ho nataon’izy ireo teo amin’ity fiainana ity. Amporisiho ireo mpianatra mba handalina ombam-bavaka ny tahirin-kevitra hoenti-manomana ny fotoam-pianarana manaraka miaraka amin’izany eritreritra izany ao an-tsaina.